Ny mpivavaka matahotra kokoa noho ny tsy mpivavaka

21. prime ( 30/07/2008 12:39)
badboy> mpivavaka ahoana dia mivavaka amin'iza moa no tianao atao ohatra etoana???

Raha mpino kristiana no tianao resahana dia samy manana ny safidiny... fa ny tenin'Andriamanitra efa mampianatra ny mpino tsy hanana anjara na firaisana amin'izao tontolo... mazava ho azy raha tena mpino kristiana dia tsy mijery karazana "films" toa ireny intsony (tsy ireny ihany fa na ny "violence" na ny "pornographie" na ny "érotique" sns)...
22. xxx ( 30/07/2008 12:43)
Io arakaraky ny tsirairay sy ny sensibilité aloha, misy sensible kokoa mitsy tsy maninona mihitsy, otran'ny hoe misy olona tia film sentimental misy olona tena tsy tia mihitsy afa aleony film d'action ; avy eo ny ankabeazan'ny tena mpivavaka dia tsy dia tena hoe matahoatra fa hitany fa tsy mahasoa ary ny ratsy rehetra indrindra fa raha film epouvante dia mi representer ny oeuvre n'ny satana ny ankamaroany. Amin'ireny koa misy hery satanique mifindra. sans que les spectateurs s'en rendent compte. ka tsy dia tena hoe matahoatra fa aleo tsy mijery. Sady maninna koa moa no handany fotoana hijery izay hadalan'ny sasany ao anaty film horera e Ny tena mpivavaka koa dia lasa tena ny tenany mhitsy no lasa tsy tia ilay izy, eny fa na dia mety tia mijery izany film horera izany aza taloha fa satria efa miray amin'ny Kristy dia lasa tena mankahala hoazy ireny.
aleoko aloha manao xxx sao misy mitoraka voatabie eo :-*
23. ikaretsaka ( 30/07/2008 12:46)
prime:

badboy> mpivavaka ahoana dia mivavaka amin'iza moa no tianao atao ohatra etoana???

Raha mpino kristiana no tianao resahana dia samy manana ny safidiny... fa ny tenin'Andriamanitra efa mampianatra ny mpino tsy hanana anjara na firaisana amin'izao tontolo... mazava ho azy raha tena mpino kristiana dia tsy mijery karazana "films" toa ireny intsony (tsy ireny ihany fa na ny "violence" na ny "pornographie" na ny "érotique" sns)...



1) efa nohazavaina io na tsy nivantana aza heo ny tian'i badbpy lazaina dia ireo kristianina voasesika @ ilay hoe devoly sy helo sns...

2)io indray ilay an'i prime le mitsimpona izay metimety ihany @ tenin'Atra... vokany dia lasa hadino hatrany ny nitsimpona ilay hoe "fantaro ny zavatra rehetra"
24. ni81 ( 30/07/2008 12:47)
fa satria efa miray amin'ny Kristy dia lasa tena mankahala hoazy ireny.
aleoko aloha manao xxx sao misy mitoraka voatabie eo
:lol: :lol: Angaha raha milaza zavatra mahasoa mbola tokony hatahotra toraka voatabia?
25. prime ( 30/07/2008 12:56)
badboy,ikaretsaka> mpivavaka ahoana dia mivavaka amin'iza moa no tianareo atao ohatra etoana???

ikaretsaka:
2)io indray ilay an'i prime le mitsimpona izay metimety ihany @ tenin'Atra...
... sao ianao no mandray ny tenin'Andriamanitra araka izay metimety aminao fa diniho tsara...
ikaretsaka:
vokany dia lasa hadino hatrany ny nitsimpona ilay hoe "fantaro ny zavatra rehetra"
... Hamafisiko ihany, sao ianao no mandray ny tenin'Andriamanitra araka izay ahazoanao sy andraisanao azy araka izay fahatakaran'ny sainao azy???... ny "fantaro ny zavatra rehetra" tsy midika mihitsy hoe mijere "films horreur, épouvante, porno, érotique sns..."

Mba diniho izay soratana mialoha ny itenenana fa ilay ambaranao dia miverina aminao ihany... Andriamanitra tsy nampianatra hoe "fantaro ny zavatra rehetra" araka izay ahazoanao azy fa nisy "contextes" izany... ianao ihany eto dia mandika ny fampianarana entinao fa laza tsy mijery "contextes" tampoka fa mandray ny tenin'Andriamanitra ambolony...
26. ikaretsaka ( 30/07/2008 13:06)
dia jerevo akaiky ary fa sao hanao ohatry ny fariseo hoe nahiota an'i kristy hoe ny vehivavy janga sy ny poblikanina no namany dia ho tafitohina....
mandiniha ihany tena
27. prime ( 30/07/2008 13:33)
Sanatria raha hanao toy ny fariseo, Kristy dia nampianatra fa Izy dia tonga ho an'ny mpanota sy hamonjy ny mpanota ary hifandray amin'ireo akaiky mba hamonjena azy fa Izy tsy nampianatra velively hoe manaova toy ny mpanota...

