Mandroso hono i Madagasikara!!!

1. rakapy ( 20/06/2008 03:56)
Mandros hono ny gasy satria efa manana basy ny ankamaroan'ireo jiolahy mpanendaka isaky ny elekela-trano.
Mandroso hono ny gasy satria tsy azo handehanana alina intsony ny lalam-pirenena.
Mandroso hono ny gasy satria mila miambina ny lakoziany @ mpangalatra ny tsy1-1
Mandroso hono ny gasy satria gadraina ny mpanao gazety sy ny mpandraharaha.
Mandroso hono ny gasy satria mitombo isa ny kox :-D :-D :-D
novalian'i penguin ny 23/06/2008 23:41
2. kanota ( 20/06/2008 08:14)
Fa iza no nilaza izany ho "Index" ny fandrosoana rakapiteny a. Na any amin'ny tany mandroso aza no tena ahitana ireo mivandravandra dia tsisy mitady anireo raha tsy ny mpanao azy angaha. Hoa an'ny mpangalatra dia hiasa izy rehefa haka ny zavatr'olona. Izany tsy midika fa tsara io na mahazo volabe aza izy. Sahala izay koa iza no mankasitraka izay mpanao risoriso na vahoaka tsotra na mpanohana izay fitondrana ? Matoa izy miaro izany dia sady mpanao na avy nanao izy.
Zahavina daholo ny hevitra rehtra hamotehina saingy rakatra iny tetika. Mody asiana izany sesikodoro mitapy izany dia lazaina fa mpanohana fitondrana vendrana tsisy saina nefa ry zalahy ihany no mody manao fanohanan'adala mba hanimba saimbahoaka.
Ny mpanohana tsy manohana zavatra ratsy satria tsy mihinana ratsy. Miafy ny olona satria ny ho avy no jereny ary ny be resaka tsy hanome hanina akory.
3. kidoropamba ( 20/06/2008 11:22)
1 miliona ny malagasy niala amin'ny fahantrana. Ary tsy lasa any ambany tany akory izy ireo fa niha-manana. Fandrosoana izany. Tsy azo akipy ny maso amin'izao fandrosoana azo tsapain-tanana izao.
Miasa, Miasa mafy, miasa Tsara, io ihany no filamatra ary voizin'i filoha Hajaina Ravalomanana.
Tsy ireny gasy kamo be tenda mitady ho vokisana tsy miasa mirenireny andalam-be sy ireo very fihinanana mivazavaza fa mpangalatra ny TIKO no hanova zavatra eo.
Mandroso i Madagasikra satria mihinana vary ampy ny malagasy
Mandroso i Madagasikara satria mitobaka ny ronono sy ny menaka eny antsena
Mandroso i Madagasikara satria feno 4x4 ny tanAna
Mandroso i Madagasikara satria na ireo filoham-pirenena afrikana, na dia ireo diktatera kalaza aza, be vola, dia te hanao vakansa any madagasikara ka ho tanterahin'ny filoha hajaina izany amin'ny 2009.
Mandroso i Madagasikara satria tiam-bahoaka ny filoha hajaina satria lany t@ fifidianana, ny referaoma dia feno hipoka ny mpifidy tonga, ny konseié rezional, 70% ny mpifidy tonga nankefa ny adidiny, ary 98% ny depiote, 100% ny senatera. Marika daholo ireo fa tian'ny vahoaka ny filoha hajaina, marani-tsaina sy reharehan'Iarivo tsy maty indray andro, Ravalomanana. Sady fotsy no bôgôsy.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
4. tsoraka ( 20/06/2008 12:27)
Na tsikera mivantana tsy nahavoa na ny manesoeso na manasoaso toa mbola kobo ihany marina. Ny kidoro fitaingenana ary handitsahan'ny zaza madinika :-D :-D :-D
5. kidoropamba ( 20/06/2008 12:59)
Dera sy laza anie hoan'ny filoha hajaina Marc Ravalomanana noho ny asa ataony hoan'ny vahoaka malagasy.

God bless Ravalomanana ^:^
6. hery ( 20/06/2008 13:21)
1 miliona ny malagasy niala amin'ny fahantrana> voaporofo ve io kle :-)

