Manina ny any aminay

1. Bola ( 22/07/2008 01:58)
Inona no ataonareo rehefa malahelo ny any aminareo...
Sa tsy manao an izany nareo...
Za dia tena mbola matetika...faran ny taona 2002 aho no tsy nipetraka tany maharitra be intsony nefa ilay malahelo tsy mety afaka ... Te hody matetika mba tsy atao hoe lava. Efa nody fotoana fohy mihitsy nefa fa avy eo niverina ihany satria tsy nisy ho avy azo nianteherana tany...
Fantatro fa mila mijery ny positif fa androany koa za ohatra ny tena efa ambany ny moral... Ka za mihitsy ve no efa malahelo loatra sa mba misy toa ahy ihany any... :cry: :cry: :cry:
2. ainaheri ( 22/07/2008 02:56)
Refa lavi-tanindrazana tsy maintsy misedra an'zay ka....Mahatsiarotsiaro ireo kilalao fahiny sy zay natao fahazaza na t@ fahatanorana tany antanàna.......Ny ahy ny tena tsy tiako le andro manjombona mahalasan'embona iny,..........Ra misy zvtr azo amonoana azy oh;mandeha mivoaka mamorondia na milalao console,fadio ny mihaino hira malefaka @ iny fotoana iny fa miraraka izay tsy hiraraka

Asiko kely an'ity zany ee lol http://www.dailymotion.com/video/x26u5t_kaza-kivy-baba-sy-neny-kaiamba_music Aza kivy hono......
3. ni81 ( 22/07/2008 06:21)
Tena sahirankirana kely mihitsy raha toa ka mipetra-drery a! Zà t@ voalohany mba niara-nipetraka t@ coloc dia mba afaka teny ny andro. Indray mandeha aza dia samy nitantara t@ fotoana niaingana tany dago nankaty ivelany, dia nihevitra aho fa efa mafy (l) ka dia pinga ery... fa teo an-tenantenany dia kenda tsy nahaloa-peo intsony ary dia niraraka tsy nisy toy izany ny ranomasoko.
Ny mety mijere zavatra mba somary mampiomehy, ary marina ny tenin'i ainaheri hoe: aza mihaino hira malefaka...nefa ny anà rehefa malahelo aza dia ireny hiram-pivavahana malefaka ireny no tena tiako henoina.
4. NIKANTO ( 22/07/2008 08:20)

Amboarina koa ny saina hoe aty no anjara nalahantr'A/tra ho ahy aloha zao dia tony eny ihnay ilay alahelo.Rehefa tena manina dia miezaka miantso kely fa ny maheno ny feo andry zareo any dia efa mampitony fo e!. Dia aza mitsahatra mivavaka fa izay no mampahery aty an-tanin'olona aty!
5. Bola ( 22/07/2008 22:17)
- Le andro manjombona mampi deprime na iza na iza kosa angamba...Tsaroako fa tsy nisy masoandro 5 andro nisesy fa ny andro fahenina aho nifoha dia nigogogogo ... Tsy fantatro akory hoe fa maninona fa malahelo be fotsiny...
- Efa manana mozika sy hira special aho fihainoko isan andro na faly na malahelo na maninona dia ilay tonony mihitsy no manampy sy manampy ho positif fa marina ny anareo - mozika- melodie orchestrale ilay izy tsy tena malefaka nefa tsy mikorontana na be gadona be koa
- Ie...ilay irery aloha dia aoka fotsiny...
- Ny mivavaka marina dia hery lehibe
Marina daholo ireo...ny mahasosotra rehefa tena ilay tena ambany iny tsy misy tsaroana ireo fa negatif be fotsiny dia ny masaka ao an tsaina fotsiny dia ny hoe za te hody...Soa anefa fa mbola tonga saina ihany rehefa dila iny ilay phase za te hody iny...Dia mitohy indray mandrapiverina ilay izy ...

Fa hono aho rahoviana vao tsy misy an io sentiment io intsony sa misy foana foana na hafiriana na hafiriana nialana tany Mada...
6. ni81 ( 23/07/2008 05:51)
Fa hono aho rahoviana vao tsy misy an io sentiment io intsony sa misy foana foana na hafiriana na hafiriana nialana tany Mada...
Angamba toa misy foana io ho an'ny olona lehibe tany. Misy tsiaro kely ny fiainana fahazaza, ny fahatsiarovana sns...
7. ainaheri ( 24/07/2008 11:47)
Bola:
Fa hono aho rahoviana vao tsy misy an io sentiment io intsony sa misy foana foana na hafiriana na hafiriana nialana tany Mada...


