kidoropamba sa sesikidoro. Mamely Ravalomanana ankolaka

1. kanota ( 19/06/2008 13:42)
Efa leon'ny manenjika mivantana ry kidoropamba dia mody fankasitrahana vendrana no entina hanimbana ny fitondrana. Rakatra ianao fa tsy mihoatra ny adiny dimy dia kobo. Fahaizana manokana lasa sesikidoro :-P :-P :-P :-P
novalian'i kanota ny 22/06/2008 02:51
2. kidoropamba ( 19/06/2008 13:46)
kanota:

Efa leon'ny manenjika mivantana ry kidoropamba dia mody fankasitrahana vendrana no entina hanimbana ny fitondrana. Rakatra ianao fa tsy mihoatra ny adiny dimy dia kobo. Fahaizana manokana lasa sesikidoro :-P :-P :-P :-P

Mivantana fa tsy misy ankolaka raha ny resaka atao.
raha tsy tia ny filoha hajaina Ravalomanana ianao dia anao izay. Ny anay dia mitohy ny lalana. Maro ny fahavalo. Fa ny filoha hajaina dia mitoetra ihany ary miasa. Miasa hoan'ny vahoaka.
Izay tsy faly mibotsina.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana
^:^
3. ainaheri ( 19/06/2008 14:47)
Tena mafana fou mitriny nareo zany ra kidoropamba an,sao d tsy mahazo AƓrta akory refaveo,ny boatiny mitsingidingidina sisa no tsiponina :roll:
4. kidoropamba ( 19/06/2008 15:08)
Efa tsy aorta intsony izao fa vatosoa sy harena ankibon'ny tany . Mila ampekarina ambony ny tanjona.

Tohizo ny lalantsika.
God save Ravalomanana. ^:^
5. kanota ( 19/06/2008 16:16)
hoditr'akondro tsy tafiditra anaty sesikidoro ny an'io. Hita be izao io fa mamely fa tsy mitia izany. Tsy miaraka aminay mpanohana io fa mpandrava.
6. kidoropamba ( 19/06/2008 16:28)
be fialonana koa izany kanota izany. Tsy mitady seza izahay fa miasa hoan'ny firenena miaraka @ filoham-pirenena hajaina Ravalomanana.
Tsy manohana ny filoham-pirenena izahay fa miara miasa aminy ary miaraka mikaondoha amin'ireto vahiny be vola, sy matianina ireto hampadroso ny firenena amin'ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany eto madagasikara. Asa fa tsy kabary! Asa fa tsy fialonana! Asa fa tsy tsikera be fahatany.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^
7. kanota ( 19/06/2008 16:32)
Tsy raharahanay na sesika ianao na kidoro na ravin'apanga. Mpamiravira koa ny kilasinao.
8. kidoropamba ( 19/06/2008 16:38)
Mitandrema ihany ianao ry kanota fa mitady hanompa olona. Higadra ny hiafaranao raha mitohy ity ataonao.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
9. kanota ( 19/06/2008 16:43)
Ianao no higadra voalohany rehefa avy mamangy ilay havana vao nahiditry ny sasany.
10. kidoropamba ( 19/06/2008 16:47)
kanota:

Ianao no higadra voalohany rehefa avy mamangy ilay havana vao nahiditry ny sasany.

Fampahatsiavana farany ity an: Aza mihevitra ianao fa ho hafabela amin'ny fanimbazivana ny filoha hajaina sy ireo izay miara miasa aminy.

God bless Ravalomanana

^:^
11. Marindrano ( 19/06/2008 20:16)
Teny voalohany:

"Ny atao toy ny Salaka, ny tompony ihany no afatony"










