Mahita vahaolana @ fisondrobidin'ny Petrole ve ny Mpanohatra

41. LazaDaddy ( 17/06/2008 01:39)
jeankely:
Ary tsy lainga fa sahirana amin'io resaka io daholo ny Mpitondra @ firenena rehetra
Tsia, tsy ny firenena rehetra fa diso ianao :)
jeankely:
nefa tsy aharaka izany ny mety fisondrotry ny karama na ny miditra.
amin'ny firenena sasany dia tena mitombo be koa ny karama: BOOM

Raha resaka mpanohitra eto Madagasikara indray dia tsy andaniako fotoana loatra satria raha toa ka mahita vahaolana aza izy, efa maloton'ny politika ary mbola eo koa ny fangejana politika.

Ny mpitondra eto Madagasikara kosa ary ve izany afaka maimai-poana raha tsy mahita vahaolana ny mpanohitra?
42. LazaDaddy ( 17/06/2008 01:46)
patrick2002:
any madagasikara mbola lafo noho ny eto Canada ny vidiny Essence nefa ny salaire minimum 50$ heveriko fa tsy manao ny asany ny mpitondra amin'izany
Patrick> io koa dia mahavariana kanefa ny hetra tsy hita hoe mandeha aiza? Lalana vita ve? Canada aza mamboatra lalana vaovao sy tsara lavitra noho i Madagasikara, ary manao "entretien" matotra kokoa noho i Madagasikara.

Tsy ny vidin'ny solika ihany fa ny sakafo fihinana an-davan'andro koa dia betsaka ny mora any Canada noho ny any Madagasikara.
43. patrick2002 ( 17/06/2008 02:52)
jeankely : ianao manontany hoe aiza ny vahaolana any @ mpanohitra?
dia valiako ianao hoe ny mpanohitra ve no hanome vahaolana rehefa tsy mahita ny mpitondra :roll:
Misy foana ny vahaolana izay no maha mpitondra azy ,izao tsy manana vahaolana satria ,tsy izay no asako ,manana ny asako andavan'andro izaho eto ,ka tsy handeha hijery ny statistique sy anao etude an'izany hoe firy litre isan'andro no petrole ilainy gasy ,firy ny auto mandeha gas-oil,hoatrinona ny hetra miditra @ lasantsy amidy ,raha ho foanana ny hetra @ petrole dia firy ny manque a gagner ao @ budget de l'Etat. aiza no hanetsenana io budget io,manao ahoana raha subventionner-na ny petrole .
Izany rehetra izany dia anjarany gouvernement fa tsy asako ,izao eto mahuta hoe fahantrana ary mbola fahantrana no ateraky ny petrole lafo dia mitsikera izaho hoe aiza ny action politique ny mpitondra .
Izay no maha-mpitondra ny mpitondra ,mitovy daholo io na canada na USA ,na Afghanistan ,fa tsy haiko hoe afa ve ny any Madagasikara ,tonga @ fitenenana hoe ADY GASY, mpitondra gasy dia heveriko fa TSIA ny valiny ,mitovy daholo ny administration publique rehetra fa tsy hoe afa NY any Madagasikara afa ny any France ,afa ny any Irak
44. Jeankely ( 17/06/2008 02:59)
Izahay tsy mbola nivoaka andafy fa resaka antanimbary no hainay e.
Karama: BOOM hoy ra-LazaDaddy. Dia asa aloha fa vao misy fisondrotana kely tsy hita akory ny karama dia fimenomenonana no betsaka ary ny sehatra tsy miankina no voalohany amin'izany. Milaza ireo fa tsy afaka ny hanondrotra ary marina angamba raha ny miditra aminy no hainy hazavaina. Fa ho anay kosa raha misondrotra ny iraikalahy na iraikavavy eny antsaha na antanimbary dia mbo sahirana koa izahay satria ny vokatra koa tsy lasa mankaiza akory. Ka aiza ny BOOM azo atao ra-LazaDaddy ? Izaho dia tonga saina foana fa ry zalahy andafy tena be resaka sy teoria ary mampitovy ny Dogotra sy sarindokotra =)) =)) =)) satria tsy manao fa mitazandavitra
45. LazaDaddy ( 17/06/2008 03:09)
jeankely:
Izahay tsy mbola nivoaka andafy fa resaka antanimbary no hainay e.
dia akombony aza ny vava dia mahalala menatra fa tsy mirediredy hoe ny firenena rehetra :P
46. badboy ( 17/06/2008 04:46)
Jeankely:

Misaotra manokana an'i tovolahy007 aho aloha satria mazavabe ny resany. Izaho tsy mpitondra noho izany aza afangaro ra-badboy. Ny fametrahana fanontaniana tsy midika fa mahay ny valiny ilay mpametraka fanontaniana fa nohon'ny tsy fahalalako sy tsy fananako fahaizana sahala anaoreo no hametrahako ilay fanontaniana ary hisaorana fa misy mahay mamelatra azy tokoa.
Ianareo samy andafy matetika be resaka ka izay no mahatonga anay aty ambanivohitra mba mametraka fanontaniana. Ny any Canada sy ny vitan'ny mpitondra any na ny any zamerika ve no ampitoviana @ mpitondra Malagasy ? Sao mba miteniteny foana na manao ohatra mivilana?
Misy antony matoa ianao mitokona any ary averiko ihany fa sady manana fahaizana be noho ianao no efa nandalo fianarana andafy sahala anao koa ny Ministra saingy hafa ny manao sy ny miresaka =)) =)) =)) .




Rehefa tsy mahay valiny dia ny fahendrena ny mandalina ny vahaolana omen'ny sasany! Ary ny vahaolana anaty hevitra no mipondraka fa sty ny mifanohitra @ izay! Tsy mbola nisy izany fanantanterahan'asa alohan'ny fandinihankevitra izany!

Ny @ hoe misy antony matoa mijanona any @ misy azy avy ireo izay diaspora rehetra, dia ohatry ny t@ 1947 ihany io, raha toa ka mba mahay tantara ihany, satria ireo nitondra ny fivoaranatsaina dia izay NAHITA SY AFAKA NAMPITAHY NY MISY EO ANTOERANA SY NY ANY ANKAFA! Midika izany fa harena ny fananana olona any ivelany mampitaha ny pôlitika misy rehetra satria tsy tao M/kara akory no nipotran'ny révolution verte na ny énergie alternative fa avy @ fikarohan'ny firenena hafa!! Mampiatra sy mampiampita ny traikefa avy nampiarin'ireo firenena hafa ireo fotsiny sisa no atao avy eo, tsy izay angaha moa no nataon'ny mpitondra???! Dikany : tsara izany ny manana olona mifanerasera @ ireo tany hafa mba hahitany hoe inona no ataon'ireo hamahany sy hanalefahany ny olana!
Ilay fahalafosan'ny pétrole iarahan'ny rehetra lazaina fa olana mondiale sy internationnal! Dia ekeo koa hoe ny vahaolana mety ho tsaratsara kokoa dia ny fangalahatahaka ny ataon'ireo firenena matanjaka izay tsy sempotr'ilay fiakarana!!