Fa heverinao sitraky Kristy ve ny hijery films horreurs sy porno ohatra raha nijery na nanao izany ilay vehivavy janga na ireo mpamory hetra??? mba mihevera ra-ika fa tena "mamantatra ny zavatra rehetra" any amin'ny hevidiso anie ianao izany e...

Mandiniha ihany koa tena...
28. pissoa ( 30/07/2008 17:58)
badboy:

Raha nijery film horreur ireto olona anankiroa, dia samihafa ny fihettsika nasehony avy eo!! Ilay mpivavaka hita ho natahotra, tsy sahy niresaka ilay tanatara ary nivavaka mafy hanala ilay tahotra tao aminy!! Ilay iray tsy mpivavaka kosa sady nitsiky no mitantara ilay tantara @ namany rehetra, ary tsisy adinony ireo "passage" tena nampatahotra ny rehetra!

Inona no antony mora mampatahotra ilay mpivavaka nefa izy, noho ny finoany, dia tokony hatanjaka kokoa aratsaina noho ilay tsy mpivavaka!!! :roll: :roll: :roll:


Zaho koa efa niaraka nijery The exorcist tamin'ny olona tsy mino an'Andriamanitra sady tsy mino ny fisian'ny devoly sns fa zaho ndray no tsy matahotra !

Mety ho marina ny fijerin'ny namana sasany hoe misy ny fiangonana miresaka betsaka kokoa ny zavatra tahaka ny hoe devoly sns ; fa amin'ny lafiny iray koa dia arakaraka ny olona io e. Misy ny olona mora taitra loatra - tsy dia miankina amin'ny finoany, fa vao misy ilay endrika ratsy be miseho tampoka dia efa mipararetra !

:-D :-D :-D :-D :-D
29. fijo ( 30/07/2008 20:06)
hoy prime:"
Raha mpino kristiana no tianao resahana dia samy manana ny safidiny... fa ny tenin'Andriamanitra efa mampianatra ny mpino tsy hanana anjara na firaisana amin'izao tontolo... mazava ho azy raha tena mpino kristiana dia tsy mijery karazana "films" toa ireny intsony (tsy ireny ihany fa na ny "violence" na ny "pornographie" na ny "érotique" sns)...

izao karazana fanakanana izao mihintsy no tena mitarika le olona misolafaka .

"fa ny tenin'Andriamanitra efa mampianatra ny mpino tsy hanana anjara na firaisana amin'izao tontolo.."izay le mahatonga ny olona tsy hijery ny eto an tany intsony fa mitandrema
30. fahamarinana ( 31/07/2008 11:05)
fijo:
izao karazana fanakanana izao mihintsy no tena mitarika le olona misolafaka

:arrow: Misy tokoa karazan'olona Mpino dia avy hatrany dia manakana izao sy izao...Fa misy koa tsy manao toy izay..:) Ny tena marina dia tsy mila fanakanana akory aza fa miova ho azy ilay olona rehefa resy lahatra tanteraka.Ny amiko manokana moa na mbola tsy Mpino aza dia efa tsy nijery ireny films rehetra lazainareo ireny ka tsy nisy fiovana tamiko .Mba te aheno temoignage-na Mpino iray resy lahatra dia tsy nijery ireny films sns...ireny ihany koa aho raha misy ato :) (l)
31. fijo ( 31/07/2008 20:44)
hay ndry koa "club"ary mahajanga iznay maro tsy mpino an.

fa tena marina fa tsy tokonyasian aizany fanakanana izany,fa manjary mitarika ny olona hijabaka
32. fahamarinana ( 01/08/2008 07:04)
:arrow: tsy azon'ny fijo,tsy hoe tsy mpino aho fa mpino kah fa ny tiako ambara hoe tsy nijery an'ireny akory dia tsy nisy fiatraikany spécial tamiko....na izany aza misy iraisako hevitra amin'ny fijo na tsy mitovy aza isika...za avy any toamasina fa tsy mahajanga kah....fa samy amoron-dranomasina daholo ihany ka tsa manahy :wink: (l)
33. bichette ( 01/08/2008 07:37)
=)) =)) =))
34. ikaretsaka ( 01/08/2008 17:14)
Misy tokoa karazan'olona Mpino dia avy hatrany dia manakana izao sy izao...Fa misy koa tsy manao toy izay.. Ny tena marina dia tsy mila fanakanana akory aza fa miova ho azy ilay olona rehefa resy lahatra tanteraka.

