mbola tsy tonga saina ihany ve e!

1. nanas ( 14/07/2008 14:42)
Vaovoa tao @ Express de madagascar omaly izy ty no nalaiko. Ny nahataitra ahy dia ity:
"Par contre, Tiana Andriamanana, 22 ans, a décidé de rester à Madagascar pour suivre des études en pharmacologie à l'université d'Antananarivo. «Étudier quatre ans à l'étranger est suffisant, il est temps de me pencher sur les réalités malgaches», déclare-t-elle. "

De hozy za oe : misaotra retsy a! ndry zazakely io indray ve no mahatsapa an izany noho ireto mpitondra fanjakana. Tsara rehefa mahatsapa oe nandaniana vola be ka mila manao zavatra hoan ny firenena @ zay. Tadidio foana fa le ramatobe milolo anana any ambanivohitra iny aza mba nandrotsaka tao @ kitapom-bolan-drafanja handoavana ny fianaranareo tany, manginy fotsiny ny kerosena nitondra anareo nivezivezy US-Mada.

Ny vaovao tonga aty ampoton ny sofinay dia hoe nisy t@ reo ankizy nalefa Texas reo de tena mahay, misy kosa ny tsy misy ilavana azy. Ny sasany moa dia tsy ao anaty ny sainy zany oe mba tokony hiasa hoan i Madagasikara aho fa efa niangarana raha @ samy zazamalagasy. Zarany aza miala an i Dago indray, mitsoaka ny fahantrana.



Les boursiers malgaches au Christian Abilene University du Texas impressionnent beaucoup. Samedi, au Carlton, durant la cérémonie de remise des diplômes aux 24 boursiers qui viennent d'y terminer quatre années d'études (Bachelors), le président Marc Ravalomanana n'a pas caché sa joie.
Par la même occasion, le chef de l'Etat a annoncé que d'autres boursiers emboîteront le pas à leurs aînés. «Je suis heureux d’annoncer que de nouveaux bacheliers rejoindront bientôt l'université texane», a-t-il affirmé sans en préciser le nombre.
«Nous sommes en train de discuter avec les dirigeants de l'établissement des procédures de recrutement qu'il faut adopter. Les nominés devront y être à la rentrée universitaire de novembre», précise Ying Vah Zafilahy, vice-ministre chargé de l'Enseignement supérieur et de la formation technique et professionnelle.
Beaucoup de ces diplômés comptent poursuivre leurs études aux États-Unis pour obtenir leur diplôme du second cycle (Masters). A l'instar de Laza Johany Razafimanjato, jeune diplômé en décoration intérieure, major des majors. Par ses efforts, il a obtenu une bourse pour obtenir un «Master», explique le Dr Royce Money, président de l'université chrétienne d'Abilene, très impressionné par l'intelligence des étudiants malgaches.
Réalités malgaches
Par contre, Tiana Andriamanana, 22 ans, a décidé de rester à Madagascar pour suivre des études en pharmacologie à l'université d'Antananarivo. «Étudier quatre ans à l'étranger est suffisant, il est temps de me pencher sur les réalités malgaches», déclare-t-elle.
Les diplômés d'Abilene comptent profiter de leurs vacances pour servir d'interprètes aux chrétiens du Texas venus pour une mission humanitaire à Madagascar.



novalian'i tsimati ny 19/07/2008 07:00
2. kidoropamba ( 14/07/2008 15:46)
Miandry ny fodian'i tsimati aty antanindrAzana izahay ary miandry ny fanambarAn'i Tiana Andriamanana, 22 ans, mikasika ny maligasizasion izay novohiziny tany Abilene.

Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
3. tsimati ( 14/07/2008 15:53)
Aiza no manaitra ry nanas ? sa manaitra daholo :-D :-D :-D. Fa "Bachelor" ngah tsy Undergraduate no filaza azy sa ahoana no manaitra ?
4. saho ( 14/07/2008 16:29)
mivoatra tsikelikely io fomba fisainana vaovao io fa tsy tonga dia tonga lafatra. Miandrasa enao 5 a 10 ans any fa efa misy mivaingana

Ny momba ny hoe rano iray malagasy ny fampianarana, dia misy mahatsara azy ary misy maharatsy azy

ny mahatsara azy dia omena lanja ny teny malagasy ary tena valeur b ny maha firenena iray ny fiteniny

ny maharatsy azy dia firenena mbola tsy mandroso mada ary tsy ho songonan'ny pays ao @ G8 mihitsy, donc tokony asiana langues matanjaka paralleles foana toa francais anglais allemand espagnol italie fa tsy atao rano ray malagasy....

tsy hivoatra isika raha rano iray satria tsy manana technologie ambony @ teny gasy sa efa misy encyclopedie malagasy be dia be eny @ universite azo avadika teny vahiny malaza..

