Tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.

1. niryna ( 07/08/2008 06:14)
Efa noresahina teto ny tahotra tiana ho tenenina eto ka dia ho zaraiko fa izay rehetra matahotra an' i Jehovah dia tsy mba hanan-java mahory.
Ahoana izany matahotra Azy izany ?

Raha mitady Azy aho ... raha mihainoa Azy; raha matahotra an'i Jehovah ,raha manatona Azy,raha miaro ny lelako amin'ny ratsy ary ny molotro mba tsy hiteny fitaka
.
SALAMO 35
4 Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra[/b]
.5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.

6[u] Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.


7 Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.

8 Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
Aleloia !!!

Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.

18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.


Eny tsy hanan-java mahory tokoa izay rehetra matahotra Azy .

Andramo ary ka zahao fa teniNy io e .


(l) niryna
novalian'i niryna ny 14/08/2008 04:40
2. todisoa2 ( 07/08/2008 07:29)
misoatra nyrina. Saiky voan'ny fanahiana ny anao ranamana!!! Manao ny ahy io!!!! hihihih
3. fahamarinana ( 07/08/2008 09:45)
:arrow: misaotra nampahatsiahy e.. (l)
4. Lejoba ( 07/08/2008 11:07)
tena marina tokoa izany fa misaotra anao nampahatsiahy. Rehefa donainan'ny fiainana mantsy dia hadino tanteraka ny teny fanomezan-toky raiketin'ny Soratra Masina http://www.dailymotion.com/video/x4uc57_tiako-tena-tiako_music
Ary tsy toy ny fanomen'izao tontolo izao ny fanomezany ny fiadanana ho antsika fa fiadanana maharitra,
Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay
Amen midika hoe ho tanteraka tokoa anie izany :D :P
5. cutie ( 07/08/2008 14:43)
6. ikaretsaka ( 07/08/2008 15:34)
dia ny tsy azoko..... ahoana betsaka ny katrami mivavaka sy matahotra an'A/tra? :-D :-D :-D

ny dikan'ny hoe Amen dia mitovy @ hoe mba marina mafy na mba saninab.... @ teny arameanina
7. cutie ( 07/08/2008 15:35)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
8. niryna ( 07/08/2008 16:39)
todisoa2:

misoatra nyrina. Saiky voan'ny fanahiana ny anao ranamana!!! Manao ny ahy io!!!! hihihih


tsy misy fisaorana tody a.Aza manahy ny ho amin'ny am-pitso hianao hoy ny SM.
Tsy midika izany hoe aza mianatra a na aza manao zavatra fa miandry mana milatsaka eo fotsiny.
:D
9. cutie ( 07/08/2008 16:41)
Tsy midika izany hoe aza mianatra a na aza manao zavatra fa miandry mana milatsaka eo fotsiny.
:-D :-D :-D :-D
10. niryna ( 07/08/2008 16:42)
fahamarinana:

:arrow: misaotra nampahatsiahy e.. (l)

tsy misy fisaorana aky a.Isika tsy miady amin'ny olona na nofo aman-dra fa miady ny herin'ny maizina izay mety mamotraka antsika vokatry ny olona am-piasain'i satana. Tsy misy zavatra na ngezabe toy ny inona aza ka tsy vitan'Atra rehefa tena mino Azy tokoa isika. Mahereza e

:-* :-*
11. niryna ( 07/08/2008 16:45)
Lejoba:

tena marina tokoa izany fa misaotra anao nampahatsiahy. Rehefa donainan'ny fiainana mantsy dia hadino tanteraka ny teny fanomezan-toky raiketin'ny Soratra Masina http://www.dailymotion.com/video/x4uc57_tiako-tena-tiako_music
Ary tsy toy ny fanomen'izao tontolo izao ny fanomezany ny fiadanana ho antsika fa fiadanana maharitra,
Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay
Amen midika hoe ho tanteraka tokoa anie izany :D :P
ka izany no antony hamakiana ny teniny isan'andro raha azo atao satria ao amin'ny teniny no ahitantsika ampinga hiadiana ny fiainana ,ny herin'ny maizina ,ny fakampanahy sy ny toetra ratsy izay tokony hialana


12. niryna ( 07/08/2008 16:50)


alaiko ny teny anglisy hoe now na ankehitriny.....dia avadiko ka lasa hoe won na mandresy ..... isika dia miady andro aman'alina fa izay mametraka ny fiainany amin'Atra dia mandresy ary tsy matahotra na iza mifampitana eo na iza satria tsy ilay olona no hiadiana fa ilay fahavalo efa resy mampiasa azy.

