ny olon-tiako sa ny vadiko

1. hiti ( 21/07/2008 13:43)
narary fo ny reniko ary tsy tiany mihintsy ilay olona niaraka tamiko talohan'ny vadiko. Voatery aho mba tsy ahafaty azy tampoka nitady olon-kafa.Efa amanam-bady aho izao ary mahatsiaro ilay olon-tiako foana aho.Ampatsiahiviko fa efa nodimandry taty aoriana io reniko io.Efa manan-janaka roa anefa aho amin'ilay vadiko. Inona no azoko ataoko. Ny vadiko dia tena tia ahy fa izaho dia eo eo ihany tsy dia mifanaraka loatra izahay. Ilay olon-tiako mbola tsy nanam-bady izay tena mbola tia ahy koa. Misaotra mialoha
novalian'i einstein ny 30/07/2008 15:11
2. ari.malala ( 21/07/2008 13:52)
de anontaniako enao, ny zanakao sa enao?
3. hiti ( 21/07/2008 14:02)
mazava ho azy fa ny zanako kanefa dia tsy misy maminy mihintsy ny fifandraisanay mivady
4. Rasiligaoma ( 21/07/2008 14:04)
vady no resaka koa i ari koa!
io izany le hoe izy mivady no miady (misalasala izany eto e) dia ny ankizy no voaporiporitra ve? :°)
5. ari.malala ( 21/07/2008 14:25)
Rasil, eny e, ny vady no resahina fa tafiditra ao kou ny zanaka anie e!

hiti, milaza enao fa ny vadinao tia anao, d enao mits zany no malailay fonosana ko! moa v azonao antoka 100% fa ho sambatra ireo zanakao saraka ny rainy (na ny reniny)? azonao antoka 100% fa hirindra tsara ny tokantranonao sy ilay olontiana taloha? sao lahy k aho tratry ny " ny vao tsy manitra no ratsy fa refa tonta iray iany" e, zay vao hanenina! misy adage zay hoe "ne quitte pas celui qui t'aime pour celui qui te plait car celui qui te plait te quittera pour celui qu'il aima" d hoaiz enao refaveo? saino iany!
6. hiti ( 21/07/2008 14:39)
tsy malailay fonosana mitsy aho fa dia mba tsy fidiny ahy anie no nanambady azy eh :cry: araka ny voalazako teo aloha dia mbola tsy nanambady mitsy ilay olotiako fa miandry ahy, raha ny fitiavany ahy aloha dia tsy hisalasalako fa maro no porofon'izany saingy araka ny voalazanareo dia ny zanako no mampalahelo ahy
7. jefra ( 21/07/2008 15:19)
Soa koa anie hono ny manan-droa, ka maninona no hasarotina ny fiainana :lol:
8. karavasy ( 21/07/2008 15:33)
Rehefa efa nanambady sy niteraka dia avelao ho any ny iray na tsy hanambady mandrampahafatiny aza izy. Aiza koa no hisy hiandry vadin'olona hisaraka izany ? Ny lasa efa lasa ary tsy film ny fiainana kanefa anao ihany io moa.
Ny mampiomehy dia manontany hevitra ianao ary nomen'i Arimalala hevitra tsarabe nefa mitady lalana hafa koa inona intsony no anontaniana fa ataovy izay mahadiavolana anao.
Ny soa ny manandroa kosa aloha dia resaka demony tsotra izao. Sady ao antrano no hitsaingoka ambadika. Afobe zany fa aza miditra.
9. ainaheri ( 21/07/2008 15:34)
Efa nanaiky ny tenin'ny reninao,ary nentiny maty ilay izy(izay fifanekenareo zay) Amiko raha ny fahafantarako azy,diso ianao,maninona no niteraka t@ ilay vadinao raha fantatrao fa tsy ho tinao izy?? Tsy vahaolana izany amiko,aza tia tena ,refa nekenao iny ary niterahanao,dia ekeo,jereo ny zanakao,tsy oe akory mijangajanga ilay vadinao sanatria ,dia ekeko ilay hevitrao,fa refa sendra ny oul manaja vady tompoko ,dia isaory ny avo.....Torohevitro mba hanadinohanao ilay olon-tinao dia asaivo manam-bady izy,@ zay samy manana ny sahaniny nareo,ary eo kou ho tsapany izany hamamin'ny tokantrano,fa tsy we atao kilalao na tsobo-drano miangaly izy ty ka handramako ny atsy d ho tsiriritiko ny arY!!
10. kalasnou ( 21/07/2008 15:41)
jefra:

Soa koa anie hono ny manan-droa, ka maninona no hasarotina ny fiainana :lol:



Hafa ihany ny ahatagny an-tanànana :^) :-D =))
11. mbaliana ( 21/07/2008 15:45)
tokony tsy nanambady mihitsy ianao izany amin'izanydia tsy nampijaly an'iza n'iza ...marina fa reninao izy saingy tokony ho nampafantarinao fa tsy ny tian'ny reninao no ho vadina fa ny tianao .. efa vita moa fa dia tohizo ny lalanao.. aza mampijaly olona fa efa nisafidy ianao .. hijaly daholo na ny fofombady taloha na ny vady ankehitriny na ny zanaka...
12. fahamarinana ( 21/07/2008 15:45)
ari:
ne quitte pas celui qui t'aime pour celui qui te plait car celui qui te plait te quittera pour celui qu'il aima

:arrow: mba tiako koa ity lazaindry ity,tena hitako mitombina tokoa...
jefra:
Ny soa ny manandroa kosa aloha dia resaka demony tsotra izao. Sady ao antrano no hitsaingoka ambadika. Afobe zany fa aza miditra.

:arrow: samy manana ny fiainany moa fa mbola asa be koa anie zany e,iray aza io efa mahavaky loaha azy koa 2 tsy vao maika koa loza ?
Za koa aloha dia milaza fa mampalahelo kosa ny nanjo ilay nalaina vady sy ireo zanaka e,dia hitako koa fa tsy dia mety koa ny ataon'ilay miandry anao lava eo nefa ianao efa hitany fa nanambady...Ianao angaha aloha mbola tanora be sa efa matotra no nanambady ??? Mahalasa saina ihany... :( (l)
13. lazounet ( 21/07/2008 15:45)
kalasnou:




Hafa ihany ny ahatagny an-tanànana
:^) :-D =))