Firy izany izao ny mahantra ao Madagasikara?
7. kidoropamba ( 20/06/2008 13:55)
Nihena ka tena nihena be mihitsy ny malagasy mahantra tao anatin'ny taona nitondran'i filoha hajaina Marc Ravalomanana izay.
ny taux de croissance aloha dia manangasanga 8% any ho any ary hatratra 12% atsy ho atsy raha mitontona ny vola notrosaina amin'ny MAP, ny taux d'inflation kosa dia efa kely bolitika satria 3% fotsiny.
Efa maromaro ihany hoy ny tsy mahay manisa ny vahoaka lasa mpanan-be eto madagasikara.
Raha atao kajikajy tsotsotra dia ho tratra ihany ny fanenAna antsasany ny vahoaka mahantra amin'ny taona 2015 satria:
Raha esorina ireo exilé, ireo mpitsoa-ponenana satria kamo be tenda no sady mpiray tsikombakomba amin'ndry Ratsiraka, ireo izay kamo be tenda ka mety ho maty noana (izany hoe ireo be taraina tsy misy atao fa miandry vokisana fotsiny) eny andAlana eny, ireo fianakaviana zatra halatra ka mety ho gadrain'ny fanjakAna tan-dalAna, ireo izay tsy maharaka ny fiainana moderna ka lasa mivarotra fanAnana satria nozarina tamin'ny kolikoly tamin'ny andron'ny deba Ratsiraka, DIA mety mihavitsy ireo mahantra ao madagasikara ao.

Mila olona miasa, miasa tsara ary miasa mafy, ny filoha hajaina Ravalomanana. Marina ny azy. Ny asa ihany no ahafahantsika miala amin'ny fahantrana. Marina mihitsy ny an'i filoha hajaina fa tsy mendrika olona kamo be tenda sy be torimaso i Madagasikara fa hoan'ireo izay tia karokaroka, tia miasa, tia mamokatra.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
8. betsi2 ( 20/06/2008 16:00)
kidoropamba:

1 miliona ny malagasy niala amin'ny fahantrana. Ary tsy lasa any ambany tany akory izy ireo fa niha-manana. Fandrosoana izany. Tsy azo akipy ny maso amin'izao fandrosoana azo tsapain-tanana izao.
Miasa, Miasa mafy, miasa Tsara, io ihany no filamatra ary voizin'i filoha Hajaina Ravalomanana.
Tsy ireny gasy kamo be tenda mitady ho vokisana tsy miasa mirenireny andalam-be sy ireo very fihinanana mivazavaza fa mpangalatra ny TIKO no hanova zavatra eo.
Mandroso i Madagasikra satria mihinana vary ampy ny malagasy
Mandroso i Madagasikara satria mitobaka ny ronono sy ny menaka eny antsena
Mandroso i Madagasikara satria feno 4x4 ny tanAna
Mandroso i Madagasikara satria na ireo filoham-pirenena afrikana, na dia ireo diktatera kalaza aza, be vola, dia te hanao vakansa any madagasikara ka ho tanterahin'ny filoha hajaina izany amin'ny 2009.
Mandroso i Madagasikara satria tiam-bahoaka ny filoha hajaina satria lany t@ fifidianana, ny referaoma dia feno hipoka ny mpifidy tonga, ny konseié rezional, 70% ny mpifidy tonga nankefa ny adidiny, ary 98% ny depiote, 100% ny senatera. Marika daholo ireo fa tian'ny vahoaka ny filoha hajaina, marani-tsaina sy reharehan'Iarivo tsy maty indray andro, Ravalomanana. Sady fotsy no bôgôsy.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^


