ASA ATY LIBAN

1. mahdoum ( 18/06/2008 19:04)
Misaotra manokana ireo gasy namana aty aho nampahafantatra ahy ity site ity . Izaho moa dia miasa an-trano aty 1ans et demi zay no nahatonagavako taty mandeha tsara ny asako tsy misy probleme , miaina ohatra ny olona rehetra , noraisin\'ireto patron-ko toy ny zanany naterany aho , ka izany no ijoroko vavolombelona eto . Ny zavatra tiako ambara sy tena nampalahelo ahy koa dia ambarako eto . Birao eny amboditsiry no nandefa ahy , nahafinaritra ahy tokoa ny condition de travail ni-proposena tamiko ka izany no naha-tapa-kevitra ahy hiasa aty : ireto izany
1-karama 150$
2-zareo no miantoka ny passeport sy ny visite medical
3-Misy responsable gasy aty Liban , Mme Tinah no anarany , izy io no miaro ny gasy alefan\'io bireau io . Tsindriko eto fa io no tena nahatapakevitra ahy ho aty
3-tsy mandray karama 3mois fa hoe hanaovana ny visa sy ny sisa .....
4-Misy taratasy fifanekena antsoratra , legaliseena any amin\'ny commune, io koa mba nanaitra ahy .
Tonga taty liban ary aho , nasehoko ny patron-ko ny contrat de travail , nilaza izy fa tsy mahafantatra an\'io ary tsy nanao sonia an\'io koa , gaga ary aho hoe fa ahoana koa izany ? Noteneniko ihany zareo hoe tena tsy nanao sonia an\'io nareo ? dia oui hoy izy . Tsy nasiako olana iny satria tsara ny fandraisany ahy ary hitako taratra fa olona tsara zareo. Niresaka indray zareo fa hoe tonga dia omeny karama aho fa tsy alainy amiko ilay 3 mois nalain\'ny bureau taminy . Ny ampitso nakany amin\'ny birao zahay hanao visite dia nisy madama iray izay niresaka tamiko , teo no nilazany fa ilay karama 3 mois tsy raisinay alain\'ny Mme Tinah , gaga sy talanjona aho ary nalahelo fa gasy samy gasy dia mifampitsetsitra , ny ankizy tsemboka sy reraka miasa mandtritra ny 3 mois , zareo anefa mitango ny 3 mois fotsiny . Raha notsorin\'ny zareo moa izany tsy maninona fa ilay mandainga be hoe hanaovana visa , billet sy ny sisa e. Tena olona tsy matahotra an\'Andriamanitra , mpanambaka gasy mihitsy ilay Mme Tinah . Mba naniry ny nihaona sy niresaka taminy aho nefa vao naheno an\'io aho dia lotika tanteraka .
novalian'i 08051972 ny 24/08/2008 13:38
2. mahdoum ( 18/06/2008 19:13)
zavatra hafa mampalahelo koa dia izao ,nisy ankizy sendra nihaona tamiko taty , nilaza izy fa nanana olana dia niantso sy nitaraina tamin'io Mme Tinah io , kitakita hono no azony taminy . Nanterina tany amin'ny bureau hono izy , nihaona tamin'i Mme tao indray , vava sy avonavona no azony , toy ny bozaka aman'ahitra no nanaovany ilay ankizy . Tsy haiko aloha ny fahamarinan'io fa raha tena izany tokoa , inona no MAHA RESPONSABLE NY GASY AZY . Mampalahelo .
3. ni81 ( 18/06/2008 20:35)
Mampalahelo tokoa ny hafetsena toy izany. Fa mety marina ihany kosa aloha ilay hoe nanamboarana passeport, visa, sy ny visite médicale e! Sa ahoana?
Fa io resaka hoe gasy responsable io dia misy na eto France aza. Tsy hanonona ilay toerana aho (ary marihiko fa tsy mbola nisoratra anarana tao @ lay olona io aho fa nanana namana dia nahita ny condition) fa misy gasy milaza ho mamonjy ny mpiray tanindrazana aminy fa misy tombotsoany kosa ao aloha izay izy vao manao e! Tsy manana ttasy ilay oul d izy no manome bulletin de paie, mi-déclaré azy @ fanjakana, fa raha sendra misy ny wa wa dia miala izy.
4. xxx ( 18/06/2008 21:40)
mahdoum: raha ny fahazahoako ny resaka dia ila olona hiasanao aza izany vonona ny handoha ilay trois mois dia mifalia izany....
atao ahaona fa ny olona sasany mikatsaka ny tombotsoany foana aloha izay vao ny anao...
bon courage de bonne chance....
5. xxx ( 19/06/2008 06:38)
ito ndray lay resaka liban fa miverina , efa histoire be teto io ry madoum a , fa mahit avaly sy anamarinantena fona ireo voakasika e( c v d) ireo mpandefa sy mpanao hafetsena e .Hanaovany tambabe ndray zao ianao , jereo anie e :-D :-D

