Zaraiko antsika ity: Fahagagana tany Indonesia:Timor

21. fahamarinana ( 01/08/2008 18:07)
:arrow: ika :vao maika sarotra ho ahy ny hamaly ily rafitra satria ndrao hiteniteny foana eo nefa zvtr tsy hay akory.. :) (l)
22. niryna ( 01/08/2008 18:55)
fahamarinana:

:arrow: ika :vao maika sarotra ho ahy ny hamaly ily rafitra satria ndrao hiteniteny foana eo nefa zvtr tsy hay akory.. :) (l)

marina ny anao aleo izy ihany no ahalala ny voa hafafy na afafiny

:D
23. niryna ( 01/08/2008 19:16)
Naneno ny lakolosy fiantsoana rehefa misy trano may ary dia nisy nandom-baravara ka io eo misy olona iray miteny anay mba hivoaka fa may ny fiangonana.
Toy ny aty amnay indrindra ao Timor dia raha misy trano may dia misy lakolosy fiantsoana ka samy mitondra seau kely misy rano ny olona amonjy ilay trano may,ireo eny fa feno ny olona samy nitondra "seau "nanatona ny fiangonana,tazandry zareo any ivelany ilay afo kanefa ......tsy may ilay fiangonana an . io ilay afon'Atra nitovy tamin'ilay nolazaina ao amin'ny
baiboly hoe aza manatona ahy hianao fa tany masina ity itsahinao ity ....toa misy afo mirehitra kanefa rehefa nanatona i Mosesy dia tsy nisy afo akory teo. afon'Atra

Rehefa tonga teo am-piangonana ireo vahoaka dia nahita ilay afo kanefa tsy misy fiangonana may noho izay zavatra nitranga izay dia maro ny olona no nino an'i kristy ary nandray ny fanahy masina.
Mazava ho azy fa tsy mba fantatray izany hoe batisa ny fanahy masina sy ny hoe feno ny fanahy masina kanefa tamin'io andro alina io dia nasehon'i kristy anay izany ary dia nisokatra ny masom-panahinay.Io ilay lazaiko hoe tsy miantehitra ny experience itan'ny olona na i Paoly na Petera na niseho taloha fa miankina ny zavatra itanao tamin'ny fiainana.
24. niryna ( 01/08/2008 19:27)
Fomba fivavahana hafa kely
Isaorako Atra fa nasehony anay ny fahadisoanay,ny fahotanay ,ny toetra ratsinay ary dia nampianariny hibebaka izahay.Tampoka teo nisy vehivavy niantso ny anaran'Atra ary nananga-tanana izy no nivavaka niantsoantso,nierika aho ary itako fa nananga-tanana koa ny anabaviko. Inona indray re ity fomba fivavaka vaovao ity ry raiko o ... dia nanontany an'i kristy aho hoe inona no mahazo io ramatoa mananga tanana io,tsy fombanay izany,mivavaka mangina ao am-po kely ihany no ataonay ato fa tsy io ka ..ary dia nampahatsiahy ahy ny tenin'Atra fa tsy manaraka ny ataon'ny fiangonana izy fa manaraka ny ao amin'ny baiboly..dia nanomboka itako fa niakatra daholo koa ny tanan'ireo mpiara mivavaka tamiko ary vao maika tsy hitan'ireo mpitandrina roa lahy izay atao satria ity ramatoa izay tsy mahay ny teny ofisialy fa miteny amin'ny tenim-paritra timores dia lasa niteny anglisy nivavaka sady tena mazava tsara ary fantatro satria aho nianatra kely ihany tany am-pianarana Oh,Jesus, I love You , Oh, I want to take the cross and follow You, Oh I love You Jesus ary dia vao maika nidera an'Atra ihany izy.
:roll: :roll:
Nitsangana ireo mpitandrina roa lahy ary dia ......
25. ikaretsaka ( 01/08/2008 21:04)
tsy azoko mihitsy ity ambaran'i niryna... i niryna ve no saika may fiangonana sa i timoro sa inona??
mandeha be ny "pronom personmel aho/ahy sns.... nefa tampoka teo tany Timor no nolazaina"
efa hoe mba consistant hoa
26. fijo ( 01/08/2008 21:24)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D
27. fahamarinana ( 02/08/2008 09:36)
:arrow: :-D ka somary lavalava tokoa ilay izy ry niryna dia somary sarotra ny manaraka azy....fa misaotra e satria za koa no niteny hoe miandry ny manaraka zany.. :) (l)
28. niryna ( 03/08/2008 03:55)
fahamarinana:

:arrow: :-D ka somary lavalava tokoa ilay izy ry niryna dia somary sarotra ny manaraka azy....fa misaotra e satria za koa no niteny hoe miandry ny manaraka zany.. :) (l)

ie, somary lava satria resahiko kely amin'ny antsipirihany.
Nandalo tao amin'io toerana io avokoa na ny afon'Atra izay nirehitra tety ivelany ny fijery azy kanefa rehefa tonga ny olona tsy nisy afo akory.
Fahagagana maro izay voalaza ao amin'ny soratra masina saika nandalo tao avokoa.
ny toerana feno mpanao fanafody ka izay miditra ny tanana ka mangataka rano na omeny sakafo dia maty avokoa kanefa tsy maty ireto iraka nalefan'Atra eraky ny tanana.
hatramin'ny maty aza nitsangana e.


29. rijadolly ( 03/08/2008 04:26)
Araho tsara kosa fa le FAHAGAGANA TANY TIMOR io zarain'Niryna io é! Fa lehilahy iray mitatara izay hitan'Niryna tao amin'sity of soe no tatarainy io fa tsy izy ilay hoe "zaho" fa angaha i Niryna aminareo manana anambavy =)) =)) =)) =)) tohizo niryna fa te-ahalala ny farany izahay a
30. todisoa2 ( 04/08/2008 14:11)
niryna:

ikaretsaka:

fa mba tsetsatsetra kely: raha finoana kristianina ankoatran'ny katolika tokao (miala tsiny fa io no haiko) dia ahoana kay ny anavahana ny hoax @ ny tena izy? , sy hialana @ le hafany manao hoe

"hiteny ianareo heo manao fahagagana @ anarako sy handroaka demony @ anarako... dia lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo"( Mt. 7:21-23)

ny an'ny kato manko rehefa misy ohatran'io dia misy fanadihadiana be tsy laitra na ara tantara na theologianina na ara tsoratra masina hijerena ny authenticite an'ilay tranga
fa ny finoana "kristianina" sasany kosa mba manao ahoana?
misaotra mialoha mizara
todisoa2:


Ny fiangonana kristiana rehetra raika dia samy manao azy io daholo. Io ilay hoe zahao toetra ny fanahy. Ny fanhy miasa amin'olona rehetra dia izahana toetra daholo vao azo inoana. Eny fa na dia taona maro aty aoriana aza, hianao efa resy lahatra dia mbola tohizana hatrany ny fizahan-toetra ombam-panabezana ilay olona. Itantaraiko zavatra kely raika. Nisy tao amin'ny tanana kely, akaiky ny Isorana, olona iray nilaza fa nahita an'i Jesosy. Namonjy ny pastora miandraikitra ilay fiangonany izy. Izy kosa katekista ao. Tsy nanaiky avy hatrany ilay pastora fa dia nanolotra azy hotaizan'ny renim-piangonana. Nanokatra tobim-pifohazana ilay ranamana, ary maro ny fahagagana vita tao. Ty nijanona anefa ny Pastora fa dia manadihady, sy manabe azy araky ny finoana kristiana hatr@izao, manabe ilay olona io an!!!
Mandritry ny androm-piainan'ilay olona izany dia hadihadiana hatrany izy mba hahafantarana ny fanahy miasa ao aminy marina, hoe avy @Atra ve sa avy @ devoly!!!




misaotra Tody a ,manao ny ahy io an ,ha,ha,ha

miampy ny teninao koa 12 Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.

13 Ary hoy ny Fariseo taminy: Hianao manambara ny tenanao, koa tsy marina ny fanambaranao.

14 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Na dia manambara ny tenako aza Aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako; fa hianareo kosa tsy mahalala izay ihaviako, na izay alehako.

