Manao ahoana raha...

1. ari.malala ( 03/06/2008 07:45)
Mba manao ahoana aza raha asiana séance de question - réponse ao am-piangonana mandritra ny toriteny? mba hevitra nitsiry tao antsaiko io tam alahady teo... ohatra hoe misy andininy tsy mazava d ametrahana fanontaniana na misy hevitra tsy mazava d anontaniana, saingy tsy azo atao mihoatra ny vakiteny sy ny lohahevitra amin'io alahady io kosa nefa ny fanontaniana apetraky ny mpivavaka eo?? Voalaza foana mantsy hoe mandray anjara @ sorona masina ny mpivavaka fa sy mpanatrika fotsiny, ary izay no isian'ilay vavaka mifamaly toy ny any am prefasy ohatra, fa ity débat na question réponse ity no tena hitako hampandray anjara bebe kokoa ny mpivavaka, asa nefa :D mba eritreritra sendra nandalo :D:P
novalian'i niryna ny 28/06/2008 03:59
2. mignone ( 03/06/2008 08:07)
raha izany ve tsy ho adiny firy ny fiangonana ? dia ahoana raha mitondra zazakely tsy ho sahirana ? :lol:
3. Ilo ( 03/06/2008 08:31)
Ny anay izao misy fotoana rehefa alahady hariva hoe "famaliana fanontaniana" dia afaka mametraka fanontaniana ianao ary tsy ny mpitarika ihany no mamaly fa samy afaka maneho ny heviny ny rehetra, fa mi-cadrer fotsiny izy hoe tsy lasa hors sujet na mivoaka @ Tenin'A/tra. Tsy voatery ho voavaly in-dray mandeha ny fanontaniana iray fa afaka tohizana @ fotoana manaraka. Fa amiko dia tena tsara tokoa ilay hevitra! :idea:
4. fahamarinana ( 03/06/2008 08:43)
:arrow: oui,tsara ilay hevitra raha toy io lazain' ilo io hoe alahady hariva sns...fa raha eo am fotoana mety ho lava tokoa ,sa ahoana hoy ari ?
Ohatran'ny anay dia rehefa amin'ny alim-bavaka fanao isak'asabotsy dia tena maharitra tokoa miady hevitra sy mandray ny an'ny hafa.Satry tsy hisaraka eo rehefa tena ilay sujet tiana na tsy azo iny... (l)
5. hery ( 03/06/2008 08:47)
tsy amin'ny fotoana fivavahana kosa angamba satria eo amin'io no tena misy olona be indrindra ka tsy mitovy daholo ny zavatra mety mahaliana.

Sarotra be ny hanome fahafaham-po ny rehetra, mety tsy afaka mametraka fanontaniana mihitsy ianao nefa izay fanontaniana apetraky ny olona mety efa tsy ilainao intsony sns...

Misy ny fotoana hafa azo hanaovana izany. Amin'ny fotoanan'ny fandalinam-pinoana ohatra. Na koa miditra fikambanana mihitsy.
6. Koditra ( 03/06/2008 09:32)
Dia tena mety ho fotoana lavabe tokoa no ho lany @zany. Ny ankabetsahan'ny fiangonana @zao fotoana izao koa dia efa maro no misy fidirana in2 ny fotoampivavahana, mitovy ihany ny fandaharana, @ 6h30 h@ 9:00 ny voalohany, 9h30 h@ 12:00 ny faharoa. Mety ho sarotra ihany ny hampidirana ilay question/réponse satria voafetra ny fotoana.

Ny ankabetsahan'ny fiangonana protestant aloha dia misy fotoam-pivavahana ny alahady hariva, mety azo hatao tsara raha hatao @io fotoana io ilay sosokevitra.
7. mzuri ( 03/06/2008 10:12)
Mety koa raha manana site web na blog ny fiangonana dia asiana forum ao ka na tsy fiangonanao aza dia afaka mandray anjara amin'ilay adihevitra ianao.
8. tlay ( 03/06/2008 12:40)
afa ko zany eritrerizany a! adin1 aza anie efa mahasavola e!
9. Ilo ( 03/06/2008 12:58)
tlay>> raha adiny 1 mihaino fotsiny mety leo be fa raha mi-participer kosa sady mi-interesser ny zavatra resahana dia tsy hita akory dia efa lany ny fotoana! :wink:
10. fahamarinana ( 03/06/2008 14:26)
:arrow: miombon-kevitra amin'ny ilo za eto,ny andro hariva no mampalahelo an :) (l)
11. ikaretsaka ( 03/06/2008 15:16)
raha vitsivitsy mpiangona.. ohatra heo ireny communaute religieuse ireny ohara sy manana fotoana handinihina azy malalaka be le mpiangona dia tsy maninona