Tsy maintsy tadidy fona izay nataonao tany raha oh ka efa lehibe tonga saina ianao niala tany,donc mipetraka fona ny santimaka sy ny tsiaro....mafy alou fa tsy maintsy mandalo an'zay ee
8. xxx ( 24/07/2008 15:34)
Raha alahelo moa nefa tsy afaka ny hody dia alahelo hamparary fo fotsiny.Ny ahy ndray ny fikako,mitety magasin,mamaky boky,manoratra,manao hoso-doko,mi-surf,miasa be,fa na malahelo be hila ho faty aza de vetivety dia hadino lay sentiment kely teo iny.Fa ny tsy taty refa lavitra lay mandray vaovao ratsy,indrindra moa ianao irery antanin\'olona na ivavaka maraina mandramparainy andro eo aza;tssss tena tsis fika.:lol::lol::lol:
9. ni81 ( 24/07/2008 15:39)
Tena marina mihitsy ny lazain'i xxx fa ilay mandre vaovao ratsy no tena mandreraka be fa ny sisa mba leoleo ihany.
10. fahamarinana ( 24/07/2008 16:22)
:arrow: ny ahy rehefa tanin-korana iny dia miakatra ny fofon-tany :ahatsiarovako ny any aminay fahiny e,rivo-dranomasina sisa tsy ampy!!!! (l)
11. Bola ( 25/07/2008 04:32)
zao zany le hoe il faut faire avec...
Tsy maninona ary fa zakaina zany...Nanantena aho fa rehefa mandeha ny fotoana lasa ilay izy na mihamahalana na ohatra izany...:? :{ 8-)

12. ainaheri ( 25/07/2008 10:57)
http://www.dailymotion.com/video/x4gpwi_hafatra_music

hafa iany ny hira talou eee
13. ratonga ( 25/07/2008 11:06)
mlay ny tanora zokiny é!! :lol:
14. ari.malala ( 25/07/2008 11:10)
:-D :-D :-D :-D tanora zokiny anga :-D :-D :-D :-D :-D
15. ratonga ( 25/07/2008 11:38)
:-D :-D :-D
16. Bola ( 25/07/2008 21:55)
ainaheri:

http://www.dailymotion.com/video/x4gpwi_hafatra_music
hafa iany ny hira talou eee

tsy arako zany ilay fifandraisana...lazao hoe raha marina a: satria manina ve dia mampitondra hafatra sa hoe rehefa manina dia mihaino hira gasy gasy...
Ilay hafatra miampita anie eo ho eo ihany...Mbola hafa ny mahita tava izany...
Sa ahoana...


17. ainaheri ( 27/07/2008 06:39)
Ny tiako atongavana zany Bola ,ny hira talou mahamanina doli aa lol,tsy lay tononkira akory ka :)
18. ni81 ( 27/07/2008 07:08)
Ny tiako atongavana zany Bola ,ny hira talou mahamanina doli aa lol,tsy lay tononkira akory ka
:snif:
19. naughtyboy ( 27/07/2008 12:12)
..toy ny aloka ngambany ny alahelo ka tsy afa misaraka @ olombelona nefa fifalina na tsy feno aza no fanafodiny ,oh. hira efa voalaza etsy ambony miantso na miresaka @ reny oul tsy foy sy namana reny ra azo atao de manao ze ahafalifaly ny saina ,ny fady de misotro toaka manao mamo fa vao maika mitombo ny aretina fa tsy afaka..ary aza adino mandrakariva fa mbola miandry anao ny tanana na ho ela na haingana ka ento mora fotsiny na mafy aza fa tsisy mafy tsy laitry ny zoto..
20. Bola ( 27/07/2008 12:36)
aina: hay ve ....mazava! Za mihaino ireny kaiamba ireny...tena tsara fa @ tsy fatao fihaino matetika fa tsy mety....
ni81:

Ny tiako atongavana zany Bola ,ny hira talou mahamanina doli aa lol,tsy lay tononkira akory ka
:snif:

Aoka izay zany Ni izany....(sa aoka izay zany Clarisse zany! :D :wink: )
Naughty: tsy misy mafy tsy laitry ny zoto tokoa manko! Fa toy ny aloka lazanao, soa fa miserana fa tsy maharitra ilay izy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5836