Manao ahoana raha...

21. niryna ( 06/06/2008 05:59)
ari.malala:

Mba manao ahoana aza raha asiana séance de question - réponse ao am-piangonana mandritra ny toriteny? mba hevitra nitsiry tao antsaiko io tam alahady teo... ohatra hoe misy andininy tsy mazava d ametrahana fanontaniana na misy hevitra tsy mazava d anontaniana, saingy tsy azo atao mihoatra ny vakiteny sy ny lohahevitra amin'io alahady io kosa nefa ny fanontaniana apetraky ny mpivavaka eo?? Voalaza foana mantsy hoe mandray anjara @ sorona masina ny mpivavaka fa sy mpanatrika fotsiny, ary izay no isian'ilay vavaka mifamaly toy ny any am prefasy ohatra, fa ity débat na question réponse ity no tena hitako hampandray anjara bebe kokoa ny mpivavaka, asa nefa :D mba eritreritra sendra nandalo :D:P

tsara aky ilay eritreritra fa raha izany no mitranga dia tsy misy vatsim-panahy ho zaraina ny be sy ny maro intsony satria ny mpitoritenin'Atra dia efa nomen'Atra hery sy saina hoe ity indray zarainao ny olona ary mety hifandromka eo daholo ny olona raha samy manao fanontaniana.
.Soa ihany fa misy ny fianarana ny soratra masina ho an'ny tanora,ny lehilahy,ny vehivavy ,ary ny be sy ny maro ka amin'ireny no afaka mifanakalo hevitra.Toa izao ataontsika izao .Izay mangetaheta ny tenin'Atra dia izy no sambatra indrindra satria maro ihany izay fizarana izay ka raha nandray sy nampiantra izany tamin'ny fiainany izy dia ahita fihovana tokoa
22. ikaretsaka ( 07/06/2008 05:39)
fijo:

tsara sy ilaina ilay fisiany amiko,fa le fotoana notokony tadiavina.

de gaga letsy aho nilazan'dry lerony hoe tsy misotro kafe izahay.fa ny nahafinaritra ahy kosa,dia ry zalahy tsy misakana ny hafa hisotro.


ny ahy le io fisainana io mihitsy heo rehefa ialahy no tsy manao na manao dia teren'ialahy hanaraka an'ialahy ny hafa io mihitsy no tsy voako..

aza terena fa raha te hi influence olona dia hitany ho azy @ fihetssika e..
samihafa ny mi forcer sy ny mi influencer
23. ari.malala ( 11/06/2008 09:27)
niryna:

tsara aky ilay eritreritra fa raha izany no mitranga dia tsy misy vatsim-panahy ho zaraina ny be sy ny maro intsony satria ny mpitoritenin'Atra dia efa nomen'Atra hery sy saina hoe ity indray zarainao ny olona ary mety hifandromka eo daholo ny olona raha samy manao fanontaniana.
.Soa ihany fa misy ny fianarana ny soratra masina ho an'ny tanora,ny lehilahy,ny vehivavy ,ary ny be sy ny maro ka amin'ireny no afaka mifanakalo hevitra.Toa izao ataontsika izao .Izay mangetaheta ny tenin'Atra dia izy no sambatra indrindra satria maro ihany izay fizarana izay ka raha nandray sy nampiantra izany tamin'ny fiainany izy dia ahita fihovana tokoa




Dia aiza ilay hoe homena anareo amin'y fotoanany izay tokony ho tenenina ry niryna raha izany? Tsy hoe programmé anie izy ity hoe rehefa ity no fanontaniana d tsy maintsy ity no valiny e! nomen'Atra hery sy saina ny mpitory ny teny dia tokony ho ao aminy foana io hery sy sainaio fa tsy hoe rehefa mametra genre na fanontaniana toizao ny mpanontany dlasa le hery, sa ts azoko loatra ilay valintenin'in niryna!
24. niryna ( 28/06/2008 03:59)
niryna:

tsara aky ilay eritreritra fa raha izany no mitranga dia tsy misy vatsim-panahy ho zaraina ny be sy ny maro intsony satria ny mpitoritenin'Atra dia efa nomen'Atra hery sy saina hoe ity indray zarainao ny olona ary mety hifandromka eo daholo ny olona raha samy manao fanontaniana.
.Soa ihany fa misy ny fianarana ny soratra masina ho an'ny tanora,ny lehilahy,ny vehivavy ,ary ny be sy ny maro ka amin'ireny no afaka mifanakalo hevitra.Toa izao ataontsika izao .Izay mangetaheta ny tenin'Atra dia izy no sambatra indrindra satria maro ihany izay fizarana izay ka raha nandray sy nampiantra izany tamin'ny fiainany izy dia ahita fihovana tokoa


ari.malala:


Dia aiza ilay hoe homena anareo amin'y fotoanany izay tokony ho tenenina ry niryna raha izany?

Ny olona izay voatokana hitory ny tenin'Atra dia matetika mivavaka ary tsy ma intsy mivavaka foana vao afaka manao zavatra,toa izany koa isika.
Misy eo am-pamakiana baiboly dia mitarika ilay Fanahy Masina ary dia mahita topic ho lazaina ilay mpitandrina,na ny mpitory na isika .
Nisy izao ,tsy tonga tampoka ilay mpitandrina ary dia efa misy mpitandrina hafa ihany koa eo,tsy nieritreritra na nanomana ny topic-ny izy an? Dia lasa izy aloha niditra ao amin'ny birao ary dia nivavaka ary izay teny tarihan'ny Fanahy Masina azy eo no toriany.