Aza lany andro manenjika ny any ivelany fa ireo no mahay mampitaha kokoa ny zavamisy rehetra ary afaka ny hitondra ny vahaolana ampiharin'ireo firenena misy azy tsirairay! Ary aza adino fa M/kara nosy fa tsy centre du monde akory!! Tsy isika izany no manana ny vahaolana tsara indrindra fa tsy maintsy maka ireo vahaolana etsy sy eroa ampiaharin'ireo firenena hafa! :^) :^) :^)
47. Jeankely ( 17/06/2008 04:59)
Ny firenena matanjaka tompoko tsisy iadiana hevitra fa matanjaka izy saingy ilay mpianatra any amin'ny firenena matanjaka no manadino fa ny olona tompon'andraikitra anie ka efa nahavita fianarana maro noho izy izay mbola tsy misasaka ny fianarany no vitany. Hadinony fa dia heveriny fa izy ihany no mahita ity andafy. Tsy ianao no mamaha ny olana amin'ny firenena matanjaka ka miheritreritra fa izay teneninao no hevitry ny firenena matanjaka.
Aza avadika ny resaka fa resaky ny samy Malagasy mitady vahaolana ho an'ny olana Madagasikara no resaka.
Fehiny Tsisy ny mpanohatra ahavaha olana izany fa finaritra mitanisa teoria tsy nampiasany ireto zatovo mbola ao andakilasy =)) =)) =)) .
Mila miasa ny Malagasy fa tsy variana amin'ny revirevy tsy hinanankanina =)) =)) =))
48. badboy ( 17/06/2008 06:24)
JK >> Tsy ho lazaiko hoe maivakitsaka mba tsy ho tezitra! Ny zvtr lazaiko hafa ny itatatany hafa! Ohatry ny hoe tsy mahay mamaky teny ve sa aleo atao hoe mamaky vilana!! Tsy mbola nisy nilaza ireo diaspora, ny tenako aoa anatiny, fa hoe NAMAHA NY OLANA ANY @ MISY AZIREO FA MAMPITA NY VAHAOLANA NORAISIN'IREO TOMPONANDRAIKITRA ANY @ MISY AZY TSIRAIRAY!!

Afangaro daholo zao rehetr'izao! Ary aza menatra ny fampiasan'ny fitondrana ny vahaolana hitany avy any ivelany! Tsisy maharatsy ny fampiasana ny vahaolana hitan'ny firenena matanjaka! Aok'izay ilay filazana hoe aleo ho anay malagasy, tsy ianao akory ny mpitondratenin'ny malagasy rehetra, ary ny mifanohitra @ izay aza no hita rehefa jerena ireo olona mifanohikevitra @ tenanao!

Voalazako avokoa ny tiako ho lazaina! Misaotra ireo namana any antoerankafa namita ny zavatra hitany any @ misy azireo tsirairay! Tohizo fa izay no hahafantsika mampivoatra ny fomba fijery sy ny fomba fandraisana!

Vive la mondialisation!!! ;-) ;-) ;-) ;-) ;-)
49. Jeankely ( 17/06/2008 08:15)
Mazava ho azy fa tsisy afaka hilefa ny "Globalization" fa ny manao mpitaribato vilambava no betsaka. Rehefa ampidirina ny mpiasa "Filipinas" lazaina atao inona fa hidio avy eo raha domina kely milaza indray hoe mondialisation io.
Samy hevitra ary fomba avy andafy daholo no miasa na anao inona na anao inona. na hanao "rapport, evaluation techniques & financieres, sns" eny fa na mpihira tanora malaza aza dia maka tahaka ny ataon'ny andafy ary malazabe ao antanana na mody avadika teny Malagasy ny toniny ary lazaina fa hiran'ny tena nefa rehefa jerena dia halatra mazava. Tsy mahagaga io ary tsy manampahaizana amin'izany ny Malagasy fa hatr@'ny andron-Dradama no nandefa mpianatra andafy fa tsy vao ianao akory ka milaza samirery mahalala ny andafy.
Rehefa tsy voavaha ny olana dia aleo ny olona hiasa :-D :-D :-D satria mandaniandro pokona. :-D :-D :-D
50. tovolahy007 ( 17/06/2008 13:51)
Salama daolo!