15 Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
Jaona 8



SOtra zoky a!!!
Io lay antso e!!! Hiasa ato @izay
31. fahamarinana ( 05/08/2008 08:47)
:arrow: todisoa 2a :naika hanontany monja aho par rapport amin'io voalazanao mikasika ny fanadihadiana ny olona milaza mahita any Jesosy ireny.Inona no ataon'ny olona manadihady exactement : manaporofo inona,mijery ny fitondran-tena sa inona marina no ahafantarana fa tsy mpisandoka sanatria na tena izy ihany koa...Misaotra mamaly raha azonao atao na izay hafa afaka mamaly ihany koa e...(l)
32. niryna ( 07/08/2008 05:13)
rijadolly:

Araho tsara kosa fa le FAHAGAGANA TANY TIMOR io zarain'Niryna io é! Fa lehilahy iray mitatara izay hitan'Niryna tao amin'sity of soe no tatarainy io fa tsy izy ilay hoe "zaho" fa angaha i Niryna aminareo manana anambavy =)) =)) =)) =)) tohizo niryna fa te-ahalala ny farany izahay a

marina tanteraka izany. angaha misy nilaza an'izany any ambony any =))=))
maro dia mrao rijadolly a.
ao ny olona efa maty dia velona indray
mbola maty adin'ny roa ity ramatoa dia notenenin'i kristy ilay iray tamindry zareo hoe"mandehana hianareo makatsy amin-.... dia mivavaha hianareo rehefta tonga ao" Noho ny tahotra sy tsy finoana tsara sy hoe ahoana koa izany (doubt) dia tsy nandeha ry zareo ary maty ilay ramatoa.Rehefa tonga ny andro iray dia niresaka i kristy hoe mbola velona ilay olona raha novavahanao .Isaky ny mandalo ilay toerana nisy ilay nandevenana azy aho dia malahelo sy manenina foana hoy izy.
Angaha vitan'izany ihany ?
Nisy rangaha maty teo an-tanana ary efa ho telo andro,tsy mba mitovy ny aty amintsika hoe asiana fanafody manala maimbo fa tonga dia maimbo be ilay faty mandra-pandevenana azy.
:roll: :cry: :cry:
Dia niteny indray i Kristy hoe mandehana hianareo mankany amin-.....ary mihira mandra-pifohany.Teo vao tena talanjona satria efa samy mahalala izy rehetra hoe efa maimbo be ilay faty.
Satria nanenina mafy ranamana ka dia nandeha ihany sy nanomboka nitombo ny finoandry zareo .Inona no nahazo ? Nandeha indray ilay feo ao anaty mamitaka(mahazo antsika io raha tsy mitandrina isika sy tsy mivavaka ka mangataka ny fanahy masina mba hanazava antsika) dia niteny ilay fanahy mamitaka hoe " efa maimbo be ilay faty ary raha misanasana eo ny vavanareo dia miditra any am-bava daholo ny fofona =))
:roll: :oops: :oops: :cry:
Dia nanomboka nihira teo akaikin'ilay olona efa maty ry zareo ary dia namofona tsy laitra tokoa hoy izy ilay faty,nandeha ny hira voalohany ...tonga hatrany amin'ny hira marobe toa nihanalefaka ilay fofona,tsy naheno intsony izahay tamin'ny farany ary efa tonga tany amin'ny hira nahatratra ho 32 tany ho any dia nifoha moramora ilay maty...Aleloia ..mbola misy foana io hatramin'izao .....
Isika rehetra dia efa maty ara-panahy fa velona indray rehefa nandray an'i kristy . Isan'andro dia misy mana milatsaka avy any an-danitra foana amin'ny fiainantsika,mety tsy mahatsapa izany anefa isika kanefa dia sahiko ny milaza aminareo fa misy olona mahantra any e,omen'Atra mana isan'andro izy mianakavy kely satria zanany ,mino azy fa Atra dia manome antsika ny tokony ho zahaza antsika ary vavaka nampianariny ihany koa io hoe omeo anay anio ny hanina sahaza ho haninay
33. niryna ( 07/08/2008 05:33)
fahamarinana:

:arrow: todisoa 2a :naika hanontany monja aho par rapport amin'io voalazanao mikasika ny fanadihadiana ny olona milaza mahita any Jesosy ireny.Inona no ataon'ny olona manadihady exactement : manaporofo inona,mijery ny fitondran-tena sa inona marina no ahafantarana fa tsy mpisandoka sanatria na tena izy ihany koa...Misaotra mamaly raha azonao atao na izay hafa afaka mamaly ihany koa e...(l)

ao amin'ny 1 kor 12 dia manambara amintsika ny karazana fahasoavana nomen'Atra ho an'ny tsirairay ( gift of Spirit ) no hilazana azy.

