mbola tsy tonga saina ihany ve e!

21. karavasy ( 15/07/2008 02:28)
Komaranina koa mahay nohon'ny Gasy hono eny Ankatso ary tsofainy daholo ny sipa :-P :-P :-P
22. LazaDaddy ( 15/07/2008 02:32)
karavasy:
Komaranina koa mahay nohon'ny Gasy hono eny Ankatso ary tsofainy daholo ny sipa :-P :-P :-P
Avelao r'ise ho azy fa sipa feno manerana ny vazan-tany ireo koa no mampalahelo an'ise.
23. karavasy ( 15/07/2008 02:57)
Tsy malahelo fa milaza ny zava-misy. Tsy maharesy Komaranina ny mpianaratra Malagasy hono ary misongadina ny Komaranina. Izay no endrika hilazana ny mpianatra gasy ve ? Ny lasa andafy major des majors ny ao antananana tsofan'ny Koma. Ka tokony hiandry ny andafy sa hiantehitra ny ao antanana. Ok nanas :*
24. LazaDaddy ( 15/07/2008 03:21)
O-ra Karavasy a! Tena tsy misy dikany raha resaka mari-pahaizana amin'ny Oniversite izany. Ekeko fa takian'ny ankabeazan'ny orinasa io saingy tsy dia misy dikany loatra amiko, na oniversite malaza toa an'Ankatso sy ny tsy dia re firy toa an'i Yale dia "zava-poana" avokoa :)
25. tsimati ( 15/07/2008 04:31)
Dia ny avy aiza izany no tena izy. Ny zava-misy aloha dia mbola tsy lasa alavitra i Madagasikara ka ahoana hiofana any aminao sa afaka ampidirina HARVARD izay tia hiditra satria azo hidirana sahalan'ny fianginan'Isotry any:-D :-D :-D :-D
26. xxx ( 15/07/2008 05:41)
Maninona ary i Veloo sy Noue raha mody aty an-tanana raha manana hazo-damosina miotra anahy, fa toa be vava ato amin'ity serasera ity fotsiny. Ny hafa no asesiny mody fa ny tenany nefa efa voky ohatry ny kisoa any n-dafy any. :o
27. tsimati ( 15/07/2008 05:50)
Tsy arako fa toa tsisy Veloo sy Noue manoratra ato amin'ity loha-hevitra ity. Sa mbola be tetika ihany ny xxx. :-D =))
28. xxx ( 15/07/2008 05:53)
reasakay izany ry tsimati fa aza idiranao lalina
29. ni81 ( 15/07/2008 05:56)
hoy xxx25
Ny hafa no asesiny mody fa ny tenany nefa efa voky ohatry ny kisoa any n-dafy any.
:roll: :roll:
30. tsimati ( 15/07/2008 05:59)
Tsy hidirako akory satria pataloha tery saingy gaga aho fa tsy mahita Veloo sy Noue manoratra ato. Asa mifankahalala tokoa izany hoe manao PS hafa ireo ary ny iray manao xxx. Tano ny anareo fa tsy ho any aho ka.
31. kidoropamba ( 15/07/2008 08:39)
""Par contre, Tiana Andriamanana, 22 ans, a décidé de rester à Madagascar pour suivre des études en pharmacologie à l'université d'Antananarivo...".

Marina ny an'i Andriamanana Tiana, hoe Hody, satria sarotra ny mahazo taratasy vAzA ahafahana mipetraka any Ivelany any.
Tokony manao "appel de balle" any @ ra-xxx i lery amin'ny fikarakarana ny taratasy vAzA fa raha mahita an'i Tiana aho toa "mbola tsy resy lahatra tanteraka i lery @ fiverenana aty Dago". Hitako toa "voatery" lery hiverina aty dago fa tsy misy hafaliana mihitsy ao.
Heveriko fa nanararaotra tsara enao tany zamerika @ sakafo fa aty madagasikara @ izao dia voatery manao "rézima" ianao Tiana satria mazana ny kirizy alimantera ato.
Mihevitra koa aho fa mba nikajy vola kely t@ ireo boursa ity ranamana ity fa raha izany boursa ao ankatso ao izany ange ka tsy azo hivelomana mihitsy e.
Ny mampatahotra ahy fotsiny dia sao dia ho lasa adala daholo ireto bandy kely nalefa any Ivelany any nampanantenAna lanitra sy voanjobory kanefa raha tafaverina eto dago ary tsy tohanan'ny filoha hajaina intsony dia ahita ny tena zava misy marina ka ho lasa mitapitapy ny hiafarany.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
32. tsimati ( 15/07/2008 15:08)
Ianareo ihany no milaza fa tsy hita tabilao ny oniversitia nianarany koa iza no hitana azy any USA raha izany? Tsy aleo mba voahaja eny Ankatso hoe ity avy tany USA ve?
33. nanas ( 15/07/2008 19:39)
tsimati:

Ianareo ihany no milaza fa tsy hita tabilao ny oniversitia nianarany koa iza no hitana azy any USA raha izany? Tsy aleo mba voahaja eny Ankatso hoe ity avy tany USA ve?



Tsy hita ao anaty rank Universite mintsy Abilene kah! zay angaha vo fantatrao? tara be ianao zany. Sahiko ny mipare aminao fa ny sortant Ankatso mahay lavitra noho ireo ankizy nalefa tany Texas reo, lazany fotsiny hoatrany vilitsahoana ilay oe nalefa tany Amerika fa tssssssss, verezin ny ankizy gasy lavitra.
Ny mety aza dia oe nahavita fianarana avy eny Ankatso aloha zay vao mandeha andafy.

Kidoro: tsy mety kosa zany fa Tiana kosa tena mendrika deraina e! Reto ambiny hanao Master, f' angaha mila masters ny fanaovana adidy @ firenena. Tsy hoe hanajariana ilay development durable angaha akory ny nandefasana an ireo tany, koa hiandry ny fahavitan ireo Master zany vao hanomboka asa?

Raha izany maninona raha ireny efa vita fianarana reny no omena bourse mamita Master dia tonga dia vavany.
34. penguin ( 16/07/2008 00:22)
Tsy hoe manampy anao aho ry nanas fa raha mbola hanao Master dia tsy midika fa efa afaka hiasa satria mbola hiditra andakilasy ary mbola hanao recherches. Aza adino fa avy manao Master izy dia mbola hanao hanao PhD indray satria mahay. Koa tsy resaka 5 taona no ahafahany miasa manatanteraka ny tiana hatao.
Ny manampahaizana ankehitriny izany no manao ny asa fa aza mandinika ny zaza mbola any andakilasy. Efa filoha vaovao vao vita ny PhD. :-D :-D :-D
35. tsimati ( 16/07/2008 00:35)
Ny fidirana Harvard, na Colombia University na izay hafa manana rank avo araka ny teninao angaha misy fifanarahan'ny filohampanjakana sy University hoe aleo hampiditra zaza 30 na 50 ato izahay. Misy "criteria" fa tsy fiangonan'Isotry io ka izay hiditra dia misokatra ny varavarana. Mazava ho azy fa ny University manaiky mba ahazoany milaza fa manana mpianatra iraisampirenena betsaka no afaka mandray sy manome bourses dia izay no hifaliana.
lainga ary tena lainga kosa ny filazana fa resin'ny eny Ankatso na University motraka aza. Na ny fijerena ny zava-misy eran'izao tontolo izao fotsiny aza dia manome lesona lehibe. Ny mpianatra Ankatso na ny University hianarany aza dorany rehefa tairin'ny mpanao politika izy, na ny boky hianarany any amin'ny tranomboky aza rovitiny tsikelikely ny pages misy izay tiany nefa boky iray ho an'olona 500, na mpampianatra aza tsy mahay manao "presentation in power point" fa mihosona amin'ny tsaoka, sns sns.
Aza mampitovy zavatra samihafa. Ary tsy misy Harvard hanofana anao alohan'ny handehananao any sahala ny natao tamin'ireo ankizy ireo alohan'ny handehanany tany. Efa amambolana no nampiofanina hoe izao no tokony atao. :-D :-D :-D
36. nanas ( 16/07/2008 16:33)
penguin:

Tsy hoe manampy anao aho ry nanas fa raha mbola hanao Master dia tsy midika fa efa afaka hiasa satria mbola hiditra andakilasy ary mbola hanao recherches. Aza adino fa avy manao Master izy dia mbola hanao hanao PhD indray satria mahay. Koa tsy resaka 5 taona no ahafahany miasa manatanteraka ny tiana hatao.
Ny manampahaizana ankehitriny izany no manao ny asa fa aza mandinika ny zaza mbola any andakilasy. Efa filoha vaovao vao vita ny PhD. :-D :-D :-D



