MAHAJANGA 2008

1. naritsimba ( 20/08/2008 07:13)
Miarahaba antsika namana rehetra!
Dia raikitra izany fa dia ny Zoma 22 Aout 2008 no fiaingana ho any Mahjanga ho an'ireo izay vonona ny andeha.
Nisy ny fiovan'ny fandaharam-potoana noho ny fisondrotan'ny saran-dalana, isaorana sahady ireo mpikambana malala-tanana izay nameno ny tsy ampy tamin'izany mba hanatontosana ity fakan-drivotra 2008 ity na dia hisy aza ireo hody aloha noho ny asa aman-draharaha.
Tsara ny manamarika etoana fa dia mianto-tena tanteraka ireo rehetra vonona ny andeha.
Mirary fialan-tsasatra mahafinaritra ka ho tsara mandroso ho tsara miverina daholo ny namana rehetra.
naritsimba
2. dadabe ( 20/08/2008 11:17)
mercii

zah kounkou endraso eo la gare sady hividy mofo menakely aho a :wink:
3. fahamarinana ( 20/08/2008 11:37)
:arrow: mahafinaritra fa mihetsiketsika be daholo na ny any dago na ny aty an-toerana....mahereza dia manaova vokansy be daholo e... :) (l)
4. RATOVOARY ( 20/08/2008 12:50)
Noheveriko fa maty momoka tao le vacance kay niotrika kely fotsiny.
Zahay aloha ny week-end angamba no afaka mitsirika kely any ze misy anareo fa tena mikandra mafy e!
5. avylavitra ( 20/08/2008 14:05)
Ho anareo zay mihevitra ny histirika ary dia ao amin'ny Centre de Developpement de la Culture Crevetiere ao Betanimanga, route d'Amborovy ny rehetra no mitoby e!

Tongava re, tongave re,
tongava mamangy ny tanàna misy anay,
Tongava aza misalasala ho'aho,
tongava manaraka ny arabe,
zay mitondra mankany a!
6. ikalamako ( 20/08/2008 23:55)
bôny voiazy daholo zany e ! Mahazoa rivotra tsara fa ny sasatra tsy ho afaka akory fa ny rivotra no ovaina e. Mankafiza le rano masira an ! Aza adino mihodidina impito ilay baobab efa 300 taona, veloma indrindra any amin'i Kamba kely sy ny fianakaviany, dia mba alefaso eto re ny mosakikin'ny bord raha tsy manahirana e !
Sali sali
7. rakaroka ( 21/08/2008 22:28)
'ndreiiiiiyyyyy :roll: Afak'omaly tany an-dranomasina izahay sy Ikalamako dia hoe : Ity ranomasina ity 'zao tafapaka hatrany Dago : ventso izany ! Taratry ny fo aman-panhy hoe : "Misy namana sy tapaka tsy hadino any" . Dia miray fo amam-panahy aminareo koa amin'izao vankasy izao. Hitondra aim-baovao ho antsika hatrany izany. Kiss daholo dia bôny vonkasy daholo ô! :-* :-*
8. Ralay ( 22/08/2008 07:24)
Tonga ilay andro nandrasana izany ka dia mirary anareo namana dago hanao vakansy milay be dia ho tsara mandroso sy ho tsara miverina daholo.
Miandry ny tatitra sy ny sary isanandro raha possible.
:lol:
9. naritsimba ( 22/08/2008 08:08)
any izany mahita izy eh!
ezahana ny hanao tatitra fa miankina @ connexion any an-toerana ihany io.
10. sipagasy ( 22/08/2008 12:08)
efa tonga veh izay nareo sa mbola eny an-dalana e!!!!! efa maika ny hahita sary izahay e!!

soava dia e!!!!
11. mangidy ( 22/08/2008 12:43)
rakaroka:

'ndreiiiiiyyyyy :roll: Afak'omaly tany an-dranomasina izahay sy Ikalamako dia hoe : Ity ranomasina ity 'zao tafapaka hatrany Dago : ventso izany ! Taratry ny fo aman-panhy hoe : "Misy namana sy tapaka tsy hadino any" . Dia miray fo amam-panahy aminareo koa amin'izao vankasy izao. Hitondra aim-baovao ho antsika hatrany izany. Kiss daholo dia bôny vonkasy daholo ô! :-* :-*


indrisy mantsy fa raha mba nanan'elatra de mba niaraka t@ ireo namana tany janga e!
soava dia dhl de ho tsara mandroso ary tsara miverina e!
12. fijo ( 22/08/2008 20:36)
tsy mila elatra ka,ny sain aalefa dia ok
13. tsiambaratelo ( 24/08/2008 14:01)
Aza hadino ny voan-dalana e!tsara miverina aby e!de mampamangy any
aminy namana rehetra ao Mahajanga
ao e! :-* :-* :-* :-* :-* :-* :-*
14. ikalamako ( 24/08/2008 23:26)
nandalo niserana hijery raha efa tonga ny sary hakana aretina @ "indrisy, inay anie aho vorona". Mirary soa foana eto ampiandrasana izany e. Biz daoul
15. diamondra27 ( 25/08/2008 10:43)
efa tonga soa aman-tsara any Mahajanga aby ny ekipa solide , izay ny vaovao farany tam le vao tonga ny car.
Merci ho an'ny mpanome vaovao tamin'ilay tatitra e!

Amusez-vous bien wa an, de aza adino le hafatra
16. rakaroka ( 26/08/2008 12:37)
Kopy aho @ tsy fisian'ny sary aloha, koa 'za aza niverina vao afa-nampiditra koh!
dia miandry sy mirary fihaonana soa no atao e! :-*
17. mimich ( 26/08/2008 13:14)
mahafinaritra r reto ah!!!
tsy ho voatantara fa aleo ireo manam-pahaizana manokana amain'ny fitantarana no hilaza azy!!!
sady izaho ilay efa saika tsy afaka nandeha no tafalasa ihany

18. RATOVOARY ( 26/08/2008 13:46)
Zaho ry zareo araka iny nolazaiko anareo t@ sabotsy 23/08 iny fa tena sempotra be @ passation ( handeha congé kely ny sept ) de tena tsy afaka mamangivangy ah! Mahereza de mahazoa fahafinaretana @ vacance e!
19. glou ( 26/08/2008 15:19)
Mpandefa : avylavitra [ Valio ] 20-08-2008 02:52:10
Lohateny : Re : vacances mahajanga tohiny
Miala tsiny kely e! Mba hitondra fanazavana fa toa misy resaka mivilana mantsy momba ity resaka Vacances Mahajanga ity.
Ao anatin'ny commission mikarakara azy ity aho, indrindra fa ny lafiny fitantanana ny vola. Mandeha ny resaka fa hoe ny volan'ny fikambanana no ho laniana any. TSIA dia TSIA no valiny. Ny rehetra no nasaina nandrotsaka ny anjarany ho amin'izany mba hiantohana ny fandaniana. Isaorana aza ireo nanao mihoatra noho ny tokony ho naloany, fa ny hany volan'ny fikambanana hivoaka amin'io dia izay hitondrana fanampiana ho an'i Kamba mianadahy (ilay zaza nodidiana tetsy amin'ny HJRA).
Raha misy moa mila fanazavana misimisy kokoa momba izay dia manorata amiko fa vonona ny hamaly anareo aho.
Noho izany dia aza malahelo hoe ndeha handany ny volan'ny fikambanana ny ankizy ho any Mahajanga, fa ny azy ihany no hanajana azy, ary ny an'ny fikambanana resaka, hafa. Ary tandremo koa ny diso mora entim-po sy mandray an-tendrony ry reto a!
Manahirana koa mantsy rehefa tafiditr'ilay resaka tia mifandrangindrangitra sy mifananihany izay ny resaka atao, ka manjary raisina ho toy ny tena izy, dia mampivilana zavatra avy eo.
MINO AHO FA MAZAVA NY AMIN'INY
20. glou ( 26/08/2008 15:23)
euuhhh, zah zany vao tonga avy any fa tena mbola vizana be de tsy mahasoratara betsaka fa de nilay be tany de zah ary nalahelo mihintsy nody aloha fa tsy hita eh: ho avy eo ny mpanao gazety sy ny mpaka sary hanoy fa dia andeha haka aina aloha ehh
glou_
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2857