Mila fanazavana passeport !

1. catalyn ( 25/06/2008 15:53)
Miarahaba tompoko!
Mba mangataka fanazavana kely azafady: izaho vao telo taona no teto ary hamonjy raharahan-jokiko any dago, manana passeport gasy aho valable jusqu'à 2015 ary titre de sejour. Ahoana ny fidirana sy fivoana aty Frantsa sy Dago raha ireo ny taratasy ananako. Efa notsidihako ny valan-dresaka momba ilay passeport sy ny tariny etsy ambany fa tsy misy mahavaly ny fanontaniako, izaho mbola tsy manana passeport vazaha.
Mba te hanontany koa ho an'ireo izay efa mivezivezy matetika; satria raharaha no andeha hovonjena ka mba maniry ny te hitondra Champagne aho satria lafo loatra ny any Dago ka asa na mety dia firy no azo hoentina au maximum; mbola azo atao koa ve ny mividy eny @ sous-douane ka atao bagage à main. Dia ahoana koa rehefa tonga eny Ivato??? Fanontaniana ihany ny ahy, aleo manko manontanitany foana toy izay manaonao foana. Misaotra mialoha ho an'izay mamaly antso. :?: :?:
2. tess ( 25/06/2008 16:10)
raha valable ny rehetra tsy misy olana ka!
aleo aza mandeha am pasiapaoro gasy tsy mila mandoha visa ianao izany....
ento ihany ny tts pitsopitsony izay tokony ilaina rehetra fa ndraindray ny ao ivato mila vaniny dia tsy avelany miverina tsony...fa ny fivoahana ao paris no tsy misy olana raha en ordre tsara ny rehetra.....
3. xxx ( 25/06/2008 16:35)
mmhhh dia hatakalonao ranom-bazaha veh ny champagne MAROMBY vita MALAGASY e! indrisy mantsy! mampalahelo ny mpanao valalan'amboa e!
4. Veloo ( 25/06/2008 16:42)
ny an-ndry xxx ko ka efa oe lafo hono any dago ko...
5. fahamarinana ( 25/06/2008 16:50)
:arrow: raha tsy manana pass vazaha dia gasy zany no entina,tsy misy visa aloha araka ny voalazan'ny tess io ary tsy adino ny carte de séjour satria takiana iny rehefa mody ao roissy na orly izay hidiranao ao paris...
Par contre ilay lazain'ny namana hoe efa bio no miasa no tsy fantatro ndray hoe pass il y a 3 ans ve mila maka ilay lazain'ny diam's iny hoe laisser-passer ? Tsara raha manontany ao am ambassade mba ahazo valiny sur sy hamplamin-tsaina.(l)
http://www.ambassade-madagascar.fr/
6. diamondra27 ( 25/06/2008 16:57)
mbola am dec iny vaotapitra fa a partir ny janvier de bio doly no mande
donk tsy maintsy avadika bio zany le pasy na de valable aza
anontanio ange wa ny ambassade e

zahay eto manoro hevitra fa aleo enao mihintsy manontany milaza ny cas-nao

7. tess ( 25/06/2008 17:19)
catalyn: ka efa nata oresa-be atsy io fisavàna entana io ka rha hitondra champagne maro maro izany dia aleo de mivonona dieny izao izany manome tsolotra ny mpisava entana ao ivato dia mandeha ho azy e! :P 8)
misy ny manao hoe omena 10 euro misy ny manao ho gel douche...dia inona koa mo ry diam?????? :-D

fa serieux: ataovy mazava ny resaka amzany champagne bdb entina hanaovana fety izany fa raha ilandry zareo vanona ao ivato tsy te hahalala izay resaka fety any izy fa lazainy fa ho hamidy ihany no fatandry zareo :-D :-D :-D

mbola azo atao koa ve ny mividy eny @ sous-douane

tsy haiko alou fa tamzà tany toa ao ma hilton aho afaka mividy fa mila manana mampiseo pasipaoro fa tsy haiko na pasipaoro gasy koa ve mety hividianana azy....
8. ni81 ( 25/06/2008 17:29)
Mba te hanontany koa ho an'ireo izay efa mivezivezy matetika; satria raharaha no andeha hovonjena ka mba maniry ny te hitondra Champagne aho satria lafo loatra ny any Dago ka asa na mety dia firy no azo hoentina au maximum; mbola azo atao koa ve ny mividy eny @ sous-douane ka atao bagage à main
Tandremo fa tena tsy azo atao bagage à main ny zavatra anaty tavoahangy. Na dia rano tsotra ho sotroinao aza dia tsy azo mihitsy. Omeny sachet kely izay dia lazainy izay azo atao ao; ny sisa tsy maintsy atao any @ soute daholo (raha tsy hoe fanafody ho sotroina @ fotoana maha eny ambony avion angaha, nefa takiany-dreo koa ny ordonnance an).
9. fahamarinana ( 25/06/2008 17:34)
:arrow: Mety ho tsara ny maromby fa samy manana ny tiany vidina kosa kouh...,za aloha mbola tsy nanandrana an'izay ka tsy haiko na ho tiako na tsia,par contre ny divay dia misy tena tsara kah. (l)
catalyn:
mbola azo atao koa ve ny mividy eny @ sous-douane ka atao bagage à main

