Ho tia anao aho na inona na inona manjo antsika

61. fijo ( 18/07/2008 21:31)
soa ihany,fa tsy mahatezitra
62. cutie ( 18/07/2008 21:31)
za tsy mora tezitra ka :-D
63. fijo ( 18/07/2008 21:32)
soa izany
64. cutie ( 18/07/2008 21:35)
fa mora sosotra a :-D
65. fijo ( 18/07/2008 21:38)
tssssssssssssssssssssssssssssssssss
66. niryna ( 19/07/2008 03:37)
fijo:

ka amin'i niryna andriamanitra aby no manao izany ka

manao inona fa tsy mazava ny tianao ho tenenina ?

:D
67. niryna ( 19/07/2008 03:39)
fahamarinana:

cutie:
In ny idiran'zany @ finoana sy fivavahana ry niryna?

:arrow: Azo ampidirina kah :raha raisintsika ohatra hoe i Kristy sy itsika mpanota no resahana.. :) .Ho avy eo niryna hampiditra azy :) sa diso fandray koa aho ??(l)



:D
68. niryna ( 19/07/2008 03:41)
prime:

fijo> Andriamanitra mihitsy no fitiavana ka... :)

marina izany .

69. niryna ( 19/07/2008 03:59)
prime:


"Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko." Romana 7:18-19

io izao dia fiainana hiainantsika isan'andro ary matetika izay mahamora ny fiainana no tadiavintsika na dia alaiko ohatra aza hoe misy olona te hiala sigara,raha tena mametraka sy mivavaka ary mandroaka izany toetra misy azy ka manimba azy amin'ny fiainany,ny fianakaviany ary ny mpiara-belona azy izy dia ho afaka tokoa saingy mahery ilay toetra ratsy ka sarotra indraindray ny ahatohatra azy eo noho eo raha tsy tena efa latsa-paka sy manana finoana tokoa isika,ohatra io ary azo atao daholo koa izay tsy mety ka ataontsika ary ilaina fanoherana,afaka rehefa mampiantra ny tenin'Atra amin'ny tena finoana. sa ahoana?

Sa cutie efa tanteraka amin'ny fitiavana? raha izany mantsy dia izay indrindra ilay anasako hoe mba zarao hoe ahoana ny fiainana izany amin'ny fahafenoany?
:D

niryna> lalina tokoa aloha ny herin'ny fitiavana, toa ity ohatra notsongainao ity... fa misy fanamarihana kely ity, anisan'ny fitiavana ihany koa ny tokony tsy nialan'ilay Rangahy tamin'ny asany satria mbola andraikitra ihany koa ny fitiavana dia ny famelomana ny ankohonana... sa ahoana hoy ianao?

marina tanteraka izany ,zavatra maro no mitranga amin'ny fianantsika raha ohatra hoe antso no resahiko an,na inona ataontsika ka andaha dia tsy hanana fifaliana isika,kanefa kosa raha mivavaka isika ka miandry Azy sy mangataka Azy mba hitantana ny diantsika ary mino fa Izy no ampianatra antsika izany antso nomeny antsika izany dia mandeha ho azy toy ny laka-tsy voizina.
Ilay rangahy nahafantatra fa tia azy ny vadiny nandritra ny taona maro dia maro,nitazona ny voadiny avy izy roa ary dia naharitra tokoa ny tokantranony,mety misy olana eny rehetra eny toy ny fiainantsika rehetra ihany saingy Atra no nataon'izy mivady ho loharanon'ny fiainany,ho lohan'ny tokan-tranony ka na inona manjo dia tsy matahotra na mangozohozo izy.
Mazava ho azy koa fa miankina ny finoana aloha io ary miankina ny eo am-pelantanany ary miankina ny fitiavany ihany koa.
Ilay ramatoa araky ny nolazaiko tery ambony dia tsy mahatadidy azy intsony,izy no mbola mahatadidy ny voady nifanaovany ary dia notanany hatramin'ny farany izany.
Tsy ny rehetra no mahavita an'io ,matetika misy indro kely foana ny fiainana.
aleo aho haka ohatra: mpanan-karena ,manana ny volany,atao hoe tsy laniny mandra-pahafatiny kanefa tsy misy fitiavana ary dia misolo vady foana ,araky ny isoloany anefa no vao maika tsy ahitany fifaliana dia misolo indray ....
Eto izany ny vola izy manana kanefa tsy afaka hividy fitiavana ? sa azo vidiana ?
HS kely a
:D :D
70. niryna ( 19/07/2008 04:01)
cutie:

prime tsy azoko we manin no manontany fa manin tsy ampiharina le voalaza ao @ baiboly e :-D :-D :-D :-D



:o
71. niryna ( 19/07/2008 04:10)
fijo:
soa ihany aho fa tsy nilaza hoe tia foana kle.
hi,hi aleo kosa aloha tsy miteniteny rehefa tsy tia e sady araky ny tenin'i cutie koa io
action no anehoana izany fitiavana izany ,ny fiteny ,ny fihetsika ,ny fampizarazana ny ao am-po ,ny fanaovana sorona ny tena mba hanampiana ilay olona ,sns dia endrika anehoana fitiavana,mba mankasitraka ve ilay olona ,mba mizara ve ilay olona ,mba tsy manao ho moi,moi foana ve fa mijery ny hafa...ireo dia endrika anehoana ny atao hoe fitiavana
prime:
Traikefa ihany koa no tiana ho fantatra sy ny fijoroana vavolombelona..
marina izany ary efa betsaka ihany izy izay hoy ilay tsy mahay manisa :D
72. cutie ( 19/07/2008 18:58)
Hoy i prime:
Traikefa ihany koa no tiana ho fantatra sy ny fijoroana vavolombelona..
marina izany ary efa betsaka ihany izy izay hoy ilay tsy mahay manisa

eny wa efa voavaly ao ambonimbony ao nge ny fanontanian'i prime e :-D
73. fijo ( 22/07/2008 21:03)
vita izany
74. cutie ( 22/07/2008 21:17)
ngamba
75. fijo ( 22/07/2008 21:22)
enga anie
76. cutie ( 22/07/2008 21:32)
77. fijo ( 22/07/2008 21:37)
78. cutie ( 24/07/2008 22:58)
in io
79. fijo ( 25/07/2008 20:22)
tsipika kely mamarana
80. cutie ( 25/07/2008 23:36)
hay:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087