Religion Vs Salvation(Famonjena )

1. niryna ( 25/08/2008 17:14)
Inona no mahasamihafa ny atao hoe Religion sy ny Salvation na (Famonjena) ?
misaotra betsaka
(l) niryna
répondu par niryna le 30/08/2008 00:09
2. ikaretsaka ( 25/08/2008 17:58)
ankoatran'ny anarany (izay efa samihafa aloha dia)
ny fijerin'ny olona..
misyny mihevitra hoe mila ao anaty religion vao mahazo salvation
misy ny mihevitra ny mifanohitra @ izay

tsy hidirako lalina ny hoe iza marina no mahavonjy... fa manjary misandoka ny toeran'ny Mpamonjy!
3. xxx ( 26/08/2008 09:29)
Avy @ religion aloha vao mahazo famonjena ka lojika be zany , satria hoy ny mpamonjy , izaho no lalana sy fiainana , tsy misy mankany @ i Raay afa tsy @ alalako , donc mazava be io fa tsy misy religion hafa afaka miditra any mahazo ny famonjena , eny fa na dia ny ao aza mbola fantenana
4. prime ( 26/08/2008 11:07)
niryna> Tsy haiko raha mety hahalaza azy na tsia...

Ny "Réligion" dia avy amin'ny olona miakatra mankany amin'Andriamanitra... indraindray mila ezaka manokana... avy amin'ny olona manambara ny momba an'Andriamanitra... mety ho vavaka, mety ho asa, mety ho rafitra... sns

Ny "Salvation" dia avy amin'Andriamanitra midina mankamin'ny olona... tsy mila ezaka fa mitaky finoana... (akaiky ilay nambarako indray maka hoe "Révélation", Andriamanitra manambara ny tenany)
5. ikaretsaka ( 26/08/2008 11:46)
ka eo indrindra isika ra prime le hoe tsy miditra lalina.. sao mijabaka

satria manoatra nohon'ny hoe "iza no tonga aloha ny akoho sa ny atody"
raha manao hoe "mila miakatra aloha ve vao midina sa mila midinaaloha vao miakatra"?
asa raha azonao :-D :-D :-D
6. niryna ( 26/08/2008 15:53)
prime:

niryna> Tsy haiko raha mety hahalaza azy na tsia...

Ny "Réligion" dia avy amin'ny olona miakatra mankany amin'Andriamanitra... indraindray mila ezaka manokana... avy amin'ny olona manambara ny momba an'Andriamanitra... mety ho vavaka, mety ho asa, mety ho rafitra... sns

Ny "Salvation" dia avy amin'Andriamanitra midina mankamin'ny olona... tsy mila ezaka fa mitaky finoana... (akaiky ilay nambarako indray maka hoe "Révélation", Andriamanitra manambara ny tenany)
misaotra e ,mazava
izay koa no fahalalako azy ry prime ,
Ny "Religion" dia olona no namorona zavatra ka eritreretiny hoe iny no tokony atao mba ahafahana mankany na manatona an'Atra :dia ampiasainy daholo ireo zavatra rehetra ka lasa iny indray no hifatohan'ny olona .
Dia tafiditra ato izany ilay fiteny hoe masa,miasa mba ho fantatry ny olona ny asanao ? oops ..dia afaka mitanisa ireny olona manao asa ireny fotsiny fa tsy mampianatra ny olona amin'ny fivavahana hoe miasa isika fa ny famonjena dia avy amin'i JK irery ihany no lalana ahafahantsika mankany amin'ny Rainy e.
Nisy olona nalaza be izay mantsy tonga nitsidika taty aminay ary dia tena tsy nisy fampianarana izany famonjena izany mihitsy,tsy niresaka an'i JK izy ary tsy nisy na niantso ireo olona izay mangetaheta an'Atra ka hanatona Azy..

Ny "Famonjena " indray dia io voalazanao io koa no fahalalako azy,nomen'Atra antsika ny Zanany mba hamonjy antsika ary avy amin'io Zanany Malalany io irery ihany no ahafahantsika mankany amin'ny Rainy.

