Ohatry ny ahoana izany hoe voakasiky ny fanahy masina???

1. badboy ( 16/06/2008 21:33)
Misy ireo milaza ho mpino fa nilatsahan'ny fanahy masina hono ny tenany ka afaka manala ny fahiorian'ny tsirairay!!

Ho an'ny marary dia ametrahan' ilay nilatsahany fanahimasina tanana fotsiny dia ho sitrana tanteraka!! Iarahamahalala anefa fa ny hafanana avoak'ilay olona ka tohanan'ilay tanana mba hijanona hanafosafo ny hoditra no manome ilay fahatsapana fijanonan'ilay aretina vety²!!

Ka tena misy ve izany ilay nilatsahan'ny fanahy masina? Dia ohatry ny ahoana izany???? Sa fanambakana?? ;-)
2. xxx ( 16/06/2008 22:40)
Ny fahagagana dia misy, fa efa nataon'Andriamanitra ho mpiara-miasa Aminy isika olombelona. Fa tsy ny zavatra rehetra mitranga nefa dia fahagagana. Etsy andanin'izy koa nefa dia tsy amin'ny fahagagana ihany Andriamanitra no miasa amin'ny fiainantsika :)
3. LazaDaddy ( 16/06/2008 23:31)
badboy> ny olona itoeran'ny Fanahy Masina dia tsy mahay manasitrana araka ny sitrapony. Fanomezam-pahasoavana ny fanasitranana, ary ny olona nahazo an'io fanomezana io dia tsy afaka manapa-kevitra hoe ho sitraniko itsy olona itsy na tsia fa an'Andriamanitra ny fanapaha-kevitra momba izany.

I Paoly ohatra nahazo io fanomezam-pahasoavana hanasitrana olona io, saingy tsy izay olona tiany nositranina rehetra no sitrana. Eny fa na ny tenany aza tsy sitrany.

Raha ny fazahoako azy dia tsy tokana io fanomezam-pahasoavana io ka raisina indray mandeha fotsiny dia azo ampiasaina na aiza na aiza @ fotoana rehetra. Tsia! Rehefa nanadihady aho dia nahita fa maro ireo fanomezam-pahasoavana fanasitranana, ary ny fandraisana azy ireo dia miankina amin'ny toe-java-mitranga (fotoana, ilay marary, ilay aretina, ny toerana, ny olona manodidina, sns...). Amin'ny dikateny niaingana io no hita soritra kokoa, ary ataon'ny dikateny Anglisy sasany ihany koa hoe "giftS of healingS".

Izany hoe raha nomen'Andriamanitra an'io fanomezana io aho androany ohatra hanasitrana an-dRakoto, dia androany ihany io no ahafahako manasitrana an-dRakoto ka tsy ahafahako manasitrana an-dRabe rahampitso. Noho izany, tsy afaka manasitrana an-dRabe aho rahampitso raha tsy mangataka amin'Andriamanitra ary mandray ilay fanomezam-pahasoavana hanasitrana an-dRabe.

Asa, mety diso angamba aho, tohizo ny adihevitra.

4. ikaretsaka ( 16/06/2008 23:40)
samy manana ny fikasiny sy ny asany ao amin'ny tsirairay ny fanahy fa tsy ny heo ohatrohatran'izao dia sarotra ny hilaza heo toy izao.. satria na isika aza samihafa..
mino aho fa na samy apostoly aza dia samihafa ny nidirany t@ masina Maria sy piera sy i Paoly sy i Md Augustin ohatra
dia amiko sy ianao koa sur aho fa tsy mitovy
5. celesy ( 17/06/2008 07:27)
Tsy hita maso ny hidirany izany fanahy masina, raha fanahy masina tafiditra ao aminao hita nao fa misy fiovana ao aminao ny zavatra mahazatra anao taloha dia nandinonao dia ny Andriamanitra indray no mimbahan-toerana ao aminao.
6. Koditra ( 17/06/2008 14:38)
Za aloha dia mino an'ilay izy na mbola tsy tsaroako hoe nilatsahany aza, ny antony dia efa marobe ireo tranga nisy nanaporofo an'izany.

