ô rapasy an,oka letsy

1. fijo ( 24/06/2008 19:31)
Fjkm Ambohiborona-Fitiavana
Voadaroka ny mpanao gazety !
mardi 24 juin 2008, par Manou
Imprimer cet article Enregistrer au format PDF envoyer l'article par mail title=

Novalian’ ny mpitantana ny Fjkm Ambohiborona-Fitiavana herisetra ny fitakiana nataon’ny mpino leon’ny toetra nasehon’ny Mpitandrina teny an-toerana tao anatin’ny 2 taona !

Nanenjan-tsandry tamin’ireo mpikambana amin’ny Stk namelatra sora-baventy nanehoana fitakiana teo ivelan’ny fiangonana avy hatrany Ramatoa Mpitandrina sy ny lehiben’ny Diakona niara-dia taminy raha vao nigadona teo an-tokontanim-piangonana. Tsy nisy resaka ihany koa fa nifanenjehany nanaovana herisetra toy io koa ny mpanao gazety nanao ny asa fanangonam-baovao teny tamin’io fotoana io ka potika mbamin’ny fitaovana fakany sary.

Niraraka mihitsy aza ny ompa sy teny ratsy nataon’ireto mpitarika fivavahana ireto nandritra izany, ankoatry ny fisakanany ny tsy hahazoana mamoaka io vaovao io satria tsy nahazoana alàlana tamin’izy tomponandraikitra araky ny voalazany ho lalàna mifehy ny Fjkm...

145 taona vao mihemotra

Miantso fanadihadiana avy any amin’ny Foibe Fjkm ankehitriny ny mpiavaka ao amin’ity fiangonana Ambohiborona-Fitiavana ity ho fanavotana ny fiangonana satria efa latsaky ny antsasaky ny mpino sisa mijanona ao nohon’ny afitsoky ny mpitandrina sy ireo « mpiaraka homana » aminy, hoy ny kristiana sendra anay. « Tsy misy zavatra mandeha ato fa na ny trano aza ity mila hirodana ho azy satria tsy misy fanamboarana nohon’ny tsy fisian’ny firaisan-tsaina » araky ny fitarainan’ireo tsy mankasitraka intsony ny fitondran-dRamatoa Mpitandrina. Nanamafy ny mpikambana ao amin’ny Sampana Tanora Kristiana fa tsy hampitsahatra ny fitakiany raha tsy mahazo valiny mahafa-po mba tsy hahafaty ity fiangonana efa mihanika ny faha-145 taonany ity. Mbola miantso ny rehetra ry zareo amin’ny alahady izao hifamotoana eo an-tokontanim-piangonana Ambohiborona-Fitiavana ihany hanohy ny hetsika.
novalian'i fijo ny 22/07/2008 21:12
2. rabingogilabanga ( 24/06/2008 20:40)
anjaran"ny Birao foiben'ny FJKM no manapaka, sy manasazy

Iza no filohan'ny FJKM
Iza no vice-president ny FJKM

manana piston ry zareo matoa mahasaky

nefa ny piston tadidio fa tsy miasa @ jesosy
3. fijo ( 24/06/2008 21:09)
very izany rapasy le
4. LazaDaddy ( 24/06/2008 22:09)
fijo> misaotra amin'ny vaovao :) aleo misy hivoaka toy izao ho fanairana ireo marobe hafa! Io anie ilay efa naverimberiko fa tsy dia levon'ny vavoniko loatra ny "FFKM" io fa feno politika e.
5. ikaretsaka ( 24/06/2008 23:22)
FJKM io fda tsy FFKm ry LD an :°) na KM aza mba tsara raha hianarana ny manavaka azy :-D

ny hitako probleme iznay dia ilay rafitrea mihitsy no tsy ao fa raha mitory an'i dapasy any dia tsy hahazo rariny raha madio tanana i dapasy an
6. LazaDaddy ( 24/06/2008 23:26)
ikaretsaka> Fantatro fa FJKM io fa ny fambarako matetika dia hoe: " tsy dia levon'ny vavoniko loatra ny "FFKM" io fa feno politika" :evil:
7. ikaretsaka ( 24/06/2008 23:49)
ka inona ny "idiran'ny vitsika @ petrole" eto ary e?