Ny fahitako azy kosa aloha dia ataoko fa tsy afaka ny hiteny hoe tokony hitovy ny vidiny solika any canada, USA, eropa ny any Mada. Ny antony ilazako izany araky ny fahitako azy dia satria aoka ho fantantsika fa ohatra ny aty USA dia mitrandraka petrole ry zareo aty, ny ao @ Golfe of mexico sy Alaska izany, tsy aondrany any ivelany akory io petrole trandrahiny io fa kosa entiny andanjalanjana ny vidin'ny petrole aty antoerana, mbola manafatra petrlole koa anefa ny USA satria tsy mitrandraka betsaka izy ao @ reserve ny aty fa kely fotsiny noho ny hoe tontolo iainana io.Noho izany ra vao misy fisondrotany ny essence ohatra dia avoakany eny @ tsena io solika trandrahiny aty antoerana io any ka tsy dia midangana be ny vidiny. Manaraka an'izany dia ampolony maro ireo masinina mpanodina solitany ho lasa lasantsy sy Gazy ary Gaz oil aty USA ny fitanterana ireo solika ireo any @ faritra rehetra iany ko efa harifomba (lalana efa godorao doly, ny chemin de fer efa tsy lazaina tsony fa dia efa feno tanteraka) ny any Mada ve ? zara aza mba misy io masinina 1 io ao Toamasina mba manodina ny solitany, ary ny fitanterana ireo solika voadina? lalana tokony ho vita adiny 4h alaina ao anatin'ny 2 andro. Mazava hoa azy fa dia betsaka ny vola mivoaka ho an'ny kaompania izay mpitsinjara solika hany ka any @ vidiny solika ry zareo no mameno io vola be mivoaka io,mazava ho azy zany fa dia tsy maintsy lafo ny solika zany. Ka araka izany dia mbola tsy ho izao aloha izany no ho mora toy ny any Canada ,Eropa, USA ra ny solika any Mada, tsy maintsy amboarina doly aloha ny lalana ary tokony trandrahina haingana ihany ko ny solitany zay lazaina fa hoe misy any.
51. kanota ( 17/06/2008 14:38)
Aiza badboy sy patrick ooo. Misy mahay mipoitra io ve ? Sa voatsindry Canada sy France ? Laingako izany ko. :-P :-P :-P
52. penguin ( 17/06/2008 14:52)
Tsy mangotraka izy ity raha tsisy Jeankely mitoraka fantsy ny ao France :-D :-D :-D :-D :-P :-P :-P
53. patrick2002 ( 17/06/2008 15:18)
efa io lesy jeankely be kanota fa aza mikorapaka ,i razanety nisitrika fa ny kanotany mbola io miranirany io .Sa ra-penguin ko mbola zanaka vaviny razanety :-D :-D
54. naughtyboy ( 17/06/2008 17:40)
ny fikarany solika sy ny vidimpiainana de tsisy azo elana fa ny fomba iatrehana azy reny no ilaina matotra ,ra ny fijeriko fizotrany tantara de efa teo daoly ny vahaolana iatrehana reny olana @ fampivoarana ny fampandrosoana ny toekarena ao Madagascar,t@ androny Ratsiraka(taorinany jiona 1975 niforonany governemantany..) oh.no nipoirany hevitra hanao tohadrano ao mandraka amatsiana angovo(herinaratra) zay mila fanavaozana na fanatsarana sy fanitarana @ zao fotoana
efa nisy ko ny fanadiovana solitany nefa feno famokarana palmtree( tsy tsaroako ny dikany @ teny gasy :? )tao Toamasina zay nolazaina fa fanadiovana
solika ho petrola fotsiny anisany alternative energy source(biomass energy production),nisy ihany ko ny lalana vitany @ reo faritra mamokatra ampitombona fitaterana reo vokatra ahondrana any ivelany,ny tena nifotorany de ny namerenana ho fananampanjakana reo orinasa mamokatra notazominy mpandraharaha samihafa(nationalization)zay safidy misy fiatraikany @ toekarena azo zaraina 3 -famokarana(production)
