Vavak'ilay Mpangalabadinolona
1. nyeja
(
17/07/2008 09:29)
Andriamanitra ô ,
Fantatry ny saiko,
kanefa dia antenaiko
Satria ny foko dia hitolona
Amin’ ilay olon-tiako ...izay efa vadin’olona .
Fantatry ny saiko
Ary efa diso haiko
‘reo zanany efa maro,
Fa ny ahy iniana atao, ....manaiky aho ny hifangaro.
Ka indro aho manontany
Hadisoako moa izany ?
Ny fiangaviako am-bavaka
Hitalahoako sy iriko
Dia .....dia aza avelanao hisaraka
Fa izy ihany ange no tiako !
.......................................
Omeo ahy re ny fony
Tena omeo ahy tanteraka
Dia aoka koa hohadinoiny
Fa izy anie efa niteraka !.
Ataovy lavitra ny sainy
Irony voadin’ny mariaziny
Fa ny olon-tokana holalainy:
“izaho, ... izaho hatrany no hotiaviny .
Izay no vavaka asandratro
Iangaviako anao fatratra
Dia hanao voady aho isan’andro
Ka mba omeo ilay valim-bavaka !.
17 Jolay 2008 10 ora atoandro
NY EJA
Fantatry ny saiko,
kanefa dia antenaiko
Satria ny foko dia hitolona
Amin’ ilay olon-tiako ...izay efa vadin’olona .
Fantatry ny saiko
Ary efa diso haiko
‘reo zanany efa maro,
Fa ny ahy iniana atao, ....manaiky aho ny hifangaro.
Ka indro aho manontany
Hadisoako moa izany ?
Ny fiangaviako am-bavaka
Hitalahoako sy iriko
Dia .....dia aza avelanao hisaraka
Fa izy ihany ange no tiako !
.......................................
Omeo ahy re ny fony
Tena omeo ahy tanteraka
Dia aoka koa hohadinoiny
Fa izy anie efa niteraka !.
Ataovy lavitra ny sainy
Irony voadin’ny mariaziny
Fa ny olon-tokana holalainy:
“izaho, ... izaho hatrany no hotiaviny .
Izay no vavaka asandratro
Iangaviako anao fatratra
Dia hanao voady aho isan’andro
Ka mba omeo ilay valim-bavaka !.
17 Jolay 2008 10 ora atoandro
NY EJA
répondu par xxx le 23/07/2008 18:24
3. Noue
(
17/07/2008 10:41)
omeo azy ny didy folo
mba hisainany
na hivavaka im-polo
sy ny fitarainany
hita fa nanao fahadisoana
famelana no tokony angatahiny
mba tsy hamerina intsony
ka ny ho avy no hanarina
(mba vavaka koa zany an ! sady efa mpangala-badin'olona mbola sahy maniratsira an'Andriamanitra ihany !)
mety tsy vavaka ho an'Andriamanitra angamba io !
fibebahana sy famelana ny hadisoana natao no tokony atao ..nefa .....
mba hisainany
na hivavaka im-polo
sy ny fitarainany
hita fa nanao fahadisoana
famelana no tokony angatahiny
mba tsy hamerina intsony
ka ny ho avy no hanarina
(mba vavaka koa zany an ! sady efa mpangala-badin'olona mbola sahy maniratsira an'Andriamanitra ihany !)
mety tsy vavaka ho an'Andriamanitra angamba io !
fibebahana sy famelana ny hadisoana natao no tokony atao ..nefa .....
4. ari.malala
(
17/07/2008 11:36)
Mba loza koa izany raha vavaka marina! D ts mba maharary anao v ny miheritreritra ireo zanany, ilay vevavy vadiny???
5. ni81
(
17/07/2008 11:52)
Mba loza koa izany raha vavaka marina! D ts mba maharary anao v ny miheritreritra ireo zanany, ilay vevavy vadiny???Asa akia! Na ho azony aza io toerana io dia toy ny trano miorina eo ambony fasika ihany.
8. lazounet
(
17/07/2008 13:35)
Izay natambatry ny Tompo,
Tsy hisy tasy, tsy ho voaloto,
Mba tsinjovy izay finidiny,
Izay efa rava aza tsy fidiny.
Hita fa fitiavan-tena,
no mameno ny fonao,
Koa aza manantena,
Fa ny Tompo tsy homba anao
Koa mibebaha dieny izao
Sao dia tara ka hanenenana,
F'ilay vadin'olona tianao,
efa manan-"tompon-toerana."
17 jolay @ 15 ora 35 tolak'andro ato am-piasana.
:-*
Tsy hisy tasy, tsy ho voaloto,
Mba tsinjovy izay finidiny,
Izay efa rava aza tsy fidiny.
Hita fa fitiavan-tena,
no mameno ny fonao,
Koa aza manantena,
Fa ny Tompo tsy homba anao
Koa mibebaha dieny izao
Sao dia tara ka hanenenana,
F'ilay vadin'olona tianao,
efa manan-"tompon-toerana."
17 jolay @ 15 ora 35 tolak'andro ato am-piasana.
:-*
11. ni81
(
17/07/2008 16:16)
Izay natambatry ny Tompo,misaotra e! :)
Tsy hisy tasy, tsy ho voaloto,
Mba tsinjovy izay finidiny,
Izay efa rava aza tsy fidiny.
