Filoham-pirenena sy voan-dalana avy any Japon
41. patrick2002
(
04/06/2008 15:29)
raha ny asa ataonay aty Canada indray dia tsy ampafantarinay an'i ra-jeankely mihintsy sao dia voaraoka eo izay fa manana fifandraisana @ mpampihorohoro
42. Jeankely
(
04/06/2008 15:41)
Dia lazainao fa tsisy mahalala izany "Environment Effect" izany ve ny Malagasy. Sao tsy fantatrao fa be no nianatra ary misy nanoratra momba izany aza. Tsy vao ianao no hampianatra fa aza mampiditra lesona. Ny Filoha dia Filoha ary mbola Filoha :-D :-D :-D . Ny voandalana handrasanay ny vokany. Raha tsy ministra ao Canada aza mieritreritra ny hananatra ny Ministra Malagasy. Mba ambony nohon'ny fahaizan'ny sasany vao mananatra. :-D :-D :-D .
43. patrick2002
(
04/06/2008 15:52)
raha nitombona izany environnement effect izany nataoko angamba fa tsy ho taty izaho ary tany @ tany silamo io ianao razanety ,efa lasa lavitra madagasikara raha ny trosa 6 milliard $US nataony Ratsiraka sy ny 5 milliard $US nataony Ravalo no nandeha t@ ilaina azy daholo .
Io ny toe-tsainy malagasy ,
isaorana ny Avo misy hanampy antsika!
Io ny toe-tsainy malagasy ,
44. patrick2002
(
04/06/2008 15:54)
zara aza misy zava-bita amin'izay hisy ho dradradradrainy razanety eto @ serasera :-D :-D :-D
45. Falyiarivo
(
04/06/2008 16:43)
Jeankely : Na amboarina na tsy amboarina ny seranana, raha mbola izao situation misy antsika izao, tsy fahavitan'io no hahasarika sy hampitombo ny mpampiasa azy ary tsy ny tsy fahavitan'io ihany koa no hampiemotra azy.
Matoa ny vahiny miditra eto dia nohon'ny antony hafa fa tsy noho io fahavitan'io seranana io, matoa jeankely mody aty dia hamangy fianankaviana fa tsy nohon'ny fahavitan'io.
Amiko io tsy priorité. Tsy nilàna niazakazahana nanaovana trosa satria tsy maika.
Tsy mety hitan'ny mpitondra mihitsy hoe aiza marina no tena fika tsara ampandrosoana ity firenena ity fa dia izao hevitra ataingina rehetra izao ihany.

46. fijo
(
04/06/2008 20:51)
misy milaza fa ho boboky ny trosa ny firenena.eny marin aizany,fa mba lazao ahy,iza no firenena tsy boboky ny trosa eto an tany?????rah amisy tsy mihoatra ny 5 ngamba.milaza aloha raha mahita ianareo.
47. badboy
(
04/06/2008 21:26)
fijo:
misy milaza fa ho boboky ny trosa ny firenena.eny marin aizany,fa mba lazao ahy,iza no firenena tsy boboky ny trosa eto an tany?????rah amisy tsy mihoatra ny 5 ngamba.milaza aloha raha mahita ianareo.
De lazao koa fa mahantra daholo ny firenena misy trosa rehetra.
Lasa mivadika be ilay resaka. Tahaka ny mpindrambola any @ banky io, raha tsara ny garantienao dia maivana ny fandoavana ny trosa satria ianao no mamaritra hoe ito na zatsy no fomba handoavakoa azy, fa raha ratsy ny garantie dia avo 10 heny @ normale ny averinao any @ mpampindrana ary ny mpampindrana no mifidy hoe ahoana no fomba hamerenanao ilay trosa. Ka Madagasikara firenena matanjaka tsara garantie ve hoy ianao ka hifidy ny fomba hamerenany ilay vola???
:^) :^) :^)
48. Jeankely
(
05/06/2008 00:32)
Ianao no mamadika resaka. Filohampirenena sy ny voandala no nosokafan'ny mpanao loha-hevitra.
Tsy hifaninana akory ny fanana trosa saingy raha oharina amin'ny tany hafa ny vola azon'i Madagasikara avy amin'ny mpamatsy vola isankarazany dia anisany kely. Samy afaka manokatra ny statistikan'ny IMF, WB sns fa tsy vidiambola ny mijery izany ary tsy Jeankely no hitatitra fa manana web site daholo ireo. Ampitahao dia hitanao fa tsy i Madagasikara mihintsy no mahazo betsaka hatramin'izay.