tena marina fa mandroso ny malagasy tsy azo kianinina izany fa adinonao ny manamafy FA MANDROSO ANY AMINY FAHANTRANA NY NY MALAGASY
- marina fa mia betsaka ny4x4 fa ny fanjakana no nitrosa azy @ concessionnaire ho entiny ireo autirité désigné ireo anantanterana ny tetikasa tsy mahomby ny ra8
-normal raha mazoto ny nomena ireo 4x4 ireo no ijeste satria mbola vatsiana ticket na carburant , que demande le peuple surtaout ny vidina carburant efa lafo be izao mbola gaté ,rehefa misy fahasimbany io fiara io mbola atokisana ny garage administrative ah ah ah, rariny raha nanafosafo kibo ny tompony,
-nilaza ena fa 1miloina ny malagasy niala @ fanhatrana vinavina tao anatiny nofy angamba neby nao na afaka manamarika izany. dinio fotsiny fa effectif ny population malgache nefa PNB par habitant niena, ny creation d`empoie tsy misy satria fond d`ìnvestissement pour jeune entrepreuneur tsy misy,supression dèmploie koa no betsaka na ao @ fanjakana noho ny parteneria public privé, ny retenu d impot 25 poucent ny salaire ny mpiasa nefa en retour mba misy sécurité sociale akory
- mba azava amiko ny fandehany fandrosoana mba homeo chiffre statistique zao andiniako ny zavatra positive @ soit disant vahoaka miala @ fanhatrana nao izany par raport @ izay miaina @ fahantrana ankahitriny
- faly angamba atsika manana avana ampiana any dago satria misy valeur any vola alefa ntsika hoatra 100 euro fotsiny efa mahita 1250000 fmg par rapport 600000fmg en 2004 :P
9. tsoraka ( 20/06/2008 16:18)
Mitanisa ve ry andafy sady mpanankerena no manandoha a ? Antsiaka, antsiaka ahoana koa babanao sy neninao no hampianao f'angaha zay mila ny vidin'entanao any ? :-D :-D :-D
10. rakapy ( 20/06/2008 17:06)
1 million no afaka tao anaty fahantrana fa 10 million no milatsaka ao anaty fahantrana. Azo atao hoa mandroso e! :-D :-D :-D
11. kidoropamba ( 20/06/2008 18:27)
1 miliona no nivoaka ny fahantrana. Vokatra azo tsapain-tanana io. azo refesina mora foana. Ary voarakitra tsara ao anatin'ny MAP izy io.
Ohatra mivainga: Ity fananganana Ranch be any atsimo ity aloha hamaha ny fahantran'ny tantsaha satria dia injeniera ameikana no hitantanana an'io ranch io, na dia somary ny volam-panjakana koa ampiasaina amin'izany. Misy trosa koa ao anatiny fa ny hampivoatra ny tantsaha no tena tanjona. Mitombo ny omby, mitombo ny hena, mitombo ny ronono amin'izay. Fa mba hampidirana devise (io vola vahiny io mantsy misy lanjany kokoa toy izay ilay ariary kely ity), dia aleo ahondrana daholo ny vokatra (hena, ronono) amin'izay dia miroborobo ny devise.
Ireo tantsaha izay tompon'ny omby kosa dia ho sambatra be mihitsy satria no sady voakarama (lasa mpikarama ao anatin'ny ranch ry zareo, ilaina io mba ialAna amin'ny akamoan'ny sasany, manadio ny omby, manome sakafo..) no sady voakarakara tsara ny ombiny.
Ny tsy fantatro kely fotsiny dia hoe: ariary va sa devise no hikaramana an'itreto inejniera amerikana ireto? Raha araka ny tombatomban'ny fitondram-panjakana manko dia aleo devise satria tsy vokin'ny ariary ireto mena sofina ireto. Ny gasy sy ireo tantsaha ireo ihany no omena ariary amin'izay afaka miasa tsara ao amin'ny ranch.
Efa misy mimenomenona sahady any (ireo kamo be tenda e) fa hoe raha ohatra ka maty ilay omby, dia inona no atao ami'ireo tantsaha ireo? Efa "faty" sy "miandry toloram-potsiny" indray ry zareo. Io ireo mpanohitra la plus bête du monde ireo. Ary ny sasany moa efa milaza mihitsy hoe: atao ahoana raha toa ka tonga ny fotoanan'ny fambolem-bary ka misy ilAna ny omby? Tena mitady vanina mihitsy ny sasany. Vokatra ronono sy hena ka ahondrana any ivelany mba ahazahoana devise ange no tena ilain'ny madagasikara e. Io no ilAna an'ireto injeniera ireto satria raha tsy izany dia tsy ho voaloa ny karamany. Ny gasy mantsy efa zatra karama tapaka sy tonga tsy ara potoana izay ka tsy mampaninona azy raha toa ka tara vao tonga ny karamany, na alafony sasany ny hen'ombiny na ny ronon'ombiny. Fa ny mena sofina tsy azo atao izany. Rehefa faravolana dia tsy maintsy migadona ny karama.
Sahala amin'izany no nampiroborobo ny TIKO izay mampitolagaga ny vahiny amin'izao.

Santionany amin'ny fomba entina mampandroso an'i Madagasiakra fotsiny io fa ny manetsa be mbola ho avy.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
12. Marindrano ( 20/06/2008 19:11)
Ny fandrosoana tsy vitan\'ny fo ranomafana, fa ilaina atao ampiheverana. Satria tsy androany sy rahampitso ihany dia izay, fa tokony haharitra koa.

Aleo mandeha miadana nefa mahatody lavitra, toy izay mivatravatra famindra ka torana an-tsasadalana.
Raha tiana haharitra ny fandrosoana dia tandrovina fatratra sy tsitsiana (mt.mitsitsy) ny harena rehetra voajanahary sy ny tontolo iainana mba hisy hampiasain\'ny taranaka any aoriana fa tsy atao tantely afa-drakotra na arobaroba sy trandrahana be fahatany.

Ny vola famorona sy fitady fa ny tanin-drazana sy ny harena ao aminy tsy famorona fa mety ho ritra sy ho lany.
Koa anjaran\'izay mahatsapa tena fa tena tompony no miaro sy mampiasa azy.

\"Zanahary no nanome fa i Balita no tsy nambinina.\"

...ny atao no miverina.