xxx = peugeot

Nahitsin'i hery
novalian'i xxx ny 27/06/2008 12:53
6. endrika01 ( 19/06/2008 10:44)
Efa misy torohevitra napetrako ao @ Antson'ny fo ao,ka mino
aho fa ahafa-po ny rehetra izany torohevitra izany!

ekena marary ny fo diso fanantenana,fa tsy izany tsony izao no tanisaina,
fa zavatra vaovao ndray no banjinina,tsara ny namoahanao ny hevitrao,
azo lazaina fa miavaka ianao @vhv sasany eto tsy mba afaka akory,miditra serasera na mi-surf.


ka izay no ilaina ny namome torohevitra sy milaza ny zava-misy mba
hisainan'izy ireo(Agences)rehetra any Dago any we:


------------Aiza ny marimarika tokony ho raisina,fa tsy hifankahala,
sy hifandrombaka kill,ny handeha aty Liban fotsiny,de samy milaza
ny tsiron'ny tanteliny any daholo!!!!!
de matetika lay mpandefa taloha ifanotofana ny rehetra.


-------------zah tsy hiaro ilay olona voatononareo anarana ery ambony,fa ny fantatro dia misy Agence hafa tsy manamboatra papiers no sady tsy mandray 3mois ny ankizy (vhv)alefany.




Lasa baranahany be mintsy rha ny fahazahoako azy ny fandefasana ,na ny fandehanana aty LIBAN.
andraso fa ho lazaiko etsy ambany ny t@ andronay!! :D
7. endrika01 ( 19/06/2008 10:57)
Tamin'izany andro zany dia:--------Ireo VAZAHA be ,lava ranjanany be,

sy be feo be reny no nanadina anay!!!!!



Nisy teo @ 250 ny candidat,candidate.
Natao ny sivana voalohany; 50 no voaray.
Dia ireo vazaha be ireo tenany mihintsy no nanadina anay,
ary nampiresaka @teny Frantsay,zay nahay Anglais koa dia
nampiseho ny fahaizany teo daholo,15mint isaky ny olona iray ny dinidinika
tao.




Nitaintaina mintsy T@ zany hoe afaka ve sa tsia,satria mbola niandry ny valiny.

dia nivoaka ny valim-panadinana dia 25 no voasivana tao.
------Nampalahelo ireo tsy nahay niresaka,sy tsy haiko,fa de zay aloha afaka.

--------tera-tsemboka mintsy t@ zany,fa we sao de diso ny vocabilaire,hi hi hi


Amin'izao vanin'andro izao,dia mandeha daholo na bodo na adala,hi hi hi,ialana tsiny kely le expressssssiiiiiiiooooonnnnnn,de mifatratra ao daholo ny olana mivangongo.


---------tysy aleo ve vitsivitsy mampilamin-tsaina toy izay tendrombohitra hahavalalaniny!!!!!!


Asa aloha ry zareo fa dia zah moa mba te hanipy teny kely de izay.
8. zandikely ( 19/06/2008 11:07)
Tsy mety vita ity asa any Liban ity!
9. xxx ( 19/06/2008 18:18)
xxx:

ito ndray lay resaka liban fa miverina , efa histoire be teto io ry madoum a , fa mahit avaly sy anamarinantena fona ireo voakasika e( c v d) ireo mpandefa sy mpanao hafetsena e .Hanaovany tambabe ndray zao ianao , jereo anie e :-D :-D


ianao ve tsy mahay raha tsy mandrehitra sy milaza io tambabe io e! anefa mora mitaraina ary amin'ny momba ny serasera rehefa hataon'ny olona....
matoa izy mamoaka io dinika io eto dia mila fanampiana hevitra na zavatra hafa , ny anao fandrangitana ny ankilany foana sy ny fandrehetana ny hafa no hatao....mba miova amin'izay ramatoa ah!