Raha ny fandehanan'ny vola any amposin'ny sasany indray dia tsy nanazava io koa ny mpanokatra fa ny fahavitan'ny seranampiaramanidina no nandrandrainy.
Mazava ho azy fa tsy hety andeha irery io. Raha seranampiaramanidina manarampenitra ve tsisy jiro? noho izany miaraka amin'izay ny resaka "angovo".
Tsy miaraka vita ny rehetra.
Sudan ohatra misy olona matin'ny hanohanana, misy miady nefa ny toerana tsy tononiko tsirairay efa mijoalajoala. Sahala izay daholo na any China, na Mexico, na aiza. Misy toerana mandroso ary misy vizanabe. Tsy vita miaraka izany ny rehetra fa izay no tena fampanofisana.

49. Annie2006
(
05/06/2008 12:56)
Voandalana avy any japon? LAINGA BE sy DERADERA-NA TROSA.
Dia io foana no mba ataon'ingahy rainy voandalana. Tany italie amin'ny FAO, dia io indray: HATA-BOLA TSY MISY FARANY atao TROSA.
Efa menatra mihitsy ny olona e.
Dia io foana no mba ataon'ingahy rainy voandalana. Tany italie amin'ny FAO, dia io indray: HATA-BOLA TSY MISY FARANY atao TROSA.
Efa menatra mihitsy ny olona e.
50. Jeankely
(
05/06/2008 15:07)
Inona no ahamenatra ? I Annie2006 tsy hanome fa hanatataka aza koa tsy hitady any ivelany ve ? Nalaza be ohatra ny Ben'ny tanana vaovaon'Antananarivo. Vola ampaosiny ve no hampiasaina sa mba lasa nitady koa ? Samy manao na hanao izany na ianao Annie2006 aza no ho lany @ 2012. Tongava ary raiso raha mahavoa. Raha nofa kosa aleo ny sasany hiasa.
51. Annie2006
(
05/06/2008 15:20)
Izao isika vao hiasa amin'izay hoy ingahy Ravalomanana tamin'ny volana febroary. Inona foana ary no nataony hatr'izay, enintaona garangidiny?
52. fijo
(
05/06/2008 20:54)
annie,raha eto frantsa ianao no mipetraka dia fantaro fa 1000 miliara ny trosan'ny lafrantsa.ka rah amba isika ngamba no mitrosa toa izany,mety tsy ho toa io intsony mada.
53. Jeankely
(
06/06/2008 00:09)
Ny ahy ry fijo dia tsisy afa-tsy ny famporisihana ny mpitondra hanohy ny diany a. Tsy mety raha ny mihevitra hanohitra ihany no avela hibahana eto fa lasa sahalan'ny hoe izay daholo no sain'ny Malagasy. Misy ny Malagasy tia hivoatra na hiafiana sy hijaliana ary hanaovana trosa aza. Raiso ny andraikitrao ary ampaherezo ny mpitondra hiasa mafy fa tsy ireto mpanatsatso ireto foana no avela handahatra lava.
54. patrick2002
(
06/06/2008 20:17)
fijo:
annie,raha eto frantsa ianao no mipetraka dia fantaro fa 1000 miliara ny trosan'ny lafrantsa.ka rah amba isika ngamba no mitrosa toa izany,mety tsy ho toa io intsony mada.
Tsy misy maha-ratsy ny mitrosa mihintsy anie eh! fa hitondra fandrosoana ve ilay trosa ?
Betsaka ny lalana nataony Ravalo ,marina izany fa nitombo ve ny vokatra tao madagasikara nandritry ny nitondran'ny ra-8
Ny statisique dia milaza fa tsy nisy fahatsarany ny fari-piainany malagasy mitahy ny 2002, jereo ny PIB, ny taux de scolarité, taux d'accsé a l'eau potable et electricité, taux de pauvreté, tsy misy fahatsarany ireny zavatra ireny ,taux de chomage,ny indication macro- economique rehetra dia tsy misy fahatsarana .
Midika izany amiko fa tsy nandeha araky ny tokony ho izy ny trosa natao ny firenena ,izay hiarahana manaiky fa betsaka tokoa tamin'ity fitondrany ra-8 ity,satria trosa nataony Ratsiraka nandritry ny 21 ans dia efa manakaiky ny azon'ny Ra-8 tao anatiny 6 taona monja .
Ka raha miteny ianareo hoe midika fandrosoana ny fisiany seranana lehibe ,dia hoy izaho hoe tsy mitovy amintsika ny atao hoe Fandrosoana angamba .
