Vavak'ilay Mpangalabadinolona

41. naritsimba ( 21/07/2008 13:53)
Miarahaba indray eh!
1-Ny hita aloha dia vehivavy ilay nanoratra noho izany vehivavy ilay nangala-badin'olona.
2-Raha toa moa ka efa raiki-pitia ilay olona vao fantany hoe efa manambady ilay notiaviny dia ahoana? mety ho moramora amintsika ny miteny hoe nangalatra izy, fa saingy mety koa izy tsy nahalala ny marina na koa hoe voafitaka.
3-Matoa ilay lehilahy naka vehivavy hafa, dia tao raha, amintsika mantsy dia manome tsiny avy hatrany, fantaro aloha hoe inona no antony nahatonga ilay olona hanao izany raha efa manambady izy, na io lehilahy na io vehivavy.
4-Ny manome tsiny avy hatrany dia tsy mety, ary matoa izy mivavaka mety fantany ny zava-misy.
5-Fa ity kosa tsy eken'ny saiko na dia hoe samy fitiavana aza:
Omeo ahy re ny fony
Tena omeo ahy tanteraka
Dia aoka koa hohadinoiny
Fa izy anie efa niteraka !.

izaho indray na hisaraka im-polo ka hanambady im-polo ny zanako tsy hatakaloko na iza na iza. Raha olona hanao izay tsy hitiavany ny zanany dia tsy ho reny na ray izany fa olona tsy azo antoka.
Ho an'ny tsirairay io fa samia mandinika!
42. ari.malala ( 21/07/2008 14:15)
natsitsimba:
2-Raha toa moa ka efa raiki-pitia ilay olona vao fantany hoe efa manambady ilay notiaviny dia ahoana? mety ho moramora amintsika ny miteny hoe nangalatra izy, fa saingy mety koa izy tsy nahalala ny marina na koa hoe voafitaka.
fa na raiki-pitia toy ny inona aza ve rehefa mba fantatrao kosa fa efa manana ny vadiny sy ny zanany izay adidiny voalohany ilay olona inona no mbola tokony hitampikiranao aminy eo fa ts miala enao!! noh izany naman'ny mangalatra iany izy amiko na atao aza hoe efa tao vao nahalala.

naritsimba:
3-Matoa ilay lehilahy naka vehivavy hafa, dia tao raha, amintsika mantsy dia manome tsiny avy hatrany, fantaro aloha hoe inona no antony nahatonga ilay olona hanao izany raha efa manambady izy, na io lehilahy na io vehivavy.

Raha ohatra anie hoe efa nisaraka efa tsy misy ifandraisany intsony ry zareo d hafa e! fa ity d tena mbola ao anaty tokantrano izany ilay olona no rombahina ary ivavahana mba hanadino ireo taranany, izany v d mba tsara? za alou mitoraka vato kilonjy maints e :^) :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D

naritsimba:
4-Ny manome tsiny avy hatrany dia tsy mety, ary matoa izy mivavaka mety fantany ny zava-misy.
tsy ianao ngamba ry Naritsimba no hatoroko ny hoe halan'Andriamanitra ny fijangajangana!!! nefa d izany no ivavahana? mba hafa samy vavaka lahy! asa moa na hahazo valiny na tsia fa tsy afaka hipetraka eo am toeran'Andriamanitra ah e!
43. xxx ( 21/07/2008 15:46)
Ataoko fa tsy hitovy mihitsy ny hevitr'isika satria haveriko ihany fa Fitiavana no resahinio tonokalo io aminà, izà mipetraka eo amin'ny toeran'ilay olona mitia, ianareo ato mipetraka eo amin'ny toeran'ilay vadiny sy ny zanany, izany hoe mijery ny consequence an'ilay izy. Tsy handà mihitsy ange iza hoe mampalahelo izao zavatra izao e! kanefa hoa ny fitiavana mihitsy no tsy mahafalifaly foana.
Dia mbola tsy nisy ve tamin'ny fiainanareo ireo hoe nitia olona efa miaraka aman'olona ianareo?? dia ho torahako vato ve ianareo amin'izany??