Kristy irery ihany no ahazoantsika famonjena ary izy irery ihany no lalana iray ahafahantsika mankany amin'ny Rainy fa tsy ny "Religion"

Ny fanontaniako dia hoe raha mino an'Atra ny olona fa tsy mino fa any amin'i JK irery no lalana mankany amin'ny Ray dia tsy ho voavonjy izany ny fanahiny ? misaotra mialoha


7. niryna ( 26/08/2008 15:56)
ikaretsaka:

ankoatran'ny anarany (izay efa samihafa aloha dia)
ny fijerin'ny olona..
misyny mihevitra hoe mila ao anaty religion vao mahazo salvation
misy ny mihevitra ny mifanohitra @ izay
marina izany fa raha ny sm no jerena dia ahoana no fahalalanao azy ?
ikaretsaka:

tsy hidirako lalina ny hoe iza marina no mahavonjy... fa manjary misandoka ny toeran'ny Mpamonjy!
nein ,tsy misandoka mihitsy izany fa mampahafantatra anay tsy mahafantatra raha mahafantatra ohatra dia iny no raisinay ka ,raha tsy mahafantatra kanefa milaza fa mahafantatra dia mety mandray koa izahay fa izay manome hevidiso no ho foteran'ny rambony sa tsy izany ?


:D :D
8. niryna ( 26/08/2008 15:58)
xxx:

Avy @ religion aloha vao mahazo famonjena ka lojika be zany , satria hoy ny mpamonjy , izaho no lalana sy fiainana , tsy misy mankany @ i Raay afa tsy @ alalako , donc mazava be io fa tsy misy religion hafa afaka miditra any mahazo ny famonjena , eny fa na dia ny ao aza mbola fantenana

toa mifanohitra hono io ry xxx a ,famonjena tsy religion kou

:roll:
9. niryna ( 26/08/2008 15:59)
ikaretsaka:

ka eo indrindra isika ra prime le hoe tsy miditra lalina.. sao mijabaka

satria manoatra nohon'ny hoe "iza no tonga aloha ny akoho sa ny atody"
raha manao hoe "mila miakatra aloha ve vao midina sa mila midinaaloha vao miakatra"?
asa raha azonao :-D :-D :-D

oh boy !! rehefa tsy miakatra ve ny fanahy tsy hi-idina k'le !

:D :D
10. fahamarinana ( 26/08/2008 16:05)
niryna:
fa izay manome hevidiso no ho foteran'ny rambony sa tsy izany

:arrow: fa maninona kosa no lazaina ombieny hoe ifoteran'ny rambony foana izay manao hevidiso , mahafinaritra ve ny mijery olona ifoteran'ny rambony zany,tsy mora anie e,azo atao koa ny manitsy,rehefa tsy tafita moa ny fanitsiana dia mangina,na mivavaka fa tsy atao farateny ..hevitro aloha zay fa raha diso dia avereno amiko... :) (l)
11. niryna ( 26/08/2008 16:25)
Asa aloha ry ireto fa Kristy dia nanao fanoharana foana ary nolazainy fa aza manao toy ny fanaon'ireo fariseo mpihatsaravelatsihy,noheveriny fa noho ny fanaovany ny vavaka lavareny no heveriny ho henoin'Atra azy...dia ao ihany koa ireo olona mamoron-javatra mba ahafahany mampiseho izany hoe finoana izany kanefa ilay finoana dia ao anaty aloha,mino an'ilay Zanaka nalefany tety an-tany hamonjy antsika rehetra.
Dia mbola mitombona foana hatramin'izao satria ireo mieritreritra fa raha tsy manao izao dia tsy ahazo famonjena,miasa mafy,manao izay tratry ny aina ,tsy maintsy miangona,mivavaka amin'ny razana na olona efa maty na zavatra hafa akambana amin'ny fivavahana na tsy maintsy manao ity na izaroa raha tsy izany tsy mankany amin'Atra kanefa ny teniny dia mazava fa tsy mila manao na inona na inona isika .
Dia mbola ao ihany koa ireo finoana hoe tsy mahazo mihinana izato na ity kanefa tamin'izany taonjato maro maro izany no niditra tany amin'ny kisoa ny fanahy maloto ka ny kisoa rehetra taty aoriana ve dia mbola eritreretina hoe misy fanahy maloto ihany ? mety misy bilariziozy angaha raha tsy masaka tsara na hoe mankarary ny fihinanana hena betsaka dia tsy maninona raha tsy hohanina fa raha io no atao hoe tsy mahazo famonjena dia laviko kosa satria izay zavatra rehetra hohanina ka hivavahana ary angatahina fisaorana na tso-drano amin'Atra dia mahazo ho hanina avokoa (soratra masina no manambara izany)

