tafa dinika fanabeazana ho olom-pirenena tia tanindrazana

1. nygasysoafifameno ( 03/06/2008 23:09)
48 taona (1960 2008) izao no mzava be fa ny fitondrana Tsiranana-pisodia Ratsiraka-arema Ravalomanana-TIM dia samy lonaka anaty fitaka sy sandoka ara-pifidianana ary mandany be manimba ara-drafitra sy ara-tsaina ny firenena efa sahirana
Ho hitanao amin"ny blogue ny fanazavana
Ny tena zava-doza olana goavana
Ny aretina ifotony
Ny vaha olana matotra sy maharitra ho fanarenana ny firenena
Ny Profesaora Johnson Jacky Thaîna no manentana izany fanazavana sy fanabeazana ho olom-pirenena izany
Vakio ary ao almin'ny blogue
http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
ilazao ireo namana sy tapaka
aza adino koa ny mamangy ny site
http://www.madagascar-animation-culturelle.net
En quoi les trois régimes Tsiranana-pisodia Ratsiraka-Arema et Ravalomanana-TIM sont pleinement responsable de ces 48 années d'appauvrissement de frustration et d'humiliation du peuple électeur malagasy?
novalian'i Jeankely ny 13/06/2008 12:34
2. xxx ( 04/06/2008 01:08)
Ary nankaiza i Zafy-HVR no tsy voatonona ? Profesora ohatra azy koa ilay miresaka ka asa raha misy ifandraisany.
3. Jeankely ( 04/06/2008 01:22)
Mety iny no nahay nampandroso indrindra fa nazeran'ny ratsy fanahy raha izay ilay fika. Olona voan'ny paisomanta iny izany no olokendry. Iza avy moa no nampihinana paisomanta azy?
Ny fomba fijeriko indray dia hatrany amin'ny tantaran'Andriana, Ampanjaka mihintsy no vizana ny Malagasy ary hita soritra izany.
Ny mahazo vahana mitondra sahirana satria ny vahoaka iray manontolo samy mitetika ny manadeha ho azy angamba. Ary mbola tiana beazina amin'izany hatramin'izao.
Tena ilaina ny tafa sy dinika hanabeazana olompirenena satria na hifidy filohampirenena aza tsy hay fa avy dia mihevitra fa itsy na zaroa no ahamety ny fiainany fa tsy ny ataony sy ny ezaky ny rehetra.
Ireo mihevitra hanabe ho olompirenena vanona dia tena fanasoavana saingy aiza no porofo fa vanona ireo milaza hanabe.
4. badboy ( 04/06/2008 04:51)
nygasysoafifameno:

En quoi les trois régimes Tsiranana-pisodia Ratsiraka-Arema et Ravalomanana-TIM sont pleinement responsable de ces 48 années d'appauvrissement de frustration et d'humiliation du peuple électeur malagasy?



En quoi le Professeur Zafy ne rentre pas dans cette catégorie de destructeur??? ^^ ^^
5. Jeankely ( 04/06/2008 06:27)
Dia aza adino fa ny vahoaka madinika taritin'ny olona amin'ny vary iray kapoka na T-shirt mba ahay izay hofidiany no zahavina. Toa ny samy milaza mahay amin'ity teny parantsay manko no cible ve tsy diso fikendry. Ny olana dia ny hampiakarana ny sain'ny vahoaka maro anisa izay lalaovina rehefa ho avy ny fifidianana. Ny teny mparatsainao samy ianao manandoha izany fa tsy ny maro an'isa.
6. naughtyboy ( 04/06/2008 12:50)
mahaliana kosa ny ambangovangony reo fotodrafitrasa 5 fanarenana ny tsy nety teo aloha (5 fundamental strategic plan )le prof J.J.T
ny tena lesoka foana de ny fanatanterahana(execution plan) fa ny hevitra tsy mety ho lany,tsara ihany nefa ho tonga any ampototsofiny valala be mandry ny tafa toy tony..misaotra ny tompokevitra nizara ze masaka..

