Ahoana no fijerinareo ilay fiteny hoe lany zara

41. ni81 ( 13/07/2008 06:52)
Miombon-kevitra @ tess aho ny amin'ilay hoe: anjara ny fanambadiana. Ka raha hita kosa fa tsy mifanaraka mihitsy ny tadin-dokanga ve tsy aleo ajanona dieny mialoha e!
Ohatra iray no ho tantaraiko: nisy vehivavy iray niaraka t@ olona. Tsy natoron'io lehilahy io an'ilay vehivavy mihitsy ny trano misy azy fa ny an'ny RAD no natorony. Ny antony dia manambady aman-janaka izy fa nafeniny.
Io zao dia efa antony iray tsy niarahany t@ io lehilahy io intsony noho io tranga io.
Dia niaraka t@ lehilahy hafa indray izy fa dia mpifoka rongony gaigilahy kay ity ranamana fa tsy fantany. Tonga izy dia tsy nety niaraka taminy intsony koa.
Dia niaraka t@ olona hafa indray izy kanjo niteny tampoka taminy ilay lehilahy rehefa niaraka nandritra ny 3 taona izy ireo fa tsy mety intsony ny fiarahana. Ny antony dia nahita tovovavy hafa ilay bandy ary efa bevohokany mihitsy io zazavavy io. Dia nisaraka indray ilay vehivavy namana teo.
Ka be ny antony mahatonga ny fisolosoloana eto fa tsy safidin'ilay vehivavy no hiova matetika toa izany akory na koa ho lazain'ny namana carson eo ambony hoe: sisan'olona...
42. tess ( 13/07/2008 07:37)
ka mazava tsara anie ry ,i81 ny fandehan'ny dinika fa fitiavana te hanohitra bontolo fotsiny ny azy e!
matoa tsy raikitra ny fanambadiana dia na avy amin'ny andaniny na ny ankilany ny antony tsy naharaikitra azy.....
TSY hatao mahamaika io na hiazakazahana fa hanenenana raha sendra izay olontsy vanona na tsy aninontsy aninona......
TONGA HO AZY eo ihany ny anjaranao.
Za kou aky efa sendra olona mpandainga, lazainy fa haka vady sns e! hay olona efa manambady amanjanaka:x , anefa efa no prezanténa tam mamany ery dia ilay mamany koa complice taminy ery....fitaka be manadàla be....
fa nisaraka tam vadiny alou izy taty aoriana e!
Ny ankoatra izay raha bandy saro-piaro velona sy mamono kosa ve no hangataka nao ho vady! tsy loza be raha hanambady anzany...aoka itsy marina, aleo seule ihany.
43. tess ( 13/07/2008 07:39)
ny momba ilay moraly hoe sisan'olona indray! mino aho fa efa niaraka tam sisan'oul dool tsika ireo averiko indray ny voasoratro etsy ambony
:arrow: koa na ianao izao aza ve tsy efa niaraka tam sisan'oul koike we
vao nipoitra avy tany ankibondreniny ilay zanak'oul de afaka reservéna ho anao irery :-D :-D :-D :-D
44. naughtyboy ( 13/07/2008 12:32)
tess :wink: lojika sy zavamisy ny voalazanao ka tsisy ampina na analana,ekena 100% ;-) na iza izy na izy miseho lafatra de tokony hanotany tena ko oe nga izy mo tapitr'ohatra no tsy mila okazio :wink:
45. naughtyboy ( 13/07/2008 13:30)
antony hafa tsy azo odiantsy hita ny olona hovadina zany ko tsy ny kilema ihany nojerena fa lafiny hatsarana samihafa ananany ankoatrany vatany(fanahiny,toetrany,ny sainy,sns..)
Bobaka ihany manko no diso safidy satria tsy nandinika mialoha fa miantsapy @ hazo tsy fantatra ,nefa ao ko ny tsara safidy de miadana @ fanambadiana satria maharitra ny safidy,tsy oe raharana tsy mentsy vonjena akory ka tsy mentsy tonga any ampianarana na fiasana @ 11.00 maraina fa anjara ka samy manana ny fotoana anombohany..
46. tess ( 13/07/2008 15:33)
nôty :wink: fa hita mitsy :-D
raha tsy tratra am 11h izany lay fitiavana na vady dia lany zara ny anarana indrindra moa fa sipa naditra hono de vao maika tsy maniry tsony ny fitiavana hono fa lany tanteraka nozaraina :-D :-D :-D :-D :-D :^)
47. sakaizakely ( 13/07/2008 15:59)
any amintsika dia mbola mandaitra io fiteny io satria ny vhv vao feno 20 na latsaka dia efa ampidirina hanambady dia miteraka dia izay no anjarany. ny hitako hatramin'izay io an ! Asa mety avy amin'ny fetrandro iainana fohy angamba (espérance de vie) dia toy ny enjikenjehina ny vanimpotoana. Dia manjary toa lasa henatra raha efa dila ny fotoana. Toy ny hoe voafetra ho an'ny zatovo ihany ve ny fananantokantrano sy ny anjara ?

