FANAGASIANA NY FAMPIANARANA / LOZA HO AN'NY MADINIKA
1. kabota
(
12/08/2008 07:19)
Nosy anie isika e! Azo atao ny mampita ny fianarana mba ho azon'ny gasy kely Ny documents rehetra anie mbola amin'ny teny vahiny e! Nahoana raha omanina mandritry ny 10 taona ny mpampianatra handalina sy hanoratra ary hanomana ny fitaovana raha avadika ho teny gasy ny fampianarana
Amiko dia ny famerenana ny fotompisainana malagasy no zavadehibe. Halalino moa e ary mba omeo ny hevitrao
Ilay gasy kely efa victime ny fanagasiana tamin'ny 1976 no manoratra
Amiko dia ny famerenana ny fotompisainana malagasy no zavadehibe. Halalino moa e ary mba omeo ny hevitrao
Ilay gasy kely efa victime ny fanagasiana tamin'ny 1976 no manoratra
novalian'i kidoropamba ny 20/08/2008 15:24
2. badboy
(
12/08/2008 08:11)
Inona ilay fotompisainana malagasy zavadehibe sy tokony haverina hitondra ilay fandrosoana? ;-) ;-) ;-)
3. karavasy
(
12/08/2008 08:57)
Inona no loza amin'ny fanagasiana ? Ianao no mety vendrana angamba. Fa iza no miteny aminao fa rehefa hagasiana ny fampianarana dia midika izany fa tsy hianatra teny faha intsony.
Impiry impiry no misy olona avy ivelany mampiasa teny Anglisy dia inona no ataon'ny tompon'andraikitra GASY ? Mitady mpandika teny ary adika teny frantsay izay tenenin'ilay vahiny fa tsy adika teny Malagasy. Dia inona koa no dikan'izany ary mba valio ? Raha mahay ianao dia tsy mila mpandika teny daholo. Efa hifandrirotana eto io saingy ny Malagasy no tsy tia ny teniny. Io any China io teny anglisy sa teny frantsay daholo eran'ny lalana? Miampy ireo firenena hafa rehetra izay mampiasa ny teniny.
AVADIHO HOE VENDRANA ISIAKA FA TSY HOE NOSY ISIAKA.

4. rhh
(
12/08/2008 10:01)
Angamba kosa tsy ho vendrana isika. Asa raha fantatrao fa rhf mitady asa anie any aoriana d mila mahay tenim-pirenena hafa fa toa tsy dia ilaina lay teny gasy e ! efa tsy maintsy hay io satria gasy ianao. Tsy manambany ny teny gasy aho sanatria fa raha hanovo fianarana d mila mahay tenim-pirenena hafa mba norme international io. Mihazakazaka manakaiky ny hafa isika fa tsy hikombona eto foana haninona ?
5. jentilisa
(
12/08/2008 13:15)
Maninona ny fisainana no atao hoe rehefa miady asa isika. Atao ho mpitady asa hatrany ve isika. Maninona raha vadika hoe rehefa manangana orinasa isika na rehefa hiditra amin'ny fandraharahana isika. Natao hotarihina lava izao ve isika ity e? Izany ny ahy izao no mba eritreritro ary izany ihany koa no ahafahantsika miala amin'ny fahasahiranana iainana mandavataona. Ny karama anie ka sarotra miakatra nefa ny vidinjavatra mora miakatra e! tsy efa hitanao ve ny fahasahiranana manjo antsika izao miasa aman'olona izao?
6. kidoropamba
(
12/08/2008 13:23)
Tsotra ny ahy no sady mazava: Izay ataon'i filoha hajaina Ravalomanana ihany ny ahy arahako ambOkony. Raha alefany any @ SFF sy SAFF ilay boay kely ao @ american school, dia manaraka aho.
Ankoatr'izay dia tena resak'olona mamon-jamAla raha izany mikasika maligasiZasion izany. Ary tsy tokony handaniana fotoana. Ny anay aloha dia mbola manao fety @ sAmpAgny ato satria nahazo medaly volamena honoris i filoha hajaina.
Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^

7. karavasy
(
12/08/2008 13:48)
Angaha moa tsy filoha hajaina indray ry kidorobanga ? Fa iza no milaza aminao fa ny tombontsoan'ny zanak'i Sarkozy rehetra dia azon'ny Frantsay rehetra ? Na koa ny fandehanan'ny Filoha Amerikanina manohana ny mpilomanony any beijing dia midika fa lasa any daholo ny amerikanina. Nefa vao ny Prezida Gasy no mivoaka dia owayowayowayoway.
Aleo andeha ny fanagasiana ary tsy ankanery io fa mahazo alefanao any amin'ny miteny Frantsay, Anglisy, Sinoa sns ny zanakao. Efa nisy nilaza ve hoe atao ny fanagasiana ary fohanana ny fampianarana teny vahiny?