Izay ilay FM mitarika ,manoro,mampianatra ary manindry ny molotra,ny fo ,ny tanana dia lasa mitory ilay olona.
Indraindray mahita sujet ohatra ny tena ka mieritreritra avy amin'ny herin'ny tena a ! ary tsy mivavaka ,tena efa voasoratra daholo ilay izy dia misy miteny hoe ity no omenao.Dia vonoina indray ilay izy. Mety ho azon-dry ilay izy ary mety tsy ho azo kanefa aza misalasala manontany raha mbola tsy mazava.

Tsy hoe programmé anie izy ity hoe rehefa ity no fanontaniana d tsy maintsy ity no valiny e!

marina mihitsy izany,tsy misy manao programme ny mpitory satria avy amin'ATra,ny fanahiny no mampianatra sy mitarika an'ilay olona ary na any am-piangonana aza rehefa tena mafana be iny ny fitoriana,tsy ny fiangonana rehetra an(tadidin-dry ilay resaka hoe miteny @ fiteny tsy fantatra?) ,efa im-betsaka aho no sendra namangy ireny fiangonana ireny,fiangonana tsy miankina no anarany(izany hoe manana anarana izy fa mino an'Atra,mino an'i Kristy),tsy manao ireny fanaon'ny religion ireny fa tonga dia mitory an'i kristy vary raraka fotsiny,ary dia eo no misy fanahy miteny (dia misy olona miteny arakarany,miteny tsy fantatra dia nisy voatendry manazava an'iny ary dia toa izany amin'ny fotoana fohy ... na nisy olona toa tsy dia nino ka lasa lesilahatra ary dia nanolontena an'Atra ,na toa an'ny tena ny teny izay toriana,lavabe fa tsy voavelabelatro eto daholo)

eny nomen'Atra hery sy saina ny mpitory ny teny dia tokony ho ao aminy foana io hery sy sainaio fa tsy hoe rehefa mametra genre na fanontaniana toizao ny mpanontany dlasa le hery, sa ts azoko loatra ilay valintenin'in niryna!

marina izany,nomeny hery,notendreny ny vavany,na ny tanany aza raha tsy miteny izany fa mizara amin'ny olona ,toy ireo olona maro ato amin'ny sera izao ary araka ny nolazain'ny namana dia fantatra foana ny voa afafy(fantatra ny olona mizara ny tenin'ATra raha mandalina ny tenin'Atra na nomen'Atra azy toa ireo namana ny fahasoavana) .Rehefa miverina mamaky an'ilay famaliana ny teny ny tena indraindray raha tsy mahita ny anaran'ny tena dia toa tsy mino .Izay ilay izy(aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho),izay koa no mahatonga mahasahy manitsy na miteny ny olona izay mampiasa ny herin'ny tenany fa tsy mandeha amin'ny tenin'ATra.
Sarotra mety ho azon-dry fa ezahako ihany.Izay ihany koa no mahatonga ny olona izay efa notendren'Atra amin'ny fahasoavana iray ka mizara an'izany dia tsy matahotra na tezitezitra fa tonga dia mi-comprendre an'ilay olona mamaly(indraindray mantsy tsy ilay olona manoratra no eritreretina niteny an'iny fa ilay fanahy izay mampiasa azy ao anatiny)dia izay no tsy atao ahatezitra izay rehetra manao tena manafitohana ,na manindrona na masiaka na manebaka.Fa hivavahana izy ireny mba omen'Atra ny FanahiNy koa .Fa raha tsy avy amin'ny herin'ATra no nametrahana ilay olona hitory na hizara dia efa lasa nandositra.Da tsia afaka mitsara isika fa efa marobe izy no tato nanipaka ny tenin'Atra dia tsy niverina intsony(tsy hoe akory izay tsy niverina rehetra an..,fantatra ny olona manohitra ny tenin'Atra )
Tsy misy vola omena,tsy misy zavatra tadiaviny iverina any aminy fa dia hoe nomena dia mizara .Mety mazava a.Amiko io, dia zaraiko an-dry,ny an'ny hafa tsy fantatro.
**** satria ny mpizara ny tenin'Atra na isika rehetra izany ka mino an'ATra sy mametraka ny finoantsika amin'i kristy,raha mizara teny isika dia misy mandray foana ary tsy miverina aty amintsika intsony.Raha misy mandratra fo antsika anefa dia manana mpisolovava isika,mpanavotra,mpamonjy antsika ka ny anjeliny no tonga hanavotra antsika ,dia ireny olona tonga mampahery ireny.

hoy aho hoe tsara ilay hetahetan-dry woa.Fa raha ao am-piangonana raha vitsikely ny olona dia mety ho mandaitra izany fa raha vahoaka feno ny fiangonana any ambany,any ambony,any amin'ny efitra hafa fianarana no misy
ecran fandaharana fiangonana (misy toa io lazaiko io ny fiangonana aty aminay)ka raha samy hanontany fanontaniana daholo ny olona dia lany eo ny andro dia tsy tonga any amin' ny sujet mety efa nomaniny ho toriany indray.Ny olona aty ihany koa dia mitondra kahie kely andraisana naoty izay tenin'Atra nomen'ny mpitandrina ary dia saika manana website koa ny fiangonana ka raha manana fanontaniana ny olona dia afaka manontany mivantana ny mpitandrina ihany koa. Miova indray ny fanampiko andry e.
Lavabe aky a fa ezahako zaraina a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074