Miandry anao ny firenena marina fa mbola tsy matanjaka sy mahaleotena ara technologie ny malagasy ka ho sahirana ihany raha hiteny gasy fotsiny...

tsara ny teny gasy saingy tsy lasa lavitra @ iraisampirenena e...
sao dia ambo diso toerana ka dia ho very ny avenir lasa mitokana monina indray
ny technologie ataovy ambony be dia araho toy izay koa ny teninao...
5. Veloo ( 14/07/2008 16:45)
ny maharatsy azy dia firenena mbola tsy mandroso mada ary tsy ho songonan'ny pays ao @ G8 mihitsy, donc tokony asiana langues matanjaka paralleles foana toa francais anglais allemand espagnol italie fa tsy atao rano ray malagasy....


marina mihitsy izany

mivoatra tsikelikely io fomba fisainana vaovao io fa tsy tonga dia tonga lafatra. Miandrasa enao 5 a 10 ans any fa efa misy mivaingana


manana (avec accent) finoana e...rehefa ita fa betsaka no hanana fisainana otran'i Tiana dia mande foana io.

tsimati [ Valio ] 14-07-2008 17:53:16
Lohateny : Re : mbola tsy tonga saina ihany ve e!
Aiza no manaitra ry nanas ? sa manaitra daholo . Fa "Bachelor" ngah tsy Undergraduate no filaza azy sa ahoana no manaitra ?

ny bachelor dikan'izany dia vita ny undergraduate. Efa graduate enao raha hanao ny master. Ary efa diploma tsara mihitsy io raha aty US. I Bush rery (zanany) no manana Master just pour vous dire oe tsara izany rehefa manana batchelor aty.

Tena tiko ilay fisainana fa dia mivavaka ho an'ny tanora rehetra mba hieritreritra otan'i Tiana :-* :-* :-*
6. xxx ( 14/07/2008 17:00)
Mora tokoa ry Veloo ny mitsara rehefa tafita indray enao! Maninona koa moa raha mba miverina aty amin'izay enao io sy izay gasy rehetra any mba hanavotra ny tanindrazana.
7. Veloo ( 14/07/2008 19:34)
fa ahona no manao xxx???? tsy manana azon-damosina angaha angaha enao io no tsy miresaka @ ps-nao eto?????
8. Noue ( 14/07/2008 21:19)
xxx:

Mora tokoa ry Veloo ny mitsara rehefa tafita indray enao!
nitsara taiza koa izy teo ?


9. ratakktikk ( 14/07/2008 21:30)
Tsy hoe rehefa nianatra tany an-dafy dia mahay na hoe rehefa nianatra teto madagasikara dia donto sy vendrana fa ny hakingana sy fahaiza-manao ary ny vokatry ny fahalalana norantovina no zava-dehibe.

Dia ny fahaizana mampihatra izay nianarana mba hampandrosoana ny tanindrazan'ny tena fa tsy ny an'ny hafa.

Izay no mikaonty.

10. LazaDaddy ( 14/07/2008 23:13)
Niamppy isa indray izany ny tsy an'asa eto Madagasikara :oops:
11. LazaDaddy ( 14/07/2008 23:17)
ratakktikk:
Tsy hoe rehefa nianatra tany an-dafy dia mahay na hoe rehefa nianatra teto madagasikara dia donto sy vendrana
Marina mihitsy io, saingy isika mora tsindrian'ny olona nianatra tany an-dafy. Manginy fotsiny izany hoe tany Etazonia, na oniversite tsy dia hita eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena toy itony aza.

ni81> Angaha i Ying Vah Zafilahy vice ministre? Mba lazao aho rehefa lasa praiminisitra izy fa mety hody :)