http://baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=12&andininy=1-10&dika=
3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina.ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa eto izany dia azo lazaina fa misy olona mahafantatra raha vao miteny fotsiny ilay olona dia fantany hoe fanahy madio na fanahy maloto no mampiteny azy ...
Raha omeny ny iray amin'ireo isika dia mahafantatra tsara izay olona mitory na aiza na aiza.Tsara ho tadidiana koa fa satana koa dia mahay ny tenin'Atra ka izany no antony iray amakiana ny tenin'Atra satria misavoritaka ny teny omen'ireo izay milaza fa mahay tenin'Atra kanefa manaraka ny fanahy manohitra an'Atra.
Na ny fiangonana aza anie ry fahamarinana dia manana miaramila koa satana e.
Fantatra eny foana ny voa hafafy ka ,raha miditra fiangonana izao isika dia fantatra hoe mitoritenin'Atra tokoa ilay mpitory na manao izay mampifalifaly ny mpiangona ao aminy ka izay tiany ho tenenina ka mety tsy mandratra na manembantsembana ny fidirambola ao aminy dia izay no toriany..fantatra ka.
Ary raha misy olona misandoka dia izy sy Atra ihany no hifampitana amin'izany fa ireo izay mianatra ny tenin'Atra amin'ny fony kosa dia tsy ho voafitany satria izy ireo manana ny fanahy masina:ccce.corrects,convinces,cleans,
equips ) na koa hoe manana ny Fanahy masina mampianatra,mitari-dalana,manoro,manitsy,mandresy lahatra,mampibebaka,manadio ary mitsinjo sy mitarika ary mampahatsiahy azy hatrany izy ao anatiny izao no antsoina hoe niova fo,nino tanteraka an'i kristy ho tompo sy mpamonjy ary nametraka ny fiainany tanteraka Aminy ka dia lasa olom-baovao izy.Raha mitovy talohan'ny nahalala an'i kristy ihany mantsy ny fiainantsika dia ho zava-poana daholo izay inona raha izany... ireo no azoko azavaina ,mety mihoatra aza

34. fahamarinana ( 07/08/2008 10:08)
:arrow: ka ilay izy niryna ny tiako ho fantatra dia misy olona natao hanaraka ireo olona ireo ve.Tsaroako manko nisy Dada iray izay (tsy ho tononiko anarana eto ) dia nozahana toetra izao foana,aman-taona maro ,taty aoriana reko fa toa tsy dia mety loatra izy,nisy fitondran-tena tsy mety ary hitamaso tety ivelany ihany koa moa...Ny tiako hiavina hoe iza no manapaka hevitra fa tsy izy iny olona iny ?
sinon mitovy hevitra amin'ny voalaza rehetra aho,tsy misy olana fa io resaka décision io no mba tiako fantarina.Tsy dia misy dikany manokana na hampiova inona akory fa mba liana fontsiny ihany(l)
35. niryna ( 07/08/2008 17:51)
fahamarinana:

:arrow: ka ilay izy niryna ny tiako ho fantatra dia misy olona natao hanaraka ireo olona ireo ve.Tsaroako manko nisy Dada iray izay (tsy ho tononiko anarana eto ) dia nozahana toetra izao foana,aman-taona maro ,taty aoriana reko fa toa tsy dia mety loatra izy,nisy fitondran-tena tsy mety ary hitamaso tety ivelany ihany koa moa...Ny tiako hiavina hoe iza no manapaka hevitra fa tsy izy iny olona iny ?
sinon mitovy hevitra amin'ny voalaza rehetra aho,tsy misy olana fa io resaka décision io no mba tiako fantarina.Tsy dia misy dikany manokana na hampiova inona akory fa mba liana fontsiny ihany(l)