Paoly na Saoly dia nanaraka tsara ny fivavahany ( ireo izay nanenjika ireo mpanaradia an'i kristy) fa efa Fariseo aho araka ny antoko fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika Asa 26: 5 .vao nantsoin'i kristy ka lasa izy indray no nampianatra ny olona hibebaka sy anatona an'i kristy http://baiboly.org/toko.asp?boky=ASA&toko=26&andininy=1-5&dika=

Jakoba na James dia mampiseho izany koa fa
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany. Jakoba 1:26


Ireo no fahalalako ny "Religion" sa ahoana hoy hianareo ?
12. ikaretsaka ( 26/08/2008 22:10)
niryna:


Jakoba na James dia mampiseho izany koa fa
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany. Jakoba 1:26



de eto indrindra isika no Mila mandinintena tsara ny momban'io angamba ka!
tsara angamba io raha dinihina @ tenan'ny tsirairay alohan'ny hitaterana izany eto fotsiny sa?


13. niryna ( 27/08/2008 21:34)
fahamarinana:
azo atao koa ny manitsy,rehefa tsy tafita moa ny fanitsiana dia mangina,na mivavaka fa tsy atao farateny ..hevitro aloha zay fa raha diso dia avereno amiko... :) (l)
:D misaotra manazava
14. fahamarinana ( 27/08/2008 21:49)
:arrow: tsisy fisaorana e..am-pitiavana no nanazavako fa na zà aza mety tsy mahavita tanteraka koa. :) (l)
15. ikaretsaka ( 27/08/2008 22:09)
marina iznay faha an. mety mihitsy ny anao.
zany hono ry mpanao fara-teny a :wink:
16. ravatorano ( 28/08/2008 07:15)
ika < fara teny v mifanohatra amin'ny lahimatoa teny :-D :-D :-D

misaotra anareo aloha nanome fanazavana fa dia misy hotsakotsakoina tsara e
:D
17. ikaretsaka ( 28/08/2008 07:32)
nga ny teny misy seksa le? no hoe lahimatoa?
18. prime ( 28/08/2008 10:42)
ikaretsaka:
ka eo indrindra isika ra prime le hoe tsy miditra lalina.. sao mijabaka

satria manoatra nohon'ny hoe "iza no tonga aloha ny akoho sa ny atody"
raha manao hoe "mila miakatra aloha ve vao midina sa mila midinaaloha vao miakatra"?
asa raha azonao
... Misaotra anao amin'ny fanamarihana...

Raha ny tenin'Andriamanitra kosa aloha ra-ika dia ny avy amin'Andriamanitra no voalohany ary maro ny voasoratra no manambara izany...

Amin'ny anaran'i Jesosy :
"Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika." I Jaona 4:10

"Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." Romana 5:8
19. bor2lais ( 28/08/2008 15:29)
prime:

ikaretsaka:
ka eo indrindra isika ra prime le hoe tsy miditra lalina.. sao mijabaka

satria manoatra nohon\'ny hoe \"iza no tonga aloha ny akoho sa ny atody\"
raha manao hoe \"mila miakatra aloha ve vao midina sa mila midinaaloha vao miakatra\"?
asa raha azonao
... Misaotra anao amin\'ny fanamarihana...

Raha ny tenin\'Andriamanitra kosa aloha ra-ika dia ny avy amin\'Andriamanitra no voalohany ary maro ny voasoratra no manambara izany...

Amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an\'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra\'noho ny fahotantsika.\" I Jaona 4:10

\"Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.\" Romana 5:8


-> Na ao @ TT aza toa mitombona ihany io fanamarihan\'i \"prime\" io : Andriamanitra no tia voalohany fa ny olombelona no nihataka ... (sa HS ?)
20. ikaretsaka ( 28/08/2008 16:00)
ka io ange le hoe iza no marina? i jakoba sa i paoly e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088