Marina io! efa filoha vaovao vao vita ny Master sy ny Phd. Samy miala ry zanako, ny avo tovonana ihany fa ny tsy manana tsetserina ihany koa ny kely mba hananany hanatovonana ny avo. Danza be zany. Raha izany aza misy mandoa hetra tany sy ny tariny intsony fa aleo mba vola avy any ampaosin-dr8 no handoavana ny ecolagen ireo zay mbola halefany. Ny vola mitotona avy any @ mpamatsy vola aleo hatokana hoan ny fampandrosoana haingana, fa tsy hamitana zao revirevy ny sasany.
37. nanas ( 16/07/2008 16:42)
tsimati:

Ny fidirana Harvard, na Colombia University na izay hafa manana rank avo araka ny teninao angaha misy fifanarahan'ny filohampanjakana sy University hoe aleo hampiditra zaza 30 na 50 ato izahay. Misy "criteria" fa tsy fiangonan'Isotry io ka izay hiditra dia misokatra ny varavarana. Mazava ho azy fa ny University manaiky mba ahazoany milaza fa manana mpianatra iraisampirenena betsaka no afaka mandray sy manome bourses dia izay no hifaliana.
lainga ary tena lainga kosa ny filazana fa resin'ny eny Ankatso na University motraka aza. Na ny fijerena ny zava-misy eran'izao tontolo izao fotsiny aza dia manome lesona lehibe. Ny mpianatra Ankatso na ny University hianarany aza dorany rehefa tairin'ny mpanao politika izy, na ny boky hianarany any amin'ny tranomboky aza rovitiny tsikelikely ny pages misy izay tiany nefa boky iray ho an'olona 500, na mpampianatra aza tsy mahay manao "presentation in power point" fa mihosona amin'ny tsaoka, sns sns.
Aza mampitovy zavatra samihafa. Ary tsy misy Harvard hanofana anao alohan'ny handehananao any sahala ny natao tamin'ireo ankizy ireo alohan'ny handehanany tany. Efa amambolana no nampiofanina hoe izao no tokony atao. :-D :-D :-D




Tssssssssssssssss leaza ! mahafantatra tsara ny niveau ny mpianatra avy eny ankatso sy ny undergrad. any USA ny tenanay. Ny tombony azon ireo ankizy nadeha Abilen reo ny fananana ireo access @ fitaovana oh: ordi, laboratory. Fa raha resaka fondamental tsy ampy ny ankizy nianatra eny ankatso reo. Zao fotsiny no lazaiko anao, asivo computer be dia be, internet free, laboratory na dia tsy lehibe aza fa hahavitan ny mpianatra independant study ao Ankatso dia ho hitanao fa mahay lavitra noho ny undergraduate aty reo. Tsy fahampian ny fitaovana no tsy hahafahany manao zavatra fa raha ati-doha dia tena ananany. Fehiny tsara ny formation azo avy eny ankatso noho ny formation undergrad. any USA.

Zao koa mba lazao kely le gazety hoe tsy misy system major sy gidany zany any USA fa aza belazao. Sady raha mbola Abilen, I don't think so! Raha zany tsy efa major des major daholo ny gasy any.


38. xxx ( 16/07/2008 17:11)
Araky ny fahitako ny tenin'ny nanas izao dia tena vendrana daholy sy tsy mahay nininona ireo zanaka malagasy niala ny tanindrazana mba handrato fianarana any an-dafy. Ary tsy vitan'izay fa ny zanaka malagasy rehetra izay nijanona eto an-tanana dia crane be daholy fa tsy manam-bola fotsiny. tsy vitan'izay fa tsara kokoa ny fianarana eto amintsika toy izay ny any an-dafy.

