saika mba hanontany fa ...

1. angotiko ( 02/07/2008 17:16)
miarahaba!!!
saika mba hanontany noho ny tsy fahalalana
hono wa ny OP ve tompoko mba misy fitsipika mifehy sa tsia sa dia manao zay tiany atao
ohatra rehefa tsy titina d banniavana na atao sarotra be vao tafiditra dia rehefa tiana atao voice d atao d rehefa tsy tiana d asaina miditra any amin'ny login, rehefa tiana aidiny d ahidina, tsy izaho irery no manamarika io fa maromaro zahay,
manaiky aho raha toa ka miteny ratsy na manao zavatra tsy azo atao d daka na banniavana na sazina, fa olona miresaka sy manala aza ny atao dia sakatsakanana na ampijaliana be vao tafiditra, maro no voan'zany ka zay no mahatonga ahy manontany we mba misy fitsipika mifehy ve ny OP, fanontaniaan ny ahy iny
hiresaka sy hanala azy mantsy no aleha eo fa raha toa fahasarotapiaro no itondrana azy dia tsy haiko fa tokony ho ampiriminy any ny azy, fa tsy we OP d satri resahan'ny olona zay tsy haiko any d zay olona miresaka iny d gafigafina, fa ny olona rehetra tonga eo dia tokony azo resahina daholo,
amiko zay rehetra miditra eo eo d azo resahina daholo, resaka viritoraly ny eto fa aza d entientipo d gafigafina daholo ry OP iray zay
novalian'i Angie ny 19/08/2008 15:19
2. tess ( 02/07/2008 17:38)
fa angaha tena misy resaka hasarota-piaro be izany any am karajia
soa fa tsy mpande karajia :-D :^)
3. sipagasy ( 02/07/2008 17:50)
mmhhh fa nisy inona hono e!!!

misy fitsipika arahina izahay kann, tsy manao izay tiana atao kosa e!!!

azavao hoe ilay olana fa tara triiiiinnn injay e!!!!!
4. ainaheri ( 02/07/2008 18:01)
Tairo ny ankamoaka zany ee,lol ,avoahy ry angotiko fa eto enao tsy sahirana zany tafiditra ka hihihi
5. sipagasy ( 02/07/2008 18:13)
hihih ainahery tia raha hhmmmmm
6. ainaheri ( 02/07/2008 18:29)
sipagasy lol,nan za mba tia mangarahara zany ee :lol: :wink:
7. hery ( 02/07/2008 18:34)
angotiko> Mba alefaso aty amiko hoe inona marina ny olana?

Momba ny resaka voice lasa devoice dia tsy olana avy aty aminay fa olana teknika. Toa indraindray tehiriziny, dia rehefa kelikely dia avotsony. Misy koa ny ps enregistré no ataony an'izany.
Angamba hianona amin'i botlives ihany isika amin'ny resaka voice fa manjary ohatra ny hoe miangatra amin'ilay resaka voice automatique.
8. diamondra27 ( 02/07/2008 19:18)
angotiko: ntsooonale le sely keliko efa nijaly vao tafa androany e!
ka tam za tany dago iny koa aza ange tsy hay mihintsy fa we bani nefa tsy naninona akory fa ny lafiny teknika mihintsy no misy tsy mety raha ny fahalalako azy

de ahoana ihany no nahatafa andy teo iny tokoa fa sao de mahazo anay indray andro any di tsara mba fantatra we zao no atao>

iza ndray no saropiaro amindry any aloha fa tsssssss



:-* :-* :-* :-* kiss mamy be aloha e
9. hery ( 02/07/2008 20:19)
Momba ny resaka banni indray dia izao.

Mety tsy ny serasera no misakana fa ny Epiknet mihitsy. Raha vao misy connexion telo dia tsy tafiditra intsony ny fahaefatra. Izany hoe raha ao anaty cybercafé misy mpichat 3 samy mi-chat dia ny fahaefatra eo tsy tafiditra intsony fa banni-n'ny Epiknet.