8. kidoropamba
(
12/08/2008 13:55)
Lazainareo izay tianareo fa ny anay dia tsotra no sady mazAva: Izay handehanan'ilay boakely mianatra ao @ american school ihany no ataonay fanohArana. Raha alefan'i filoha hajaina any @ SAFF izy dia manoratra anarana eny @ SAFF koa ny zafinay e.
Tohizo ny lalana ry filoha hajaina fa manaraka anao ihany izahay. Avelao ny hafa hanao izay tiany atao fa ny anay dia ianao ihany. ianao hatrany.
aoka ho tratrarina aloha ny honoris cauZa ananki-valo (8) (fa tsy telo fotsiny) @ izay mba hitobAka ny vola hanorenantsika ny firenena.
Peho sAmpagny indray ô!
Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God bless the boss Ravalomanana ^:^

9. karavasy
(
12/08/2008 13:58)
Dia alefaso any ny zanakao dia vita. Na firenena aiza na aiza tsisy mbola nilaza fa atao mifanaraka amin'ny zana-bahoaka ny zanakin'ny Filoha na zanaka mpanjaka. Fiantsarambelantsihy izany. Ianao mihintsy no hanavantena raha mahazo fahefana.
10. kidoropamba
(
12/08/2008 14:06)
Na miatsara velatsihy na mivarotra fanAnana dia ny an'i filoha hajaina ihany no arahinay. hatr@ izao aloha dia mbola ao @ american school ilay boay kely, ka mijanona ao koa izahay.
Avelao ny hafa manao naTasiOn ao @ SFF sy SAFF ao ka ho voky vovoka ao fa ny anay dia "yes! no! good bye, good morning..ihany.
Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny road-ntsika
God save the king Ravalomanana (izay vakiana hoe: Rao-vao-lman) - angilisy io an. ^:^

11. Herimiafina
(
12/08/2008 14:31)
Ary raha tazomina amin'ny teny frantsay ny fampianarana ny taranja izay tsy avy aiza fa avy any ivelany avokoa, ary hamafisina ny fampianarana ny taranja Malagasy. :roll: :^)
12. karavasy
(
12/08/2008 16:11)
Rehefa hoe kabosy Frantsay dia milaza faingana. Iza no betsaka boky voasoratra teny Frantsay sa teny Anglisy erantany ?Na ny Economist avy @ tany mampiasa teny Frantsay sy ny Anglisy ? Raha be nyFrantsay dia lelafo ao.
13. patrick2002
(
12/08/2008 16:33)
ny mahagaga ny zanaky Ravalomanana faralahy ,Maika no anarany ,nianatra tao @ American school tao Ivandry nanao cour elementaire ,avy eo nalefa nanao interne any Angleterre ,tsy haiko na mbola any izy amin\'izao ,tokony ho eo @ 15ans eo io boaikely io amin\'izao ,nefa ny zanaka gasy hampanaovana fanagasiana ,mahagaga ,mahagaga .
14. Herimiafina
(
12/08/2008 16:51)
Ny olana amiko mbola tsy any amin'ny resaka teny entina ampianarana. Ny mbola olana aloha amin'izao dia ny fianarana mihintsy. Rehefa mbola mahita ankizy madinika mandeha tongotra 10km isan'andro kanefa ampandoalihana amin'ny kapisily rehefa any ampianarana, kamo mianatra avy teo, mpampianatra mamolava...dia any aloha no tokony alehan'ny saina voalohany. :^)
15. patrick2002
(
12/08/2008 22:24)
amiko aloha dia ilaina ny fanagasiana ,fa tsy fanagasiana tapany ,tsy miankina @ teny hoentina mampianatra ny fampandrosoana ,ary tsara raha teninao no hianaranao ,porofo izany fa any ,japan dia @ teny japone, ny fampianarana nefa tsy misy miteny japone afa tsy ao japan nefa mandroso ry zareo ,fa ny azy na inon'inona fampianarana ataonao dia misy @ teny japone daholo na dia hanao doctorat aza ianao, torak'izany any finlande ,suede ,danemark.
Fa ny tsy mety dia atao ilay fanagasiana nefa indrisy hiditra eny @ université ianao dia tsy maintsy mahay teny frantsay ,hitady asa ,ny lettre administratif rehetra @ teny frantsay ,dia inona ny dikany .

