Hikasa hanongam-panjakana ireo bestileo 17 nogadraina ireo?

1. kidoropamba ( 21/06/2008 13:45)
Efa tsy hain'ny mpanohitra mihitsy ny atao satria efa voafehin'ny filoha hajaina Ravalomanana ny andrimpanjakAna rehetra: Ny depiote, HCC, senatera, rezion sy ny sisa dia mihidy daholo. Izany ka lehilahy.
Izay te hanohitra dia migadra ary efa feno ny fonja. Tena mampihomehy mihitsy e. La plus bête du monde mihitsy ny opposition gasy e. Raha vao mihetsika dia migadra, raha vao miorika dia lavo. Raha vao manavandra dia any amponja. Aoka ho deraina ny filoha hajaina amin'izany ankingana izany fa tena mazana mihitsy. Izay tsy mahay manao politika aloha aoka hijanona fa raha hitady hanilika an'i filoha hajaina dia ho lany fotoana eo fotsiny.

Renareo angamba ny vaovao tany amin'ny faritry betsileo tany fa miisa 17 ireo betsileo nogadraina fa saika hanakorontana ny tanAna. Baiko iray fotsiny avy aty Iavoloha dia 17 lahy dia niaraka lavo any amponja. Tehafo fa mAzana ny fitondrAna.
Ilay Antakarana Zafy labiera, ny sakalava Voninahitsy, ny betsileo Pety, ny betsimisaraka Roland Ratsiraka dia tsy mahavoa mihitsy e. Ary aza mianakendry hamingavinga fitondrAna fa mety hiaran'ny lalAna. Tany tandalAna ange i Madagasikra e.

Mangataka amin'ny filoha hajaina Ravalomanana izahay mba ho tazomina elaela any amponja ireo olona ireo fa mitady hanakorontana tanAna fotsiny.

Tohizo ny lalantsika
God Bless Ravalomanana ^:^
novalian'i penguin ny 24/06/2008 12:58
2. xxx ( 21/06/2008 15:01)
tafaverina marina razeankely atidoha :-D :-D :-D :-D :-D
3. xxx ( 21/06/2008 15:41)
kidoropamba:

Efa tsy hain'ny mpanohitra mihitsy ny atao satria efa voafehin'ny filoha hajaina Ravalomanana ny andrimpanjakAna rehetra: Ny depiote, HCC, senatera, rezion sy ny sisa dia mihidy daholo. Izany ka lehilahy.
Izay te hanohitra dia migadra ary efa feno ny fonja. Tena mampihomehy mihitsy e. La plus bête du monde mihitsy ny opposition gasy e. Raha vao mihetsika dia migadra, raha vao miorika dia lavo. Raha vao manavandra dia any amponja. Aoka ho deraina ny filoha hajaina amin'izany ankingana izany fa tena mazana mihitsy. Izay tsy mahay manao politika aloha aoka hijanona fa raha hitady hanilika an'i filoha hajaina dia ho lany fotoana eo fotsiny.

Renareo angamba ny vaovao tany amin'ny faritry betsileo tany fa miisa 17 ireo betsileo nogadraina fa saika hanakorontana ny tanAna. Baiko iray fotsiny avy aty Iavoloha dia 17 lahy dia niaraka lavo any amponja. Tehafo fa mAzana ny fitondrAna.
Ilay Antakarana Zafy labiera, ny sakalava Voninahitsy, ny betsileo Pety, ny betsimisaraka Roland Ratsiraka dia tsy mahavoa mihitsy e. Ary aza mianakendry hamingavinga fitondrAna fa mety hiaran'ny lalAna. Tany tandalAna ange i Madagasikra e.

Mangataka amin'ny filoha hajaina Ravalomanana izahay mba ho tazomina elaela any amponja ireo olona ireo fa mitady hanakorontana tanAna fotsiny.

Tohizo ny lalantsika
God Bless Ravalomanana ^:^



Ny olona sahala @ itony dia tsy mendrika ny hiditra ato @ ity serasera ity fa manimba zavatra asa miangavy ny mpiandraikitra mbà handray fepetra
4. xxx ( 21/06/2008 16:54)
Tsara mihitsy izany zavatra nataon'i filoha izany. i Madagasikara ange ka tananan'ny manampahendrena sy ny manampahaizana e!. Tsy maintsy tompoina ohatry ny andriamanitra izay mpitondra satria izy ireo no mahalala ny mety ho antsika. :cry:
5. kidoropamba ( 21/06/2008 17:09)
Mba manao azafady kely hoe inona no heloka vitako ka tsy ahazoako miditra amin'ny serasera eto? Izaho tsy nanompa, tsy nanaratsy olona, tsy nanao dokambarotra momba ny hevitra vetaveta, ka miangavy an'i xxx aho mba hanazava marimarina kokoa ny amin'ny antony hisakanana ahy hiteny ny vaovao sy ny asan'ny governemanta tarihan'i filoha hajaina Ravalomanana.