Ity misy tantara iray nitranga tany amintsika vao avy nolazain'ny ankizy ahy io an.
Nisy rangahy mpanankarena ,mamelona ny fiangonana ary nanao vady maro izy,tsy nisy sahy nitoriteny mikasina ny fijangajangana na teny mikasika ny fitondrantena izay mpitondra rehetra teo nandritra ny fotoana maro satria natahotra an'ilay rangahy avokoa izy rehetra.
Indray andro tonga ity mpitondra vaovao ary dia nitoriteny mikasina ny fitondrantena izy..Vao nirava ny fiangonana dia nanatona mora ilay mpitondra ilay rangahy mpanankarena teo amin'ny fiangonana. tsy fantatrao angaha hoy izy fa izaho no antok'ity fiangonana ity ? raha tsy misy ahy manampy hianao dia tsy mihinankanina.!antsaharonao ny toriteny mikasika io androany io...sns tsy taitra sy tsy rotitra akory ity mpitondra.Tsy maninona ka,izaho hiraka ka izay nampanaovina ahy no ho toriko fa tsy izay tiako ,izay tenin'Atra no zaraiko...
Niala ilay rangahy....taty aoriana sendra nandalo ilay fiangonana izy ,,,variana fa hipokipoka ny fiangonana....niandry ilay mpitandrina izy ary dia nifona fa ny herin'ny tenany ,ny sainy no nataonao ka nanantena ny tsy ho lavo izy very ny fananako,ny vadiko,ny fianakaviako...tsinotsinona aho ankehitriny,mifona re aho tompoko o ,mamela ahy hianao !!! ary dia niteny ilay mpitandrina hoe [/b] mbola misy zavatra adinonanao...ny fanahinao izay mibebaka sy mahatsiaro fa diso dia tsy ho very intsony fa manana anjara miaraka amin'i JK hianao.Miverena,miandry anao izahay,miverena mibebaha,mamelaha heloka ary mino Azy indray fa izay mino azy no ho vonjena [/b] ...

Ny tiako ahatongavana dia misy fantatra hoy aho ary misy olona nomen'Atra ahafantatra izany fanahy hafa izany.Izany no mahatonga ny olona indraindray milaza ny marina kanefa toa mahatezitra na toa manindrona antsika ilay teny.Misy na dia miditra ny fiangonana fotsiny koa aza isika raha omen'Atra izany famantarana izany dia mahafantatra hoe tsy misy fanahy masina ao amin'ilay fiangonana ...eny na dia feno hipokipoka aza ilay fiangonana an..
Ahoana no ahalalana izany ? Averimberenina ny tenin'Atra: tsy manaiky izy raha mivavaka amin'ny zavatra hafa ankoatra azy isika,raha manao zavatra tsy mifanaraka izay voasoratra ao anaty SM ary raha tsy mitory teny mikasika ny famonjena ilay mpitondra fa mivoana na tsy manampy na manova na manindro ka mahatonga ny olona hibebaka ilay toriteny.Eny fa na isika ihany koa aza dia mahafantatra hoe voa tsara sa voa ratsy izany...tsy mitsara izany an,manaraka ny tenin'Atra ary dia mampitahy ny teniny sy ny tenin'Atra.
Izay no azoko ambara fa raha tsy mazava sy misy fanontaniana hafa ka azoko atao ny manazava azy dia alefaso ihany fa vonona aho hamaly raha fantatro.

:-*
36. ikaretsaka ( 08/08/2008 01:25)
Ny tiako ahatongavana dia misy fantatra hoy aho ary misy olona nomen'Atra ahafantatra izany fanahy hafa izany

hay ve lasa nino izany indray ry niryna fa tsy heo ny tsimpona voanjo alika ao anaty beboliny ihany e
37. niryna ( 08/08/2008 05:24)
ikaretsaka:

Ny tiako ahatongavana dia misy fantatra hoy aho ary misy olona nomen'Atra ahafantatra izany fanahy hafa izany

hay ve lasa nino izany indray ry niryna fa tsy heo ny tsimpona voanjo alika ao anaty beboliny ihany e
tsy azoko mihitsy izaiy tianao ho tratrarina ? deceiver ? hianao ihany dia mahalala azy sy izay tanjona tiana ho tanterahana fa dia ataovy daholo rehefa manaiky ho fitaovana ampiasana hianao . oops !


3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy
; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. .....aleloia .

4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.


5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.

6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra.

7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.


8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,

9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, I Kor 12

tsy misy avy amn'ny herin'ny tenantsika izay zavatra nampanaovina antsika ka isaory Azy nanomena raha mbola nomeny fotoana isika izarana ny tenin'Atra

8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra
9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha Efe 2:8-9
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0378