niova ?

1. Noue ( 07/09/2008 15:40)
izaho ve no manofy sa niova ny endriky ny serasera pejy fandraisana ? toa somary very kely manko aho zany.
novalian'i haja7 ny 03/11/2008 19:14
2. ssendra ( 07/09/2008 17:12)
tsara ka!
3. ssendra ( 07/09/2008 17:14)
tsara loko fa couleur- ndehilahy :lol:
4. Noue ( 07/09/2008 17:42)
ié ! tsy ampy lokom-behivavy kely :-D :-D :-D :-D :-D

fa tsara ka ! :) somary matroka kely kosa aloha an !
5. simplex ( 07/09/2008 18:48)


manja be :)
6. ikaretsaka ( 07/09/2008 19:59)
ny fitiavana sy ny firariantsoa fankaherezana ato hoa toa mifanindry e?
7. kelly13 ( 08/09/2008 06:15)
neveriko fa za no diso fijery teo marina mafy :)
8. kelly13 ( 08/09/2008 06:31)
fa tô tsy mande ny smileys refa any @ afatra?
9. itaramasoandro ( 08/09/2008 15:28)
Raha "telomiova" ny sary famantarana ny "serasera", mankasitraka ny aty; fa aiza kosa ary ny daty famantàrana ny andro iseoany?
Tsara raha ampiana io daty io eo @ takelaka fanokàfana. Misaotra bdb manatsara ny efa akaikin'ny lavorary!
itaramasoandro
10. itaramasoandro ( 08/09/2008 16:11)
Ny tiako holazaina dia miovaova laotra ny famantarana ny "serasera" satria indray mandeha, baobab-miloko-volontotozy, indray mandeha zavatra hafa miloko-mena-somary-laoranjy tahaka ny eto @ forum, saiky telomiova. Ahoana raha famantarana iray dia iray ihany dia ampy miaraka @ daty famantarana ny andro hiseoany?
mbola itaramasoandro matetipihavy toa sotrokely :-))


itaramasoandro:

Raha "telomiova" ny sary famantarana ny "serasera", mankasitraka ny aty; fa aiza kosa ary ny daty famantàrana ny andro iseoany?
Tsara raha ampiana io daty io eo @ takelaka fanokàfana. Misaotra bdb manatsara ny efa akaikin'ny lavorary!
itaramasoandro




:) :)
11. ssendra ( 08/09/2008 16:40)
Ny tiako holazaina dia miovaova laotra ny famantarana ny "serasera" satria indray mandeha, baobab-miloko-volontotozy, indray mandeha zavatra hafa miloko-mena-somary-laoranjy tahaka ny eto @ forum, saiky telomiova. Ahoana raha famantarana iray dia iray ihany dia ampy miaraka @ daty famantarana ny andro hiseoany?
mbola itaramasoandro matetipihavy toa sotrokely )


ka tsara ny miova tête de temps en temps fa tssy olana izany amiko....
12. kelly13 ( 08/09/2008 16:56)
inn zany "miloko volontotozy" azafady?
13. Noue ( 08/09/2008 17:01)
itaramasoandro:

Ny tiako holazaina dia miovaova laotra ny famantarana ny "serasera" satria indray mandeha, baobab-miloko-volontotozy, indray mandeha zavatra hafa miloko-mena-somary-laoranjy tahaka ny eto @ forum, saiky telomiova.

amiko kosa aloha dia tsy hitako izay maharatsy ny fihovana na dia atao matetika aza io e ! tsy aleo lavitra aza ve solosolohina foana io loko io ?


:) :) milay be ka ! :) :)

ary raha mba ny fahasahiranan'ny tompon'andraikitra @ fanomezana fahafafaham-po ho antsika rehetra no mba jerena kely ? :) :) :) :) :) :)
14. itaramasoandro ( 08/09/2008 18:35)
kelly13:

inn zany "miloko volontotozy" azafady?


tsy inona io fa ny loko manja, hainao io loko io? ampiana sary ny loko mba hanome hatsikana é!

15. ssendra ( 08/09/2008 18:49)
ilay sary hatsikana izany no tena tsy ampy amin'illay fanatsaràna ry itaramasoandro :/
neveriko fa hoe volombatolalaka ilay hoe volontotozy :-D
16. ssendra ( 08/09/2008 18:50)
ny loko manja
:arrow: inona indray ary ilay atao hoe loko manja e?
17. itaramasoandro ( 08/09/2008 18:52)
Noue:

itaramasoandro:

amiko kosa aloha dia tsy hitako izay maharatsy ny fihovana na dia atao matetika aza io e ! tsy aleo lavitra aza ve solosolohina foana io loko io ?
:) :) milay be ka ! :) :)
ary raha mba ny fahasahiranan'ny tompon'andraikitra @ fanomezana fahafafaham-po ho antsika rehetra no mba jerena kely ? :) :) :) :) :) :)


efa voateny etsy ambony ny fankasitrahana ny asan'ny admin fa ny sosokevitra natao dia ny hialàna indrindra @ fahasahiranana nohon'ny fanovanovana ny tarehin'ny takelaka.
Ny vokatra azo @ takelaka fandraisana iray dia iray saingy mitsinjara arantsokajiny ao anatanin'ny loko iray dia ny ahafantaran'ny mpamaky-namana fa tontolo iray hifankahitàna ny serasera. Mamelà ahy ampiasa ny fiteny vahiny hoe "fidéliser son public" mba hialàna @ fahaverezana anaty tranokalan'ny serasera nohon'ny takelaka isankarazany samihafa loko (misy namana nanambara io fahaverezana io fa tsy irery aho!!)




18. ssendra ( 08/09/2008 18:59)
izaho aloha tsy mahatsapa very e... ^^ :/
19. itaramasoandro ( 08/09/2008 19:04)
ssendra:

ny loko manja
:arrow: inona indray ary ilay atao hoe loko manja e?


manja = volombatolalaka antitra, sahala ihany ireo reroy e

20. ssendra ( 08/09/2008 19:13)
hay ve! ka tsy maitso antitra ve ilay izy ao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4017