raha misy tsy mazava koa ange afaka midiinidinika @ le mompera na ilay nitory teny ianao rehefa avy eo e
12. fijo ( 03/06/2008 20:15)
tsara le hevitra,fa araka io voalazan'i hery io,dia tsy amin'ny fotoana fivavahana ngamba no tsara,na alefa mialoha ny fanontaniana dia eo no fotoana hamaliana azay.

ika,marina ve letsy fa tsy misotro dite sy cafe ny mormon????nitafa tamindry zalahy indray mantsy aho dia nanao cafe,fa hoy ry zalahy hoe mahatonga "dependance"hono ireny ka tsy misotro ry zalahy,fa rano ihany.?????
13. ari.malala ( 04/06/2008 06:12)
fijo, nga mou i ika mormon? hihihi!

Refa fandalinam-pinoana tokoa alou misy an'io e! sady any malalaka be ny fametrahan afanontaniana! ary marina fa ho lasa lava be ny fotoam-pivavahana :-) eritreritra sendra nandalo hoa e! :)
14. fijo ( 04/06/2008 20:33)
tsy mormon izy,fa toa efa nahita ny fiainan'ireo tany ka
15. ikaretsaka ( 04/06/2008 23:17)
ie .. tsy misotro zavatra ankoatran'ny rano ny mormons... any M/kara hono ry zalahy tsy misotro ranon'apango koa

dia aleoko nilamina fa tsary te hiady hevitra aho hoe maninona laisany no misotro ronono sy dependent ana ronono ny zanak'i lisany t@ mbola kely, ary samy zavaboaharin'andriamanitra aby anie na ny kafe na ny ronono
16. xxx ( 05/06/2008 05:37)
hoy ari.
Mba manao ahoana aza raha asiana séance de question - réponse ao am-piangonana mandritra ny toriteny? mba hevitra nitsiry tao antsaiko io tam alahady teo... ohatra hoe misy andininy tsy mazava d ametrahana fanontaniana na misy hevitra tsy mazava d anontaniana, saingy tsy azo atao mihoatra ny vakiteny sy ny lohahevitra amin'io alahady io kosa nefa ny fanontaniana apetraky ny mpivavaka eo?? Voalaza foana mantsy hoe mandray anjara @ sorona masina ny mpivavaka fa sy mpanatrika fotsiny, ary izay no isian'ilay vavaka mifamaly toy ny any am prefasy ohatra, fa ity débat na question réponse ity no tena hitako hampandray anjara bebe kokoa ny mpivavaka, asa nefa mba eritreritra sendra nandalo


Tsy misy maharatsy azy io fa ny fahaizana mandrindra sy mandamina ny fotoana no tena base.Mampandroso ny mpino koa izy io ka mba ahatonga azy ireo handalina fa tsy hitoetra fotsiny amin'ilay hoe minoa fotsiny ihany rehefa misy zavatra tsy mazava.
Izahay efa manana fahazarana manao an'io mialoha ny fotoam-pivavahana ka maharitra eo @ ora iray eo fa mahaliana b.
17. ari.malala ( 05/06/2008 07:06)
xxx, mafinaritra kosa izany! d mifandray am lohahevitra mandritra iny alahady iny v?
18. ikaretsaka ( 05/06/2008 19:05)
aha discussions alohan'ny lamesa anie le izy dia sokajiana heo ary ny mahakasika ny tanora sns.. ary ny maty vady sns... dia tsy maninona e..
fa raha mifangaro mantsina ao.. ngamba hanahirana
19. fijo ( 05/06/2008 20:33)
tsara sy ilaina ilay fisiany amiko,fa le fotoana notokony tadiavina.

de gaga letsy aho nilazan'dry lerony hoe tsy misotro kafe izahay.fa ny nahafinaritra ahy kosa,dia ry zalahy tsy misakana ny hafa hisotro.
20. fijo ( 05/06/2008 20:37)
nampiomehy kely.
nahita ny "dite" tato antrano ry zalahy dia nanontany somary vazivazy hoe "ianao daholo ve no misotro ireo sa ianareo roa??"

dia hoy aho hoe:"matoa ireo mbola itanareo eo,dia tsy misotro izahay ".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0691