Ôtran'ny mitady ho resilahatra @ voalazan'ny LazaDaddy ihany koa aho.
7. badboy ( 17/06/2008 17:13)
LazaDaddy >> Raha toa ka afaka iseho @ fomba rehetra ny fanahy masina, na ny vitsika sendra voahitsakao ka tsy maty aza izany dia fomba afaka isehoany koa??? Tsy lasa lavitra be loatra ve zany satria tsy hisy fehiny intsony ilay fisehony ka izay rehetra mitranga dia azo lazaina hoe fisehon'ilay fanahy masina!! ;-) ;-)
8. xxx ( 17/06/2008 17:43)
Sao tsy i LazaDaddy indray no tian'i Badboy tenenina eo fa i xxx :°)
9. badboy ( 17/06/2008 18:37)
xxx >> Adinoko marina ny nametraka ny pseudo-nao satria ilay hevitrareo mitsam mifanaraka sy mifameno! ;-) ;-) ;-)
10. xxx ( 17/06/2008 20:11)
badboy:
Raha toa ka afaka iseho @ fomba rehetra ny fanahy masina, na ny vitsika sendra voahitsakao ka tsy maty aza izany dia fomba afaka isehoany koa??? Tsy lasa lavitra be loatra ve zany satria tsy hisy fehiny intsony ilay fisehony ka izay rehetra mitranga dia azo lazaina hoe fisehon'ilay fanahy masina!!

Tsy nisy niteny kosa angamba hoe "ny fomba rehetra" dia ho hisehoan'ny Fanahy Masina daholo. Ny nolazaina fotsiny dia hoe tsy amin'ny fahagagana ihany Andriamanitra no miasa amin'ny fiainantsika. Tsy haiko moa ny finoan'i Badboy (raha misy), fa ny zavatra hitako dia misaotra ny Andriamaniny Kristianina ohatra rehefa manan-ko hanina ; misaotra ny olona rehefa afa-panadinana. Fahagagana ve ny fananana hanina ho hanina rehefa miasa isika ? Ary fahagagana ve ny fahafahana rehefa nianatra tsara ? Tsia ... nefa misaotra an'Andriamanitra ihany ny mino Azy. Izany hoe tsy ny fahagagana ihany no inoana fa iasany amin'ny fiainana :)
11. badboy ( 17/06/2008 21:04)
xxx >> Izaho mihintsy no voalohany milaza fa tsy maintsy misy avy @ olona ny tranganjavatra ary tsisy mahadiso izay te hisaotra izay tiany hisaorany raha mety ny ataony!! Fa ny fanavahana indrindra ilay hoe izatsy no asan'ny fanahy masina na izatsy no tsy izy no tsy lazainao! Ny miracle tsy voatery ho fanahy masina ary ny fanasitranana koa hoy LazaDaddy mety ho izy! Ka eo indridra no tokony hatao ilay fanavahana fa raha ts'izany dia ho lazaina fa avy @ fanahy masina daholo na koa ny mifanohatra tanteraka @ izany! ;-) ;-)
12. xxx ( 17/06/2008 21:09)

Avereno vakiana ny hevitro voalohany ! Efa nataon'Andriamanitra ho mpiara-miasa aminy isika olombelona :)
13. badboy ( 18/06/2008 08:20)
xxx >> Ka raha izay koa hoe efa nataon'A/tra mpiaramiasa aminy isika dia midika izany hoe eo akaiky eo foana izy! Tsy laviko izany! Fa ilay hoe inona no ahitana hoe eto izy no nanampy, sy hoe eto napetrany hiasa ilay fanahy masina, izay no tiako ho fantatra! ;-) ;-) ;-)
14. xxx ( 18/06/2008 08:43)

Ho an'ny olona mino amiko dia manaiky foana fa miasa Aa via FM d'une manière ou d'une autre, à tout moment. Ilay olona fotsiny no manana recul na tsia hahafahany mahatsiaro hoe teo foana Aa na tsia

Raha miteny ianao hoe satria aho nianatra dia afaka fanadinana , dia raha miverina kely dia hoe nahoana aho no salama ka afaka nianatra , nahoana no nahazo ny lesona ?

tena important aminao ve ny manavaka hoe teto Izy nanampy, teto izaho irery no niasa ... etc , sa ny résultat no important ?

xxx2
15. badboy ( 18/06/2008 10:02)
xxx:

