rakitra

1. Noue ( 30/07/2008 18:58)
miarahaba,

somary variana ihany aho raha nanatrika fotoam-pivavahana protestanta.

tsy aiko ilay fomba fanaterana sa fanaovana rakitra fa dia variana aho.

ery aloha be ery dia misy sac 3 , ny iray misy soratra hoe :

1euro

2euros

vola taratasy

zany hoe nilaza ny pastera hoe rakitra mihisa 3 no atao .

Vita ny rakitra voalohany dia niova ilay sac ka nanjary nisy soratra hoe:

famangiana

fiangonana

chorale

amiko aloha dia somary be dia be zany rakitra zany an ! sa ahoana hoy ianareo ?

sady hitan'ny olona avokoa zay arotsakao ao satria sac ohatran'ireny panier à fruit ireny no hasiana azy !

2. ainaheri ( 30/07/2008 20:27)
Tsy maintsy miodina kosa ny milina kou,alaivo sary antsaina fa ety ivelany fa tsy any dago,ny hofan'io fiangonana io manginy fotsiny,ny karaman'ny dapasy sy ny tariny :lol:
3. pissoa ( 30/07/2008 20:42)
Ny toe-tsaina entina manao rakitra mihitsy no tokony hazava ! Raha ny fahalalako dia tsy misy voatery manao rakitra ! Tsy tokony hisy bedy na tsy manao rakitra aza na dia misy rakitra inpiry amin'ny fotoam-pivavahana. Ianao sy ny eritreritrao ihany io.

Ilay rakitra aseho be no heveriko hoe tsy mety satria manjary mampiseho ny tokatranon'ny hafa sy ny eritreriny !

:-D :-D :-D :-D :-D
4. ainaheri ( 30/07/2008 21:12)
pissoa>> tetika doli iny @ zay enao tsy mametraka cent,misy aza ny sasany atao vilia vy maneno ireny anatazana rakitra :-D :-D :-D
5. pissoa ( 30/07/2008 21:15)
Tokony mba mividy sobika kely ny fiangonana ! :-D :-D :-D :-D :-D
6. ikaretsaka ( 30/07/2008 22:11)
pissoa .. izay ange no antony hanaovana ilay taty kely misy dentelle sy coussin dia lavaka kely boribory fandrotsaham-bola ary ambony ary iny e..

izaho kosa aloha contre ilay misy manao fanahy iniana be hoe vilia talesaka be e...
vao 2 euros no alatsakao tonga de ktin ktin ktin! oainina... nefa mety 10 euros ihany @ iony tontaliny fa vola majinika an!
7. padresy ( 31/07/2008 08:27)
Slt;
io zany ts d asiana olana na sobiaka na lovia fisaka refa tena mvavaka enao; satria na iza ni ahita na iza no hitsara refa zay no ananana d zay fa Atra no mahita oe tena avy am fo na zesita fotsiny no nataonao teo
8. Noue ( 31/07/2008 10:15)
pissoa:

Ny toe-tsaina entina manao rakitra mihitsy no tokony hazava ! Raha ny fahalalako dia tsy misy voatery manao rakitra ! Tsy tokony hisy bedy na tsy manao rakitra aza na dia misy rakitra inpiry amin'ny fotoam-pivavahana. Ianao sy ny eritreritrao ihany io.

Ilay rakitra aseho be no heveriko hoe tsy mety satria manjary mampiseho ny tokatranon'ny hafa sy ny eritreriny !

:-D :-D :-D :-D :-D
marina zany ka! ohatran'hoe mirehareha zany manko ilay mamoaka vola ho hitan'ny olona hoe ny ahy ity no omeko.


:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
9. fahamarinana ( 31/07/2008 10:47)
:arrow: noue :mba hafa kely koa zany fiangonana protestanta nalehanao zany !Sady mbola taza-maso be eo...Tsy dia mampaninona ahy ny ahalalana na ohatrinona no narotsako na ohatrinona satria izay tiako homena an'Andriamanitra no omeko :mety 1e androany,mety 10e rahampitso,mety manao fanatitra ngoda be oh....raha za manokana fa misy kosa olona sarotiny amin'izany dia tokony raisina en considération ihany koa e!!!!!Ny aty aminay aloha dia roa ny sobika (fa tsy vilia talesaka araka ny voalazan'nika :wink: ) :ny iray fasiana ny fanatitra ary ny iray fasiana ny valopy misy ny adidy.Raha misy fanatitra atao mihoatra izay ,oh hoe ho an'ny voina tampoka na antony hafa...dia ampilazaina alahady mialoha ny Fiangonana mba ahafahany manomana azy.
Par contre tany am catholique indray nalehako kosa dia nolazaina taorian'ireny fivadiana euro ireny hoe mba atao 2 euros ilay solon'ny 10francs taloha fa lasa mihena be ny sandany satria betsaka no manao 1 euro sisa...dia mba talanjona ihany koa aho fa samy manana ny fombany moa ny Fiangonana tsi11 fa hivavaka no haleha dia izay no jerena... (l) :)
10. Ilo ( 31/07/2008 11:35)
Kristy aza mampianatra antsika mba tsy hirehareha ny @ izay asa fanompoana ataontsika ka tokony mba manao izay hahatanteraka izany ny mpitondra fivavahana fa tsy izy indray no toa lasa mamporisika ny olona ho @ fireharehana. Sady marina mihitsy fa tsy tokony hisy hifanerena ny fanaovana rakitra fa izay sitraky ny fo. (l) :wink:
Mat 6:1,3 "Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany; fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo...Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon'ny tànanao ankavanana"
Ny anay aloha dia misy vata fandrotsahana rakitra eny @ sisin'ny varavarana rehetra fa tsy misy mitaty rakitra izany fa afaka mandrotsaka na rehefa miditra na rehefa mivoaka.
11. Noue ( 31/07/2008 11:54)
fahamarinana> ka ilay izy nahatonga ahy tena gaga dia ilay soratra hoe 1 , 2 euro sy ilay hoe vola taratasy.

