FANAGASIANA NY FAMPIANARANA / LOZA HO AN'NY MADINIKA

21. zakilinina ( 13/08/2008 15:09)
Izay tia ny teniny no tia ny tanindrazany. Misy firenena tsy manana fiteny famindrana. Ny Maorisianina ohatra dia mampiasa teny anglisy (sy frantsay koa angamba), ny Brezilianina mampiasa teny portogey sns. Mba eritrereto anie raha hovaina amin'ny teny anglisy ny fampianarana any Frantsa satria amin'ny teny anglisy no betsaka boky sy fikarohana ary teny iraisam-pirenena voalohany e ! Tsapako fa mampiakatra ny fitiavan-tanindrazana ny fampiasana ny teny malagasy amin'ny lafiny rehetra : fampianarana, "administration", fitsarana... Raha tafakatra ambony ny fitiavan-tanindrazana dia handroso ny firenena : hihena miandalana ny risoriso, ny fitsetsefana ny mpiray tanindrazana, ampiasaina ao an-toerana ny vola fa tsy any ivelany sns.
22. Herimiafina ( 13/08/2008 15:50)
Hono ho aho? Nankaiza daholo izao ireny olona rehetra nandia ny fanagasiana tamin'ny andron-dRamanatsoa ireny? Aleo ireny mba hilaza na nety taminy na tsia ny zavatra nampanaovina azy! :^)
23. nanas ( 13/08/2008 16:25)
karavasy:

Iza no nilolo azy ? F'angaha misy Mpanjaka lanjaina izao fa tsy ny vahoaka no tia hifidy azy ? Tsy fitondrana nolovana sahalan'ny maha-taranak'andriana io fa na tia hirotsako ianao ka tian'ny vahoaka dia lasa Filoha. Ianao mandrabiraby milaza "lolohavin'ny vahoaka mijaly" aza afaka ho filoha atsy ho atsy. Saingy voan'ny daka avy aoriana ka nipenopenona manokatra Filoha hajaina filoha hajaina. Hehehhe.An'iza ny lamba mihaha ?



o ra karasavy a! ahitsio kely ilay vahoaka no nifidy azy fa tsy marina, tsy ny vahoaka no nahalany azy faharoa teo fa ny fangalaram-bato. Ary tsy iny mihitsy no atao hoe filoha aminay, votsasaina sy mpangoro-karena mpampijaly ny madinika. Opa no sahaza an ireny aminay
24. badboy ( 13/08/2008 17:05)
zakilinina:

Izay tia ny teniny no tia ny tanindrazany. Misy firenena tsy manana fiteny famindrana. Tsapako fa mampiakatra ny fitiavan-tanindrazana ny fampiasana ny teny malagasy amin'ny lafiny rehetra : fampianarana, "administration", fitsarana... Raha tafakatra ambony ny fitiavan-tanindrazana dia handroso ny firenena : hihena miandalana ny risoriso, ny fitsetsefana ny mpiray tanindrazana, ampiasaina ao an-toerana ny vola fa tsy any ivelany sns.


Manaitra be ilay filazana!! Raha tena io tokoa no izy, dia sangisangy zany ilay risoriso nisy t@ andron'ny deba rehetra ireny!! Lalina loatra ilay fandalinana ka tsy hitako hoe aiza ilay fotony fa ilay raviny zakandrivotra no hany tazako!!!!

:-D :-D :-D :-D
25. kidoropamba ( 13/08/2008 20:13)
Avelao aloha atao ilay EkispEriANsa @ io maliGasiZAsion io vao mitsikera hoy ny filoha hajaina Ravalomanana. Marina io. Ka matetika dia tsy ireo MANAO fandramAna no ATAO fanandrAmana. Lojika io!

Ka avelao ny zanambahoaka, ireny kamboty ireny no alefa any @ maligasiZAsion fa tsy ny zanaka ministra na ny mpitondra.
Tokony atomboka amin'ireto zaza maloto hangonin'ingahy Pera Pedro ireo no atao maligasiZAsion dia jerena na mety na tsia. Sady bandy kamboty dÔlidOly ange ireny ka raha misy ErErA ilay fanandrAmana dia tsy Perta ny firenena e.

Aleo aloha ny zanakin'ireo mitondra alafe mialokaloka any japAna, bekitana, zamerika sy ny sisa dia mijery avy any lavitra any ahoana ireny Kaboty maro be andry Pera Pedro ireto na hi-ReZista @ fanandrAmana na tsia avy eo Mitsikera.
Na koa tokony rAOfina ireny zaza maloto mangatabola eny andalambe rehetra ireny ka hanaovana fanandrAmana @ ity maligAsiZAsion ity. Na koa ireny sipa na jiolahimboto mararin'ny SidA ireny.
RAOfy dOlidOly ireny hanaovana fanadrAmana @ ity maligAsizasion ity.
Tokony raisina koa ireny zaza voaroaka avy any @ tanin'ny Sheritt sy QMM ireny, iny mirenireny eran'ny tanAna, tokony alefa any @ fanadrAmana ihany koa.

Marina ny tenin'ny filoha hajaina e.

Avelao andeha ilay fanandrAmana dia avy eo mitsikera.

