Ahoana no fijerinareo ilay fiteny hoe lany zara

1. ni81 ( 11/07/2008 06:29)
Rehefa misy vehivavy tsy manambady, nefa efa somary dila ny fotoana hanamabadiany dia nolazain'ny fiaraha-monina fa hoe lany zara :roll: . Ny sasany anefa mety ho safidiny no tsy nanambadiany satria efa nisy ratram-po nahazo azy ka matahotra izy dia tsy te hiverina @ zay intsony. Samia mba mitondra ny heviny ny tsirairay.
novalian'i Endrika3 ny 27/04/2017 11:09
2. tsimati ( 11/07/2008 06:53)
Fiarahamonina tranainy no mitombina ny resaka lany zara. taloha mantsy misy olona kendren'ny fianakiviany ho vadin-janany. Ohatra raha taranak'Andriana dia mila taranak'Andriana mangataka azy koa raha tsisy ny maka azy dia lany zara izy na misy maka aza nefa tratra aoriana ary tsy tao amin'ilay noheverina sisa. Sahalaizay koa raha ohatra ka fihaviana no resahina. Ankehitriny io tsy mitombona satria mifanambady daholo na sinoa ny karana na karana sy afrikanina na afrikanina sy vazaha na maladasy sy komaranina na antitra sy tanora. Tsy lany zara no filaza azy fa izy aza angamba vao mainka nahita ary averin'ny mpiserasera ato hoe nisongona ny hafa.
3. jefra ( 11/07/2008 07:23)
Rehefa lehilahy dia lazaina hoe fatra-pifidy loatra. Dia hoe ny vodintsobika aza manana ny anjarany. Hoe ny lehilahy tsy mba ratsy (Manam-bola ka afaka mividy no marina kokoa raha ny fiaraha-monina fahiny). Ny lahy antitra maka sipakely no be mpiresaka fa ny vaviantitra manao ny ataony any ambadimbadika any tsy misy mpiresaka....

Marina fa mety safidy, fa TENA misy ihany koa ny fanantenana tsy tanteraka noho ny antony maro (na ho an'ny lahy na vavy).
4. tsanga ( 11/07/2008 12:45)
ny fiainan ny iray tapoa aminy koa de mety tsy hanambadiany na ny fiarahamonina hiainany mihintsy e
5. xxx ( 11/07/2008 14:09)
ni81:

Rehefa misy vehivavy tsy manambady, nefa efa somary dila ny fotoana hanamabadiany dia nolazain'ny fiaraha-monina fa hoe lany zara :roll: . Ny sasany anefa mety ho safidiny no tsy nanambadiany satria efa nisy ratram-po nahazo azy ka matahotra izy dia tsy te hiverina @ zay intsony. Samia mba mitondra ny heviny ny tsirairay.


Amiko dia tsotra fotsiny, mety sarotiny koa ilay olona fa be kôndisiô @ fiainana.
Mila itsy, tsy tia iroa, mitady ny toa izao sy izao dia eo no mipetraka ny olana rehetra. Ny fanambadiana na ny fitiavana anie ka tsy voatery ho olona mitovy foana e! Mampanan-karena ny tsy vitoviana. @ lafiny maro fatsy voatery ho vola akory.
6. Rafahafahana ( 11/07/2008 14:52)
Ny fanambadiana koa anie ka anjara é.
Tsy tsara ny nitsara ny hafa fa hevitra tranainy be ny hoe lany zara.
Satria mety ny tsy fanambadiana no anjarany.
7. Belami ( 11/07/2008 16:05)
"Lany zara", fitsarana fiainan'olona io teny io.
Raha ny safidiny olona tsirairay dia samy mi tapôlaka en couple daholo. Matoa ilay olona tsy manambady dia tsy tapakevitra izy na tsy mahita izay safidiny , izany hoe safidy izany io tsy manambady io na efa mandroso taona aza.

Efa fisainana tara be io fitsaratsarana olona io raha ny fandraisako azy amizao vanoin andro hiainatsika izao.
8. tess ( 11/07/2008 16:09)
tsy basin'arifito ihany ve ny hoe lany zara e! tsy takan'ny mahantra anefa tsy tian'ny mpanakarena hoy ny filaza azy.....
tsy manana chance amin'ny lafin'ny fitiavana no hiatsoako azy....
9. ni81 ( 11/07/2008 16:49)
"Lany zara", fitsarana fiainan'olona io teny io.
Raha ny safidiny olona tsirairay dia samy mi tapôlaka en couple daholo. Matoa ilay olona tsy manambady dia tsy tapakevitra izy na tsy mahita izay safidiny , izany hoe safidy izany io tsy manambady io na efa mandroso taona aza.