10. yonikafopl ( 22/06/2008 14:53)
... Za ndray tsy miafina anaty xxx zany

Nahitsin'i hery
11. yonikafopl ( 22/06/2008 14:55)
avohay doly ze dossier any fa itsikiana fotsiny.
12. ambibao ( 22/06/2008 21:00)
hoy i Yonikafopl
aleo ihany mou hanao eo io vavy lehibe mpinono lat.k. io eee, manenjika bandikely hatraiza hatraiza hinonoany ,tsy mahalala menatra na de anaty fiara aza , odoy eeeeeeeeeee. Za ndray tsy miafina anaty xxx zany


ary tsy nampoiziko toa zao enao an ! noheveriko fa "olona mihaja sy manaja tena".
13. yonikafopl ( 23/06/2008 14:15)
ambibao , amzay fantatr'io xx4 io tsara fa fantatro koa ny momba azy sy ny fiainany saingy tsy niteny ny tena hatramzay de manararaotra manao anzao sy zao izy, miovaova ps hanenjehana ny hafa.
Tsy nanonona ps aho teo, tsy mandika fitsipika ny dikany, fa nolazaiko mivantana ny zavatra fataony dia fantany tsara fa ny fiaina'olona hainy tsingolohana sy asiana sira foana, satria heveriny fa tsy mba afaka mitsongoloka sy manisy sira koa ny namana sasany.
Ary izay fitsaranao ahy tsy olana amiko, itsikiako fotsiny ianao de ampy ahy . :)
14. mahdoum ( 23/06/2008 15:15)
Miarahaba indray ,

ito ndray lay resaka liban fa miverina , efa histoire be teto io ry madoum a , fa mahit avaly sy anamarinantena fona ireo voakasika e( c v d) ireo mpandefa sy mpanao hafetsena e .Hanaovany tambabe ndray zao ianao , jereo anie e

ie vao nametraka ito forum ito aho dia nahazo coup de tel hoe anaovan'ireo tambabe zao ndry amin'io resaka Liban io fa manelingelina ny aferany(ay ve ato izy e) . Tonga ito anefa to tsy hita izany Mme Tina sy firongony zany .sa matsiaro tena voa ngamba madama dia tsy nipoitra
15. xxx ( 23/06/2008 19:06)
ambibao:

hoy i Yonikafopl
aleo ihany mou hanao eo io vavy lehibe mpinono lat.k. io eee, manenjika bandikely hatraiza hatraiza hinonoany ,tsy mahalala menatra na de anaty fiara aza , odoy eeeeeeeeeee. Za ndray tsy miafina anaty xxx zany


ary tsy nampoiziko toa zao enao an ! noheveriko fa "olona mihaja sy manaja tena".


koa tsy aleo haseho ny tena personalité kosa, karazana hatezerana ny azy , c normal, olona no endrikendrehina hoe manao hafetsena sns, fa angaha izy manana porofo an'izany?????

aleo aza olona mampiseo ny tena toetrany toy izay ireny mandevi-tay antsalaka ireny, imason'olona mody anjely anefa any amin'ny takona any tena olona tsy misy hajany sy valerany....


16. ambibao ( 23/06/2008 21:19)
yonika>
miala tsiny raha nanafotoana anao ny teniko fa averiko fa somary gaga kely ihany aho, satria ianao no anisan'ny vhv hitako manana classe ato na any @ sary aza enao misy classe, misy pudeur, bref... manala azy tsotra fotsiny.
Eny e ! efa tezitra aloha fa raha enjehin'ny sasany dia mamoaka zay ao am-po e !fa na izany aza tsy obligée enao manaraka ny jeu n'ilay mpanenjika ; avelao izy hitabataba ao, hain'ny olona anie ny mandrangitra e ! misoratra anarana fotsiny izy (jereo ny date ny fisoroatany anarana) dia zay.
Désolé marina e ! otrany kepoka kely fotsiny aho. Raha manalabaraka sy manao diffamation anie tena azonao toriana tsotra zao e !
17. yvesantsirabe ( 25/06/2008 04:33)
HO ANAREO TEZITRA AMIN'NY VOLA LANY HO AN NY SASANY

rehefa nahita stabilité nareo dia aza tezitr amin'izay lasan'ny sasany any fa samy fitadiavana daholo zany, refa stable enao hoemanana asa noho ny nanampiany anao dia zay zany, fa zay lasany tany avelao ho any, za tsy namaky hatram farany fa ilay voalohany sy faharoa fotsiny no novakiako, tsy misy hoe samy gasy mifampitsetsitra eee, manararaotra eee, miavonavona eeee, enao anie ra tsy nisy azy tsy tafa e, koa inn no mampalehelo anao amin'izay toetrany any, sady sur ah fa ny mahatonga azy manao izany fietsika zany, soalafa foana no fiheverany anao, donc refa milamina enao amin'ny mpampiasa anao sy ny vola azonao ao dia lefero ao dia toneo ny fo dia miasa tsara dia zay
yves
18. xxx ( 25/06/2008 05:02)
yves: ekena.....tsy misy hanampiana....
19. xxx ( 26/06/2008 16:49)
...