Mba mahagaga anahy koa izany mba hevitrao ry nanas. Dia tsy mba nisy nilaza ve izahay hoe tena tampipahaizana ohatr'izany isika malagasy. Sao dia ambi-po diso toerana fotsiny ary. Fa inona loatra ny nanovan'ny vazaha-anao tany no ankahalainao toy izao ry zareo any. Eny fa na dia ny malagasy mitovy aminao ary dia haratsianao.
39. naughtyboy ( 16/07/2008 17:48)
ny fijeriko ty resaka ty de tsotra ,tsara ho any zaza malagasy ny mivoaka kely manitatra ny fahalalana any ivelany sy ny eo antoerana ampitahana ny fandrosoany tena ,tadidio fa nosy i M/kara ka mila fifandraisana na fanabeazana na haitao sns..amporisihana izy reny ahatomombana ny fianarana nokasainy ataony
diso de diso ny fihevitra fa ra tsy manana masters na phd tsy afaka manatanteraka asa arakaraky ny filana misy ao @ firenena na orinasa manohana ny fianarana ihany io ,ary misy de misy ny quota azo idirana @ reny fianarana ambony reny na miankina na tsia @ fanjakana isaky ny sokajy manohana azy(firenena,orinasa).
1 ihany no oniversite tsy azo nizaniza idikidirana (princeton) oh. ra tsy fotsy na katolika iringiriny ary manana tantara politika ny RAR nao ,resaka harvard(U.S) na sorbonne(Fr.) na oxford (U.K) sns,refa ao aminao ny saosy de lasa zao..
ny sehatra mahasamihafa ny fandrosony fampianarana de mifototra @ fitaovana ampiasaina --->atidoha samy misy fa ny fitaovana ampiasaina no tsy mitovy sy fototra iaingana ary ny vokatra andrasana
@ fianarana safidina
40. nanas ( 17/07/2008 00:18)
xxx:

Araky ny fahitako ny tenin'ny nanas izao dia tena vendrana daholy sy tsy mahay nininona ireo zanaka malagasy niala ny tanindrazana mba handrato fianarana any an-dafy. Ary tsy vitan'izay fa ny zanaka malagasy rehetra izay nijanona eto an-tanana dia crane be daholy fa tsy manam-bola fotsiny. tsy vitan'izay fa tsara kokoa ny fianarana eto amintsika toy izay ny any an-dafy.

Tsy nisy niresaka aloha teto oe dondrona sy tsy mahay na inona na inona ny zanaka malagasy nivoaka andafy fa aza hafangaro na havadika ny resaka. Niveau intelct ny zaza nandia ankatso sy ny zaza nahavita Bac nankany andafy avy hatrany no resahana eto.
Mahay ny zaza malagasy nandia ankantso noho ny zaza mandeha undergrad andafy ( surtout US), ny indro @ ny fampianarana gasy dia ny tsy fahampian ny fitaovana. Ny andafy efa vonona daholo ny rehetra document, materialy etsetra , manginy fotsiny ny internet ka tsy manana saina tikarokaroka hoatran ny mpianatra gasy intsony fa zay eo ihany no avadibadika, efa zay raha teo no nanazarana azy. Tsy manda aho hoe misy ny zaza vazaha mahay, misy dia misy saingy tsy any @ ecole tsy fatapotro hoatran Abilene, ary tsy zay nivoaka tao no atao hoe mahay, betsaka ny gasy nivoaka t@ oniversite lehibe sy matanjaka tany US fa tsy mbola nisy nilaza hoe tena tapi-pahaizana. Sady averiko indray tsy misy system major zany any. Raha manana GPA 4 daholo ny 50% ny ao ampianarana dia major doly zany?

"Mba mahagaga anahy koa izany mba hevitrao ry nanas. Dia tsy mba nisy nilaza ve izahay hoe tena tampipahaizana ohatr'izany isika malagasy".

Raha Abilen no nivoahana tsy azo hi- mesurer-na an ireo ankizy reo mihtsy oe mahay na tapi-pahaizana. Tsy adalan ny vazaha ny mandany vola be tsy toko sy forohana any @ best college na lafo aza satria nahoana? satria mitady ny tena fahaizana. fa tsy oe iry mora de ndao alefa ao ny ankizy. Io toetsaina gasy milaza oe tapi-pahaizana e! sy ny tariny io na hita zao fa tsy mamely aza tokony hialana fa lasa manao fisainam-borona fotsiny.


Sao dia ambi-po diso toerana fotsiny ary. Fa inona loatra ny nanovan'ny vazaha-anao tany no ankahalainao toy izao ry zareo any. Eny fa na dia ny malagasy mitovy aminao ary dia haratsianao.


Tsy misy resaka ambi-po diso toerana eto fa omena anao ny facts dia anjaranao ny mijery aza. Ary tsy nanaratsy velively aho fa nampitaha, raha tsy dia mahay teny malagasy tsara efa andron ny fanagasiana zao dia mianarana.
Ny zavatra tokony hataon ny fanjaka dia atao zay mba hahazahoan ny university fitaovana manarak andro hampianarana ny zaza eny Ankatso



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008