devoly sy satana

1. fijo ( 15/06/2008 20:23)
mandinika ny resaka eto aho,dia mijery ny fomba firesaky ny mpino hafa koa,ary mahatsiaro ny fitaizana azoko.nyreniko moa protes.
eto aho dia mahatsapa,fa ny mpino protestanta no tena mampiasa io resaka fampitahorana amin'ny devoly sy satana io.
toetran devoly izany,asan'ny devoly mihintsy io,nidiran'ny satana izy sns...ka fanontaniana ity.
fa maninona no ampitahorina an'izany ny finoana???
novalian'i prime ny 08/07/2008 08:57
2. rakapy ( 16/06/2008 03:15)
Io Ra Fijo raha ny fijeriko azy dia ilay fitaizana efa zatra nampitahorina sy mampitahotra no mbola mitohy mandrapaha lehibe. Rehefa lehibebe manko ny ankizy dia tsy hihino an'i Ingahibesola sy ry Trinobe intsona ka dia ny devoly sy satana indray no misolo azy ireny. Raha dinihina dia mi-base @ fampitahorana ny finoana. Diniho anie fa fampitahorana avokoa no voalaza @ ireny finoana ireny e!
3. ikaretsaka ( 16/06/2008 04:09)
ka misy ngamba ny mihefitra heo raha tsy ampitahorina ny olona tsy mino...
satria tsy de ao loatra ilay asa fanasoavana hahasarika olona ohatra dia iny no hita fa moramora hahasika dia iny no ampiasaina...
fika fiady aby iznay letsy e
4. rabingogilabanga ( 16/06/2008 08:28)
- Mino ny fisian'ny devoly ve i Fijo aloha, sa tsia?
-Raha tsy mino dia hazavao le antony mampisy ny tromba, sy ny olona misy raha mihanjaka!
-Ary farany, inona anarana omena le hoe: onde negatif, sy positif oentin'olona iray pessimiste sy optimiste, na koa ny folie passagère, lazain'ny psychologue, na resahin'ny intellectuels athée, ankehitriny

mba mi-cadrer aho fa tsy misy raha haiko loatra.
5. rebeccaF ( 16/06/2008 13:45)
rakapy: Izaho mpino fa tsy mba nobeazina tao anatin'ny tahotra izany mihitsy. Ary mbola tsy naheno na dia indray mandeha aza resaka fampitahorana tany am-piangonana, na tany am-pianarana katesizy.
Ny mifanohitra amin'izay voalazanao aza no henoko sy hitako ary tsapako.
6. Ilo ( 16/06/2008 14:19)
Ny soratra masina aloha dia mampilaza antsika mba hiambina!
I Petera 5.8 "Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany"
Efesiana 6.11-12 "Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra "
Sady satana koa tsy arak'ireny sary mampatahotra ireny fa izy aza no anjely tsara tarehy indrindra tany an-danitra tany. Ka amiko aloha tsy fampitahorana fa fampitandremana mba tsy ho latsaka @ fakam-panahy. Ary tsy hoe foronina akory ilay devoly sy satana fa tena misy.
Sady @ zavatra rehetra ataontsika eto an-tany dia tsy misy afa-tsy safidy roa ihany, na isika mandeha arakan'A/tra na isika mandeha araka ny fisainan'ilay ratsy fa tsy misy eo antenantenany.
Ka tsy ho hita eny @ zavatra ataontsika eny ary ve hoe iza marina ilay tompointsika?
Ary raha misy namantsika tafalatsaka @ ratsy, tsy hananatra azy ve izy? Ny fiteny azy angamba no atao am-panajana fa tsy hoe hanevateva azy akory.
7. ikaretsaka ( 16/06/2008 14:43)
ke izy heo hampiasaina hampitahorana anie no resaka eto e.. hoe fa maninona le izy no atao izany???

rebeccaF.. ka ianao hafa fa ireo mpiresaka devoly isaky ny mihetsika hampitahorana ny pokona hivavaka no resaka

Ilo> fa maninona no ireo andalan-tsoratra ireo no notsimp[oninao ohatra fa tsy le heo "aza matahotra na mangorohoro ny fonareo fa ny fiadanako no omeko anareo"(Joany 14)
na hoe "indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana"
8. rebeccaF ( 16/06/2008 15:43)
rakapy:
Raha dinihina dia mi-base @ fampitahorana ny finoana. Diniho anie fa fampitahorana avokoa no voalaza @ ireny finoana ireny e!