13. kidoropamba ( 20/06/2008 19:19)
Ianareo manohitra lavareny io moa dia mba inona no vaha olana omenareo? Inona no mba entinareo eoanoloan'ny MAP? raha tsy misy dia ndana mividy siligôma ka tsakotsakoy any fa mandemy hozatra.

Ravalomanana ihany! Ravalomanana Hatrany!

Na ino kitranga na ino kidona, dia Ravalomanana ihany ny anay.
Na ino lazaina na ino korana, dia Ravalomanana ihany no tsara
14. Marindrano ( 20/06/2008 19:51)
Ny mamerina in-droa manana ny antitra (=antitranterina):

Ny fandrosoana tsy vitan'ny fo ranomafana, fa ilaina atao ampiheverana. Satria tsy androany sy rahampitso ihany dia izay, fa tokony haharitra koa.

Aleo mandeha miadana nefa mahatody lavitra, toy izay mivatravatra famindra ka torana an-tsasadalana.
Raha tiana haharitra ny fandrosoana dia tandrovina fatratra sy tsitsiana (mt.mitsitsy) ny harena rehetra voajanahary sy ny tontolo iainana mba hisy hampiasain'ny taranaka any aoriana fa tsy atao tantely afa-drakotra na arobaroba sy trandrahana be fahatany.

Ny vola famorona sy fitady fa ny tanin-drazana sy ny harena ao aminy tsy famorona fa mety ho ritra sy ho lany.
Koa anjaran'izay mahatsapa tena fa tena tompony no miaro sy mampiasa azy.

Manan-karena hevitra ny malagasy, koa ny hevitra izay hanany betsaka no anjara biriky entiny manoloana ny tetik'asam-pampandrosoana. Zava-dehibe ny hevitra. Ny hevitry ny maro mahataka-davitra.

Izay manam-bola aoka izy hampiasa ny volany ara-drariny sy hitsiny ao an-tanindrazany ka hitsinjo ny vahoaka fa tsy sanatria hitsentsitra azy ireny indray.


...ny atao no miverina.
15. rakapy ( 20/06/2008 21:39)
hahondrana ny vokatra!!! moramora ery ilay miteny hoe haondrana. Io ny lavanila sy ny letchi ary ny epice maro nampalaza ny gasy hatram'izay. Aiza izy @ zao?
Ny gasy no N1 tamin'ny lavanila taloha, Izao dia any @ laharana faha firy? Ny Thailandais sy ny Mezican no mahazo ny varotra @ zaop fotoana izao. Ny cafe moa dia efa tsy lazaina intsony. Ka ity indray hoe hanondra produit laitier sy hena any ivelany???
De ataonao fa tsy misy orinasa matanjaka efa mpanao an'izany mantsy ivelan'i Madagasikara? Amidy mora @ Commorian sy ny Kringa angamba.
De eto koa dia hoe Amerikana no hitantana ny ranch? Misy vola hanakaramana Amerikana ve tsy aleo ny gasy no hampihofanina any ivelany dia @ zay mijanona ho an'i Madagasikara daholo na ny fahaizana sy ny vola.
Prezida matimaty @ Amerikana nefa i US efa chute libre be @ zao. Toa hanao hoatra an'i Radidy sy ny Sov koa i lery :-D :-D :-D
16. kanota ( 21/06/2008 01:49)
Vasoka be fa ny Gasy hampiofanina any ivelany avy dia mitokona any na ny fanjakana aza no niantoka azy. Ny olona niantontena aloha tsy miditra amin'izany. Na chute libre ny US tsy hitovy amin'ny Malagasy mihintsy ary misy traikefa betsaka izay tsy hananan'i Frantsa ohatra.
17. rakapy ( 21/06/2008 01:53)
Mitokona tsy miverina ny gasy lasa any an-dafy satria tsy homen-Dra8 karama sahaza azy no mbola gadrainy raha mba maneho ny heviny. :-D :-D :-D
18. kanota ( 21/06/2008 01:59)
Resaka samihafa izany. Ny resakao hoe maninona raha gasy no alefa ivelany hiofana fa tsy hoe gasy alefa any dia omeo karamabe avy eo. Aza manao resaka rakapy mitapy =)) =)) =))
19. rakapy ( 21/06/2008 02:03)
Efa fantary ny gasy fa karama kely no omen-dra8 de mitokona tsy miverina izy e!!! :-D :-D :-D
20. kanota ( 21/06/2008 02:08)
Aiza amin'izay izao ilay hoe maninona raha gasy no alefa any ivelany hiofana ? NOho izany dia maka ny vahiny avy ivelany hiasa mandalo fa tsy mila izay hivadika ho Malagasy. Ny gasy hiarahina hifanao voalazanao fa mitaky karamabe nefa niantohan'ny fanjakana ary tia hitokona ivelany.
Manao resaka mifangaro ilay mitapy rakapy ty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0977