kidoropamba sa sesikidoro. Mamely Ravalomanana ankolaka
21. Marindrano
(
20/06/2008 20:48)
" Ny soa fianatra". Mianara ny ataon'ny Tanalahy. Miadam-pandeha amin'ny ankapobeny fa afaka mihazakazaka izy raha ilainy izany. Mitodika ny lasa izy ka mandinika izany; mijery ny anio izy ka tony tsara sy mieritreritra ny ataony; mibanjina ny ho avy izy ka misaina sy mihevitra ny lalan-kalehany sy izay mety ho vokatr'izany.
Ny zavatra hita tany amin'ny naleha rehetra dia tsara raha sivanina aloha vao halaina tahaka sy hampiharina. Ka atao mifanaraka amin'ny zava-misy sy ny tantara ary ny kolontsain'ny olona na ny toerana tiana hampiharana azy.
Mampahomby ny zavatra kasaina atao kokoa ny fampiharana izany, sady ara-drariny, no mampandroso ihany koa.
...ny atao no miverina.

22. kanota
(
21/06/2008 01:42)
Tiana hampiarina ilay fika nahasimba ny filoha hajaina dede Rats... tamin'ny androny ka mahatsiaro ny zanak'Arema ary mba atao aty amin'izao fotoana izao koa ilay fika mankaleo olona hoe FILOHA HAJAINA, FILOHA HAJAINA. Hain'ny olona ny setroka sy tomany ra-sesikidoro o. Tsy ny hatevin'ny fonomboky no hilazana fa tsara ny boky ka aza mihaino ity hiran'adala hajaina hajaina ity. Io no atao hoe mpanohatra fetsifetsy.
23. Annie2006
(
21/06/2008 08:41)
Marindrano:
" Ny soa fianatra". Mianara ny ataon'ny Tanalahy. Miadam-pandeha amin'ny ankapobeny fa afaka mihazakazaka izy raha ilainy izany. Mitodika ny lasa izy ka mandinika izany; mijery ny anio izy ka tony tsara sy mieritreritra ny ataony; mibanjina ny ho avy izy ka misaina sy mihevitra ny lalan-kalehany sy izay mety ho vokatr'izany.
Ny zavatra hita tany amin'ny naleha rehetra dia tsara raha sivanina aloha vao halaina tahaka sy hampiharina. Ka atao mifanaraka amin'ny zava-misy sy ny tantara ary ny kolontsain'ny olona na ny toerana tiana hampiharana azy.
Mampahomby ny zavatra kasaina atao kokoa ny fampiharana izany, sady ara-drariny, no mampandroso ihany koa.
...ny atao no miverina.
Misaotra an'i Marindrano amin'ny fahendreny.
24. betsi2
(
21/06/2008 13:14)
kanota:
Efa leon'ny manenjika mivantana ry kidoropamba dia mody fankasitrahana vendrana no entina hanimbana ny fitondrana. Rakatra ianao fa tsy mihoatra ny adiny dimy dia kobo. Fahaizana manokana lasa sesikidoro :-P :-P :-P :-P
mba manontany tena aho ato fa ity forum ity vé zany hoe any mpomba ny fitondrany hiany, toa rehefa mba misy mitsikera ny lafiny politika malagasy dé miakatra afo daholy no god bless ra8 ato , ataovy mazava ny lalao forum serasera hoany rehetra zay te hidinika vé sa forum spécial partisant du pouvoir, raha atao mazava toa izany tsisy andeha hifanpitsikera hevitra intsony izany dé hilamina nareo ato ZAY VÉ
25. kidoropamba
(
21/06/2008 13:34)
Serasera natao hoan'ny vahoaka malagasy mahiratra, maranitsaina no sady miasa hoan'ny firenena no fiheverako ny serasera rehetra fa tsy an'ireo izay fahavalom-pirenena manohitra bontolo ny fangoronan-karena ataon'i filoha hajaina, zafihafin'Andriamasinavalona, Marc Ravalomanana.
Izay te hitsikera dia aoka hitsikera ireo izay tsy manohana ny MAP. Izany ihany no tsikera ara-drariny: Mitsikera izay manohitra ny MAP.
Fa ireo izay milaza fa mivarotra tanindrazana ny filoha hajaina Marc Ravalomanana dia mandainga satria hatrami'nizao aloha mbola tsy misy tanindrazanay, rangita, no navidin'ny filoha hajaina Marc Ravalomanana (jereo fa na ny rova aza dia efa tsy ho ela dia vitaina) fa any ambatovy, faradofay, morondava, mahajanga, sy ny sisa, izany hoe ireny tany midadasika tsy misy mpikarakara any anindrantany any no namidy amin'ireo vahiny be vola satria ny fandrosoana ny tanjona. Raha hiandry ireo tantsaha kamo be tenda ireo isika dia zato taona vao hisy izany fandrosoana izany.
Ka azo atao ny mitsikera fa mahaiza mitsikera fotsiny.
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^

26. kanota
(
22/06/2008 02:51)
Efa miseho tsikelikely ny tian'ny kidoropamba ambara ary efa fantatra vao nanomboka niseho ilay solon'anarana vao herinandro. Tiana hamelezana ilay iray voaraoka vao herinandro. Tsy mitovy mihintsy ny salaka kidoropamba sy ny satrotra JK.