izay le manaiky anjambany fotsiny..ekeko ilay hoe miova ho azy ilay olona... fa tsy hoe satria izy zao dia izao tsy ataont intsony
35. fahamarinana ( 01/08/2008 20:59)
:arrow: ika : ka zay mihintsy ,tsy tokony hoe lasa Mpino dia manaiky anjambany na voatery hoe hanao izao sy izao satria izao no takiany aminy...Asa anefa ny hevitry ny sasany fa ny ahy manokana (satria moa zay no azoko lazaina eto ) dia tsy nanamboatra inona fa lasa tia kokoa oh hira fitoriana,nitondra fiadanan-tsaina oh sns...sns...na izany aza miheno hira hafa koa aho fa atao hoe nihena...ary tsy nisy namboarina fa tonga ho azy.Fa marina tanteraka ny lazainao hoe misy manaiky anjambany dia ireny ,hoy aho ,ilay manery ny hafa hitovy aminy satria izy tsy manao dia tsy tokony hanao ny hafa... (l)
36. fijo ( 01/08/2008 21:27)
hay toamasina,samy amorony e,hi hihi za vao mahita posy dia mahajanga izay ko.hay tokoa moa tamatavy koa be posy.

le mino amiko tsy ratsy,ary tsy itako izay hitsarana azy,ny tsy ekeko dia ny mino ny zavatra tsy hainy akory.
37. fahamarinana ( 02/08/2008 09:43)
:arrow: fijo :mitovy hevitra aminao aho ,betsaka no mino par redevance hany ka lasa manao forcing sns...dia mivaona ny tena finoana fa misy koa mino tanteraka satria mahita fahasoavana sy fiadanan-tsaina miaraka Aminy...Ny mino ny zvtr tsy hainy tokoa manahirana indrindra mbola hitory nefa ny eo aza tsy ampy.Marina zay voalazanao izay.
HS kely :ié any toamasina koa be posy kah,any aminay aza mbola tsara tarehy kokoa noho ny any mahajanga....:) (l)
38. ikaretsaka ( 02/08/2008 15:32)
ny ahy ny tsy voako de le hoe satria mino an'izao dia terena ho tsy hanao na tsy maintsy manao an zao
39. fahamarinana ( 03/08/2008 16:28)
:arrow: iny mbola laitrako ihany satria ny tenany manokana no voakasika fa rehefa tonga amin'ilay hoe ianao koa tokony zao sy zao raha tsy izany dia tsy izy no tena tsy tiako sy tsy tantiko.Efa nahazo ahy zany manko indray andro zay...,tamizany koa moa vao nanomboka tao amizany fiainam-pinoana zany ..na resaka fiasan'ny fanahy masina sns...aza tsa hay mazava hoe akory. (l)
40. prime ( 04/08/2008 14:38)
fijo:
izao karazana fanakanana izao mihintsy no tena mitarika le olona misolafaka .
... Iza no manakana? izaho sa ny tenin'Andriamanitra (mila avahanao kely eo...)

Hoy ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Kristy :
"Raha naman*'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman*'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo. [*Gr. avy amin']" Jaona 15:19
sy ny hoe :
"Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin']" Jaona 17:14

fijo:
izay le mahatonga ny olona tsy hijery ny eto an tany intsony fa mitandrema
... Tsy vongam-panahy velona akory ny mpino ary tsy masina toa an'Andriamanitra ka hoe tsy manota intsony... saingy noho izany indrindra, satria masina ilay miantso ny mpino, dia Andriamanitra ilay monina aminy mihitsy no mitoetra aminy ka na tsy eritreretin'ny sainy aza, ilay Fanahy Masina ao anatiny no tsy manaiky hiray amin'ny fahalotoana intsony...

ikaretsaka:
ny ahy ny tsy voako de le hoe satria mino an'izao dia terena ho tsy hanao na tsy maintsy manao an zao
... Ka io tsy misy manery na terena, fa Andriamanitra sy ny fitiavana ao amin'Andriamanitra mihitsy no mahatonga ny mpino hankahala ota sy heloka...

Fa hoy indrindra ny tenin'Andriamanitra :
"Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy." Isaia 59:2... ka mandainga amin'ny tenany no sady mandainga amin'Andriamanitra izay milaza fa tia an'Andriamantra, mino an'Andriamanitra, mankato an'Andriamanitra nefa mbola milona ao amin'ny ota...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1813