Amiko raha misy seranana lehibe eo, vokatrizay nitobaka ny touriste ,niroborobo ny compagnie aerienne malagasy (air mad ohatra),lasa toerana fanaovana conference international any Madagasikara ,sahala ny ville any singapoore, dia milaza izaho hoe fandrosoana izay ,fa raha seranana nefa naha i ADEMA aza tsy manam-bola handoavana ny facture ny JIRAMA akory satria tsy misy client (voyageur ) dia hoy izaho hoe aoka hijanona fa ny taranaka no hanefa
:D :D
55. fijo
(
06/06/2008 20:25)
o ra patrika an,fa i ravalo koa ve no tokony hamboly hanabe ny vokatra?????zarao ny andraikitra,ny fanjakana manao izay ahafahana mamoak any vokatra ary ny mpamboly miasa ny tany mamokatra,ka raha kamo ny mpamboly aza ny mpitondra no rorana.
raha efa asiana lalana ve hatrany ambanivohitra ahafahan'ialahy mamoak any vokatra,nefa ialahy tsy miasa ny tany,de ialahy indray no himenomenona hoe tsy ampy ny vokatra???ohatra io fa tsy ialahy no mpamboly lazaiko an.

56. patrick2002
(
06/06/2008 20:56)
Fijo : amiko tsy hadala mihintsy ireo mpamboly ireo tsy hanabe ny vokatra vokariny raha ohatra ka hitondra fandrosoana izany ,matoa izy tsy mampitombo ny vokatry ny dia satria tsy misy mividy ny vokatra vokariny ,andraikitry ny fanjakana izany eto amiko no mapitombo ny usine agro-alimentaire ,sahala ny nanamboarana ny lalana ohatra ,nefa ny manamboatra usine any dago lafo be ny cout ny satria ny energie (electricité)any Dago dia le plus cher au monde .
Ohatra lazaiko aminao nanafatra omby vavy be ronono i Ra-8 (vache Holcim)
nomena ny Tantsaha izany ,ary afaka haloa traite ny vidiny ,mahita izao @ gazety fa miditra fatiantoka ny tantsaha izay naka azy satria ny sakafon'ilay omby ,sy ny vaccin atao aminy tsy mahaleo ny vidiny ronono azo avy amin'ilay omby ao anaty ny 1 volana .
Inona ny antony hidirany tantsaha fatiantoka :roll: ,tsy haiko mety mora loatra angamba no hangalany TIKO ny ronono ,ary raha tsy afaka mampiakatra ny vidiny ronono ny TIKO ,fantatra izany fa fatiantoka ilay izy inona no hanaovana an'ilay projet :D :D

57. Jeankely
(
07/06/2008 00:53)
Tsy ny mapamokatra ny tsy mampitombo ny vokatra fa tsy hainy ny mapitombo ny vokany. Resaka tekinika io.
Ny hany tsy nitoviako hevitra amin'ny Ra-8 dia ilay ho dingana lehibe satria izy nahavita dingana lehibe fa ny vahoaka betsaka no kamo ary na ny lasa andafy aza manabaty sy mitady ny hiverenana any @ tsy misy.
Misy Dingana ny rehetra atao fa tsy avy dia mitsambikina raha resaka firenena no asian-teny. na vita aza ny lalana sy ny Seranana dia mila vita koa ny sehatra hafa. Noho izany tsy hita eo noho eo ny vokany satria tsy miaraka vita. Raha mijery ilany dia milaza izay fa tsisy vokany saingy rehetra mipetraka daholo ny rehetra hita mivandravandra io.
Tsy voatery mpitondra iray no ahavita azy rehetra fa ny mpitondra mifanesy no mifameno. Saingy ny an'ny Malagasy mihevitra fa mpitondra iray no ahavita ny rehetra ary ny tsy mitondra manimba toe-tsaina na koa mamotika ny efa vita aza. Io no tokony tandrovina ary tsy hamelana ny mpanely tsaho handahatra lava loatra fa sahalan'ny izay no tena ati-dohan'ny Malagasy rehetra.

58. Koditra
(
08/06/2008 19:29)
jeankely:
Misy Dingana ny rehetra atao fa tsy avy dia mitsambikina raha resaka firenena no asian-teny. na vita aza ny lalana sy ny Seranana dia mila vita koa ny sehatra hafa. Noho izany tsy hita eo noho eo ny vokany satria tsy miaraka vita.