salaka ny resaka ka lambahoany ro aroso hoy ilay prof de fizika tamin'ny 4 eme iny
8. Mandefitra ( 25/06/2008 05:22)
Fanamarihana fotsiny : Ramatoa ilay mpitandrina : nanenjan-tsandry, nanenjika, niteny ratsy ... Tena akoho vavy maneno.
Za ndray miteny mandrakariva fa tsy mendrika ny ho mpitandrina ny olona manao toetra toy izany, manimba ny ondry fa tsy miahy ny ondry.
Tokony mandray fepetra hentitra ny filoham-piangonana manoloana izany, ary tsy sarotsaromana ny ratsy vita satria midika ho firaizana tsikombakomba @ ilay ratsy izany, ka mampihemotra ny ondrin'Andriamanitra.
9. rabingogilabanga ( 25/06/2008 08:28)
ny hevitro dia tsotra:
Tafiditra lalina @ vola sy politika ny FJKM, ary izay no mahatonga an'io,

Keky dia kely ny toeran'ny Jesosy ao @ mpitantana FJKM

prezidan'ny Malagasy rehetra, no lasa vice-president ny FJKM, ary hanka ny 3è mandat ny izy

Ary fantaro fa zavatra kely noho izao aza, dia efa nampikatonan'ny fanjakana ny fiangonana FPVM


Hafatra ho an'ni Mpino: :

Raha marina fa diso ny mpitandrina sy ny diakôna, raha marina hoy aho dia satria feondakolosy tokana no azontsika::

Dia Jesosy ihany no jereo ry mpino havana, miova fiangonana raha azo atao, ary tadidio fa ny sanedriona(Mpitondra fivavahana), ny Fariseo(diakona sy mpandinika lalana), ary pilato sy Heroda(mpitondra politika), no namono an'i Jesosy,

dia i jesosy izay masina sy nijoro nanohitra ny fomba fitantana tsy nety nataon'ny mpitondra tamin'izany andro izany
10. lembelo ( 25/06/2008 08:57)
Izaho koa aloha mailo amin'ny fitantarana toy itony, tsotra loatra raha hoe ny andaniny tsara ary ny ankilany ratsy. Ny mampalahelo ahy dia ny tsy-fahaizan'ny FJKM (izaho dia FJKM fihaviana) - na ny mpitondra na ny vahoaka - mamaha ny olana mitranga, fa raha vao misy zavatra kely dia lasa kidaombaramita ren-tany ren-danitra. Tsy fantatro hoe aiza no misy an'Ambohiborina (ialako tsiny ny tsy-fahaizana Jeografy), na iza no Ramatoa Mpitandrina ao, ary inona ny hoe ratsy nataony tao, fa ny tsapako amin'ny famakiana lahatsoratra dia :
- tsy fomba mendriky ny zana-piangonana izany mamelatra banderole eo an-tokotanim-piangonana izany
- raha miantso ny mpanao gazety hianao dia efa manam-pikasana hanely sy hanaparitaka ny disadisa.
Tianao sy maha-saropiaro anao ny fiangonanao, fiangonan-drazanao ? Fomba hafa entina hanehoanao izany, sy hanompoanao azy.
11. rabingogilabanga ( 25/06/2008 09:35)
- tsy fomba mendriky ny zana-piangonana izany mamelatra banderole eo an-tokotanim-piangonana izany
- raha miantso ny mpanao gazety hianao dia efa manam-pikasana hanely sy hanaparitaka ny disadisa.
Tianao sy maha-saropiaro anao ny fiangonanao, fiangonan-drazanao ? Fomba hafa entina hanehoanao izany, sy hanompoanao azy.


mety ho marina,

fa dia izany ve no hanenjanana sandry, raha tena kristianina marina?

matoaefa tonga t@ izao ry zareo (ny mpamelatra sora-baventy), dia sao kosa ary efa tampindalankaleha?(raha tsy henoin'ny mpitondra ny fitarainanao, inona no hataonao?

Na izany aza, ny paroles ny defense mbola tsy heno, ka asa?

