Zaraiko antsika ity: Fahagagana tany Indonesia:Timor

1. niryna ( 28/07/2008 17:41)
Rehefa nanomboka niasa tao amin'io toerana io Kristy dia sitrana ny marary,nitsanga ny maty,eny fa na dia nisotro poizina aza ireo vahoakan'Atra dia tsy maty,nandeha teny ambony rano efa ho 1o metatra ny halaliny ...woa .
Aiza ilay toerana ? Indonesia:Timor
Tamin'ny 1961 olona 30.000 no voavonjy ny fanahiny,1978 dia lasa 100.000 no nanatona an'ATra.
(l) niryna
novalian'i niryna ny 08/08/2008 05:24
2. tsimati ( 29/07/2008 00:17)
Miala tsiny fa ivelany kely aloha. TIMOR LESTE na TIMOR EAST dia efa firenena mahaleo tena ka atao hoe any amin'ny faritr'i Indonesia fa tsy hoe Indonesia. Nohamarihiko io satria Indonesia dia hain'ny rehetra hoe Islam saingy Timor Leste kosa noho izy avy tao ambanin'i PORTUGAL avy eo nozanahan'i INDONESIA ary tafala sy nahaleo tena vao hainganakely. Manana namana Timor betsaka aho ary farany tezitra ireo raha atao hoe mbola anaty Indonesia. CATHOLIQUE be hiringiriny i Timor ary raha tsy hain'ny sasany dia Mopera efa nahazo Prix Nobel no Filohany ary saika maty voatifitra rehantsiaka tamin'ny vaovao vao haingana kely ireny. Na lehilahy na vehivavy hitako avy any dia tena miambozona sarin'i Masina Maria na izany aza tena sahalan'ny Malagasy mihintsy reo na ny endriny na ny toetrany. Ny Malagasy mampifangaro dadarabe sy fivavahana Kristianina no tiako lazaina. Miala tsiny fa mety tsy mifandray mivantana ilay resako.
Farany tsy mahazoazo Kristianina ny tany Islam noho izany tezitra koa ireo raha fahagagana kristianina no resahanao amin'ny anaran'ny taniny. Na ny resaka TSUNAMI aza mbola tafiditra io Kristianina sy Islam io. Ary aza adino fa ny bomba aza napoakandreo any ampiangonana katolika. Misaotra tompoko ooo.
3. niryna ( 29/07/2008 03:39)
tsimati:

Miala tsiny fa ivelany kely aloha. TIMOR LESTE na TIMOR EAST dia efa firenena mahaleo tena ka atao hoe any amin'ny faritr'i Indonesia fa tsy hoe Indonesia. Nohamarihiko io satria Indonesia dia hain'ny rehetra hoe Islam saingy Timor Leste kosa noho izy avy tao ambanin'i PORTUGAL avy eo nozanahan'i INDONESIA ary tafala sy nahaleo tena vao haingana kely.
City of Soe no nivoahan'ity resaka ity,marina fa toerana feno tsy mpino an'i kristy any ary izay indrindra no mety nisehoaNy tao ka..Lesser Sunda Group ilay izy ary Ny fiangonana izay nisy membres 30.00 ohatra dia tao amin'ny fiangonana Central Java.

Manana namana Timor betsaka aho ary farany tezitra ireo raha atao hoe mbola anaty Indonesia.
efa io nazavaiko io ilay toerana
CATHOLIQUE be hiringiriny i Timor ary raha tsy hain'ny sasany dia Mopera efa nahazo Prix Nobel no Filohany ary saika maty voatifitra rehantsiaka tamin'ny vaovao vao haingana kely ireny. Na lehilahy na vehivavy hitako avy any dia tena miambozona sarin'i Masina Maria na izany aza tena sahalan'ny Malagasy mihintsy reo na ny endriny na ny toetrany. Ny Malagasy mampifangaro dadarabe sy fivavahana Kristianina no tiako lazaina. Miala tsiny fa mety tsy mifandray mivantana ilay resako.
aiza no toerana tsy ahitana karazana finoana ? Maro be fa ny mipetraka sy ho lazaiko eto dia ny hoe finoana an'i kristy,fametrahana ny fiainany Aminy,famonjena avy amiNy.