Hita fa fitiavan-tena,
no mameno ny fonao,
Koa aza manantena,
Fa ny Tompo tsy homba anao
Koa mibebaha dieny izao
Sao dia tara ka hanenenana,
F'ilay vadin'olona tianao,
efa manan-"tompon-toerana."
12. marindra
(
17/07/2008 16:34)
nyeja [ Valio ] 17-07-2008 11:29:50
Lohateny : Vavak'ilay Mpangalabadinolona
Andriamanitra ô ,
Fantatry ny saiko,
kanefa dia antenaiko
Satria ny foko dia hitolona
Amin’ ilay olon-tiako ...izay efa vadin’olona .
Fantatry ny saiko
Ary efa diso haiko
‘reo zanany efa maro,
Fa ny ahy iniana atao, ....manaiky aho ny hifangaro.
Ka indro aho manontany
Hadisoako moa izany ?
Ny fiangaviako am-bavaka
Hitalahoako sy iriko
Dia .....dia aza avelanao hisaraka
Fa izy ihany ange no tiako !
.......................................
Omeo ahy re ny fony
Tena omeo ahy tanteraka
Dia aoka koa hohadinoiny
Fa izy anie efa niteraka !.
Ataovy lavitra ny sainy
Irony voadin’ny mariaziny
Fa ny olon-tokana holalainy:
“izaho, ... izaho hatrany no hotiaviny .
Izay no vavaka asandratro
Iangaviako anao fatratra
Dia hanao voady aho isan’andro
Ka mba omeo ilay valim-bavaka !.
17 Jolay 2008 10 ora atoandro
NY EJA
very interesting :)
13. rfsn
(
17/07/2008 17:51)
Ratsy be ilay hoe mpangala-badin'olona, fa aleo mba ovana hoe nangala-badin'olona.
14. marindra
(
17/07/2008 17:55)
rfsn
hisarihana ny mpamaky io mba ahona zany vavaky ny mpangalambadin'oul, we tonga de ratsy avy hatrany ve ny fomba hijerena azy sa in ny zavatra tian'le mpangalambadin'oul hampitaina sy aseho :)
hisarihana ny mpamaky io mba ahona zany vavaky ny mpangalambadin'oul, we tonga de ratsy avy hatrany ve ny fomba hijerena azy sa in ny zavatra tian'le mpangalambadin'oul hampitaina sy aseho :)
15. ni81
(
17/07/2008 18:02)
Tena mahalasa saina fa nahoana loatra lahy
No hiantsampy tranon-kala, mba tena sahisahy
Hita izao f’efa tsy mety, ka ivavahana hatrany
Aza be fitiavan-tena, sao afobe no hiafarany.
Mba jereo sy diniho, ny ranomaso izay hijohy
Raha izaho no toa anao, aleoko dia mamoy
Fa ny fitiavanao miorina eo ambony fasika
Na ela io na haingana, tsy maintsy hitsikasina
17/07/08 à 20:02
No hiantsampy tranon-kala, mba tena sahisahy
Hita izao f’efa tsy mety, ka ivavahana hatrany
Aza be fitiavan-tena, sao afobe no hiafarany.
Mba jereo sy diniho, ny ranomaso izay hijohy
Raha izaho no toa anao, aleoko dia mamoy
Fa ny fitiavanao miorina eo ambony fasika
Na ela io na haingana, tsy maintsy hitsikasina
17/07/08 à 20:02
16. diamondra27
(
17/07/2008 18:42)
lazounet:
Izay natambatry ny Tompo,
Tsy hisy tasy, tsy ho voaloto,
Mba tsinjovy izay finidiny,
Izay efa rava aza tsy fidiny.
Hita fa fitiavan-tena,
no mameno ny fonao,
Koa aza manantena,
Fa ny Tompo tsy homba anao
Koa mibebaha dieny izao
Sao dia tara ka hanenenana,
F'ilay vadin'olona tianao,
efa manan-"tompon-toerana."
17 jolay @ 15 ora 35 tolak'andro ato am-piasana.
:-*
-----------------
waow zany ka tononkalo
merci e mankasitraka
18. yonikafopl
(
17/07/2008 19:38)
merci ny eja, mahaliana tokoa, ary tsapa eo fa rehefa tena tia na inona na inona dia atao izay hahazoana azy...., :)
19. badboy
(
17/07/2008 21:54)
Ny vady no maditra,
Ka ny tompo no iantsoana tody,
Efa lany manja matoa voafitra,
Izy koa efa leo akama zary atody.
Ianao no tsy mahay mitana,
Ka ny hafa no homena tsiny,
Ianao no nihanahana,
Ka ilay hafa ndray ve no hiala tsiny?
Matoa ilay akama niodina,
Dia satria izy tofoka anao,
Ilay peratra nivadika poizina,
Lasa tranomaiziny, nakalao.
17/07/2008 23:44
Ka ny tompo no iantsoana tody,
Efa lany manja matoa voafitra,
Izy koa efa leo akama zary atody.
Ianao no tsy mahay mitana,
Ka ny hafa no homena tsiny,
Ianao no nihanahana,
Ka ilay hafa ndray ve no hiala tsiny?
Matoa ilay akama niodina,
Dia satria izy tofoka anao,
Ilay peratra nivadika poizina,
Lasa tranomaiziny, nakalao.
17/07/2008 23:44