13. ikaretsaka ( 08/08/2008 01:34)
mandresy @ lafiny inona aloha ..
boksa ve sa kaly ve sa vam ve sa fifaninanana inona?

matoa misy resy sy mandresy manko dia misy adversa hifaninanana ao, sa tsy zany?
14. niryna ( 08/08/2008 04:43)
ikaretsaka:

dia ny tsy azoko..... ahoana betsaka ny katrami mivavaka sy matahotra an'A/tra? :-D :-D :-D
dia ahoana no tohiny ?

ny dikan'ny hoe Amen dia mitovy @ hoe mba marina mafy na mba saninab.... @ teny arameanina


20 Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny 'eny ', ary amin'ny alalany koa ny 'Amena', ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.

21 Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,

22 Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika. II Kor 1:20-22

ireo izao misy fanazavana e ,ahoana no tiany tenenina amin'io ?


15. niryna ( 08/08/2008 05:01)
ikaretsaka:

mandresy @ lafiny inona aloha ..
boksa ve sa kaly ve sa vam ve sa fifaninanana inona?
ahoana no fieritreretanao azy ?
izany indrindra ary ao ny olona mitarika antsika mba ho any amin'Atra ary ao koa ireo olona izay manoro vohana ka ny herin'ny sainy sy izay eritreretany fa mety amin'ny sainy foana no zarainy dia anjaran'ny tsia11 no mandinika raha te hino ka ho voavonjy izy a.hmin'ny finoana ny teny soa mahafaly izay zarain'ireo irak'ATra na hanaraka ireo deceiver ka manoro vato mafana ny hafa hatrany. Fantaro hatrany ny voa hafafy e sy ny sampana misy azy,tsy misy izay tsy mahalala izany raha miaraka amin'i JK ilay olona na tsia.

2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro.

3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao
5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny
10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany Apo 3


dia fantatr'Atra koa ny asan'ny olona hafa

15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao.
16 Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako hianao;




matoa misy resy sy mandresy manko dia misy adversa hifaninanana ao, sa tsy zany?


misaotra anao ary dia omeko ny fanazavana ,
isika tsy miady amin'ny nofo aman-dra fa amin'ny herin'ny ssatana ka hery roa no miady isan'andro dia ny herin'i satana sy ny fanahintsika manaiky hiaraka aminy na manao ny sitrapony na ny sitrapon'ATra .
Izany no tsy hiadiana ny olona manevateva ny tenin'Atra sy mody mangana indraindray ,tsy mijery an'ireny olona ireny isika fa ny hery izay ao anatiny no jerena ka ilaina ampiana izy na hivavahana..
16. prime ( 08/08/2008 11:31)
ikaretsaka:
ny dikan'ny hoe Amen dia mitovy @ hoe mba marina mafy na mba saninab.... @ teny arameanina
... Mba mihevera tena ihany ra-ika alohan'ny anoratana... fa sady tsy mampihomehy no maniratsira ny ambaranao... Kristy mihitsy anie no atao hoe AMENA ankoatr'izay heviny hafa marobe e... lasa blasfemia ny farany... amin'izay hamarininao fa avy amin'ny teny arameana io ambaranao io... :-w

Toy izao no voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :
"[Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [* Gr. eklesia]" Apokalypsy 3:14

Dia hoy ihany koa ny voasoratra :
"Ka izay miarahaba tena ety ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena*; ary izay mianiana ety ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena*, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]" Isaia 65:16
17. ikaretsaka ( 08/08/2008 16:41)
jereo ny tenin'i jesoa hoe Amen i say to you: mitovy hevitra amin'ny hoe Tena serieux izany lazaiko izany, sy mitovy @ hoe lazaiko marina dia marina aminareo, sy hoe tena tsy miblague aho milaza izany aminareo , sy ny hoe mba kozy izany...

sy ny hoe mba saninab.... sy hoe mba hisotroiko ranom-bolamena amin'ny teny gasy...


ny context ny! Impiry lazaina hoe aza tsimponina ilay izy fa raiso ara kontext ny!


i raprime no mahita azy hoe mampihomehy sy maniratsirasatria ny sainao no efa mivilana hoe rehefa misy hidiran'anabavy sy zavatra personnel mahakasika akaiky izay dia ratsy izay ny dikany! fa mba jereo amin'ny lafiny rehetra hoa fa aza terena ohatran'io ny saina, ary mianara linguistiques fa aza mora misondrotra tahakan'io !


jereo ny fahasamihafan'ny amen @ 1mpanjaka 1 sy ny apok 22:20
ary ny nehemia 5:13 sy ny Apok 5:14, ankoatran'i Jesoa rehefa milaza ny hoe "Amen , lazaiko aminareo" (izay maromaro ihany ao @ evanjely)

fa aza raisina @ doxologie (famaranan-dresaka/vavaka) fotsiny toy ny Fataon'i Md Paoly sy ny faran-kira rehefa Salamo fa manjary tsy ampy ny tsimpona!