Farany tsy mahazoazo Kristianina ny tany Islam noho izany tezitra koa ireo raha fahagagana kristianina no resahanao amin'ny anaran'ny taniny.
ka izay indrindra no ampiasain'Atra ny olona avy ao aminy.tsy izy irery fa firenena maro izay tsy mino an'i Kristy.ka na tezitra aza izy,Tian'Atra vonjena ka tsy misy afaka ny hanakana ny fahagagana nataon'i kristy ny olona .

misaotra anao.
Ny Fahasoavan'ilay Tompo Mahery anie ho ao aminao.Andramo ka zahao fa tsara Izy


(l) niryna
4. niryna ( 29/07/2008 03:49)
Hoy ny teniny ao amin'ny Soratra Masina mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.Rom 15:16

Ho zaraiko anareo rehetra izay vavolombelona ny asan'Atra avy tao amin'io toerana nolazaiko io.

Ahoana no fomba fiasan'i Kristy ato amintsika ? Ary mbola asehoko ihany fa Izay zavatra voasoratra ao anatin'ny baiboly dia marina ary mbola mitranga ihany hatramin'izao .18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jenitilisa,
19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy.

5. niryna ( 29/07/2008 04:03)
Hoy ihany iizy: Raha ny fiangonana aty aminay dia mahafantatra izahay ny Atra Ray,ATra Zanaka ary ny ATra Fanahy Masina ,mahafantatra izahay ny tantara ao anaty Baiboly, mahay mitadidy izay tenin'Atra ao ihany koa fa tsy mbola nana experience izany hoe asan'ny Fanahy Masina izany Izay voalazan'i Paoly ao anatin'ny Baiboly
Ny tenin'Atra ao @ II Tim 1:7 dia manambara fa Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
Ary ireo telo ireo dia voazava tsi11 ao amin'ny I Kor 12 (Fanahy mahery), I Kor 13 (Fitiavana ) ary ny I Kot 14 kosa miresaka ny Fanahy fahononan-tenaa
Ka ny hany fanantenana ao amin'ny fiangonana izay misy antsika dia ny mba hisian'ireo Fanahin'Atra sy ka hiasa ao amin'ny fiangonana tsi11

6. niryna ( 29/07/2008 04:14)
Samy mametraka ny Baiboly ao anatin'ny vatakely karazany maromaro ny olona hoy ihany izy ary mety tsy mihevitra fa Tsotra ny Baiboly ary izay rehetra voasoratra ao dia nampiharina tamin'ny fiainana taloha ary mbola ampiharina ihany hatramin'izao
Ohatra hoe ny tantara izay nitranga taloha, 2000 taona lasa izany fa tsy izao intsony na koa hoe natokana ho an'ireo Jiosy ihany io,sns
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MARKA&toko=16&andininy=9-20&dika=
io koa izao dia misy fiangonana miteny fa tsy misy intsony izany e,taloha io fa tsy ankehitriny intsony .
Inona ary no nitranga tao amin'io toerana io ?
ho lazaiko amin'ny manaraka ny zava-miseho
ary ny rano nivadika ho divay rehefa isaky ny tonga ny fotoana Fandraisana ny fanasan'ny Tompo ? woa !!!

:D :D
7. fahamarinana ( 29/07/2008 10:06)
niryna:
Inona ary no nitranga tao amin'io toerana io ?
ho lazaiko amin'ny manaraka ny zava-miseho

:arrow:dia aleo aho hiandry an'izay manaraka aloha ry niryna an... :) (l)
8. prime ( 30/07/2008 12:03)
Misaotra an'i niryna sy tsimati... =D>
9. todisoa2 ( 30/07/2008 13:37)
gaga koa angamba hianareo raha ilazaiko, fa any @ tany silamo @ izao isika miresaka izao (tsy nofaritan'ilay namako monina any Maroc any ilay toerana) , dia misy olona fohazin'i Jesosy toa ry Nenilava, Dadatoa Rakotozandry...... Tena tiantsika ny Tompo @izao fotoana farany izao. Génération vaovao koa isika izay natsangany sy mbola hatsangany. Praise the Lord nyrina an!!!!
10. niryna ( 30/07/2008 17:07)
todisoa2:

gaga koa angamba hianareo raha ilazaiko, fa any @ tany silamo @ izao isika miresaka izao (tsy nofaritan'ilay namako monina any Maroc any ilay toerana) , dia misy olona fohazin'i Jesosy toa ry Nenilava, Dadatoa Rakotozandry...... Tena tiantsika ny Tompo @izao fotoana farany izao. Génération vaovao koa isika izay natsangany sy mbola hatsangany. Praise the Lord nyrina an!!!!