God bless Ravalomanana ^:^
6. rakapy ( 21/06/2008 18:07)
Raha i ra8 no god-nao rakidoro dia tsy misy manome tsiny na hanameloka anao eto. Tsy misy olana na ho fenoinao poster TIM aza hatrany angabone fa ny heloka vitanao dia ity manindraindra firazanana sy foko ity!!!
Ataoko fa fantatrao izany hoe sarobidy izany ny firaisam-pirenena ka aza taritina hanaraka ny ady an-trano manjo ny havantsika atsy Afrika ny Gasy. Na tsy eto Madagasikara aza ianao no mipetraka dia tsarovy fa manana fianakaviana na namana na koa fananana eto Mada.
Ataovy ny resaka politikanao fa aza ampidirina ny resaka foko sy ny firazanana.

7. Marindrano ( 21/06/2008 18:39)
Ny olona mieritreritra dia mahafantatra mialoha izay mety ho vokatry ny teny teneniny ka mahay mandanjalanja izany. Fa izay mahavoaka teny tsy voahevitra ihany no hanenina ny amin'izay nataony aoriana kely.
"Ny nenina tsy aloha, fa ao aoriana handatsa."

Ny olona izay mbola mifikitra amin'ny foto-pisainan'ny mpanjanatany ihany no mikendry mandrakariva ny hampisaraham-bazana ny malagasy.
Tsy hahomby na oviana na oviana izay tetika na fitaovana enti-manao izany satria olona mierim-panahy ny malagasy ary mbola mikorina ao anaty rany ny fanahin'ny fahendrena nentin-drazany.

Samy mbola hiverenan'izay vitany avokoa ny tsirairay fa tsy hisy ho afa-bela amin'izany.

...ny atao no miverina.
8. kidoropamba ( 21/06/2008 21:29)
rakapy:

fa ny heloka vitanao dia ity manindraindra firazanana sy foko ity!!!


Raha niteny aho hoe le marseillais Zidane, le lyonnais Benzema, le parisien Landreau, dia lazaina ve izany fa manindrahindra foko sy firazanana?
Sao lahy dia manka antendrony loatra isika ka ny firesahana zavatra marina dia lasa manitikitika ny toetsaina ratsy ao andohan'ny sasany.
Raha manafitonhina anareo izany dia aleo hajanoko ny milaza ny marina satria izahay TIM dia olona mba afaka manaja tena ihany raha te hanao an'izany.
Nisy olona 17 aloha nogadrainay tany amin'ny faritra atsimotsimo any, raha vao nigadona ny baiko nomen'ny filoha hajaina sy mamim-bahoaka Ravalomanana.

Tsarovy fotsiny fa efa sirika ianareo izay tena mankahala an'i Filoha hajaina, feno fahefana, Ravalomanana ary na any ivelany ianareo dia mivonona fa raha manao vakansa aty dia mety (mety hoy aho) hamangy ny havanareo mitritra any amponja.

Gode Blesse Ravalomanana ^:^

9. karinah ( 21/06/2008 21:43)
:-D :-D :-D :-D :-D
10. kanota ( 22/06/2008 02:18)
Tsy misy TIM manao sahala io kidorokidorokidorosesika io ary tsy mety ho Jeankely mihintsy io na efa tapaka tsy miditra eto aza i Jeankely. Izay tena kely fisainana no tsy mahalala ny atao hoe manasoaso ary efa voalaza hoe rehefa tsy manaraka ny olona amin'ny fitsikerana mivantana dia aleo indray mila ho TIM miteniteny foana fa izay no tena mahatezitra ny olona. Jereo ary vakio tsara fa raha olona mainty atao hoe fotsi ianao izany, raha olona mahia atao hoe matanjaka tsara ianao izany, raha olona mahantra atao hoe ingahy Ndriana sns ve dia manambara fa fankatoavana. Fanimbazimbana ary ompa ankolaka izany ka asakasak'izay tsy mahalala.
11. kidoropamba ( 22/06/2008 08:12)
Mila alefa manao stazy any zamerika ity ianao ry kanota fa efa kely finoana. Aza matahotra rangahy fa minoa fotsiny ihany. Toa efa tsy maharaka lesona mihitsy ity ianao. Sa tena ekipandry radavidson sy rajemison izay mitady hamely ankolaka ny filoha hajaina ary ikoizan"ny vahiny mena sofina, Ravalomanana?
Tsy hitako mihitsy ny hidiran'ny resaka mainty, fotsy, mahia sy matanjaka eto.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
12. Marindrano ( 22/06/2008 19:14)
Ny be fisainana ihany no voafitaky ny heviny satria zatra mijery lavitra loatra ka tsy mahita ny eo ambany masony.