Io no voalazan'i rakapy tery ambony ry ikaretsaka, ka nahatonga ahy hamaly. Tsy misy milaza ao hoe: ireo mpiresaka devoly no resahany, fa hoe: "Raha dinihina dia mi-base @ fampitahorana ny finoana".Izay laviko 100 isan-jato satria tsy marina. Io dia midika amiko fa ny mpino dia kanosa sy kitahorona daholo.

Nefa izaho dia mpino, ary tsy mba katahotra izany. Ary tsy ny TAHOTRA no manosika hino fa ny fahalalana sy fanekena fa marina izay nambara sy nampitaina tamiko, dia ny hoe: Misy Andriamanitra ary tia ahy sy ny olona rehetra ary ny zava-boaary rehetra. Tsy mitsahatra manasoa ny olona izy. Ary ny sitrapony dia ny hahasoa ny olona satria izy Fitiavana.

Aza adino fa ny fitiavana sy ny tahotra dia tsy mba afa-miara-dalana.
9. niryna ( 16/06/2008 17:55)
fijo:

mandinika ny resaka eto aho,dia mijery ny fomba firesaky ny mpino hafa koa,ary mahatsiaro ny fitaizana azoko.nyreniko moa protes.
eto aho dia mahatsapa,fa ny mpino protestanta no tena mampiasa io resaka fampitahorana amin'ny devoly sy satana io.
toetran devoly izany,asan'ny devoly mihintsy io,nidiran'ny satana izy sns...ka fanontaniana ity.
fa maninona no ampitahorina an'izany ny finoana???


Tsy biby fampitahorana satana fa tena misy ary andraso fa mbola ho hazavaiko ny vexation,ny oppression,ny possession sns dia ho fantatrao manomboka amin'io izy
ny olon'Atra tsy hitoerany fa ny olona tsy mino an'Atra no hitoerany
10. ikaretsaka ( 16/06/2008 21:02)
misy mibase @ fampitahiorana.. fa tsy izy rehetra ...betsaka ny manao ilay satana sy devoly afobe sns.. heo raha tsy manao izao dia any @ afobe, satana sy ny herin'ny devoly no mahatonga anízao sy izao.. sns...
11. badboy ( 16/06/2008 21:27)
fijo >> milay be ilay hevitra!!
Io ilay tsy fanekena hoe safidin'ilay olona no hanao izao toetra izao na koa hanana izao hevitra izao!
Efa tena nafantoka loatra tao antsaintsika fa tsy isika no tompon'andraikitra @ ratsy na ny tsara fa na A/tra na ny Devoly! Ahoana intsony ny fomba hisian'ny toerana @ mahaolombelona @ izany??
Io no mahatonga ahy niteny ao ambany ao hoe ilay resak'A/tra, na koa devoly satria izay no resaka eto, dia lasa fialokalofanan'ny tsy te hanaiky ny andraikiny sy ny vokatry ny ataony!

Aoka hatsahatra hatreto ilay hoe izay no sitrak'A/tra na koa ilay hoe izay ilay hevidevoly satria olona manana saina mandinika sy tokony mahatsapa ny zavatra ataony daholo ny tsirairay avy, na dia natao tao anaty hatezerana na alahelo aza ilay fihetsika! Dia tokony ekena hoe satria nohon'ny halahelo na nohon'ny hatezerana, na nohon'ny tsy fahaizana, na nohon'ny tsy fitandremana, na nohon'ny tsy fandalinana.....