12. LazaDaddy ( 14/07/2008 23:18)
LazaDaddy:
ni81> Angaha i Ying Vah Zafilahy vice ministre? Mba lazao aho rehefa lasa praiminisitra izy fa mety hody
nanas fa tsy ni81 ka =))
13. tsimati ( 14/07/2008 23:34)
Na aiza na aiza dia avahana hatrany ny avy nianatra andafy indrindra ireo nivoaka UK, US, sns. Ny mahazatra ny Malagasy moa dia Frantsa ary navahana koa ireo hatramin'izay fa tsy nokilasiana sahalan'ny tao antoerana.
Tsy misy tokony ahavoatsindry ny nianatra tao antoerana fa asehoy hoe mahavita manavotra ny firenena ianao dia izay. Na avy andafy na avy eo antoerana raha mbola tsy mandroso ny firenena tsy misy na iray aza afaka mihambo.
Lazaina ohatra ny polisy hoe tokony ahazo karama be nohon'ny mpiasampanjakana hafa dia natao nefa hita ve hoe misy fiantraikany amin'ny fandrosoan'ny Malagasy izay fanavahana izay? Sahala izay koa ny nivoaka ny IMATEP dia nitondra ny firenena nakaiza ry zareo nefa manana fanavahana manokana. Sa reo no tsy mampivoatra ny firenena ?
Ny mitsara ivelany koa tsy ampy noho izany ireo milaza manampahaizana tokony mamoaka test ny amin'izany.
14. nanas ( 15/07/2008 00:02)
tsimati:

Aiza no manaitra ry nanas ? sa manaitra daholo :-D :-D :-D. Fa "Bachelor" ngah tsy Undergraduate no filaza azy sa ahoana no manaitra ?



ry tsy razanety konkoo efa tenenina foana hoe jereo aloha zay soratan ny olona vao mamaly.

Bachelor dia efa ampy, marina tokoa zany. Ka tokony mba tonga saina reto ankizy ambiny oe tokony mba hijanona aty Mada amin zay hanavotra firenena fa mba efa niangarana raha samy @ zaza malagasy nalefa tany US. Dia i Tiana irery ve no mahatsapa an izany?
15. LazaDaddy ( 15/07/2008 00:10)
nanas> ka raha izany tokony hijanona any Texas ry zareo fa nandany vola be ho azy ireo koa anie ny tany e :)
16. LazaDaddy ( 15/07/2008 00:14)
dia izaho ikoa izany tokony nijanona tatsy Lygon street fa toa lafolafo ihany ireo Italian Donuts nomeny ahy tao... + kaly tao @ Vegie Bar sy ny Pancakes tao @ Stokers =))=))
17. tsimati ( 15/07/2008 01:19)
Iza no tsy mamaky teny tsara. Averiko ny voasortrareo. "Par contre, Tiana Andriamanana, 22 ans, a décidé de rester à Madagascar pour suivre des études en pharmacologie à l'université d'Antananarivo...".
Ka ny manohy fianarana ve efa mampandroso ny tany niaviany ry havana ? Inona no maharatsy ny manohy fianarana andafy ary tsisy maharatsy ny mijanona koa raha tiany izany. Ny zava-misy kosa dia tsy ampy zavatra maro ny ao Madagasikara ka izay no handehanana mivoaka.
Ny resaka fanompoana ny tanindrazana indray ho an'ny olona efa miasa angamba fa tsy ny mpianatra mbola minono "scholarship".
Ka iza no tsy mamaky tsara ry nanasbe
18. rahiratra ( 15/07/2008 01:46)
Mifanohy ve ny fianarana ataon'i zandry kely Tiana Adriamanana avy nahazo Bachelor tany Texas sy ny atao ao Antananrivo. Tsara koa izany raha avy Bachelor ivelany manohy Madagasikara. midika izany fa afaka hanohizana fianarana i Madagasikara. Sao mba niova tanteraka ka lasa anisan'ireo voalazanao ho tsisy nilaivana azy. Ahiahy iny fa miala tsiny ry nanas.
19. karavasy ( 15/07/2008 02:07)
Samy tonga saina mody ve sa ny sasany ihany no amporisihana hanompo ny tanindrazana ? Ok nanas :* :*
20. Rasiligaoma ( 15/07/2008 02:24)
samy manana ny tiany io.
misy ny nianatra teny ankatso manohy any ivelany misy ny nianatra tany ivelany manohy eny ankatso (jereo ireo komorianina ao fotsiny ohatra)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1258