Ka izay mihitsy ilay izy, tokony ho ilay sehatra hafa nilàna sy mifandraika @lay seranana aloha no tokony ho natao izay hampiroborobo azy mba ho hita hoe tena nilaina marina ilay izy, izay ilay ordre de priorité noresahiny tery ambony.
patrick2002:
Midika izany amiko fa tsy nandeha araky ny tokony ho izy ny trosa natao ny firenena ,izay hiarahana manaiky fa betsaka tokoa tamin'ity fitondrany ra-8 ity,satria trosa nataony Ratsiraka nandritry ny 21 ans dia efa manakaiky ny azon'ny Ra-8 tao anatiny 6 taona monja .
Tsy fantatro nareo na teto Madagasikara t@ 2002-2003 fa za dia nahatsapa fa na dia nolazaina sy niaraha-nahalala aza hoe tena tao anatin'ny fanarenana tanteraka aza ny firenena tao anatin'io vani-potoana io dia ôtran'ny mbola azo niainana kokoa ny vidi-piainana. Raha oharina indray ny 2004 nankaty @ 2008 dia hita niha-nijotso ny fari-piainan'ny olona, ny trosa nefa miha-mitombo ihany.
Toa marina ihany ilay voalazan'ny patrick2002 hoe "Tsy misy maha-ratsy ny mitrosa mihintsy anie eh! fa hitondra fandrosoana ve ilay trosa ?" Toa tsy nitondra fandrosoana sy fahatsaran'ny fari-piainan'ny malagasy akory? Sa ve sehatra hafa izay tsy azon'ny mpitondra antsaina mihitsy no tokony nanaovana trosa rehefa samy hitrosa ihany?
59. Jeankely
(
09/06/2008 00:39)
Tena mahatoky ve nareo fa raha nareo na tarikareo no mitondra ny Fanjakana dia ny hevitrareo no afaka ampiasaina avy hatrany ? Lainga tototra io. Raha manampy anao ny firenena hafa, na ny mpamatsy vola dia misy sosokevitra avy aminy ary manaraka ny fizotran'izany izy. Afaka hajanony tampoka ny famatsiana raha zavtra hafa no andefasanao ny vola azo.
Ilay hoe "ordre de priorité" mijery izany ny mpamatsy vola fa tsy hamatsimatsy fahatany.
Raha izaho mindram-bola aminao dia hindramiko fotsiny tsy raharahanao izay hanaovako azy fa ny hamerenako ny vola no ilainao. Raha banky no hitrosana efa miditra any @ karamanao, ny zavatra hataonao sy ny fomba hamerenanao azy ny banky vao sahy manome. Mazava ho azy fa avoavo kokoa noho izay raha firenena mitrosa na mahazo fanampiana. Manana anjara-toerana ny Mpanome trosa fa tsy hoe omena ny vola dia ataovy izay ampandroso anareo akory.
Misy ny atero ka alao fa anjaranao no mahay mandray izay azo amin'ny lafiny rehetra. Fa inona no hanaovana Ministera isankarazany? F'angaha tsy manana tetik'asa mameno izany ny Ministera hafa ?

60. Koditra
(
09/06/2008 19:54)
jeankely:
Raha izaho mindram-bola aminao dia hindramiko fotsiny tsy raharahanao izay hanaovako azy fa ny hamerenako ny vola no ilainao. Raha banky no hitrosana efa miditra any @ karamanao, ny zavatra hataonao sy ny fomba hamerenanao azy ny banky vao sahy manome.
Marina ny voalazanao, raha mindram-bola ianao, efa fantatrao ny antony lehibe tsy maintsy indramanao vola fa tsy hoe faly ny hihindrana satri hoe tsy maintsy mahazo ary tsy ho rendrarendra na zavatra mbola afaka miandry no antony hindramanao izany na dia tsy ho sarotiny aza ilay mpampindrana. Aôna moa no hindramanao vola ividiananao fiara nefa ny vola ividiananao carburant ampandehanana an'iny aza tsy misy? Dia izay ilay hoe ordre de priorité fa averiko ihany.
Raha indram-bola ny firenena, anjaran'ny mpitondra no mijery ny tetik'asa izay tena maika indrindra sy tsy maintsy harenina faran'izay haingana dia iny no entina manoloana ny mpamatsy. Sarotra be ve ny mamantatra an'io priorité io? Raha tsy hay, anontaniana ny mpanolo-tsaina sy ny ministra ka raha mbola tsy mahatafavoaka hevitra ihany koa, inona moa no mahamenatra maka ny hevitry ny hafa eh!