fa toa manankaiky ny marina ny voalaza, satria mpanao gazety, no mitatitra, fa tsy ny andaniny, na ny ankilany
12. ikaretsaka ( 25/06/2008 10:50)
le izy manenjana sandry no tsy mety sy ilay tsy fandraisan'ny foibe andraikitra.
Tsaroako t@ ireny le nisy pretra nanao "sex scandal" ireny tany USA fa vao nivoaka gazety (na marina na tsia) dia betsaka ny naato t@ asany na tonga de nametra -pialana aloha.... mandra-piandry ny fanadihadiana isankarazany.
maninona tsy izany no atao aloha
13. fijo ( 25/06/2008 21:32)
ny tany izany mba avy dia nahatsapa tena de niato letsy,fa taty frantsa anie ka narovana ny pretra nanao ireny e.hany ka rehefa tsy voaharo intsony dia lasan ny eglizy no voasoketa.tadidio le resak amomba an'i pierre ethiene nataoko teto.ary io tsy pretra ihany fa ny talean tsekoly mpitaiza ankizy ireny koa teto feno no nahavita loza tamin'ny ankizy,fa dia nafenin'ny lehibeany .fa nitranga ihany taty aoriana.
fa raha le resaka FJKM aloha dia io rafitra io no itako tsy mety raha marina io vaovao io.
14. ikaretsaka ( 25/06/2008 22:40)
ny betsaka @ fjkm iay atahorako kao dia avy eo dia lasa misintaka ny olona manohana ilay rapasy raha ahato io dia lasa manao ny azy manokana matetika, (jereo ny tao antanin'anandrano)
na lvondron'olona tsy manaiky an-drapasy no handeha hanao ny azy manokana...

dia avy eo nefa ze tsy nahatanty ka nisintaka lasa marary fo ery rehefa voateny heo "sekta"
15. fijo ( 26/06/2008 18:34)
ka io miverina amin'ny le fitaizana e,efa nozarina tsy hisaina le pokona fa hanaraka fotsiny
16. prime ( 27/06/2008 12:03)
Misaotra an'i fijo aloha nampita ny vaovao...

Izaho FJKM ary miaiky fa manana fahalemena goavana izy... raha nahatsikaritra ianareo tato ho ato dia maro ny fiangonana manana olana, raha tsy hiresaka ny momba an'Amparibe famonjena fotsiny aza...

Tokantrano tsy ahahaka nefa rehefa mibaribary kosa ny tsy mety dia rariny raha ambara ary entina amam-bavaka ka ikarohana vahaolana haingana...

Izaho manokana dia efa nahita sy niaina mivantana ny olana toa io tany Ambohiborona io... fa raha ny hevitro dia tsotra, raha azo atao dia tsy tsara ny miady na ny miteny ratsy na manao toetra sy teny tsy mendrika ho ana mpanompon'Andriamanitra na inona tsy mety ataony na inona... fa mitondra ny rehetra kosa eo am-pototry ny hazofijalian'i Kristy... Azy anie io fiangonana io e, ary Izy ihany koa no nifidy ireo olona ireo isan'ambaratongany...

Ny vahaolana koa amiko dia ny fisitahana kely vety2 any amin'ny fiangonana FJKM rahavavy hafa satria mety hanimba fiainam-panahy ny toa izany nefa sady mitolona amam-bavaka ihany koa mba iasan'i Kristy marina... fa rehefa raisin'i Kristy an-tanana izany dia misy vahaolana tsara lavitra hatrany...

Fa tena tsy dia mendrika loatra ilay miady, mikomy, mampiasa serasera goavana sns... fa tena lasa fomban'izao tontolo izao ilay itondrana azy...

Rehefa misy tokoa ny tsy mety dia tsy misy tsara afatsy ny mifanatona sy mifampiaraharaha... raha tsy mety izay dia mitondra ny raharaha amin'ny sehatra ambonimbony kokoa isan'ambaratongany sns... nefa eo anatrehan'izany dia izay rehetra efa mifoha kosa dia mila mitolona amam-bavaka amin'i Kristy satria matoa mitranga ny toa izany dia efa tsy Kristy intsony no ao...
17. ikaretsaka ( 27/06/2008 13:55)
fa ahoana no tsy mampety ilay mampiasa serasera goavana sns sy prime...
ekeko le hoe tokatrano tsy hahaka fa de avela ho hatenda foana ve ny ranombary vao hihetsika?
18. manidina ( 27/06/2008 14:33)
tokony hovaina ny anaran'ny fiangonana fa tsy mety,aza atao hoe fiangonan'i jeso kristy eto mada intsony fa ovay hoe fiangonan'ny mpanenjan-tsandry sy mpiteny ratsy eto madagascar de tsy misy olana,satria tompo iombonana i kristy
19. fijo ( 27/06/2008 20:36)
mety efa nitaraina anie ireo vao nanao io fitondrana lamba be teo an tokontany io e.
fa na izany koa aza,le rapasy hoe avy dia nanenjantsandry????????ngah atsy hafaka nisaina hoe "ndao isika hiresaka ry zareo"fa avy dia ompa sy sandry??????eo no kianina .
20. ikaretsaka ( 27/06/2008 20:58)
izay...le fanenjanan-tsandry anie no tsy milay e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0771