Ny mpivavaka matahotra kokoa noho ny tsy mpivavaka

1. badboy ( 27/07/2008 21:49)
Raha nijery film horreur ireto olona anankiroa, dia samihafa ny fihettsika nasehony avy eo!! Ilay mpivavaka hita ho natahotra, tsy sahy niresaka ilay tanatara ary nivavaka mafy hanala ilay tahotra tao aminy!! Ilay iray tsy mpivavaka kosa sady nitsiky no mitantara ilay tantara @ namany rehetra, ary tsisy adinony ireo "passage" tena nampatahotra ny rehetra!

Inona no antony mora mampatahotra ilay mpivavaka nefa izy, noho ny finoany, dia tokony hatanjaka kokoa aratsaina noho ilay tsy mpivavaka!!! :roll: :roll: :roll:
novalian'i prime ny 20/08/2008 07:14
2. pika ( 28/07/2008 04:08)
tsy de zavatra kely oh izany kosa dia azo hitsarana olona e hoe ity ve mpivavaka dia tsy matanjantsaiana indray sns
mety ao koa ilay tsy mpivavaka efa tsy mivaky loa na mangalatra sy mamono olona izay angamba koa no tsy hirarahany
3. Rasiligaoma ( 28/07/2008 04:17)
Raha ny fijery azy dia ireo izay notaizaina tao anatin'ilay fivavahana endrika "mampitahotra" no anton'io:
devoly lava tandroka e, olona voaozona, vao misy phenomene kely dia satana e, farandro e, dragona e, fanahy ratsy e, herin'ny maizina e
dia vokatr'izay dia lasa efa mipetraka loatra ao an-tsain'ilay "mpivavaka" voataiza sy nafahana ilay concept hoe hatahotra foana,
lasa misy fiantraikany ara psikolojika ilay fivavahana eto: lasa tsy vampanjakana hafaliana sy fiadanana fa lasa horohoro
4. ravatorano ( 28/07/2008 06:12)
raha film mampatahotra v misy hoe mpivavaka sy tsy mpivavaka ; efa we mampataotra izany tsy tokony hatahotra daholo v ny rehetra mijery an 'izany e ! za aloha tena tia an ireny film mptaotra ireny tokoa ary ekeko ilay lazain i rasily eo ambony io hoe arakaraky ny fomba nitaizana sy nampidirana tao antsaina ny endrik 'ilay demony,devoly lava tandroka sy ny sia ihany io !
5. ikaretsaka ( 28/07/2008 06:34)
miankina @ fomba ni instaurer-na ilay fivavahana sy ny fisaina io
marina io an-drasily io
6. badboy ( 28/07/2008 06:39)
Raha marina ilay lazaindrasiligaoma, ny olana dia vao manomboka ilay didy 10 dia mivandravandra be ao ilay hoe "MATAHORA" mipetraka@ laharana voalohany. Noho izany ilay fampitana ilay fampitahorana toa avy ao @ baiboly ihany. :roll: :roll:
7. booboo ( 28/07/2008 09:30)
Kay moa zany no dikan'ilay " matahora " ao @ didy 10 iny ? :-D :-D :-D :-D. Dia ilay teny hoe " mitsaoka " koa hoe mandositra ny dikany รด ? :-D :-D :-D .
8. badboy ( 28/07/2008 10:36)
Raha azoko tsara ny tian'i booboo lazaina dia tsy azo raisina arabakiteny ilay hoe MATAHORA ao anatin'ilay didy 10, ary tena marina izany!! Ka noho izany ireo mampita ilay dikatenin'ilay MATAHORA @ dikany matahotra no mampita fahalalana diso!

Sa tsy izay no tian'i booboo ho lazaina? :/ :/
9. ikaretsaka ( 28/07/2008 15:17)
eo indray isika ry badboy dia very eo @ dikanteny sy le heo arakaraky ny tian'ny olona ampidirina tokotrany a

ny nampianarina anay manko dia heo MANAJA (respect) MANOMPOA, MANKAMASINA, TIAVA
fa tsy nisy mihitsy hoe matahora!
10. rijadolly ( 28/07/2008 15:36)
Hoy inty ankizy iray nitaomin' ny namany andeha lavitra: "Za tsy andeha fa matahotra an'dadanay za" satria nahoana? Efa notenenina tsy hiaotra ny fefy.Ra amiko manokana dia io hevitra io no anisany nahatonga an'ilay matahotra noho ny ratsan-kazon'Ilay Mpiandry tsara.
11. badboy ( 28/07/2008 16:28)
ikaretsaka:

eo indray isika ry badboy dia very eo @ dikanteny sy le heo arakaraky ny tian'ny olona ampidirina tokotrany a

ny nampianarina anay manko dia heo MANAJA (respect) MANOMPOA, MANKAMASINA, TIAVA
fa tsy nisy mihitsy hoe matahora!