Mahaiza manaiky ny anjaratoetranao fa aza mialokaloka intsony ao ambadiky ny finoana! Mino ahao fa tsy ny fanilihina ny andraikitrao ho asatanan'ilay tompoinao io no fomba mendrika indrindra hampisehoanao ny fankasitrahanao azy! ;-) ;-) ;-)
12. rakapy ( 17/06/2008 02:51)
RebeccaF> Voalazanao fa nobeazina tao anatin'ny finoana ianao nefa tsy mbola nahare fampitahorana izany mihintsy??? Midika izany fa tsy nandaitra taminao ilay fampitahorana. fanotaniana iray fotsiny no apetrako @ nao dia hainao ny valiny.
-Raha toa ka tsy mino an'i Jesosy Kristy na tsy miditra fiangonana ny olona iray dia inona no voalaza fa hanjo fanihiny rehefa maty? (@ maha xana)
ka tsy fampitahorana ve izany aminao . Na black na white foana no base ny finoana xana.
13. rabingogilabanga ( 17/06/2008 07:28)
zavatra 2 ihany no mibaiko ny fiainantsika, @ zavatra ataontsika rehetra:

- Ny Fitiavana
- Sy ny Tahotra

tsy ny mampatahotra ihany no lazain'ny mpino, fa...

-fa milaza ny fitiavan'andriamanitra indrindra ihany koa

feno izany ny zavatra, satria le deux face ny fianana voalaza

aza raisina ila ihany lay resaka
14. rebeccaF ( 17/06/2008 08:48)
rakapy: eo amin'ny fiainana dia misy foana ny safidy atao. Ary ny fandraisana fanapahan-kevitra dia midika fahavononana hisedra sy hizaka izay vokany.
Nefa tsy misy ny fanapahan-kevitra tena matotra sy vokatry ny fahafahana raha toa ka tsy misy ny fahalalana. Izany hoe mila fantarina izay handraisana fanapahan-kevitra.
Amiko ny filazana fa raha mifidy an'izao ianao dia izao no vokany dia tsy raisiko fampitahorana velively. Isany singa manampy ahy amin'ny fandinihana ireny, mba hahalalako ny marina, hanaovako safidy. Izany hoe: matoa aho nifidy ny ho kristiana, ary mbola kristiana hatramin'izao ka ho mandrakizay, dia tsy noho ny tahotra velively fa noho ny fiekeko fa MARINA izay nambara tamiko. Tsy noho ny filazana tamiko sy ny fitahizana ahy fotsiny no mahatonga hino fa noho ny zavatra tsapako eo amin'ny fiainako manokana koa, satria ny finoana dia fiainana.

Marihako fa raha tahotra no mahatonga ny olona iray hino dia tsy ho lasa halavitra izy amin'ny finoana satria tsy maintsy hitady fahafahana. Betsaka ny ohatra azo raisina amin'izany na dia eto amin'ny serasera ihany aza (ianao ohatra).
15. xxx ( 17/06/2008 09:32)
rakapy:

RebeccaF> Voalazanao fa nobeazina tao anatin'ny finoana ianao nefa tsy mbola nahare fampitahorana izany mihintsy??? Midika izany fa tsy nandaitra taminao ilay fampitahorana. fanotaniana iray fotsiny no apetrako @ nao dia hainao ny valiny.
-Raha toa ka tsy mino an'i Jesosy Kristy na tsy miditra fiangonana ny olona iray dia inona no voalaza fa hanjo fanihiny rehefa maty? (@ maha xana)
ka tsy fampitahorana ve izany aminao . Na black na white foana no base ny finoana xana.