Miala tsiny amin'i ari.malala raha toa ka noheveriny fa niakatra be loatra ny tenanay.
44. cutie ( 21/07/2008 16:19)
Ataoko fa tsy hitovy mihitsy ny hevitr'isika satria haveriko ihany fa Fitiavana no resahinio tonokalo io aminà, izà mipetraka eo amin'ny toeran'ilay olona mitia, ianareo ato mipetraka eo amin'ny toeran'ilay vadiny sy ny zanany, izany hoe mijery ny consequence an'ilay izy. Tsy handà mihitsy ange iza hoe mampalahelo izao zavatra izao e! kanefa hoa ny fitiavana mihitsy no tsy mahafalifaly foana.

well said :)
45. badboy ( 21/07/2008 18:01)
Nahazo t@ lalao loto ve izaho dia ilay nahatonga ny inspiraka t@ ilay numéro no tokony ho hahazo ilay vola fa tsy izaho???? Dia torak'izay ny fitiavana, tsy izay ifotetahan'ilay fitiavana no miala fa ilay tsy ifotetahany intsony! Na manajanaka anarivo aza tsy mahsakana inona izany rehefa ny fitiavana no manery!!

Tsy donendrina akory ny ntaolo nametraka ilay fiteny malaza "zaza fito aza tsy mahafehy tokatrano"!!! Dikany tsy vao izao akory no mitranga io toejavatra io f'efa hatr'izay, tahaka ilay asa efa nisy hatr'izay hatr'izay teto antany!!! :^) :^) :^) :^)
46. naughtyboy ( 21/07/2008 19:46)
saode tsy ny ntaolo no donendrina fa nety zany t@ zany andro de nolazainy..
@ zao fotoana de nivoatra ny nivoatra fijeriny ny oul fa tsy mety ny fampirafesana ka na ny lalana arampanjakana sy fivavahana aza manakana vady maro na misoratra na tsia(anti-polygamy)
tonokalo mo izy ty ka ao anatiny tontolony fitia voarara(fantasy world..) :°) ;-)
47. naughtyboy ( 21/07/2008 19:55)
zao mankony no mahasamihafa azy io
ao ny mangalatra ny any hafa de milaza fa nindrana :°) that's a bad boy..
ao ny mihaza ny tsisy tompony :°) that's a naughty boy..
samy fitiavana no manery azy reo nefa fiainana daoly zany..
:-D :-D
48. ari.malala ( 22/07/2008 06:11)
naughty :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D tiko b le fomba fijery :-P :-D :-D

xxx, za nge ts mandà hoe fitiavana e, ary efa nitranga na tamiko izao aza hoe tia olona efa manam-bady, fa saingy tsy handeha kosa ah hoe hanimba ny tokantrnaony fa refa fantatra fa efa manana ny safidiny sy ny ef nekeny izy d mipetraka no fahendrena hoanà... fa eto anie d tena hoe ny handrodana no tanjon'ilay vavaka e! omeo ahy irery ny fony e,ataovy adinony fa izy efa niteraka e... d manontany an'i xxx aho hoe aizahoaiza amin'io vavaka io ilay hoe hifangaro am zanany aza :-P
49. naughtyboy ( 22/07/2008 11:16)
ari ;-)sotsa e ..
badboy > samy vita less iny badboy fa @ manaraka ndray ..resaka fahasamihafana fomba fijery fotsiny ;-)
50. naritsimba ( 23/07/2008 05:28)
Raha toa moa ka mbola tsy vita divorce ilay olona nefa efa tsy miray trano izy ireo, moa tsy mbola vadin'olona ve na ilay lehilahy na ilay vehivavy?
Io no mahatonga ahy hametraka hoe tsy eken'ny saiko ity andininy iray ity:
Omeo ahy re ny fony
Tena omeo ahy tanteraka
Dia aoka koa hohadinoiny
Fa izy anie efa niteraka !.