( azafady aho io manoratra io fa tsa nohidian'ikalasnou ny session-ny :^) )
14. xxx ( 21/07/2008 15:54)
Ataoko fa anjaranao ihany ry hiti no mandray ny fanampahan-kevitra. Aza miheno ny vavan'ny sasany hoe raha mifidy ny olona tianao enao dia ho diso. Ataoko mantsy fa fitiavana no lehibe indrindra eto amin'ny fiainana. Ny olona tsy mahita ny tiany ary efa mampalahelo koa izay mahita indray ve no omena tsiny satria ve efa niteraka dia votery hiafy sy handainga eo mandra-pafaty. Olombelona mitovy amin'ny rehetra enao ka tokony hiaina ny bonheur-ko fa tsy ho fijaliana fotsiny ny fiainanao.
15. mbaliana ( 21/07/2008 16:14)
ny bonheur ve dia tena fiarahanao amin'iny olona iray iny.... hozy ny fitenenana aty amin'ity toerana ipetrahako ity hoe ny fiononana no fahasambarana... tsy ny tiana rehetra no tsy maintsy ho vadiana koa... fa ny fanekena ny zavamisy no ahitanao ny fiadanampo koa... ianao ihany no manorina tsikelikely ny fahasambarana ho anao ...
16. sebast ( 21/07/2008 17:40)
Lakalaka ihany ilay fiainana hiti a,tsy afaka nanam-bady ny olon-tianao ianao noho ny fitiavanao ny reninao,voatery nanam-bady io vadinao io ianao noho ny fitiavanao ny reninao ihany koa,mazava ho azy fa ny zaza nanaraka ho azy teo koa.Raha azoko tsara izany efa nifampiraharaha sy nisy fampiandrasana na fifanomezantoky taminao sy ilay olon-tianao nandritra izay fotoana izay.Be ihany ny fatotra mahazo anao hiti,tsy maninona nefa fa fiainana daholo ihany.Ny dingana voalohany amin\'ny irianao izany hoe ny hanam-bady ny olon-tianao anie izany efa nataonao satria miandry anao fotsiny izy sisa izao.Fa mampiahy sy mampanontany tena kely ihany fa matanjaka ilay olon-tianao nahandry hatramin\'izay,ny fitiavana moa saro-kazavaina.Tiako be ny fanadiadian\'i ari.malala fa ny olan\'io manala ny fahasahian\'i hiti mety hananany,ary hiti nefa amin\'izao fotoana izao tonga amin\'ilay fotoana te ho \"afaka\" mifidy amin\'ny fiainany:te-handroso,te-hiova.Sarotra be ari.malala ny mahita firindràna na fahazoana antoka 100% ny fahasambarana indrindra ho an\'ny ankizy raha ohatra ka any ivelany foana ny sain\'ny ray na ny reny,(indrindra ny reny:miala tsiny).Tiako koa ny fijerin\'i ra jefra fa ny olana koa ilay olon-tian\'hiti tsy haharitr\'ela amin\'ny toerana misy azy satria misy fitiavan-tena ben\'i hiti tsy ho zakany,tsy haharitra ela ilay situation dia ho simba ho azy ilay fitiavana.Voadona eo hiti.Raha tsy hoe tena henjana be hiti sy ilay olon-tiany..Ny ankizy nefa anie ry ari.malala raha milamina tsara ny reniny (na ny rainy)amin\'ilay situation vaovao mey hety ihany e,io miankina amin\'i hiti na ny vadiny.Io ry hiti tsapa fa mba te ho sambatra sy te-ho afa-patotra ianao ary droit-nao izany,dia ataovy izay mahafinaritra anao fa mitandrema...Saino tsara ny mety ho fiainanao sy ny olon-tianao miaraka amin\'ny zanakao satria tsy maintsy mijery ny zava-kafa ankoatr\'ilay fitiavana,ohatra ny trano,ny fiianarana sy ny sisa...stria izany no vokatry ny fiovàna tadiavinao.Aza dia miankina be loatra amin\'ny hafa ankoatry ny fitiavana fa raha vitanao izay dia hilamina.Mazotoa,hehehe......
17. ni81 ( 21/07/2008 18:11)
1°- Tsy nanambady ilay olon-tianao ianao ry hiti fa tsy tian'i reninao izy ka nanambady olona hafa ianao. Naka olon-kafa ianao ary navelanao harary fo teo ilay olona voalohany.
2°- Amin'izao fotoana izao indray ianao dia te hisaraka @ vady aman-janakao fa hiverina @ olona tianao taloha io satria tsy mbola manambady izy.

Ho lasa 3 indray izany izao ny olona harary fo.
:roll:
18. xxx ( 21/07/2008 22:15)
ilay fitiavana koa anie ry hiti : rehefa tsy eo ampelatànana dia ohatran'ny mahafinaritra foana !!! matoa ianao nahavita nanambady ihany + zaza roa dia angamba misy fitiavana ihany ao fa miandry fohapohazina fotsiny !!! mahafinaritra koa anie ilay mahita fitiavana vaovao amin'ny vadinao izay mety hoe tsy dia tianao tamboalohany e ! mba andramo ihany aloha izay !!! misy fitenin'olona indray hoe "ny tiana tsy vadiana fa ny vady tiana foana" : matetika aloha ilay manandroa no miteny izany fa izaho matoky fa raha manandrana mijery ny vadinao amin'ny fo vaovao ianao dia hahita ny décision tokony horaisinao !