ohatran'ny fahitako azy dia version entina any Afrika na tany @ tany voazanaka io version fampitahorana io, eto Europe aho dia tsy io no voizina any am-piangonana kristiana halehako , fa ny FITIAVANA , pas le jugement pour ceux qui ne croient pas . @ izao tsy tahotra ny ho very no mahatonga ahy hivavaka fa pour ma paix intérieur , libération @ izay rehetra mangeja ahy . On ne nous parle pas de Dieu père fouettard mais Dieu Amour , tsy dia tsaroako miresaka ny fanahin'ny maty koa fa plutôt ny fanahin'ny velona
16. Ilo ( 17/06/2008 12:37)
Ikaretsaka:
Ilo> fa maninona no ireo andalan-tsoratra ireo no notsimp[oninao ohatra fa tsy le heo "aza matahotra na mangorohoro ny fonareo fa ny fiadanako no omeko anareo"(Joany 14)
na hoe "indro irahiko ianao hampanjaka fitiavana"


Ka hodiana tsy hita izany ny asan'ny devoly? Sady araka ny nolazaiko teo, ny ao @ Soratra masina dia fampitandremana fa tsy fampitahorana akory. Asakasak'izay mitarika ny olona @ fampitahorana sy izay mety hotarihiny @ izany!
Inona koa moa no atahorantsika raha miankina @ A/tra tokoa isika?
Sal 23.4 "...Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy."
17. ikaretsaka ( 17/06/2008 14:24)
rabingogilabanga:

zavatra 2 ihany no mibaiko ny fiainantsika, @ zavatra ataontsika rehetra:

- Ny Fitiavana
- Sy ny Tahotra

tsy ny mampatahotra ihany no lazain'ny mpino, fa...

-fa milaza ny fitiavan'andriamanitra indrindra ihany koa

feno izany ny zavatra, satria le deux face ny fianana voalaza

aza raisina ila ihany lay resaka


fa moa ve mi balance tsara ireo ho an'ny mpino sasany? indrindra raha hitady namana sy hi persuader olona izy?? Izay angamba ilay votoatim-panontaniana
18. ari.malala ( 17/06/2008 14:44)
ny zavatra tsapako tokoa dia ilay oe mpanota ny olombelona foooooona no ahindrahindra mazàna... ekena ary tsy lavina aloha fa mpanota ny olombelona saingy kosa Andriamanitra efa nanome ny famindram-pony malalaka, noho izany dia tokony ilay fitiavany tsy misy fetra no lazaina sy isintonana olona fa tsy izany ianoa mpanota e, noho ny otanao e afobe e, devoly e satana e... mankadilo sofina inrday ny mihaino azy raha resaka ary mandreraka maso ny mamaky azy eto am forum!!

Ho ahy manokana kristianina ny tenako manara-dia an'i Jesoa Kristy tsy noho ny tahotra (afobe e demony e... efa nandresy izany rehetra izany Izy, vavany no niteny d mno azy aho) fa noho ny finoana sy fitiavana Azy.
19. ikaretsaka ( 17/06/2008 14:58)
zay.. amiko raha te hisintona olona ho kristianina ianao dia ny fampanjakana ny fitiavana @ ara batana sy sosialy aloha no atao voalohany, dia ny ara-panahy mandeha ho azy eny..
20. Koditra ( 17/06/2008 15:15)
fijo:
eto aho dia mahatsapa,fa ny mpino protestanta no tena mampiasa io resaka fampitahorana amin'ny devoly sy satana io.

Misy ary tena misy tokoa io fampitahorana na fampitanderma io, izay ilazatsika azy tsy maninona, ary tsy ny protestanta rehetra kosa fa ny fiangonana sasantsasany, misy ihany koa avy any @ antoko-pinoana hafa izay tsy holazaiko eto.
Ankoatran'ireo voalazan'ny fijo ireo dia ao koa ireo milaza fa "Sarotra ny manara-dia an'ny jesosy, enjehan'ny olona enao, ho betsaka ny fitsapana miandry anao sns... "
Izay moa izany ilay methode (mialatsiny @ teny vahiny) tsapan-drizareo fa mety hahomby itarihina ny olona itodika @ A/tra. Mety hahomby io @ hafa fa mety tsy ho @ retraretra.

Amiko, ny Fahatsarany aza angamba no mety mahomby lavitra noho ilay fampitandremana sy fampitahorana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.425