Tafita Isika Malagasy
tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
26. tataka ( 14/08/2008 12:14)
Manjabe razakilinina a!!! Ry lezefa sy ny namany efa samy mahay fa atao teny gasy fa tsy jax na badboy sa boikely angamba :-D :-D :-D. fa ny dikan'ny kidoropamba izao mbola mila diksionera vaovao :-D :-D :-D
27. pdf ( 17/08/2008 11:10)
hihihahahihihaha
28. karavasy ( 17/08/2008 12:45)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
29. lizabeth ( 18/08/2008 21:19)
patrick2002:

amiko aloha dia ilaina ny fanagasiana ,fa tsy fanagasiana tapany ,tsy miankina @ teny hoentina mampianatra ny fampandrosoana ,ary tsara raha teninao no hianaranao ,porofo izany fa any ,japan dia @ teny japone, ny fampianarana nefa tsy misy miteny japone afa tsy ao japan nefa mandroso ry zareo ,fa ny azy na inon'inona fampianarana ataonao dia misy @ teny japone daholo na dia hanao doctorat aza ianao, torak'izany any finlande ,suede ,danemark.
Fa ny tsy mety dia atao ilay fanagasiana nefa indrisy hiditra eny @ université ianao dia tsy maintsy mahay teny frantsay ,hitady asa ,ny lettre administratif rehetra @ teny frantsay ,dia inona ny dikany .


Fa mahavariana mihitsy ilay lojika fa mbola tsy novalianao hoe ny fanagasiana ve midika fa tsy hianatra teny frantsay sy anglisy ? mba valio !
fa ianao ve mihevitra fa ny mpianatra amin'izao fotoana, tsy tao anaty fanagasiana dia mahay miteny frantsay toy ny ahoana ? mi figue mi raisin !!! satria ilay teny frantsay tsy nianarana araka ny maha langue étrangère azy fa ho an'ny sasany dia nanaovana tsianjery lesona fotsiny ! raha hanao tajefi (hum !) ve ianao tsy ho mora sy mahafinaritra ny mitantara ny hatsaran'ny madagasikara amin'ny teny gasy ! raha te hahay teny frantsay ianao dia adikao amin'ny teny frantsay izay vita malagasy fa ho hitanao fa ho bilingue tsara ianao !!
jereo ireny documents rehetra amin'ny teny gasy ireny amin'izao fotoana : izaho aloha dia mitsiriritra izay nandika ireny fa tsy manao vary amin'anana ohatr'ahy ! heverinao fa olona dondrona no nanao ireny ?

30. karavasy ( 18/08/2008 22:58)
Tsara ny teny Malagasy ary amin'ny maha-tsy ampy voambolana azy dia tsy mila hagasiana ny zavatra teknika sy tsy misy na tsy nisy tao Madagasikara. Ohatra: Lion adika liona fa tsy hizahavana dikany, Tiger atao tigra. Saingy amin'ny tany hafa misy ireo dia mazava fa misy fiteny azy any aminy. Singapora ohatra ataon'ny franc tsa hay Singapour na Filipino vakiany sy soratany misy Ph sns dia maninona ? milaza ve izany fa voambolana vazaha ilay izy ?
31. xxx ( 20/08/2008 05:08)
karavasy:

Tsara ny teny Malagasy ary amin'ny maha-tsy ampy voambolana azy dia tsy mila hagasiana ny zavatra teknika sy tsy misy na tsy nisy tao Madagasikara. Ohatra: Lion adika liona fa tsy hizahavana dikany, Tiger atao tigra. Saingy amin'ny tany hafa misy ireo dia mazava fa misy fiteny azy any aminy. Singapora ohatra ataon'ny franc tsa hay Singapour na Filipino vakiany sy soratany misy Ph sns dia maninona ? milaza ve izany fa voambolana vazaha ilay izy ?


Avo lenta be ilay fomba fieritreritr'i Karavasy ka dia aleo ekena ry reto a! ny anay izao ilay boy kelynay ato dia nampanambadianay européenne dia io vadin'io mba asainay manao fanagasiana. Ny antony nampanambadianay an'io zanakay io an'ito européenne ito dia amin'izay very ny maha malagasy anay dia mba hamerenana anazy dia atao ny fanagasiana.Fa moramora hoa an'ny mpanakarena ny hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra fa ho sarotra hoan'ny rameva ny fidirana amin'ny vodifanjaitra koa katsao aloha ny harena dia vidio ny lanitra d manambady européenne dia very ny mahamalagasy dia avy eo atao ny fanagasiana.
32. kidoropamba ( 20/08/2008 15:24)
Tsara ny teny malagasy fa ny zanako sy ny zafiko dia alefako any Canada, zamerika sy firansa. Avelao ny zanambahoaka voatsindrona maligasiZasion ao ka moramora ny hanaovana bizna aminy rehefa avy eo satria mora mivarotra tanindray amandreniny ledada raha lany saosy. Ary @ izay koa dia mora be ny hivarotany azy no sady tsy misy taratasy. hin!hin!hin!hin!

Efa misy namako izay ato @ TIM ato ka nanome anaran-janany :"maligasizasion". hin!hin!hin, dondrona e.

Misaotra re ry filoha hajaina Ravalomanana.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika (stockolm, bruxelle, norvezy...) satria sarotra ny mitady vola.
God save Ravalomanana ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0453