=D
Aleo tohizako kely io tenin'i Tody
HS kely ity fa tsy mifampitohy ny tany any amin'ny City of Soe an

Vao avy nihaino ny toriteny aho omaly (nisy zaza roa taona izy io) latsaka tao anaty piscine ,ilay reniny toa variana nitaiza ilay iray ka rehefa nandeha nijery ny zanany izy dia io eny ilay zaza tsy nihetsika intsony ,nobatainy ity vatana ary dia nitomany sy niantso an'Atra izy,"Jesosy o velomy ny zanako,Jesosy o velomy ny zanako.Dia nijanona kely izy no niteny indray hoe Misaotra Jesosy noho ny nanomezanao ahy roa taona ny zanako,omeko anao izy" dia niantso ny ambulance amin'izay izy ary ireo dia nanome azy infromation ny tokony ataony,tonga ny ambulance,nanao izay fara heriny ireo,tsy nisy zavatra bita ary dia noentina tany amin'ny hopitaly aingana indray ilay vatana kely malemilemy.
Teo ka teo ,niandry teo afaka fotoana vitsy taty aoriana dia nihetsika kely ilay zaza ary dia nihiratra no sady faly ny endriny ....aleloia ho deraina mandrakizay anie ny fahagagana asehon'Atra antsika isan'andro isan'ora.
(l) (l) (l) (l)
mahafinaritra be hoy izy ny tranon'i Jesus ary ngezabe ny toerana filalaovana nitondrany ahy,ngezabe ny tranony,ngezabe ilay park,ary Ngezaba ny (l) (fony)
:roll: =D
dia hoy ny reniny hoe taiza no nifankahitanao an'i JJ ? io no fiantsony ny renibehany .Hoy ilay zaza roa taona hoe tsy JJ no niaraka tamiko fa i Jesus woa
Tsy takatry ny saintsika tokoa ny fitondran'Atra sy ny olona ampiasany eny fa na dia zaza mbola tsy mahalala Azy aza dia nataony fitaovana hideran'ny olona Azy.
11. ikaretsaka ( 31/07/2008 02:32)
fa mba tsetsatsetra kely: raha finoana kristianina ankoatran'ny katolika tokao (miala tsiny fa io no haiko) dia ahoana kay ny anavahana ny hoax @ ny tena izy? , sy hialana @ le hafany manao hoe

"hiteny ianareo heo manao fahagagana @ anarako sy handroaka demony @ anarako... dia lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo"( Mt. 7:21-23)

ny an'ny kato manko rehefa misy ohatran'io dia misy fanadihadiana be tsy laitra na ara tantara na theologianina na ara tsoratra masina hijerena ny authenticite an'ilay tranga
fa ny finoana "kristianina" sasany kosa mba manao ahoana?
misaotra mialoha mizara
12. fahamarinana ( 31/07/2008 10:56)
:arrow: ny any protestanta koa raha tsy diso aho aloha ,oh fontsiny hoe ireny RAR lehibe ireny dia mandalo fanadihadiana (tsy fantatro na izany no filaza azy na tsia...) fa tsy tonga dia reconnu hoe izy na tsia...Misy taona maro aty aoriana zany e fa reko koa ireo ka asa loatra... :) (l)
13. ikaretsaka ( 01/08/2008 00:23)
misaotra...de ahoana ny fandehan'ilay rafitra ry faha?

T
amin'ny 1961 olona 30.000 no voavonjy ny fanahiny
,
ahoana no hitompoanao teny fatratra ny momba an'io kay?
nga hitanao le fanahy dia hoe indreny fa voavonjy eeee!