La fin ne peut jamais justifier tous les moyens!
Ilaina ny mahalala hoe hatr'aiza no anjara andraikitrao mba hanavahana ny avy aminao @ maha olombelona manatsaina sy manatongotra anao, ary ny manavaka hoe eto dia tsisy ankoatryny fanahy masina na A/tra!
Ny vokany mihintsy no miova arak'io satria miavaka tanteraka @ izay ny hoe mamonotena manapoaka baomba satria sitrapo fa tsy asan'Atra araky ny lazain'izireo, na koa ny hoe afaka fanadinana satria niezaka hatrany amboalohany, sy ny hoe sitrana tampoka nefa efa nolazain'ny dokotera hoe tsy avotra intsony!
Ilay fandraisana ny andraikitra @ mahaolona mihintsy no mipetraka na tsia @ io fanvahana io! Donc le moyen a permis à l'aboutissement du résultat!
;-) ;-)
16. xxx ( 18/06/2008 10:37)

Miasa @ niveau nao arak'izay vitanao ianao fa tsy ho maîtriser-nao daholo akory ny paramètres rehetra

Hafa indray ny raisonnement n'ny extrêmiste, tout ce qui est extrêmiste, genre tsy hiasa aho fa Aa miasa ho ahy
17. badboy ( 18/06/2008 11:14)
xxx >> Ka ny extremiste tsy hoe hiandry an'A/tra akory izy, fa ny ataony sy ny mianjady aminy rehetra dia hoe A/tra avokoa ary sitrapon'A/tra!
Ilay mahaolona tsisy intsony fa asan'ny fanahy masina na A/tra daholo ny rehetra!
;-) ;-)
18. xxx ( 18/06/2008 13:22)
badboy:

xxx >> Ka ny extremiste tsy hoe hiandry an'A/tra akory izy, fa ny ataony sy ny mianjady aminy rehetra dia hoe A/tra avokoa ary sitrapon'A/tra!
Ilay mahaolona tsisy intsony fa asan'ny fanahy masina na A/tra daholo ny rehetra!
;-) ;-)

Ka io lazaiko io hoe miasa arak'izay vitanao ianao koa, io ilay part n'ny maha-olona io . Ianao koa ve hanao hoe tsy hianatra aho fa ho hita eo raha miasa ny FM ka hahafaka fanadinana ahy

Hainao ve ilay hiran'ny katolika hoe "miaraka miasa @ Zezo izahay , hanomana tany sy lanitra vao" , samy miasa fa tsy lery irery no asaina miasa

Minoa ahy marina ianao fa raha misy olona marary ka tsy miantso Dr ianao (io ilay part n'ny maha-olona) fa mivavaka fotsiny, maty foana eo io
19. badboy ( 18/06/2008 13:47)
Minoa ahy marina ianao fa raha misy olona marary ka tsy miantso Dr ianao (io ilay part n'ny maha-olona) fa mivavaka fotsiny, maty foana eo io

xxx >> Io hevitrao io mihintsy no nanitikitika ahy ka nahatonga ahy nanotany hoe hatraiza izany ny fikasihan'ilay fanahy masina : satria ilay dokootera tsy ho dokotera fahatany raha nanasitrana, fa misy koa zavatra tsy voasitran'ny dokotera rehetra voasitran'ny anakiray!
Dia satria izy irery no nahavita ilay fansitranana dia voakasiky ny fanahy masina ve izy? Dia satria koa raha toa ka voakasiky ny fanahy masina izy anasitrana ilay olona, dia tsy nisy dikany ve izany ny fianarana nataony satria tsy ny sainy no niasa fa ny fanahy masina??? ;-) ;-) ;-)
Eo koa no mipetraka ilay olana raha ialana ny extremisme rehetra! :°) :°)
20. xxx ( 18/06/2008 16:18)
badboy:

xxx >> Ka raha izay koa hoe efa nataon'A/tra mpiaramiasa aminy isika dia midika izany hoe eo akaiky eo foana izy! Tsy laviko izany! Fa ilay hoe inona no ahitana hoe eto izy no nanampy, sy hoe eto napetrany hiasa ilay fanahy masina, izay no tiako ho fantatra! ;-) ;-) ;-)

Fa inona no dikan'ilay hoe nanampy Izy ? Tsy hoe niasa koa Izy ve ?
:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.062