Ohatry ny ahoana izany hoe voakasiky ny fanahy masina???

21. diamondra27 ( 18/06/2008 18:40)
raha vokasiky ny fanahy masina ianao de hahatsiaro tena nanota be ary nanenina tam le zavatra nataonao ka de tsy averinao intsony zany
lasa olombaovao ianao efa lasa ny zavatra taloha
mandeha araka ny fanahy galate 5
ny fanahy masina de tsy afaka mitoetra ao amin ny olona misy fahotana,
zany we avant ny iasan ilay mpiandry reny de tsy maintsy mangataka famelankeloka izy aloha mba hadio vao afaka manao ny asany

22. fijo ( 18/06/2008 21:31)
tssssss dia tena misy tokoa ve le fanahy masina e????raha misy io,nahoana kay no tsy miseho,na milatsaka amin'ny olona tsy mino izy e????
ny fahafatesana izao dia misy,io n amino na tsia dia hilatsahany aby,fa tsy manavaka.
23. badboy ( 18/06/2008 21:39)
diamondra27:

raha vokasiky ny fanahy masina ianao de hahatsiaro tena nanota be ary nanenina tam le zavatra nataonao ka de tsy averinao intsony zany
lasa olombaovao ianao efa lasa ny zavatra taloha
mandeha araka ny fanahy galate 5
ny fanahy masina de tsy afaka mitoetra ao amin ny olona misy fahotana,
zany we avant ny iasan ilay mpiandry reny de tsy maintsy mangataka famelankeloka izy aloha mba hadio vao afaka manao ny asany




Tsy mahatsiaro manenina zany raha tsy latsahan'ny fanahy masina? Tsy tonga saina ve izany raha tsy nilatsahan'ny fanahy masina???
:roll:
24. xxx ( 18/06/2008 21:57)
fijo:

tssssss dia tena misy tokoa ve le fanahy masina e????raha misy io,nahoana kay no tsy miseho,na milatsaka amin'ny olona tsy mino izy e????
ny fahafatesana izao dia misy,io n amino na tsia dia hilatsahany aby,fa tsy manavaka.

Izao ve no midika hoe "misy" ny zavatra iray na tsia ? :-D
Sa izay misy dia tokony "hilatsaka amin'ny tsy mino" daholo ? Sao dia hilatsahan'ny varatra eo ianao ry Fijo fa mikisaha kely :-P

Mbola tsy niteny aho hoe tsy "midina" amin'ny tsy mino ny Fanahy Masina a. Mbola manadihady ilay toetra heverin'i Fijo fa tokony (sa tsy maitsy?) ananan'izay "misy" fotsiny aho.
25. diamondra27 ( 19/06/2008 12:08)
badboy; anisany io fa tsy we voatery
26. niryna ( 20/06/2008 05:02)
diamondra27:
raha vokasiky ny fanahy masina ianao de hahatsiaro tena nanota be ary nanenina tam le zavatra nataonao ka de tsy averinao intsony zany
lasa olombaovao ianao efa lasa ny zavatra taloha
mandeha araka ny fanahy galate 5
ny fanahy masina de tsy afaka mitoetra ao amin ny olona misy fahotana,
zany we avant ny iasan ilay mpiandry reny de tsy maintsy mangataka famelankeloka izy aloha mba hadio vao afaka manao ny asany

mitovy hevitra aminao koa aho.
Misy fomba kely azo hitadidiana ny asan'io fanahy masina io:C C C E
Convinces (mandresy lahatra),Corrects (manitsy sy manoro antsika ny tokony atao) Cleanses ( manadio antsika ho afaka aminny ratsy rehetra ka mahatonga antsika hibebaka amin'izany fahotana izany),Confirmes (manamarina antsika ny zavatra mety atao na ny tsy tokony atao),Equipes (mampita amintsika ny tokony atao sns )
fijo:

tssssss dia tena misy tokoa ve le fanahy masina e????raha misy io,nahoana kay no tsy miseho,na milatsaka amin'ny olona tsy mino izy e????
ny fahafatesana izao dia misy,io n amino na tsia dia hilatsahany aby,fa tsy manavaka.
ka raha tsy mino azy ny olona iray dia tsy hiditra ao anatiny izy ary mazava ho azy fa tsy ho fantany asa ataony amin'ny fiainany,na fantany aza izany dia tsy ao an-tsainy hoe Atra no nahatoa izao ahy .

Soa ihany fa misy an'i kristy tia antsika ka ny finoana azy ary ny vavaka atao aminy mba omeny ny fanahy masina dia afaka manampy antsika .

Ataovy foana hoy aho ny fanandramana.Mivavaha ary asaivo ampifantariny fa
aminao ny teniny ,asaivo azavainy anao izany .Manandrama mamaky baiboly ary rehefa tsy mety azonao(na teny gasy aza ny baiboly rehefa tsy omeny antsika ny hevitra dia tsy fantantsika ny dikany....ka dia mitenena hoe ampio aho Atra ary enga anie ny fanahinao masina no hirotsaka ato am-poko ahalalako ny teninao. ..
27. prime ( 20/06/2008 09:06)
badboy:
Ohatry ny ahoana izany hoe voakasiky ny fanahy masina???
... ny Fanahy Masina no endrik'Andriamanitra feno sy velona ankehitriny ary manana ny heriny... tsy natao ho an'ny daholobe fa nozaraina ho an'ny fiangonana tsirairay (isam-batan'olona mino sy manana an'i Kristy)...

Ka ny fandraisana sy firaisan'ny tsirairay amin'ny Fanahy Masina dia samy manana ny azy, amin'ny endriny maro tsy hita isa, fa tsy toa ny fandraisana an'i Kristy izay saiky mitovy avokoa (mandalo fibebahana)...

Noho izany tsy misy afaka loatra mahalaza na mahafehy ny hoe ahoana izany hoe voakasiky ny Fanahy Masina fa "expériences individuelles" ilay izy...

Andramo aloha dia ho tsapanao hoe, izay ilay voakasiky ny Fanahy Masina...

Ny vokatry ny Fanahy Masina dia ireo efa ampatsiahivin'ny namana maro ireo araka izay voasoratra ao amin'ny epistily ho an'ny galatiana 5:22-25...
28. fahamarinana ( 20/06/2008 10:02)
prime:
Noho izany tsy misy afaka loatra mahalaza na mahafehy ny hoe ahoana izany hoe voakasiky ny Fanahy Masina fa "expériences individuelles" ilay izy...


prime:
Ka ny fandraisana sy firaisan'ny tsirairay amin'ny Fanahy Masina dia samy manana ny azy, amin'ny endriny maro tsy hita isa, fa tsy toa ny fandraisana an'i Kristy izay saiky mitovy avokoa (mandalo fibebahana)...

:arrow:Misaotra an'ny prime fa eto dia mazava tsara amiko ilay izy.:) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0071