14. todisoa2 ( 01/08/2008 07:30)
ikaretsaka:

fa mba tsetsatsetra kely: raha finoana kristianina ankoatran'ny katolika tokao (miala tsiny fa io no haiko) dia ahoana kay ny anavahana ny hoax @ ny tena izy? , sy hialana @ le hafany manao hoe

"hiteny ianareo heo manao fahagagana @ anarako sy handroaka demony @ anarako... dia lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo"( Mt. 7:21-23)

ny an'ny kato manko rehefa misy ohatran'io dia misy fanadihadiana be tsy laitra na ara tantara na theologianina na ara tsoratra masina hijerena ny authenticite an'ilay tranga
fa ny finoana "kristianina" sasany kosa mba manao ahoana?
misaotra mialoha mizara


Ny fiangonana kristiana rehetra raika dia samy manao azy io daholo. Io ilay hoe zahao toetra ny fanahy. Ny fanhy miasa amin'olona rehetra dia izahana toetra daholo vao azo inoana. Eny fa na dia taona maro aty aoriana aza, hianao efa resy lahatra dia mbola tohizana hatrany ny fizahan-toetra ombam-panabezana ilay olona. Itantaraiko zavatra kely raika. Nisy tao amin'ny tanana kely, akaiky ny Isorana, olona iray nilaza fa nahita an'i Jesosy. Namonjy ny pastora miandraikitra ilay fiangonany izy. Izy kosa katekista ao. Tsy nanaiky avy hatrany ilay pastora fa dia nanolotra azy hotaizan'ny renim-piangonana. Nanokatra tobim-pifohazana ilay ranamana, ary maro ny fahagagana vita tao. Ty nijanona anefa ny Pastora fa dia manadihady, sy manabe azy araky ny finoana kristiana hatr@izao, manabe ilay olona io an!!!
Mandritry ny androm-piainan'ilay olona izany dia hadihadiana hatrany izy mba hahafantarana ny fanahy miasa ao aminy marina, hoe avy @Atra ve sa avy @ devoly!!!

15. fahamarinana ( 01/08/2008 08:17)
:arrow: ika : tsy afaka manome fanazavana en plus aho fa tsy mahalala akory ny tena fandehany...ireo no mba henoko...et encore :)
(l)
16. ikaretsaka ( 01/08/2008 16:02)
ka le fika fizahana toetra no manao akory ko.... izay anie no ilako fanazavana e..le rafitra izany eee

ny an'i kato izaho dia mandeha isan'ambaratongany mihitsy hoe misy mi report miracle dia mandeha be antanantohatra (izay mety haharitra siekla maro) miakatra distrika, diosezy, archidiosezy , nonciature... dia na ny ao vatican fotsiny aza avy eo mbola misy sampana manokana miandraikitra an'io...
17. niryna ( 01/08/2008 16:31)
ikaretsaka:

fa mba tsetsatsetra kely: raha finoana kristianina ankoatran'ny katolika tokao (miala tsiny fa io no haiko) dia ahoana kay ny anavahana ny hoax @ ny tena izy? , sy hialana @ le hafany manao hoe

"hiteny ianareo heo manao fahagagana @ anarako sy handroaka demony @ anarako... dia lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo"( Mt. 7:21-23)

ny an'ny kato manko rehefa misy ohatran'io dia misy fanadihadiana be tsy laitra na ara tantara na theologianina na ara tsoratra masina hijerena ny authenticite an'ilay tranga
fa ny finoana "kristianina" sasany kosa mba manao ahoana?
misaotra mialoha mizara
todisoa2:


Ny fiangonana kristiana rehetra raika dia samy manao azy io daholo. Io ilay hoe zahao toetra ny fanahy. Ny fanhy miasa amin'olona rehetra dia izahana toetra daholo vao azo inoana. Eny fa na dia taona maro aty aoriana aza, hianao efa resy lahatra dia mbola tohizana hatrany ny fizahan-toetra ombam-panabezana ilay olona. Itantaraiko zavatra kely raika. Nisy tao amin'ny tanana kely, akaiky ny Isorana, olona iray nilaza fa nahita an'i Jesosy. Namonjy ny pastora miandraikitra ilay fiangonany izy. Izy kosa katekista ao. Tsy nanaiky avy hatrany ilay pastora fa dia nanolotra azy hotaizan'ny renim-piangonana. Nanokatra tobim-pifohazana ilay ranamana, ary maro ny fahagagana vita tao. Ty nijanona anefa ny Pastora fa dia manadihady, sy manabe azy araky ny finoana kristiana hatr@izao, manabe ilay olona io an!!!
Mandritry ny androm-piainan'ilay olona izany dia hadihadiana hatrany izy mba hahafantarana ny fanahy miasa ao aminy marina, hoe avy @Atra ve sa avy @ devoly!!!




misaotra Tody a ,manao ny ahy io an ,ha,ha,ha

miampy ny teninao koa 12 Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.