Ny anambadian-kiterahana koa ahoana no hanadinoina fa efa niteraka?
51. Njainjai ( 23/07/2008 10:57)
salama dhlo ny namana, amiko alo vo mahita anio lohateny io fotsiny ah d otrany maniratsiratsira le titre. Satria nahoana ozy enao: haitsika tsara ngamba zany atao oe vavaka d @iza tsika no mivavaka. amiko refa mangalatra d mangalatra. raha ny tena izy d lamban'akoho io fitiavanao io
52. nyeja ( 23/07/2008 13:15)
Ny lohateny dia nentina nilazana avy hatrany fa hafa dia hafa amin'ny fijerin'ny olona ny Lohateny ampiasaina, manamarina izany ny valin'ny dinika izay maro be amin'ity tononkalo ity,
Marihiko fotsiny , aoka tsy hilaza isika fa fiainan'ny mpanoratra io, fa kosa toe-javatra hitany fotsiny ihany aingam-panahy tsapako tamin'ny toe-javatra iray ka ilay fitsaran'i Aritsimba manao hoe : vehivavy no manoratra, dia tsipahiko kosa e .
Mpanoratra no asako fa mety lehilahy koa manao io, mety declic hanairana ireo izay mahavita manadino ny fianakaviany koa io tononkalo io ,
Noho io tononkalo io dia nahazo hafatra aho fa handao ilay vehivavy sipany hono ny lehilahy iray satria izy namaky ilay vavak'ilay "Mpangalabadin'olona " ary hitako fa tsara izany satria nampiova fiainan'olona ny tononkalo .
Malalaka ny dinika é , natao hisainana ny tononkalo ary mazava ho azy fa iainan'ny "mpangalabadinolona" tokoa ny fitiavan-tena satria tsy mijery ny hafa izy fa ny tenany ihany no fantany .
Andriamanitra ve hamaly marina ny fivavahana ataony ? satria ny tena mahazendana ahy sy antony nanoratako ity tononkalo ity dia miara mivavaka any am-piangonana sy eken'ny fianakaviana ilay tsy tompony .
53. xxx ( 23/07/2008 13:54)
nyeja:
Noho io tononkalo io dia nahazo hafatra aho fa handao ilay vehivavy sipany hono ny lehilahy iray satria izy namaky ilay vavak'ilay "Mpangalabadin'olona " ary hitako fa tsara izany satria nampiova fiainan'olona ny tononkalo .
???? Tsy azoko, fa inona no mahatsara izany aminao?

Malalaka ny dinika é , natao hisainana ny tononkalo ary mazava ho azy fa iainan'ny "mpangalabadinolona" tokoa ny fitiavan-tena satria tsy mijery ny hafa izy fa ny tenany ihany no fantany .
?? Ary noheveriko fa fitiavan-tena ange ny fitiavana e!

Andriamanitra ve hamaly marina ny fivavahana ataony ?
Ary noheveriko koa fa tsy manavaka ange Andriamanitra e! Toa isika indray no mitsara. Enga anie ka mba tsy manao mitovy amintsika izy. Ary raha tena nivady teo anoloany ireo olona ireo. Tsy mandainga ve izy raha mbola manohy miaraka nefa tsy mifankatia intsony???
54. xxx ( 23/07/2008 17:07)
Tsy azoko, fa inona no mahatsara izany aminao?

:arrow:
Noho io tononkalo io dia nahazo hafatra aho fa handao ilay vehivavy sipany hono ny lehilahy iray satria izy namaky ilay vavak'ilay "Mpangalabadin'olona " ary hitako fa tsara izany satria nampiova fiainan'olona ny tononkalo


ka mazava ho azy kosa anie no voasoratry i nyeja e!
nandefa hafatra izany ilay bandy fa handao ilay sipany satria ilay bandy manambady ka tsy nampiova ny fiainan'ilay olona amin'ny lalana tsara ve izany ilay tonon-kalo raha toy izay ny vokany tao ry xxx....tsy azonao ngamba ilay izy hoe handao ilay sipany ilay bandy izany hoe matoa mandao ilay sipany dia hijanona fidely amin'ilay vadiny amin'izay :°)
55. xxx ( 23/07/2008 17:10)
hoy i xxx52
Tsy mandainga ve izy raha mbola manohy miaraka nefa tsy mifankatia intsony???

ahoana moa no hasahiana miteny hoe tsy mifankatia intsony ilay mpivady raha sendra manao sipa ilay bandy na ilay sipa.....?????
56. xxx ( 23/07/2008 17:12)
Ary noheveriko fa fitiavan-tena ange ny fitiavana e!

misy ny mampiasa ny fitiavana ho fitaivan-tena fotsiny ihany....
ny fitiavana dia maro ny heviny sy ny zavatra fonosiny....
57. xxx ( 23/07/2008 18:24)
xxx54:
ahoana moa no hasahiana miteny hoe tsy mifankatia intsony ilay mpivady raha sendra manao sipa ilay bandy na ilay sipa.....?????


?????? Ahoana indray izy izany??? manao sipa an'i an-kafa ve izy dia hoe tia??? Mba dadany indray izany hevitrareo izany.

Izao izany lé hoe ny fitiavana dia mifono zavatra maro araky ny heviny xxx25. Hafa kely kosa izany fitiavanareo izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0077