10. angotiko ( 03/07/2008 04:47)
misaotra anareo namaly e, fa zao tsy fantatrareo itapoko eo ny adalany, ary rehefa maraina sy atoandro no tena miseho io zavatra io, ary tsy izaho irery io fa izay miresaka amin'lay olona mahasaropiaro azy io, misy namana iray zay mou d banniavany lava zao fa soa fa nisy namana op ray zay no mpanala azy, nefa d zao ndray le mpanala banni anay io toa efa tsy op tsony ndray???

hery hosoratako tokoa any aminao mou zany we inona le izy, d omiko anao soamatsara ny anarany, sy le olona banniavana lava

fa ny tena antony d zao, misy tsy mahataty zahay le mifanala ohatrany manao film manala azy we vadiko sy ny zanakay sy ny sisa... zany no misy tsy mahatataty, zay tsy miteny ratsy na manala baraka olona fa d manala azy sy miala voly no ataonay

ainaheri: za koa ty mangarahara ka, saingy voarara ny manonona anaran'olona d hajaiko zany fitsipika zany

diamondra27 bisou njy

tess hihihi zany ve
11. ainaheri ( 03/07/2008 05:06)
Ahitan-draha ané io karajia io ee hahahahahaha Reveo milamina ihany :lol:
12. Naniie ( 03/07/2008 05:43)
Miarahaba antsika rehetra,

Misaotra an'i angotiko nanokatra ny hevitra.
Mba hiteny kely kou ny tenako satria anisan'ny nahita sy naharaka ny tantara rehetra. Am zao aloha zany dia fantatra daholo ny anaran'ireo OP rehetra, defa azo an tsaina iany ireo izay migafy sy manapatra amin'ny fahefana kely mba ananany, ny karajia efa ra ny fahalalako azy dia misokatra ho an'ny oul rehetra, ary kou malalaka ny resaka tokony hatao ao, akoatra ny teny ratsy sy ny karazany reehtra, koa mba te hanontany aho oe tafiditra anatin'ny lalàna mifehy ny op ve oe refa ts titiko le oul dia gafiana, ts atao tafiditra mits, banevana sns, za manokana raprez dia milaza fa mis namana tsy any am cyber nefa d vao am 8 maraina defa bani. Misaotra tompoko
13. Ralay ( 03/07/2008 06:05)
Ny OP dia tsy natao higafy ny mpikarajia fa natao handamina sy handrindra azy. Misy ireo antony izay efa nosoritanareo teo ambony ireo handakana na hanaovana banni ny mpikarajia iray. Na resaka manokana(privé)aza no tsy hifanarana @ mpikarajia iray dia tsy tokony ho dakana na "banni"_avana izy rehefa manaja sy manaraka ny fitsipika eo @ resaka daholobe(public).
Tsy ekena koa anefa raha ny mpikarajia efa nampitandremana ka raha mbola mamerina dia ho banni avy hatrany. Tsy hoe androany aho ho hendry dia rampitso aho haditra kely
angotiko>Efa eo ampelatanan'ny tompn'andraikitra izany ny momba io voalazanao io ka mino aho fa hahazo fanazava @izany ianao. :lol:
14. mihanta ( 03/07/2008 07:29)
miarahaba ny rehetra!

saika mba hanontany noho ny tsy fahalalana
hono wa ny OP ve tompoko mba misy fitsipika mifehy sa tsia sa dia manao zay tiany atao
ohatra rehefa tsy titina d banniavana na atao sarotra be vao tafiditra dia rehefa tiana atao voice d atao d rehefa tsy tiana d asaina miditra any amin'ny login, rehefa tiana aidiny d ahidina, tsy izaho irery no manamarika io fa maromaro zahay,


iaraha mahalala fa manana fitsipika mifehy azy tokoa ny op.mbola tsy nisy anefa ny lalana milaza fa halako bika tsy tiako tarehy i X ka hande ho gafiako.(ankoatra angaha hoe niditra am pseudo mamoafady)na ps maka pseudo an'ny oul efa enregistré ka avy hatrany dia dakan'i Ocean ka dia hanano sarotra avy hatrany ny fidirana ao.
misy foana koa ny fampitandremana ho an'izay tsy manara dalana fa refa hita fa tsy laitra anarina dia maka rivotra kely any am maison de repos aloha.

raha misy zavatra tsy mazava dia aza misalasala manontany.
tsy d naharaka loatra ny zava nisy fa dia soa foana ny fiarahana.


15. hery ( 03/07/2008 07:57)

Naniie> Mba lazao any amiko hoe iza izany dia oviana? Mbola tsy nanoratra mantsy i angotiko

Dia izao no tiako hazava:

1. Misy archives izay azonay hanamarinana hoe iza no banni dia iza no nisakana azy ary inona no antony. Koa raha fantatra ilay olona banni dia azo arahina tsara hoe iza no nisakana azy ary inona no antony.