Nofafaina

Nahitsin'i hery
novalian'i xxx ny 27/06/2008 13:00
20. yonikafopl ( 26/06/2008 19:49)
Na dia efa saika tsy hamaly eto intsony aza aho fa saika hamaly an'i ambibao sy yvesantsirabe any amin'ny hafatra manokana, dia aleo hapetrako eto farany ihany ny tiako hambara, satria eto no miseho ilay resaka.

ambibao, za tsy mba manao xxx hanafena ny toetra ratsy, na miovaova ps hanenjehana ny hafa, fa ny ps tokana hananako no hanehoako ny maha izaho ahy, ny fombako rehefa tezitra na rehefa faly. Tsy nanafintohina ahy ny teninao, fa tsy olomasina aho akory fa olombelona ihany. :) Tsy voatery hanaraka ny hadalany marina aho, ary araka ny efa noteneniko any ambadika any fa raha nisendaotra ny fo, dia nahatsapa fa tsy adala toa azy akory ny tena fa aleo itsikiana fotsiny sisa :) Ilay resaka fanalambaraka sy diffamation, tsy voalohany io tranga io, fa aiza no toriana ozy ianao , hanao toy ny nataon'i BOZY ve?? (marina ihany ange ny nolazainy hoe site natao hanalambaraka ity site ty ee :wink: ), sa hitaraina any amin'i hery?? efa nitarainako izy tamin'ilay resaka Liban tamin'ny herintaona fa navelany nihahaka teo foana elaela ilay resaka, ambolana taty aoriana vao tsy hitako intsony izay nanjavonany. Dia raha ity resaka ity indray no holazaiko azy, dia hinoako fa ny havaliny ahy dia hoe tsy nanonona ny ps nao izy ka inona no mampikoropaka anao, nefa nanonona anarana izy, ary tsy misy tsy mahalala ny namana fa izaho no tian'ny namorona ny dinika lazaina, fa dia aleo hitsikiana fotsiny mandra-pahatongan'ny devoly haniraka ahy hanao toy ny nataon'i BOZY hihihihihihihih :-P . Satria dia resaka fanenjehana bontolo fotsiny no atao, porofo lazaiko fotsiny eto, milaza izy fa 1an et demi no tonga taty Liban dia tantarainy doly reo condition ireo, tsy fantany anefa fa tamin'izany fotoana izany, 1 an et 9 mois zany no nisoratany anarana, tsy mbola nihatra ny sasany tamin'ireo condition lazainy ireo. Ka hita taratra fa dia fialonana sy fankahalana maimaimpoana fotsiny. Olona mahafantatra ny momba ny asa aty,no nanome sopapa dia avy tokoa nitatatata saingy tratran'ny fandrika , tsy tafita ilay hafatra hihihihihihihi :)

Yvesantsirabe, marina tokoa ny voalazanao, ary dia io toetsaina io no tsy mbola mahatafita ny malagasy, izay miditra any ampaosin'ny hafa sy ny fiainan'ny hafa no atao mankarary andoha fa tsy mba izay hampitomboanao ny azonao. Ho inony moa na azo avy aiza na azo avy aiza ny vola miditra aman'olona? fametsifetsena ozizy? fa inona no atao mametsifetsy??? teny ierana daholo ny zavatra rehetra fa tsy misy nifanerena, ary manaiky ny condition matona nandeha sy tonga taty, ka aiza ny mametsifetsy amin'izany??
Ilay toetsaina mihintsy no tsy mivoatra, sa ve efa hoe solafa dia solafa koa ny fomba fisainana??? ( miala tsiny amin'ilay fitenenana) .
Ary ny mahagaga ange de zao ee, i endrika ary ambadika ary nilaza fa misy 11 ny agence gasy eto Liban, koa maninona no olona iray foana no enjehina sy haratsiana?? dia aleo hitsikiana fotsiny .

Jereo nge ty ataony eee, nahatsiaro ho voa mafy nga tamin'ny teny nataoko dia mitady sy mamorona tantara mba hampitovizana ahy aminy ve??? tsy hitovy aminao velively aho na handeha amin'ny tany mbamin'ny lohany aza hihihihihihihi aleo hihomehezana mihintsy fa tsy itsikiana fotsiny :lol: :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.445