Efa fisainana tara be io fitsaratsarana olona io raha ny fandraisako azy amizao vanoin andro hiainatsika izao.
Marina ireo voalazanao ireo ary tena fitsarana fiainan'olona tokoa nefa mbola mitoetra any amin-tsika, fa ny aty ivelany tsy mivaky loha @ io na efa 60 taona aza ilay vehivavy vao handeha hanambady. :)
Ny lehilahy ange mahazo tombony fa tena afaka mifidy sy mifantina e, fa ny vehivavy dia miandry izay ho tonga eo izay vao mba hoe hisafidy raha misy maromaro. :roll:
10. Belami ( 11/07/2008 17:00)
tess:

basin'arifito



=)) =)) =)) henjana koa zany kle =)) =))
11. tess ( 11/07/2008 17:22)
:wink: :°) ka zany no fiantsoana azy kou! :-D
12. fahamarinana ( 11/07/2008 17:48)
:arrow: tena tonga dia voa hatrany am saina kosa tratra an'izany fiteny zany ry tess kah,tokotrany moa !!! (l)
13. Belami ( 11/07/2008 17:50)
tess : mafonja be le morce nao an !!! =)) =)) =))
14. tess ( 11/07/2008 18:11)
fahamarinana, belami: ka tsy izaho anie no namorona io fa efa henoko hatry ny ela io e! :-D :-D :-D ka io basin'arifito io no handraisako ilay hoe lany zàra tsy misy mpaka vady....hoe hono : tsy tian'ny mpanakarena ary tsy takatry ny mahantra :?
15. mbaliana ( 11/07/2008 18:24)
tess > fa tsy afaka mifidy kosa zany ny basin'arifito...ka hiaraka amin'ny tsy tiany ary ve? ...matoa tsy miditra ny mpanankarena dia tsy tian'ilay mpanankarena izy zany .. matoa izy tsy miditra amin'ilay mahantra dia tsy tiany ilay mahantra
ny mivady anie tsy maintsy olona roa e: rehefa tsy misy ve ny azo ifanarahana tsy aleo irery toa izay hijaly ao anaty ny fanambadiana???? tsy voatery ny iray ihany no hiaritra fa tokony samy handefitra daholo
16. mbaliana ( 11/07/2008 18:24)
na koa samy hanao effort ny andaniny roa
17. tess ( 11/07/2008 18:30)
mbaliana: ka ilay resaka hoe efa mpivady indray hafa mitsy fa ilay hoe tsy manambady hono e! hoe inona no hevitry ny teny hoe lany zara...???
dia hoy aho hoe mitovy amilay hoe basin'arifito ihany no fahalalako azy....
fomba fiteny fotsiny io....fa amiko miakina am ilay olona tsy manambady mihintsy no mahatonga azy hanambady na tsia am taonany....
fa raha resaka hoe efa mpivady indray, raha iray foana kosa no handefitra eo de efa nipitsika elabe zà knouç reciprok ny retra refa mpivady :wink: :°)
amiko aloha e! tsy misy tokony hi domine izany fa fifanarahantsaina sy ffifanarahantoetra no zava-dehibe....
marina mitsy, vô mieu etre seul(e) ke mal akompagner....HIJALY Fotriny eo ve???? irery enao afaka manao zé tina mitsiny.... :-P
18. mbaliana ( 11/07/2008 19:17)
tess> ny mivady .. fa tsy hoe ny mpivady .. ny tena izy ary dia hoe ny hivady.. alohan'ny hivadiana dia miaraka aloha le olona 2 dia hitan'ny 1x1 hoe mety amiko ity olona ity na tsy mety... fa na mbola eo amin'ny fiarahana fotsiny aza ange dia efa hita le hoe mila ny fandeferana dia mila ny fanaovana effort :°)
19. endrika01 ( 11/07/2008 19:32)
Amiko ndray ny fandraisako an le we lany ZARA,de le vhv be sipa be ireny,niarahany matory avy na mpanana na mahantra nefa tsisy iray naka vady azy.Donc lany no-zara-ina lay fika be(lany Zara)fa ny vhv tsy nizarazara nefa efa mihoatra ny taona,tsy hitako zay mahalany zara azy,reny aza no tena be anjara,ny entana tsy nozarazaraina,ny hoenti-miatrika ny hoavy efa misy eo an-tanana ny fahamatorana manginy fotsiny.Ka iza no milaza fa lany zara izy ireny?Raha we egoiste de mbô nekeko kely ihany,hi hi:-P
20. ni81 ( 11/07/2008 19:48)
tsy tian'ny mpanakarena ary tsy takatry ny mahantra
Ny fahazoako ilay hoe basin'ariary fito dia izao: ilay oul be haingitraingitra be nefa tsy dia manam-pahaizana aharaka ilay mpanankarena akory (tsy à la hauteur), ary raha @ lay mahantra indray dia tsy ho sahy hiditra io fa tsy ahavidy ny fijejojejoany rehetra sady tsy ho tian'ilay vehivavy koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4181