19. xxx ( 21/07/2008 23:46)
hiti:

narary fo ny reniko ary tsy tiany mihintsy ilay olona niaraka tamiko talohan'ny vadiko. Voatery aho mba tsy ahafaty azy tampoka nitady olon-kafa.Efa amanam-bady aho izao ary mahatsiaro ilay olon-tiako foana aho.Ampatsiahiviko fa efa nodimandry taty aoriana io reniko io.Efa manan-janaka roa anefa aho amin'ilay vadiko. Inona no azoko ataoko. Ny vadiko dia tena tia ahy fa izaho dia eo eo ihany tsy dia mifanaraka loatra izahay. Ilay olon-tiako mbola tsy nanam-bady izay tena mbola tia ahy koa. Misaotra mialoha

efa nandalovako io blema nao io roa taona lasa izay. tiako tokoa ilay voalohampitiavako ary mbola tia ahy h@ izao, saingy hafa ny vadiko izay tena mifanaraka amiko tsara.
izao anefa: tsy misy tahaka ny vady ihany rehefa nataoko ny konty rehetra.
aza mifanerasera aminy intsony fa izay no mahatonga anao mbola ho roboka. rehefa tsy mifanerasera aminy intsony ianao dia ho sitrana ho azy ary tsy hanimba ny tokotranonao sy ny ho avin ny zanakao.
indraindray aho mihevitra ny mbola hiantso ilay voalohampitiavako saingy hoy aho hoe: hiantso azy de haninona??? dia tsy maka telefonina aho.


20. ari.malala ( 22/07/2008 05:54)
hiti:
tsy malailay fonosana mitsy aho fa dia mba tsy fidiny ahy anie no nanambady azy eh
azafady aloha ry hiti fa somary hasiaka kely ity fahitako ity, fa nandainga zany enao tam nanao voady nanambady an'io vadinao io :-( d mampalaelo na enao na izy... nandainga tam tenanao sy taminy fa indrindra tamin'Andriamanitra enao satria nilaza fa ts noterena hanambady azy nefa enao milaza fa ts fidiny anao ny nanambady azy :-( dommage! d raha isarahanao izy fa hanambady ilay taloha ianao d lasa roue de secour ftsn zany ilay vadinao, lasa vato atsindry nahazana sy tahom-boanjo d atsipy refa vita izay ilàna azy!

ainaheri:
Amiko raha ny fahafantarako azy,diso ianao,maninona no niteraka t@ ilay vadinao raha fantatrao fa tsy ho tinao izy?? Tsy vahaolana izany amiko,aza tia tena ,refa nekenao iny ary niterahanao,dia ekeo,jereo ny zanakao,tsy oe akory mijangajanga ilay vadinao sanatria ,dia ekeko ilay hevitrao,fa refa sendra ny oul manaja vady tompoko ,dia isaory ny avo.


io nataoko bold io mitns no tena tiako notsindriana ry hiti! mety efa tsapan'ilay vadinao angamba ny fangatsiaham-ponao fa mbola miala nenina izy noho ireo zanakareo, ka raha izaho ianao dieny izao mbola mafana tsra ny fony amin'ny fitiavana anao dia miovà! tsy mbola taraiky akory ianao!

xxx 17:
ilay fitiavana koa anie ry hiti : rehefa tsy eo ampelatànana dia ohatran'ny mahafinaritra foana !!! matoa ianao nahavita nanambady ihany + zaza roa dia angamba misy fitiavana ihany ao fa miandry fohapohazina fotsiny !!! mahafinaritra koa anie ilay mahita fitiavana vaovao amin'ny vadinao izay mety hoe tsy dia tianao tamboalohany e ! mba andramo ihany aloha izay !!! misy fitenin'olona indray hoe "ny tiana tsy vadiana fa ny vady tiana foana" : matetika aloha ilay manandroa no miteny izany fa izaho matoky fa raha manandrana mijery ny vadinao amin'ny fo vaovao ianao dia hahita ny décision tokony horaisinao !


iombonako hevitra 100%! io ilay hoe ny dobo tsy hita no mahamanina fa rehefa hita miloa-potaka e!

sebast:
Ny ankizy nefa anie ry ari.malala raha milamina tsara ny reniny (na ny rainy)amin'ilay situation vaovao mey hety ihany e
eny raha milamina tsara ka miaraka dia milamina ny ankizy, fa mba hafa iany izany hoe anilan'ny ray sy reny niteraka izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0715