Am toetsaina vaza izany dia fanavankavahana = xénophobie, fa soa ihany fa tsy dia sarotiny loatra ry zareo raha io lafiny iray io. Misy vhv sasany ny carrière no ataony fototra aloha dia efa mananontanona ny faha 40 taona vao mieritreritra ny hamafaka sy hanorintokatrano. Tsy mahamenatra mihitsy aminjareo izany satria mahay manaja ny safidin'ny tsi1 ry zareo, fa tsy fombany ny manabatibanty vhv hoe lany zara sns

Ny toetsaintsika malagasy no mbola voageja
48. tess ( 13/07/2008 16:24)
Ny toetsaintsika malagasy no mbola voageja

izay mihintsy, lasa hatao fanoharana fotsiny ilay hoe lany zara...

ny zanaka ambanivohitra aky ry sakaizakely no manambady vao tanora amin'izao raha any madà fa ny zanaka tanan-dehibe efa mitovitovy amin'ny aty ivelany ihany....tsy manambady tanora be intsony fa miasa aloha , manana situation vao manambady....izay aloha no hitako am tanora maro any amzao e!

Tsy mahamenatra mihitsy aminjareo izany satria mahay manaja ny safidin'ny tsi1 ry zareo, fa tsy fombany ny manabatibanty vhv hoe lany zara sns

tena mbola alavitra be ny toe-tsaitsika e! :-D
49. naughtyboy ( 14/07/2008 13:04)
zay maintsiny ry tess a,ny tompony hanana azy ihany io fa ny hafa manisy sira foana na tsara na ratsy na ela na haingana mbola tsy nitapo taminao zay le mendrika anao de tsy mbola nidona le ora fa refa tratrany eo kosa de tsy afamiala tsony fa zay ny nataony(tsy tess akory no tiko lazaina eto an ..)voafatotra mandramaty @ le fanambadiana :-P za kalo tsy mbola manana ka tsy haiko manazava tsara ny fiainany mpivady fa mbola mitady atr@ zao :°)
50. naritsimba ( 14/07/2008 14:04)
Miarahaba antsika indray ô!
Amintsika malagasy dia tena zava-dehibe ny taranaka fara aman-dimby. Izany hoe lany tamingana izany dia tena henatra ho an'ny fianakaviana.
Misy ilay fiteny hoe ny Anambadian-kiterahana.
Samy manana ny heviny anefa io, ary safidin'ny tsirairay.
Ny hoe LANY ZARA dia midika fa TSY NISY NAKA VADY na TSY NISY MPANONTANY ary ny vehivavy no tratran'io fiteny io fa tsy ny lehilahy, izay ilay lalanan'ny natiora ary narahan'ny fiaraha-monina(Lahy = mangata-bady, vavy = angatahana na alaina ho vady).
Ny ray aman-dreny no tena sarotiny tamin'io taloha.

Ny zava-misy @ izao fotoana dia araka ilay voalaza hoe ny any ambanivohitra no mampanambady ny zanany mbola kely(tsy manan-tsaidy) fa ny eto an-drenivohitra dia efa malalaka ny tanora @ resaka fanambadiana.

Ny tsapa anefa dia miha antitra ankehitriny ny olona any @ firenena mandroso vokatr'io tsy fanambadian'ny tanora io, sy vokatry ny famerana ny zaza ateraka.

Koa dia safidintsika io, fa ny hevitro dia tsara raha eo @ 24-25 taona dia manambady izay vonona ho @ izany. Ny antony dia betsaka, na ara-pahasalamana, na eo @ fitaizana ny zaza, manahirana mantsy sao tratran'ilay fitenenana hoe: ANTITRA VAO HITAIZA RANGAHY.