Ilaina ny mandinika lalina sy manadihady indraindray fa tsara aloha ra mijery tsotra sy mahitsy vao mandefa fisainana lavitra.
---------------
Ho an'i Kidoropamba >
Ny mpampisara-bazana sy ny mpandray an-tendrony ihany no mamadika ny hevitra madio avoakan'ny sasany ka mandika izany ho zavatra hafa izay tsy mahasoa.
Vakio tsara ny fanehoan-kevitra rehetra nosoratan'i Marindrano izay vao mitsara.

Iza no tena mampitahotra sy mampihorohoro?
Hoy i Kidoropamba io ambony io:
Tsarovy fotsiny fa efa sirika ianareo izay tena mankahala an'i Filoha hajaina, feno fahefana, Ravalomanana ary na any ivelany ianareo dia mivonona fa raha manao vakansa aty dia mety (mety hoy aho) hamangy ny havanareo mitritra any amponja.


"Avadibadiho im-pito ny lela izay vao miteny". Ny dikany dia hoe mieritreritra tsara aloha izay vao manoratra fa tsy miteniteny foana.

Tohizo ny....adihevitra.

...ny atao no miverina.
13. kanota ( 23/06/2008 01:55)
Disobe daholo ny fihevitrareo fa hery filoha hajaina ny SERASERA no kidoropamba manao haiteny.
14. kidoropamba ( 23/06/2008 20:05)
Averiko eto ny fangatahako mba hanesorana an'ity "marindrano" ity eto amin'ny serasera fa mitady hanosika ny olona hanohitra ny filoha hajaina Ravalomanana ity rangahy ity.
Io ange no mahavoa an'ity marindrano ity: mangataka ny hamadihako im-pito ny lela hono vao miteny. F'angaha bangaridana no fiheveran'ingahy aho ka afaka mamadika lela impito ao ambava ao ka tsy voakaikitra????
Ary mbola haverin'ny lery foana ny menace hoe: "ny atao no miverina"....

Fialonanana ny anareo no betsaka e.

Masina ange ianao ry filoha Hajaina Ravalomanana

Tafita isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
15. Veloo ( 23/06/2008 20:09)
kanota [ Valio ] 23-06-2008 03:55:39
Lohateny : Re : Hikasa hanongam-panjakana ireo bestileo 17 nogadraina ireo?
Disobe daholo ny fihevitrareo fa hery filoha hajaina ny SERASERA no kidoropamba manao haiteny.


izay no maha sera2 azy ka... vive la liberté hihihihihih
16. ratakktikk ( 23/06/2008 21:16)
Le kanota koa tena ol dondrona mits a. mihevitra n'ol ho vendrana otrazy.
Mila alefa manao stazy marina io fa tsy alehany mits.
Tin'lery hakatona ngamba ny serasera d i hery ko no lazainy fa i kodoropamba m'tapy.
17. penguin ( 23/06/2008 23:37)
Olna vaovao vao omaly sa oviana ratakktikk ? Misongadina ny tian'i kidoropamba ahatongavana ary manakaiky ny tian'ny serasera lazaina. naleha ny bazylou, napoitra ny baradaka ao ny badboy lasa nanao stage tia hanome lesona ary miseho ny kidoropamba sy ratakktik farany. Ho avy ny iray vaovao. bala very ve sa mahavoa? :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
18. kanota ( 24/06/2008 06:52)
Iza avy ireo olomasina 17 ireo. Ary anagaha moa tsy afovoantany no misy ny Betsileo ?
19. kidoropamba ( 24/06/2008 08:54)
Marina ny anao ra kanota a. Any afovoantany mihitsy no misy ny betsileo ary izany dia mamafa avy hatrany ilay fandraisana antendro ny an'ny sasany amin'ny filazAna ny marina. Efa maharaka lesona koa ianao izany. Namaky gazety angamba ianao ka nahita fa efa nivadika koa ry ranjivason izay mpanapaka karaman'ny SECES.

Tohizo ny lalantsika ry kanota a.

Ravalomanana hatrany ^:^
20. tsimati ( 24/06/2008 09:11)
Fantatra ny klen'i tembakona =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3638