ny olon-tiako sa ny vadiko
21. hiti
(
22/07/2008 06:11)
Misaotra @ valin-teninareo rehetra fa dia misy ho eritreretiko tokoa
Marihiko fa izaho no renin-jaza ary 27 taona aho.
Fa ny mba angatahiko aminareo dia ity : ilay olon-tiako talohan'ny vadiko anie ka iray fiangonana aminay , izay fiangonan'ny vadiko ihany koa ka izany angamba no antony tsy mety hanadinoako azy eh. Mifankahita foana izahay isaky ny mandeha mivavaka. Ka mba toroy hevitra aho hanadinoako azy satria ny mampirafy aloha dia tsy fomba fijeriko mihihitsy.Ny zanako rahateo mampalahelo ahy nefa ny situation misy ahy tsy mora hanadinoako azy.

22. ari.malala
(
22/07/2008 06:49)
raha vitanao ny miresaka aminy manome tso-drano azy hahita izay mahasoa azy d tena tsara izany!
23. volana1
(
22/07/2008 06:53)
hiti : izao an, ianao no manao ny fiainanao fa tsy ny olona, mila décision ianao, izay tianao atao, fa na handroso ianao na hihemotra dia tsy maintsy hisy ny problème, mi-assume anie zany ianao zao e ! Hisaraka ianao fa hanambady an'ilay olon-tianao, moa ve ahazaka ny zanakao izy, sa amin'ny voalohany fotsiny ? dia rehefa avy eo hanilikilika, satria tsarovy fa adidinao ireo ary tsy ahafoy an'ireo ianao na tsy dia tianao aza ny reniny, minoa ahy ianao fa amin'ny voalohany fotsiny i tinao no ahazaka, fantatro tsara ny olombelona; Tsy hisaraka ianao, minoa ahy fa ny fitiavana naie mitombo araka ny itaizanao azy e ! ny olana fotsiny dai tsy mahay manamboatra saina ianao.
Ka ianao ihany io, efa niteraka ianao, na tianao na tsy tianao dia hisy problème foana ny décision ho raisinao.
Tsarovy fa ny fitiavana azo ambolena tsara, ezaho ho tianao ny vadinao.