Misaotra eh!
51. Rasiligaoma ( 14/07/2008 14:47)
Vorona tratra hariva (izany hoe nilaozan'ny namany..efa lasa nanidina daholo ny namany fa izy irery sisa) no filaza azy.. . satria hono ny vodi-sobika aza manana ny tandrifiny!
fa tandremo koa fa marina ilay hoe be famaritra sy fatra-pifidy, na ilay hoe atoandro faka ronono
52. tess ( 14/07/2008 15:33)
ouz lay hira izay hoe manambady aby ny olona
izaho irery sisa , izaho irery sisa.....


samia manao zé tiny e!
fa misy fahamarinany ihany ny voalaza'ny naritsimba hoe taoana idealy hanambadiana ny 24 -25 ans efa taona matotra afaka miatrika ny zava-misy sy matotra faka hitaiza....sns, mora ny fiterahana eo sns.....

nôty: aza de taraiky loatra reh! fa mitadiava amzay :wink: :-D :-*
53. Rasiligaoma ( 14/07/2008 16:58)
manahirana tokoa ange ny mitaiza sy ny miteraka rehefa antitra e!
dia ny voamariko koa fa ireny fatra-pifidy sy manao ny andraso aloha ireny, rehefa tena tonga toko ny fotoan'ny fanapaha-kevitra hanambadiany dia matetika lasa izay sendra azy eo no lasany
asa tahotra ilay ho lany zara angamba, lasa asino tampoka ilay famaritana taloha
54. tess ( 14/07/2008 17:12)
izay mitsy.....ARY BETSAKA NY cas otran'izay :°)
ny lehilahy ve moa izy no maka vady fa ny sipa no tena manana olana amin'io raha io :-P
55. naughtyboy ( 15/07/2008 12:52)
ony oa ary rasiligoma zany v efa nanana andrana @ io resaka io sa ahona fa otrany marina le antitra vao mitaiza sy miteraka manahirana nefa sendra nitsilopy @ io sary io misy ankajona mopera fanotaniana fotsiny fa tsy tsikera akory a :lol: :-D
tess > marina nenjy :wink: fa ny olana de zao otrany zv rehetra ihany @ fotona itadiavanao azy reny tsy mahita fa le tsy ampoizina iny ihany vao mipoitra sady mbola tsy nitapo t@ le 1 tsy azo elana atr@ zao fa refa misaina za de aleoko ihany malagasy no tadiavina voalohany :-D :-D ny tena marina kalo de olona ho tiavina no tadiaviko zay vo ho vadina fa tsy oe vadivadina @ zao fotsiny :-D :-D ato nga misy dating agency( agence matrimoniale) sa iza no afaka manampy anah eto fa mila tosika kely :-P
56. brado ( 15/07/2008 13:13)
Ra ny tena izy marina anie de misy fetra daolo ny taona tokony hanambadiana e ra amiko zao ny lehilahy tsy tokony hiotra ny 30 taona ary ny vehivavy 25 taona. Fa ra vao mihoatra ireo de lasa taraiky ny mahazo aza efa tsy de milamina intsony; izany hoe efa tsy ilay noeritreretiny ho tokony vadina intsony no lasa vadiny fa zay manaiky azy fotsiny.Aza manambady taraiky fotsiny fa sao taraiky ny famelomana ny zanaka.Ny tena efa retirety nefa ny zanaka mbola kely de lasa tsy tonga hatramin'ny farany akory ny fianaran-jaza. Fa refa vonona de aleo atao.
57. Rasiligaoma ( 15/07/2008 13:50)
mahita amin\'ny manodidina e
58. tess ( 15/07/2008 15:20)
nôty: sao de fatra pifidy sy be kritera aza :wink: :^) :-D
59. naughtyboy ( 15/07/2008 16:01)
ie zay ko klo marina ihany fa efa miova ny fomba fijery kah :-D :-D :wink:
tess > ny kritera 1 tsy alako de zao, za mitady oul tiana sy hotiavina kalo zay vao ho hita ra azo vadina na tsia mety v zany :-P :lol:
60. tess ( 15/07/2008 16:35)
:^) draisssss enjana iany enao ty kay ka! kritera reh ity.... :-D

laingako zany fa mahaiza mifidy tsara e! :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2933