2. Ny OP dia tsy mi-banni fahatany izany fa tsy maintsy misy antony, izay mety tsy mazava raha tsy hazavaina. Noho izany dia tsy mety ny tonga dia manome tsiny ny OP fa mila manontany ny antony aloha. Olona manana ny asany sy manampy ny serasera ireo OP ireo fa tsy misy voninahitra sy karama akory. Izay OP mitetitetika voninahitra dia tsy ampidirina ho OP mihitsy :-p

3. Tandremo ihany ny mihaino feon-dakolosy tokana fa sao mitondra fitsarana (préjugés) hafahafa ho anareo. Raha misy olona banni izany dia efa nitaraina taty aminay fa matoa izy tsy mitaraina fa manaparitaka ny problem-ny dia mety manana intention hafahafa (ohatra hoe fankahalana OP na fialonana sns). Ny ankamaroan'ny olona banni izay mataraina aty dia voavaha daholo ny olana.

16. Angie ( 03/07/2008 08:35)
slt daholo,

tsy hamerina ny efa voalaza eo ambony, fa raha izaho manokana aloha dia anisan'ireo zay mandaka ampifaliana na ny akama aza refa manao ny tsy mety, ary tena tsy mihafahafa manoro sy manazava ny antony refa misy ilana izany.
matetika resaka ps sy fomba fiteny no mahavoadaka fa zany hasarotapiaro zany alou mbola tsy tazako.

aleo marihiko fa tsy misy mandray vola eto fa io mantsy no matetika mampiasa saina ny maro ka sao hoe mandaka na mi bann dia be ny sosy azo.

tsy mora koa ny manao op fa heverin sasany fa grade, raha ho ahy manokana dia service io ary ataoko ampifaliana, raha misy tsy mety ataoko aloha njay2 (tsy mamaly pv ohatra) dia ialako tsiny. fa raha olona nanontany info momba ny tsaty sns mbola tsy nanda zah raha tsy we be asa be angamba.

mirary tsaty milay foana

17. diamondra27 ( 03/07/2008 09:45)
angotiko: efa reserver ve aloha le ps-ndry fa hitako mivadika anonyme foana ange akia le izy refa miditra ndry e
ka sao dia misy mampiasa rehefa tsy eo indry

tokony lazaindry eto fa tsy any amin'ny cyber ndry am 8h maraina fa chuuuut (alazako amin'ny nenitoanay hiii)

haahaha

:-* :-* :-*
tsy afaka manala azy tanteraka intsony zany fa bani foana , tsssssssss mba mahafinaritra anefa le misangisangy manao theatre kely ao am karajia, adalan'izay mandray ampo ao io koa

aza bani-na zany kosa fa mba lazao le epiknet mba tsy hi bani fahatany tsony e :lol:
18. diamondra27 ( 03/07/2008 09:50)
ary i Fa sy lanto zao mbola tsy niditra sa mbola vacances hiiii

:wink:
19. bogosse ( 03/07/2008 11:27)
Amiko ny karajia dia natao ifampiresahan'ny tsirairay na ifanankalozana zay mahasoa sy zay tsy mahasoa iany koa, ao iany koa rehefa mba vizana ny asa dia mba manala azy kely eto ary lasa virus mintsy ary le izy zany hoe tsy mahazo aina raha tsy mitsidika ny akama rehetra. Mampalahelo anefa ny ataon'ny OP sasany fa marina tokoa rehefa tsy tiana dia bani avy hatrany ny mpikarajia sasany, ary ny tenako izao mintsy no naitana an'zany fa tsy angano na honohono le izy fa tena marina tokoa satria fony za mbola halfop de gaga sy talanjona nahita ny namana anankiray izay somary tapaka ny connexion dia refa niditra indray izy de tsy tafiditra intsony. Voatery za namaha le bani satria tsy misy zavatra ratsy nataony tao am salon. Koa miangavy antsika OP rehetra alohan'ny anaovana bani olona anakiray de resaho aloha izy mba ho fantany ny fahadisoana ataony fa tsy fankahalana be fahantany no ampiarina. Samy malagasy isika ary fifanalana no atao rehefa tsy mahatanty resaho aloha le olona. Dia mirary karajia milay be foana eh. Tsika ndray cool na inona na inona mitranga eo fa asakask zay tsy tia.
20. ainaheri ( 03/07/2008 11:28)
Marina kou ny an'i diam's zay sao misy misotasota mampiasa ny ps-nao ra mbola tsy reserver....Ra za otranao ,manao reservation dian'ny zao,raha mbbola tsy natao :lol: :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0847