24. ainaheri
(
22/07/2008 08:29)
Tsotra kely re zany ee,azonao hadinoina izy raha sahinao miatrika sy miteny azy @ fo madio oe;"aza miandry ahy ianao f'efa manambady aman-janaka aho,tsy ahasoa ahy na anao ny fisarahako amin'izy ireo,ka tsara² aminao mitady olon-kafa,tsy anjarantsika ny hiaraka" Raha todinao aminy ireo teny ireo ataoko tsy hisy ny olana,mahereza .......
25. ari.malala
(
22/07/2008 08:49)
ainacheri, HS kely ftsn otran mitovy hevitra izany fona kou tsika an hihihi
26. mirianah
(
22/07/2008 09:29)
ainaheri:
Tsotra kely re zany ee,azonao hadinoina izy raha sahinao miatrika sy miteny azy @ fo madio oe;"aza miandry ahy ianao f'efa manambady aman-janaka aho,tsy ahasoa ahy na anao ny fisarahako amin'izy ireo,ka tsara² aminao mitady olon-kafa,tsy anjarantsika ny hiaraka" Raha todinao aminy ireo teny ireo ataoko tsy hisy ny olana,mahereza .......
hihihi mora ve ny miteny anizany ??? mba eritrereto kely oe ....raha vao misy resaka fitiavana madio sarotra ny miteny anizany ary tsy maintsy misy maratra foana !!!
27. ni81
(
22/07/2008 10:14)
Misaotra @ valin-teninareo rehetra fa dia misy ho eritreretiko tokoaKa maninona raha mifindra fiangonana? Toa midoboka foana ny fonao mantsy isaky ny mahita azy satria tsy niady ianareo fa nohon'ny fihainoanao ny reninao.
Marihiko fa izaho no renin-jaza ary 27 taona aho.
Fa ny mba angatahiko aminareo dia ity : ilay olon-tiako talohan'ny vadiko anie ka iray fiangonana aminay , izay fiangonan'ny vadiko ihany koa ka izany angamba no antony tsy mety hanadinoako azy eh. Mifankahita foana izahay isaky ny mandeha mivavaka. Ka mba toroy hevitra aho hanadinoako azy satria ny mampirafy aloha dia tsy fomba fijeriko mihihitsy.Ny zanako rahateo mampalahelo ahy nefa ny situation misy ahy tsy mora hanadinoako azy.
28. ari.malala
(
22/07/2008 12:11)
mirianah, eny faran'izay tsotra! angonina ny hery iray manontolo ao anaty d atonina le raika d tenenina d zay :)
29. ainaheri
(
22/07/2008 15:18)
mirianah:
hihihi mora ve ny miteny anizany ??? mba eritrereto kely oe ....raha vao misy resaka fitiavana madio sarotra ny miteny anizany ary tsy maintsy misy maratra foana !!!
Amiko alou aleoko miteny an'izany,toa izay harary fo lava isan'andro vaky sy hanimba ny tokantrano mba hiarahana @ oul tsy hay akory izay hiafarany ee
30. pissoa
(
22/07/2008 16:27)
hiti:
narary fo ny reniko ary tsy tiany mihintsy ilay olona niaraka tamiko talohan'ny vadiko. Voatery aho mba tsy ahafaty azy tampoka nitady olon-kafa.Efa amanam-bady aho izao ary mahatsiaro ilay olon-tiako foana aho.Ampatsiahiviko fa efa nodimandry taty aoriana io reniko io.Efa manan-janaka roa anefa aho amin'ilay vadiko. Inona no azoko ataoko. Ny vadiko dia tena tia ahy fa izaho dia eo eo ihany tsy dia mifanaraka loatra izahay. Ilay olon-tiako mbola tsy nanam-bady izay tena mbola tia ahy koa. Misaotra mialoha
- Narary fo ny reninao dia voatery nanambady olona hafa ianao.
- Amin'izao ianao mararirary fo ... dia maminavina hoe raha mandeha miaraka amin'ny olona hafa indray.
- Sao dia hisy olona mararirary fo aorianao ka tsy ho hitanao izay ato.
:-D :-D :-D :-D :-D
31. mirianah
(
22/07/2008 16:43)
ainaheri:
mirianah:
hihihi mora ve ny miteny anizany ??? mba eritrereto kely oe ....raha vao misy resaka fitiavana madio sarotra ny miteny anizany ary tsy maintsy misy maratra foana !!!
Amiko alou aleoko miteny an'izany,toa izay harary fo lava isan'andro vaky sy hanimba ny tokantrano mba hiarahana @ oul tsy hay akory izay hiafarany ee
ekeko zany fa mora ve oa ny miteny anizany ??? ataoko fa sarotra iany satria samy manana ny toetrany ny tsirairay , mora amintsika eto ny miteny satri isika tsy misy eo am toerany , raha tena nandia izany zvt nitranga taminy zany , ataoko fa ho sarotra mintsy na dia tsy maintsy hatao aza mba tsy hisiny ny fanantenana sy ny fandaniana andro ...
32. xxx
(
22/07/2008 19:23)
ity misy hevitra iray, otran'ilay ao amin'ny moov resahina atsy ambadika, manaova "sex friend" :-D
33. fijo
(
22/07/2008 21:33)
sarotra marin aizany resak aizany.ny fo anie rehefa manery ka sarotra fefena e;
34. ari.malala
(
23/07/2008 06:04)
mirianah, za aky efa tratra fa tena vitako a. Tsy tena toy io anazy io ny nitranga tamiko, fa ny tsy maintsy nataoko d ny niaffronter ilay olona sy niteny anazy.Marary be ny fo am voalohany fa rehefa ela ny ela sitrana iany
35. ainaheri
(
23/07/2008 06:11)
D zay tsy sahy miteny ary,indramo za hiteny azy fa tongako tsara :lol: :roll:
Io zany arakaraky ny fahasahinao sy ny finiavanao ihany ee,marina oe samy manana ny fomba fisainany sy ny fiheviny ny tsi11,fa refa kosa oe ao aminao ilay finiavana mba hanananao ny soa tafa fona io

36. mirianah
(
23/07/2008 07:00)
[quote=ainaheri]
D zay tsy sahy miteny ary,indramo za hiteny azy fa tongako tsara :lol: :roll:
ountsssssssssssssssssssss !!!!
:-P

37. mirianah
(
23/07/2008 07:09)
ari.malala:
mirianah, za aky efa tratra fa tena vitako a. Tsy tena toy io anazy io ny nitranga tamiko, fa ny tsy maintsy nataoko d ny niaffronter ilay olona sy niteny anazy.Marary be ny fo am voalohany fa rehefa ela ny ela sitrana iany
eny e!!! refa tokony hatao marina ve tsy ho vita foana akia fa tena tsy sahiko sainina akoury ilay fo mararirary avy eo an !!! :oops: :oops:
humm ity resak fitivana ty dia tena manahirana mintsy ka, mampatahotsa anah mintsiny , hihihihi
38. ari.malala
(
23/07/2008 14:18)
k io nge ky ry mirianah ze decision raisina eo misy vokany foana e, ko tsy aleo marary in 1 toy izay isak'izay mifankahita marary iany! atao aza hoe sanatria nisarahany ilay rainjanany d niaraka tammle olon-tiany izy, d marary fo kou le ranga, marary fo ny ankizy mifankahita am dadany, d aona moa izany no ataony indray?
39. fijo
(
24/07/2008 21:05)
mirianah an,sady aza milaza kambony fa alao hisy rezerva foana sao any aoriana any mba hummm