eny e ! tsy hoe voatery handrotraka rakitra ny olona fa ny tiako lazaina dia ny hoe tokony mba tsy ho hitan'olona rehetra ny vola ataonao rakitra. Tsy misy mahamenatra akory hoe 1 euro no azoko omena fa misy ilay fijerin'ny olona sasany , ary misy koa ilay olona (angamba manao fanahiniana mampiseho hoe ity ny ahy no harotsako)
12. fahamarinana ( 31/07/2008 13:43)
:arrow: :noue :-D :-D tsy maintsy misy kely ohatrizay foana e...
ilo :hafa kely ndray ilay hoe mandrotsaka na mivoaka na miditra..mbola tsy nahita toy izay ndray aho..(l)
13. Noue ( 31/07/2008 14:08)
Ilo:

Ny anay aloha dia misy vata fandrotsahana rakitra eny @ sisin'ny varavarana rehetra fa tsy misy mitaty rakitra izany fa afaka mandrotsaka na rehefa miditra na rehefa mivoaka.
hafa indray zany. Mbola tsy nahita an'io indray aho.




14. pissoa ( 31/07/2008 16:05)
Aza jerena hoe mirehareha ny olona na tsia ... azy izany fa tsy antsika ! Plutot ireo olona mba tsy te ho hita no tokony hivakiana loha kokoa. Rehefa tsy te ho hita izy dia aleo kosa tsy ho hita fa sao manembatsembana ilay maso be dia be lol.

:-D :-D :-D :-D :-D
15. rijadolly ( 31/07/2008 16:53)
Noue>>> sao dia rehefa hanisa ilay rakitra rehetra no ilaina iny soratra vola iny dia lasa niseho avy eo vao nosoloina ilay tena izy @zay.heritreritra ny ahy iny sao dia marina.

Eo amin'ilay rehefa mandrotraka rakitra ndray dia mitovy hevitra amin'Pissoa sy mpandresy za
pissoa:
Ny toe-tsaina entina manao rakitra mihitsy no tokony hazava ! Raha ny fahalalako dia tsy misy voatery manao rakitra ! Tsy tokony hisy bedy na tsy manao rakitra aza na dia misy rakitra inpiry amin'ny fotoam-pivavahana. Ianao sy ny eritreritrao ihany io.[Aza jerena hoe mirehareha ny olona na tsia ... azy izany fa tsy antsika ! Plutot ireo olona mba tsy te ho hita no tokony hivakiana loha kokoa. Rehefa tsy te ho hita izy dia aleo kosa tsy ho hita fa sao manembatsembana ilay maso be dia be lol./quote][quote=mpandresy]Slt;
io zany ts d asiana olana na sobiaka na lovia fisaka refa tena mvavaka enao; satria na iza ni ahita na iza no hitsara refa zay no ananana d zay fa Atra no mahita oe tena avy am fo na zesita fotsiny no nataonao teo
Hnamafisako ireo hevitra ireo dia>>>>Ary aona Le Jesoa nijery ireo mpivavaka nandrotsaka rakitra????????????Izany hoe miharihary ilay vola arotsaka.Avy eo ndray Ariary no betsaka indrindra,ilay izy mikoritsana ao anatinao iny mihitsy,fa tsy ilay taratasy nanalana tao anaty poketra feno vola.
16. fahamarinana ( 31/07/2008 17:28)
:arrow: rijad :koa na dia hoe mahamora ny fanisana aza ve tsy oh hafahafa ihany ? Misy anie ny Mpiangona mbola tsy tena hoe votom-pinoana ka mahatakatra izay volazantsika teo hoe ho an'Andriamanitra ny fanatitra na ohatrinona na ohatrinona.Mety mba naniry ho tonga oh dia voatsenan'ilay resaka voalazan'ny noue io dia any dia tsa mipody koa...satria menatra na tezitra sns... :(,eny e rehefa zay ve moa no voasoratra ka akory atao fa dia tsy androny zany iny raha lasa ny namana... (l)
17. fijo ( 31/07/2008 20:33)
io resaka rakitra io misy tena tsy eken'ny saiko.hoatry ny ampiseo vahoaka hoe ireto izany le manana dia ireto le kajim.le mametraka raviny nefa eo mety fisehoana fotsiny fa tsy sitrapo akory.
18. ikaretsaka ( 31/07/2008 23:41)
ny ahy amin'io raha hita hoe io no nalehan'ilay ezaka natao ..dia tsy dia mampaninona ahy lohatra..
hoe hanao ezaka tafo ohatra dia vita ny tafo..
fa le ny ezaka sy ny rakitra tantazana, ny fiangonana miha delabre.... aoka le
19. fahamarinana ( 01/08/2008 07:11)
:arrow: ika :itovizako hevitra ihany koa...
Fijo :Inona ilay kajim fa tsy azoko ? (l)
20. ni81 ( 01/08/2008 07:30)
Fijo :Inona ilay kajim fa tsy azoko ?
:lol: :lol: madinika ve sa ahoana?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1369