na adika @ teny gasy aza io sarotra any JK ny mahazo an'io sady tsy azony akory aza fa ny teny frantsay nge ka first diplomatic language any @ United Nation,tsy mahagaga fa dedaka otrany lalimanga ka eny ambony t.. vao miedinedina :-D :-D :-D :-D
7. Jeankely ( 04/06/2008 13:25)
Hay moa tay ny teny Malagasy an. Tsy ny teny Pararantsay no nasiako resaka fa ny fampiasana azy ho an'ny Malagasy tsy vaky volo. Tsy takatry ny naughty koa ve izany fa ny hevitro ihany io arahinao io.
Hoy aho: "Ny olana dia ny hampiakarana ny sain'ny vahoaka maro anisa"
dia naverinao hoe: "tsara ihany nefa ho tonga any ampototsofiny valala be mandry ny tafa toy tony". Mitsentsin-tay marina ny masonin'ity.
8. naughtyboy ( 04/06/2008 13:29)
Ny teny mparatsainao samy ianao manandoha izany fa tsy ny maro an'isa.
fa iza no niteny an'io aza manao resaka lalimanga oa :-D :-D :-D :-D :wink:
9. Jeankely ( 04/06/2008 13:34)
Tsy zakanareo ilay revy ambonibe misy anareo. Izaho mahantanty ary mandona rehefa domona. Tsy manome takolaka havanana anao izany aho rehefa avy felahanao. Ianao mitsentsina. Efa lalimanga no avy nampiasako dia iny no raisina ary averina aty rehefa hita atsy ambadika. Ny resaky ny adala hono ny alainy tahaka. Doma tsss
10. naughtyboy ( 04/06/2008 13:40)
tena itako mety aminao io anarana io satria enao ihany no namorona azy tsy mila raisina fa tonga de avela any aminao any,ny tsy arakao de enao ihany mamely tena eto tsy ahavoa an'iza2 akory ,de aza dongina nysehatra fa anisany fanajana ny hafa te iresaka eto ko zany ry lalimanga a :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
11. Jeankely ( 04/06/2008 13:43)
Dongiana ahoana ? F'angaha misy mandefa virius any aminao sa misy mahasakana anao tsy hanoratra. Samy mampiasa ny atidohany ka izay manandoha sahala anareo indray ve no hikaperotra amin'ny adala ?
12. naughtyboy ( 04/06/2008 13:44)
nandrora mitsilany LALIMANAGA t@ iny de ny hafa no lazainy fa diso :-D :-D :-D
13. Jeankely ( 04/06/2008 13:48)
Lalimanga vs tay izany no mitohy izao an. Tsara be ry tay a
14. kanota ( 04/06/2008 13:51)
Raikitra indray ve. Vaky ny sova momba ny Diky sy Lalimanga. Naughtyboy izany no i Diky.
15. Jeankely ( 04/06/2008 13:58)
:-D :-D :-D Tsy haiko aloha fa i Dic-naughty izany malaza. :-D :-D :-D
16. naughtyboy ( 04/06/2008 16:09)
zao v no atao oe oul misy saina :-D :-D :-D :-Dtsia lalimanga eny
tsy zakany sainao ny resaka toy tony fa mipetraha tsara de tohizo ny fifohana maoly :lol: :-D :-D :-D :-D
17. nanas ( 04/06/2008 19:26)
naughtyboy:

zao v no atao oe oul misy saina :-D :-D :-D :-Dtsia lalimanga eny
tsy zakany sainao ny resaka toy tony fa mipetraha tsara de tohizo ny fifohana maoly :lol: :-D :-D :-D :-D



ha ha ha ha ianao ty ry naughtyboy a! mahalatsaka mihitsy, aza atao teny paparantsay kosa fa tsy azony e! na anglais aza sahirana ve lery nefa tsinjainjay izy mba mibla-bla-bla @ angalisy eto ? Ny frantsay kosa aloha sarotra fa aza dia asiana mafy hoatran izany lery e!
18. Jeankely ( 05/06/2008 00:19)
Izy indray dia tena tsy hay tokoa ary marina ny anao fa tsy lavina. Saingy miaraka amin'ny vahoaka maro an'isa izay tsy mahay ilay teny parantsay no resako hoe afaka hanova ny sainay ve ny fanazavanao amin'ny teny tsy azonay vendrana ary. Izahay vendrana nefa no maro anisa mifidy ka mazava fa tsisy raharaha vanona fa olomboafidin'ny vendrana izany no mitondra. Any no tiako ambara. Ka raha izay mihintsy no tanjona dia mitohy ihany ny olana. Ny mifady toaka samy mifady toaka no mifanasa vangy na ny samy manandoha no mifampianatra. Tsisy tonga aty aminay maro an'isa akory.
19. Annie2006 ( 05/06/2008 15:24)
Efa fantatra ange ny olana misy sy izay efa nisy e/ Ahoana no hanfoanana ity fomba ratsin'ny mpitondra ity: HALATRA? izant ny vaha olana tokony aroso fa raha tsy izany dia hanao dissertation eto foana isika. Samy manana ny marina ange ry zareo e. Fa ity "HALATRA" ity, manosika ny mpitondra hamono olona, hampigadra mpanohitra sy manabotry vahoaka dia mba ahafahany MANGALATRA. Ny andravalo aloha dia tena chmpion's league mihitsy satria nataony lalàna tsotra izany ny fangalarana, dia samy miala. :-D
20. badboy ( 05/06/2008 17:30)
Annie2006 >> Mbola tsy ao anatin'ny kolotsainantsika ny fanajana na fatahorana lalàna. Ary rehefa dinihina dia FATAHORANA OLONA NO TENA MISY fa tsy dia ny fatahorana lalàna loatra. Eo no fototry ny olana rehetra.

Ireo ambony manaraka ho azy rehefa voahaja ny lalàna mifehy ny toekarena, ny lalampanorenana, ny lalana miaro ny mahaolombelona (droit de l'homme)....... satria rehefa misy ny fanajàna ny zo amandalàna dia mitobaka ny fampiasana vola ary lasa mahazo vahana ny "investissement à long terme".

Niresaka t@ vahiny te hampiasa vola any dago za dia ny navaliny hoe "c un pays magnifique où l'on aimerai vivre jusqu'à la fin du temps et où l'on aimerai investir pour aider, mais tant que la loi du soudoyer reste en vigueur c impossible de s'y établir"!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2634