13 Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.

14 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa hianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.

15 Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
Jaona 8
18. niryna ( 01/08/2008 16:46)
Ity koa mbola misy fanampiny raha te ahalala kokoa isika hoe miaraka amiNy ve sa tsia . ahoana no anavahana hoe tena izy
experiences ny tsi11 io fa tsy mijery ny experiences ny hafa isika.

http://baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=10&andininy=1-5&dika=
10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. dia anjaran'ny tsi11 ihany koa no mijery sy mandalina izay teny omena eto ,fantaro ny voa hafafiny. oops !!
satria hoy kristy hoe 14 Izaho no mpiandry tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho dia experience-ny rehetra ihany koa io (hianao irery fa tsy ny an'ny hafa) fantaro izay arahina satria 27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,

Dia ahoana izany no anavahana azy ?


3 Aza mety hofitahin'olona akory hianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,


4 ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana,
ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra. 2 Tes 2:3-4

o boy !!!!!
19. ikaretsaka ( 01/08/2008 16:56)
ka le fomba fanadihadiana ange no anontaniako an'i niryna fa tsy hoe mandehana mitsimpona e

http://people.howstuffworks.com/question6191.htm
http://www.newadvent.org/cathen/10338a.htm

ohatra ny an'ny kato

ary ny tsy kato ahoana ny fika? sa dia "miracle mon ami" fotsiny?

izay no fanontaniako fa ity fombanao jereo tsara fa manao tahakan'ny hoe raha manontany anao aho hoe "nankaiza ny kapako teo
dia valianao hoe
"ao @ Bokin'i Marika 1:7 voasoratra hoe" tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho"
tsary mety izanyyyyy!~

na hoe mitady kapaoty aho dia hoy ianao hoe voasoratra ao 2Timoty 4, hoe "Ento kely ilay kapaoty navelako tany Troasy "


20. niryna ( 01/08/2008 17:08)
niryna:
Inona ary no nitranga tao amin'io toerana io ?
ho lazaiko amin'ny manaraka ny zava-miseho
fahamarinana:

:arrow:dia aleo aho hiandry an'izay manaraka aloha ry niryna an... :) (l)


Dia aleo amin'izay aza atomboko ny tantara
Ny tenin'Atra dia manambara amintsika 17 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. Ohabolana 8


Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.

ao amin'ny Asan'ny Apo 2: 1-5 no manambara io tantara io.

Tamin'ity andro alina iray izay nivory,nivavaka izahay dia nisy feo nilatsaka toy ny tadio ary samy taitra avokoa izahay rehetra,nierikerika aho ary nanatona ny anabaviko raha naheno ilay feo koa izy dia hoy izy hoe maheno aho fa avelao any izany fa mivavaha.

Ny fiangonanay dia misy fandaharana arahinay toy ny fanaonay dia olona iray mivavaka dia efa ampy ho anay rehetra,miara mihira,mihaino ny soratra masina dia miaraka mihaino izay mitory sy mivavaka eo.Mijangana daholo na miaraka mipetraka dia toy izany hatrany.
Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia nojereko ny rehetra fa toa nivavaka daholo ,inona ary ity ataon'ny olona ity izany? toa tsy manaraka ny fandaharana ? oh Kristy o ampio aho fa tsy fantatro izay ataoko,nojereko koa ireo mpitandrina roa toa tsy niteny tsy nivolana fa sadaikatra be ihany.

Naneno ny lakolosy fiantsoana rehefa misy trano may ary dia nisy nandom-baravara ka io eo misy olona iray miteny anay mba hivoaka fa may ny fiangonana.
Toy ny aty amnay indrindra ao Timor dia raha misy trano may dia misy lakolosy fiantsoana ka samy mitondra seau kely misy rano ny olona amonjy ilay trano may,ireo eny fa feno ny olona samy nitondra "seau "nanatona ny fiangonana,tazandry zareo any ivelany ilay afo kanefa ......tsy may ilay fiangonana an . io ilay afon'Atra nitovy tamin'ilay nolazaina ao amin'ny
baiboly hoe aza manatona ahy hianao fa tany masina ity itsahinao ity ....toa misy afo mirehitra kanefa rehefa nanatona i Mosesy dia tsy nisy afo akory teo. afon'Atra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009