Raha miteny ao @ apok 3:14 ohatra heo izy no AMEN tsy midika akory hoe izy no "fara vavaka" fa hoe izy no tena serieux sy tsy tena izy tsy tsy anki blague!
18. todisoa2 ( 09/08/2008 14:05)
Ny hoe amen toy raisintsika, arak'izay ahazoantsika ny tenin'Andriamanitra. Ezahintsika ahitsy araky ny eritrerintsika aza matetika ny dikany. Toro-hevitra ihany ity, raha mamaky ny Baiboly isika dia jereo foana ny context mifanaraka aminy, na contexte historique izany, na contexte politique izany sy ny sisa sy ny sisa.
Isika raha mamaky ny Apokalypsy, dia tokony fantantsika hatrany fa tany am-pigadrana ny mpanoratra azy t@ io. Tany an-tsesi-tany e!!!! Ka lasa nanao codifications be dia be ny Mpanoratra (izay efa fantantsika) mba hahafahany mampiely ny filazantsara. Satria ny taratasy izay mivoaka ny Nosy dia tsy maintsy mandalo infitrations maro. Eto no ahatanteraahn'ilay tenin'i Jesosy hoe:'' hary iozaho haniraka mpananatra hoanareo dia, dia ny fanahin'ny fahamarinana, izay tsy azon'izao tontolo izao raisina na fantany fa hianareo no mahafantatra Azy."
Ny olona izay nandray ny Fanahy Masina tanteraka no afaka namaky tsara ny Bokin'ny Apokalypsy, sy ny ambadika marina entiny manambara izany.
Ny "Amen", izay teny nentina nanambara an'i Jesosy Kristy, dia midika hoe Ny tanteraka. Rehefa miteny ny Amen isika izany, dia midika hoe "hotanteraka anie izany". Ny olona taty aoriana, rehfa nismatsamaka ny fiangonana, dia samy nilaza sy nanambara arak'izay tiany hitarihan-kevitra ny tena dikan'ny hoe Amen. Ary dia lasa nivaona ilay izy!!!

Iangaviana isika rehefa manoratra ato mba tsy hifamely hoatr'io fa samy mpianatra dia mifampianatra, dia vita hatreo!!!! Tsy sanatria hifamaly ato, ka manjary mivaona tsy araky ny tanjona nanamboarana an'ity site ity ilay izy!!! Moa izahay mpamaky koa manjary tafintohana indraindray. Fahadisoana nataoko ka mba zarazaraiko, fa tsy mahasoa antsika ato izany!!!!
19. niryna ( 10/08/2008 04:05)
ikaretsaka:

dia ny tsy azoko..... ahoana betsaka ny katrami mivavaka sy matahotra an'A/tra? :-D :-D :-D

ny dikan'ny hoe Amen dia mitovy @ hoe mba marina mafy na mba saninab.... @ teny arameanina



:roll: :cry: :cry:
20. niryna ( 10/08/2008 04:08)
ikaretsaka:
ny dikan'ny hoe Amen dia mitovy @ hoe mba marina mafy na mba saninab.... @ teny arameanina
..
prime:
. Mba mihevera tena ihany ra-ika alohan'ny anoratana... fa sady tsy mampihomehy no maniratsira ny ambaranao... Kristy mihitsy anie no atao hoe AMENA ankoatr'izay heviny hafa marobe e... lasa blasfemia ny farany... amin'izay hamarininao fa avy amin'ny teny arameana io ambaranao io... :-w
:roll: :cry: :cry: izaho koa mba gaga an'io zalahy io

Toy izao no voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :
"[Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [* Gr. eklesia]" Apokalypsy 3:14

Dia hoy ihany koa ny voasoratra :
"Ka izay miarahaba tena ety ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena*; ary izay mianiana ety ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena*, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]" Isaia 65:16

=D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0083