Mila fanazavana passeport !

21. ds ( 25/06/2008 22:22)
Ilay fividianana zavatra afaka haba ao amin'ny Sofitrans Antanimena no tiako soritana :
Ny fetra dia isan-kerinandro fa tsy mandritra ny fotoana andalovana akory. Nandramako io (aogositra 2007 sy avrily 2008 ) ary tsy mena-mitaha amin'ny any ivelany.
Mila manana taratasy manaporofo fa mandalo (mitsidika) fa tsy mipetraka ao Dago. Azo ampiasaina na Credit card na € na $.
22. diamondra27 ( 25/06/2008 22:38)
eny ambony avion koa ange toa azo ividianana champagne e
refa tonga ambony avion de anontanio nu steward sy ny hotesse we firy no vidianao

tena manao annone mitsy le pilote we afaka mividy toaka ny mpandeha sy sokola koa izy zay

23. Papoose ( 25/06/2008 22:47)
milay zany @zay tsy sahirana mbola hanakalo vola sy tsy hivimbinana cash betsaka!
24. Papoose ( 25/06/2008 22:50)
ary sao de mba misy mahafantatra hoe hafiriana ny procedure ny fanovana anílay passport tsotra ho biometric?
25. Bola ( 26/06/2008 01:45)
Ity fanampiny fotsiny aloha fa sao dia tratra ny nahazo olona iray taty...
Ny titre de sejour frantsay ve mamela miverina miditra ao Frantsa sa mila visa...Sa moa izany efa carte de sejour izay titre de sejour...
Tsy mahay izay any aho fa aty izany na manana permis de travail, na permis d etudes dia mila mangataka visa vao miala eto satria tsy mahatafiditra miverina eto Canada raha ilay taratasy droit de travail na etude iny fotsiny. Ny visa nefa mila ivelan ny firenena no atao dia izay mipetraka eto manao demande visa any USA. Ka fiahina fotsiny ny ahy hoe ataovy azo antoka fa mi permettre re entree ilay titre nao fa sao dia izay vao tsy tafavaoka indray!

Ilay pasipaoro vaovao raha hitan dreo ny billet nao dia ataony vita alohan io. izay no reko fa misy aza une semaine dia vita.

Dia ao @ ilay fanontaniana napetrako koa efa nisy nilaza fa volana Aout hono tonga ao Paris ny masinina ka efa azo atao ao Frantsa ny pasipaoro.
Dia ny olona tao @ interieur nilaza tamiko hoe izay rehetra mivaoka Madagascar izao hono mila ilay pasipaoro vaovao daholo fa ny miditra mbola OK ilay taloha. Dia io no tsy mety azoko satria inona fotsiny no dikan ilay hoe hatramin ny decembre ny validite.

izay fa mirary soa @ atao rehetra dia ho tomombana izay kasaina rehetra, ho tsara mandroso sy tsara miverina.
26. fahamarinana ( 26/06/2008 09:25)
:arrow: raha pass gasy tokoa ry reto ,raha manana carte de sejour ara-dalana eto frantsa ,toa mila visa de sortie du territoire alaina any am prefecture ,taloha io fa anontanio ihany sao misy olana rehefa mody...tsy fantatro na ohatrizay daholo ny procedures na efa niova dia tsy misy ntsony.. (l)
27. diamondra27 ( 26/06/2008 09:59)
Papoose:

ary sao de mba misy mahafantatra hoe hafiriana ny procedure ny fanovana anílay passport tsotra ho biometric?



------------------------------

raha complet ny dossiers de miandry 2h de vita na 3h
raha miteny we miverena rahampitso de mila sosy izy zany donk maika ve enao sa tsia , raha maika de omeo sosy izy de miandry ora vitsy de vita ny atao

28. jefra ( 26/06/2008 11:05)
diamondra27> Somary HS fa azafady : Hay mbola misy resaka sosy foana na eny am douane na any am fanaovana pasipaoro :} Noheveriko efa nilaozan'ny toetr'andro. :evil: :evil:
29. diamondra27 ( 26/06/2008 13:35)
jefra: reo nga afaka amin'zany fa samy manao izay hihinanany daholo le olona e

za koa ary mba nanantena we tsy misy tsony zany fa enjehana ze manaoizany nefa mbola manao copie conforme eny am firaisana koa de mbola mila sosy
maka fiche eny tsimbazaza ambaraky ny efa misy soratra we tsy andoavambola ny fakana fiche mbola haindry zalahy ihany ny mitazona sy manaela ny fakanao azy de ny fiafarany tsy maintsy manome e, raha tsy zany de mande any am province enao maka ny fiche-nao (fiche mere io izany an)

voila

saika nanao casquette biancoza( we miala any ny bianco hiiiii ) fa sao de manjary ny fianakaviako ndray no misy blem fa za moa mandalo fotsiny :-D :-D :-D
30. catalyn ( 26/06/2008 21:33)
Misaotra betsaka ho an'ireo izay namaly ny antso fa misy tokoa hisaintsainana izay azo atao. Nefa mbola manontany ihany aho momba ilay alcool vidina etsy @ sous_douane. Ny henoko mantsy dia azo atao ny mividy eny fa Sceler-ny ny entana ary iny no porofo fa tsy misy ahiahiana fa novidiana tao @ aéroport ary azo entina miaraka aminao ohatrany baggage à main.Any @ zone d'embarquement mantsy dia feno ny magazay azo hividianana Alcool, parfums.....sns, dia ahoana fotsiny raha te hividy voan-dalana ao nefa ny entana efa enregisté ary efa lasa any @ soute. dia atao ahoana fotsiny ireo entana novidiana sous-douana raha tsy azo atao baggage à main??? Fantatro tsara ny lalàna t'après attentat ireny fa tsy azo atao intsony ny mitondra ranonjavatra na lokomena aza any anaty sac à main.Mba précision no tiako hanontaniana ho an'ireo izay nividy ranon-javatra teny sous-douane taorian'ny fivoahan'ny lalàna vaovao io.
Misaotra mialoha!
31. sipagasy ( 26/06/2008 21:59)
mahazo mividy fa tsy afaka mitondra maro :) misy fetrany ny isan'ny entana azonao vidiana ao.
32. ds ( 27/06/2008 11:39)
fahamarinana:

:arrow: raha pass gasy tokoa ry reto ,raha manana carte de sejour ara-dalana eto frantsa ,toa mila visa de sortie du territoire alaina any am prefecture ,taloha io fa anontanio ihany sao misy olana rehefa mody...tsy fantatro na ohatrizay daholo ny procedures na efa niova dia tsy misy ntsony.. (l)

Rehefa manana taratasy ara-dalàna amin'ny toerana iray eo anivon'ny Eoropa, dia naman'ny manana visa schengen. Noho izany afaka mivezivezy ao Eoropa sy ivelany tsy mila taratasy fivoahana sy fidirana ankoatra io taratasy io. Raha miditra ao Soisa indray dia tsy maintsy ampiarahana ny pasipaoro sy ny séjour vao avelany miditra.

33. diamondra27 ( 29/06/2008 22:38)
efa we raha vidina anaty avion na aam magasin mandritra ny transit na le ao am aeroport de tsy mila in fa efa ok

de bagage a main iny sady tsy mila lanjaina intsony sady tsy interdit
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7699