...ny atao no miverina
12. naughtyboy ( 19/06/2008 21:24)
zany ny maridrano afaka mandrefy ny lainga marivo tototry J.K= kanota,
kidorompamba efa fantatra enao oe iza fa aza manao sarontava intsony :-D
13. rakapy ( 20/06/2008 00:34)
Efa latsaka an-davaka ny ankamarohan'ny vahoaka Malagasy dia mbola God bless ravalomanana ny an-dry zalahy! sao dia hanao exil any Norvege koa rehefa tapitra ny mandat.
14. kanota ( 20/06/2008 01:48)
Araka ny teniko hoe ny fironan'ny mpikambana SERASERA no mandeha sy mitady hevitra hamely ny Fitondrana amin'ny hevitra rehetra. Fa dia ahoana loatra no Jeankely = kanota = rahiratra = ranitse = penguin = kidoropamba sa iza koa. Izy izany ve no mandray vola betsaka eto sa ahoana no hanaovany izay. Mba hazavao koa izay.
Ny tenin-drakapy farany hoe 'exil any Norvege koa rehefa tapitra ny mandat' indray inona no olanao sa alahelona ny lasa mandositra nohon'ny tsy mety nataony ?
Ny fantatro dia mpanohitra matevin-koditra ary mety tompon'andraikitra ato amin'ny serasera misintsy i kidorompamba io. Fanohanana anjambany no entina hanimbana ilay izy satria tsy mahavoa ilay avy dia mitsikera. Vasoka ihany anefa satria rakatray tsara izany.
15. patrick2002 ( 20/06/2008 01:55)
aza miteny rery sy mirediredy ra jeankely ah! mi delire veh?
16. kanota ( 20/06/2008 01:57)
Angaha moa tsy navoaka inbdray ilay sesika ? Jereo amin'ny teny Canada ny hoe voaharaka akaiky =)) =)) =))
17. kidoropamba ( 20/06/2008 11:43)
Tsy misy malagasy latsaka andavaka izany ka tsy navoakan'ny filoha hajaina avy tao. Resak'ireo kamo be tenda sy ireo izay mikipy maso amin'ny fandrosoana misy izany. Soa ihany fa any ivelany ny ankamaroanareo fa raha tsy izany dia azon'ny fitsarAna natao ny nanagadra anaro noho ny fankahalAnareo diso tafahoatra ny filoham-pirenena malagasy, Marc Ravalomanana.
Vakio ny gazety fa ho hitanareo ao fa miasa ary tena miasa mafy sy miasa tsara ny fitondrAna. Ahoana no hilazAna fa misy ny jadona kanefa ny gazety dia mitombo isa foana. ny radio miroborobo. vakio la gazette de la grande ile, la verite, tribune sy ny sisa hita ao fa mandroso i Madagasikara, faly ny vahoaka satria tsy rotora hanaraka ny tetezamita dradradrain'ireo kamo be tenda. Tsy misy vahoaka mankahala ny fitondrAna izany eto madagasikara. Nilahatra izy nanala ny jadon-dratsiraka, faly izy nanalAna ny jadon'i zafy labiera, fa amin'izao kosa dia Tsy misy an'izany satria faly ny vahoaka ami'nity fiainany tena mihatsara hatrany. Aoka aloha isika hidera an'ity filoha hajaina Ravalomanana ity fa tsy mbola nisy fitondrana hatr'izay sy hatram'in'ny 1896 ka nampivoatra mivaingana an'i Madagasikara. Faly ny vahoaka, faly manao fety ary efa miomana izy hanao fety amin'ny 26 jona ho avy izao. Izany raha vahoaka sambatra.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
18. tsoraka ( 20/06/2008 12:38)
Voa mafy amin'ilay esoeso tsy mankaiza. Mbola tsy maha-koty kil ihany fa asio tetika vaovao indray.
19. kidoropamba ( 20/06/2008 19:08)
Mikaoty kil mihitsy no manavanana ny filoha hajaina Ravalomanana. lasa any filipiny, any zamerika, any norvezy, any alemana, any firantsa, any rehetra any mba hikoty kil hitrandraka ny harempirenena satria mila fandrosoana i Madagasikara.

Ka manaraka ny fomban'ny filohanay foana izahay e. Izay be fialonana aloha dia ao andamosina ao mioty voanjo. Tandremo ihany sao marary nify an.

Tohizo ny lalantsika
Gode blesse Ravalomanana ^:^
20. kidoropamba ( 20/06/2008 19:12)
Azafady indrindra tompoko fa diso tsipelina: "God bless Ravalomanana" no izy fa tsy "Gode blesse Ravalomanana ".

Miala tsiny indrindra ary tsy maimaika intsony amin'ny manaraka.
Mamerina zafady indray.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0439