Eo ndrindra tsika izao : raha nahavoadona zazakely ity mpanadalo dia ny nolazainy "fa mba zanak'iza tony mitady ho faty tony" de ilay reniny namaly hoe "mba matahora an'Atra fa zazakely io fa tsy lehibe mitovy aminao"!! Eto ilay matahora tsy midika hoe hajao fa ny fampisehoana ny mety hamaizan'Atra satria tsy nitsinjo ny mahazaza ilay voadona. Torak'izany koa ilay mpivarotra miady mafy ny tsy hihenan'ny vidin'entany loatra ka niteny "mba matahora an'Atra fa ny tombony kely azo avy @ io entana io no hividianako sakafo ho an'ny zanako 5"!!!

Ilay fampiasana ilay voasoratra no mahatonga ilay fandraisana mivoana!! Ka ny hevitra angamba dia ny mamadika ilay teny hoe MANAJA ao anaty baiboly mihintsy!! Fa saingy ho ampy ve izay hahatonga ilay mpivavaka tsy hatahotra intsony rehefa mivoaka ilay sarimihetsika mampihorohoro, indrindra moa raha "exorciste"!!! ;-) ;-) ;-)
12. ikaretsaka ( 28/07/2008 17:09)
ilay fiheverana an'Atra sanatrioa ohatran'ny biby fampitahorana na zandarma na sirveillan zeneral mihitsy no tsy mety ko...
lasa tsy le olona fe olona tsotry sy ny maha olona azy no miseho fa olona impose @ tahotra
13. ikaretsaka ( 28/07/2008 17:17)
io ilay hoe" matahora an'Atra" @ le ohatra lazain'i badboy io anie ny tena contexte ny dia hoe "mba conscient e"

fa ny teny gasy moa hainao ihany...
14. fijo ( 28/07/2008 21:33)
Raha ny fijery azy dia ireo izay notaizaina tao anatin'ilay fivavahana endrika "mampitahotra" no anton'io:

io ngamba no valiny tena ahazoana manazava le izy
15. ikaretsaka ( 28/07/2008 21:51)
izay... ireo le nozarina hisaina ny hoe devoly e.. herin'ny maizina e, akaiky ny farany e, bedy nareo reo, voaozona e no tena mpanao ireo
16. ari.malala ( 29/07/2008 06:34)
mba efa nijery film d'horreur sy ireny misy resaka exorcisme ireny kou za fa za ts natahotra...
17. fahamarinana ( 29/07/2008 10:21)
badboy:

Raha nijery film horreur ireto olona anankiroa, dia samihafa ny fihettsika nasehony avy eo!! Ilay mpivavaka hita ho natahotra, tsy sahy niresaka ilay tanatara ary nivavaka mafy hanala ilay tahotra tao aminy!! Ilay iray tsy mpivavaka kosa sady nitsiky no mitantara ilay tantara @ namany rehetra, ary tsisy adinony ireo "passage" tena nampatahotra ny rehetra!

Inona no antony mora mampatahotra ilay mpivavaka nefa izy, noho ny finoany, dia tokony hatanjaka kokoa aratsaina noho ilay tsy mpivavaka!!! :roll: :roll: :roll:

:arrow: Za manokana aloha dia Mpino ary tsy mijery intsony ireny films ireny satria tsy dia hitako zay mahasoa azoko aminy,ndraindray koa moa ilay izy be scene amboarina be sns...fa samy manana ny tiany moa ka na mpivavaka na tsia dia sahala amizay ihany koa..
Amiko tsy misy varany ny hijerena azy raha mbola koa hivavaka avy eo hanala ilay tahotra :misy koa tsy mpino nefa matahotra koa,tsy voatery hoe tsy mpino dia tsy matahotra fa ny mahasamihafa azy dia ny iray misaron-doha matory dia mivarahotsana,mano cauchemars be andro maromaro... ...:) (l)
18. lizabeth ( 29/07/2008 11:12)
ikaretsaka:

izay... ireo le nozarina hisaina ny hoe devoly e.. herin'ny maizina e, akaiky ny farany e, bedy nareo reo, voaozona e no tena mpanao ireo



tsy hitako loatra no hidiran'ny fitaizana amin'ny fivavahana amin'izany satria hoe film aza no jerena ! mba azoko lazaina anatin'ny mpivavaka aho ary noresadresahina ny devoly sy ny asany fa ny ahy voalavo sy ny olona mifanenjika no mampatahotra ahy ! dia inona no idirany amin'izany ?
19. ikaretsaka ( 29/07/2008 11:40)
misy fiantrainkany izany... nampitahorina ianao hoe lanin'ny voalavo na hoe misy monster hihinana anao (le karazan'ny hoe devoly de...) lasa transposer-na @ izay foana ny zavatra mitranga rehetra dia voalavo aza lasa hatahorana
20. fijo ( 29/07/2008 21:20)
hoadary,misy idirany mihintsy,le fampitahorana lava io ,manjary mitarika saina ho mora hatahotra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0502