:arrow: Ny fahalalako azy dia ny droit-nao dia izay na hividy ao amin'ny sous-douane,na eny ambony avion rehefa misokatra ilay duty free na vidina vimbinina aty ivelany.Ny difference fontsiny dia raha vidina aty ivelany dia voakoty mbanin'ny lanjany : somary be lanja ihany ireny tavoangy ireny an,nefa raha ao anatiny dia sachet hafa en plus.Tam 2005 ,whisky 2 tavoahangy no droit-ko ka tsy haiko na mbola toy izay koa izao aloha,tsy aleo hanontaniana ny compagnie handehananao aloha pour etre sure...
sinon mividy amin'ny duty free any dago araka ny lazain'ny tess io koa solution,efa betsaka hono zao any dia aloha euro,fa ny tsy haiko hoe satria pass vazaha dia afaka nividy aho fa raha pass gasy manakory sa mitovy foana ihany ny fandraisanjareo azy ?? (l)
10. ni81 ( 25/06/2008 17:37)
Fanampin'ny fanazavana nomeko etsy ambony ity.
http://www.avion-cabine-bagage-a-main-interdiction.fr/
11. sipagasy ( 25/06/2008 18:36)
izaho farany teo dia tany dago no nividy teny Antanimena tsy alavitra an'i villa vanille io misy mpivarotra afaka haba/hetra, dia aloha @ vola euro, fa marihiko fa tavoahangy 2 mandritry ny fotoana hijanonanao any no azonao vidiana. Ny ttsy notakiana tamiko dia ny 'billet-retour' sy ny passeport-ko.

Manaova fety sambatra izany e!
12. tess ( 25/06/2008 18:42)
oui! izay indrindra ry sipagasy fa ao am hilton koa misy....
fa tsy haiko hoe pasipaoro gasy sy vazà mety dool mino kosa aho fa misy anlay tiket d'avion de retour iny dia mety .....
13. tess ( 25/06/2008 18:44)
marina tokotrany payer en euro ilay izy de tsy mandray madinika ry zareo na mamerina am euro fa averiny vola gasy.....raha vola vaventy
izany hoe maka roa any am lay lazain'i sipagasy io izany ianao roa tavoahangy dia mande hilton mameno izay tsy ampy fa ao am hilton toa tsy misy fetrany ny tokony ho vidina.....
14. fahamarinana ( 25/06/2008 18:46)
:arrow: tess :ka tsy hay ntsony koa any dago fa miovaova foana tsinona...tao antanimena koa no nividy ho an'olona aho satria tsy nahazaka betsaka sady tsy dia misy difference be anie ny prix koa e..za moa tsy mpividy loatra na aty aza ka asa anefa sao miteniteny foana eto. (l)
15. tess ( 25/06/2008 18:50)
fahamarinana: ka i sipagasy anie vao haingana no tany e! de zà tam eritaona mino aho fa tsy mbola niova ny tao am hilton ka!
tsy haiko fa misy manao afera mitsiny ireny taovahangy alcool ireny tamzà tany de zà nande hilton de tsy tratran'ny arnak ndry zareo hihihihi
16. fahamarinana ( 25/06/2008 19:00)
:arrow: ka aleo tokoa mandeha toerana mba connus fa tsy hay be ihany zay miandry. (l)
17. sipagasy ( 25/06/2008 19:08)
ka tavoahangy 2 ihany hoy aho mandritry ny séjour, fa sao tsy mifankahazo resaka isika an...ary ny ahy passeport malagasy kann... ilaina aseho ny billet retour ary iny no asiany famantarana fa hoe nividy entana tao ianao, noho izany tsy ho afaka ny hividy any an-kafa intsony.
18. booboo ( 25/06/2008 19:16)
Momba ny resaka truc alcool tavoahangy 2 ihany no azo entina dia tsy maintsy mankany @ soute ( ankoatra zay vidina eny ambony avion, na eny @ sous-douane ).

Raha any Dago indray vao mividy ( araka tenin'i Sipagasy ) dia tavoahangy 2 / olona ihany kounkou no afaka vidiana ( zà teny @ Sofitrans no nividy ) dia ny billets aller-retour + passeport no takian-dreo. Lafo chien mort fa 22 euros, 28 euros ary 34 euros no hitako tao ( t@ volana May teo ).

bôny voyage e
19. tess ( 25/06/2008 19:18)
ah ok! tsy misy fika izany fa de roa ihany no azo vidina amin'io.....mitondrà ihany avy aty izany raha tsy ahazoana olana fa afitsok'ireo police vazà ny tavoahangy raha hatao bagage à main
20. diamondra27 ( 25/06/2008 22:00)
catalyn manorata aaty amiko raha mila tosika amin io resaka famoahana entana io, na hiditra dago na hivoaka

mila miresaka tsara hoy aho

omeko anao ny contact sy ny sopapa de ze ifanarahanareo any, fa tsy amkitenitny io an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5687