16. kabota
(
13/08/2008 06:31)
Misaotra amin'ny famaliana ny hevitra fa ny tiana ho halalina dia ny fanagasiana fotopisainana fa tsy ny fanagasiana fahatany ny fampianarana. Mba mamakafaka aloha vao manao zavatra fa tsy tonga d manao fahatany
Mba ny zanakao eritreretina fa ny anao efa afaka mamaly internet efa vita
ho an'ilay namaly voalohany
Mba ny zanakao eritreretina fa ny anao efa afaka mamaly internet efa vita
ho an'ilay namaly voalohany
17. kidoropamba
(
13/08/2008 07:50)
Hoy ny filoha avelao aloha mandeha ilay ekispEriANsa vao mitsikera. hin!hin!hin!hin!hin!
Tena bandy mikranina hoa ity filoha hajaina ity. Rehefa mibontsina izany ny loha, vaky ny afero, rovitra ny 7benanana izay vao afaka mitsikera nareo.
Mandrapihandry an'izany dia any @ american school aloha ny boay kely ka iny foana no arahinay. Raha atao ekisiperiANsa izy dia manao koa izahay. Fa raha ny zanabahoaka, ireny mandeha antongotra 7 kilometra mandeha mianatra ka raha tonga any dia resin-tory ireny no atao fanadrAmana, dia tsy manaraka izahay.
Ary raha tsy atao hamatsiana vola ny maligAsiZasion ny fAOndAsiON Ravalomanana fa handefasana zanak'i dada any zamerika dia aleo zamerika ihany aloha fa ilay maligAsiZAsion dia hanabado zaza mba ahafahantsika manao bizna rehefa afaka kelikely.
Avelao aloha ny fandrAmana andeha vao mikiritika hoy ny filoha. Tena marina mihitsy io. Kiranina izany filoha hajaina izany ary kinga saina be.
Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^

18. karavasy
(
13/08/2008 10:57)
Izay fanapahan-kevitry ny Governemantra zany dia ny Prezida daholo no naniraka ary na ny mifidy ny mpanao baolina resy aza dia Ra8 daholo no nifidy sy nampiofana azy ve ? Ny tompon'andraikitra no mahita fa mety ny fanagasiana. izaho manoratra dia efa nanao matematika sy fizika tamin'ny tenin-drazana Malagasy ary sahiko ny milaza fa marobe ny nahay noho izahay raha Frantsay nefa noverezinay 100% ary ny akamaroany aza very andalana fa ny mpianatra nanao teny Gasy be mahay math sy fizika. Tena nananosarotra ary mbola miantraika hatramin'izao ilay tsy fahaizana teny Frantsay saingy mbola olana koa ilay tsy fahaizana teny Anglisy. Ny Japone koa efa milaza ny manampahaizany vao avy nanatrika fanazavana Profesora japs iray aho nanambara fa "tokony hifantoka bebe kokoa amin'ny teny Anglisy i Japan satria tsy mampiasa teny Anglisy ny mpianatra. Teniny io fa tsy izaho no miana-kendry amin'ny raharahan'olona. "Professor Takatoshi Ito" izay efa mpiasan'ny IMF ary efa "Harvard Visiting Professor" no nanazava.
Ny tiako hambara dia hoe raha tia hifehy na aharaka ny fivoatran'izao tontolo izao na ara-toe-karena na inona dia tsy ny teny Frantsay no tokony himasoana fa ny teny Anglisy. Koa aza be konetaka amin'ty teny frantsay tsy nampivoatra ny Gasy ty.

19. kidoropamba
(
13/08/2008 11:22)
Tara loatra ianao zany. Efa teny angilisy izao ny tenindrAzan'ny gasy: Hello! bye! yes! io no tenin'ny filoha hajaina Ravalomanana raha miresaka @ tantsaha izy.
Ka tara loatra io sosokevitrao io.
Fa raha ny fiananran'ireo zaza kosa dia mbola averiko ihany ny anay: Ravalomanana ihany. Raha american school dia any zahay. Raha SFF sy SAFF dia any koa izahay. any Abilene dia any koa izahay.
Nareo mpano fizika sy matematika izany dia anareo izany fa tsy koi, fa ny zanakay kosa dia ravalomanana hajaina sy lohalohavin'ny vahoaka gasy mijaly ihany ny anay.
Inona no ataonao any japAna sy any ivelany any kanefa ny pokona aty mila mitady mpampianatra teny malagasy? NdAna miverina any antanindrAzana fa aza avy any lavitra any mamafy maliGAsizasion kanefa ny pokonareo any japana. tsssss! tsy kiredibla e. Raha any jApAna no tsara any koa izahay.
Mba mitady olona avy any @ fokotanin'ny bekily sy any ankodahoda any tsiroanomandidy any izahay manaporofo fa tsara ilay maligasizasion ka mahasarika ireo ministra sy ny filoha hajaina hametraka ny zanany ao. Raha misy izany dia tonga izahay.
dera sy laza ho anao ry filoha hajaina Ravalomanana
God bless our President, Ravalomanana, honoris causa ^:^

20. karavasy
(
13/08/2008 14:15)
Iza no nilolo azy ? F'angaha misy Mpanjaka lanjaina izao fa tsy ny vahoaka no tia hifidy azy ? Tsy fitondrana nolovana sahalan'ny maha-taranak'andriana io fa na tia hirotsako ianao ka tian'ny vahoaka dia lasa Filoha. Ianao mandrabiraby milaza "lolohavin'ny vahoaka mijaly" aza afaka ho filoha atsy ho atsy. Saingy voan'ny daka avy aoriana ka nipenopenona manokatra Filoha hajaina filoha hajaina. Hehehhe.An'iza ny lamba mihaha ?