-fitsinjarana(distribution)
-takalo arabarotra (exchange)
reo 3 reo no fototra @ niangana,nony tsy tafavoaka reo nandritra ny 5 taona de nisy ny fiovana(reform) nahatonga ny privatization ,anisany olana lehibe ao ko tsisy ny mangarahara tsy nazava ny fampiharana lalana ny tomponandraikitra fidirambolampanjakana noho reo vola manjavona lava zao,hetra sy ny fahazahoandalana fananana orinasa tsy miankina tao amintsika,nisy fivoarana zay ilaina refa tsy tafavokany fanjakana ny fitantanana politika nofidiny teo ka atr@ ny aloha de noalahalahana(mondialization) de samy nangina teo daoly ny rehetra fa iandry ze ipoitra vao2.Ra ampitahaina @ fitondrany ra-8 taorinany Jolay 1991 ka atr@ 2008 de tsy nisy firy ny fandrosoana fa vokatra 1 no azo (fatiantoka @ reo orinasa notantaniny fanjakana ,trosa any ivelany ampitombona andro aman\'alina nefa tsisy nitombo ny vokatra ahondrana,nihanihena ny fahefamividy ny vahoaka toy zany volampanjakana zay tsy nisy nangarahara @ vahoaka na ny fampitambaovao aza voatampimbava.
Inona daoly aza no nahatonga zany rehetra zany anjarantsika no mitady ny valiny fa ny marina kalo de tsy ho tonga eo akory zany fampidinana ny vidiny solika ampahany fotsiny reo fa be no mahafantatra eto mahalala ny zvnisy
55. naughtyboy ( 17/06/2008 18:36)
za kalo maika ijery bol fa @ manaraka tohizana :D
56. kanota ( 18/06/2008 01:38)
hoy naughty: "ny marina kalo de tsy ho tonga eo akory zany fampidinana ny vidiny solika".
Ny andraisako izay dia manamafy ny resaky ny mpanokatra hevitra na mamely ambadika ny fitondrana aza. Mbola mitombina izany fa tsisy hilana azy ny mpanohitra satria tsy afaka hanamboatra ny mamaivay . Marina ny hoe aleo ny asa hitohy.
57. LazaDaddy ( 18/06/2008 02:09)
Raha izaho ny TIM dia laviko tanteraka mihitsy ny IP ampiasain'i Jean kanota kely mba tsy ahafahany miovaova PS intsony, fa menatra aho toetra bontolo no asehon'ny mpomba ahy.
58. rahiratra ( 18/06/2008 03:13)
Fa natao ho an'i LazaDaddy irery angaha ny fanehoana hevitra sa any aminao ihany no marina ? Samy manadihady io ary samy mitondra ny fisainany amin'ny hitiavany azy fa tsy ny anao no tampitroatra. Ary ny toetra bontolon'ny manenjika ahoana ?
59. tovolahy007 ( 18/06/2008 14:34)
salama e!
naugtyboy>ka io anie ilay efa nolazaiko e, tsy ho possible mitsy ny ampihenana ny vidiny solika ra tsy hoe angaha ka efa misy zavatra afa azo asolo azy.Efa nolazaiko tery ambony tery hoe raha zavatra vidinao 1000Ar ve no hamidinao 200 Ar dia ho mety?Inona no ho azo @ zany ra tsy fatiantoka 1 lavaka. Ary efa nolazaiko ko fa efa natao io fampihenana ny vidin'ny solika io taloha t@ mbola faha SOLIMA io, mora ny lasantsy sy ny forngony t@ reny fa iny niarahantsika nahita iny ny vokany, ary hatramin'izao isika dia mbola mibaby io vokany io ihany. Dia misy milaza ery ambony ary hoe bla bla bla.., ahoana hy hevitrao @ io hevitra omen'i Annie io zany hahahaha. Za aloha tsy d'acc.
60. tsoraka ( 18/06/2008 15:29)
Na izy hisisika haka ranony, na hijapy "train", na hiteny hoe blablablabla
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.049