Filoham-pirenena sy voan-dalana avy any Japon

21. ronaldo09 ( 03/06/2008 09:10)
Tokony hitehaka no hatao fa tsy hanakiana satria rehefa misy zava-bita hitam-poko hitam-pirenena toy izao dia tokony hahafaly antsika koa tsy hitako no mbola ametrahana fanontaniana hoe :Inona ny takalony?? Hatamizay dia ny BIRD no mpamatsy vola ,ny Frantsay ny anglisy nga moa tsy misy takalony ireny zavatra ireny nefa ireo filoham-pirenena teo aloha tsy nisy zava-bitany fa nanakepoka volam-panjakana ny nataony ,ity izao tonga Ravaomanana manao ny asany ary maneho eran-tany fa tsy maintsy mandroso i Madagasikara ,ny fahitan'ny mpamatsy vola ny asa fotsiny dia hanintona azy hamafa ny trosa ary hanosika azy tsy hila tambiny !!!
22. Jeankely ( 03/06/2008 09:28)
Fototra mbola tsy nanomboka aloha aza ampidirina anaty zava-bita ry ronaldo09 a. Izaho mankasitraka saingy tsy afangaroko ny vita ary mandeha ara-dalana sy ny hoe hita ny vola ary vita ny drafitra dia hatomboka amin'ny fotoana tsy mbola fantatra.
Raha nandalo Madagasikara aho dia honena nahita an'Ivato satria rehefa ho tonga na hianga ny "Air Mauritius" ohatra dia avy ireo mpiasan'ny ADEMA tovovavy tsara endrika mianika seza ary manova ity soratra hoe "Air Mad" ohatra raha "Air Mad" no lasa na tonga mialoha ilay iray. Nalaiko sary mihintsy io ary mba asehoko rehefa any aoriana ka ho vita tokoa izany fanatsarana izany raha mbola velona ny tena.
Dia gaga kosa aho raha i badboy izay finaritra milaza fa izy no mahitahita ary favy ka afaka mandeha andafy ao Frantsa no mitady fanazavana tsy hanamboarana ny seranampiaramanidina.
Ry zareo milaza fa tsy mivoatra nefa vao misy hevitra hanamboarana dia avy izy fa io ngah no mahamaika. Mianara @ tany hafa rankizy raha sahala izany no ataon'ireo ao pararantsa.
23. badboy ( 03/06/2008 11:36)
Jean ah, izaho sy ianao mivezivezy any dago dia mahazo tombony tanteraka @ io fanamboarana io. Ary mahafinaritra hoe misy ny fanamboarana satria ny 0.01%n'ny gasy no hahazo tombony avy hatrany @ io fa tsy sahirana tsony hidina tohatra fa tonga de tunnel, ary ny 99.99% mitsiky satria misy endrika vao² Tanà. Araky ny teninao hatr'izay dia aleo izay tsy mihezaka sy tsy misasatra ho hitan'ny havany eo fa ireo izay afaka manararaotra ilay fanamboarana, IZAY MAROBE SATRIA 0.01%N'NY GASY (17 000/17 000 000) aleo mba hiadana @ izay omena azy f'efa ela niafina t@ fahamenarana sy ny havesatr'entana.

Sa ahoana jean, inona no hiraharahintsika izay tsy homakanina any fa ny henatrasy ny fahavesarana midina sy miakatra avion no tena mila hovaina haingana!!

Ho ela velona ilay aeroport vao² ary izay tsy faly matesa @ tsy fahampitsakafo any fa sady kamo no miandry fanjakana lava!! Merci jean nampiratra ny mason'ny tsy nahita tahaka ny tenako!! :^) :^) :^) :^) :^)
24. Annie2006 ( 03/06/2008 11:38)
Koditra:

badboy - Annie2006 : Haute politique io takalony io, tsy natao ho fantatry ny madinika. Mifalia fotsiny ry vahoaka madinika fa ho amboarina ny seranana, aza eritreretina ilay vola be mitentina 1056 miliara Ariary sy izay fanodinkodinana mety ho hisy ao indray.

Tsy misy idiran'ny 1056 miliara Ariary ity fa fanontaniana fotsiny a, asa hoe inona indray ny orinasa hovidian'ny Filoha atsy ho atsy.

Mifalia fotsiny refa vita ny seranana eh!




ha ha ha, haute politika angaha? odoye e!
Aza adino hoa (hoanareo mpamaky baiboly) ilay resaka menarana sy voasary nomenan'i Eva. Tsy hoe ka izay manome dia raisina daholo fa tsy maintsy manontany hoe: Inona no takalony?
25. patrick2002 ( 03/06/2008 15:44)
tsara aloha raha hovitaina izany ny seranana ,tsy misy maharatsy an'izany ,fa kosa hitondra inona aminy firenena ny fahavitany seranana ,?
Azo antoka ve fa hitombo ny touriste, betsaka ny conference international hatao an'i madagasikara, hiroborobo ny Air Madagascar, aminy fahavitany seranana :?:
manahy mafy manko izaho sao dia ho vita ny seranana nefa ny voyageur tsy hitombo akory ,fa olona mpanao bizna ohatry ny eny @ arcade no betsaka ,na koa hoe ny seranana mijoalajoala fa tranok'ala no hita mameno azy ,
Io manao zavatra mande ila ohatry ny kirarony beminahy io no mahavoa ny gasy .
Miteny anaho izao fa raha ohatry ny aeroport ao johanesburg ny ao dago dia tsy maintsy mila auto route izany mankany Ivato ,ary ho isy 15 000 voyageur par jour ve ho tonga ao madagasikara :D
26. Jeankely ( 03/06/2008 16:49)
Aleo izy ho vita fa rehefa tranokala no mameno azy dia ny Malagasy rehetra mihintsy no tsy mahay mandray zavatra izany. Ny lasa andafy sy milaza misy atidoha aza hafahafa fandinika. Mahagaga ihany fa mety hisy vola azo zaraina ve ? Iza no mandrara izay menarana any na liona na maingoka fa leo ho vita hifanatrehana. Fa mety hiaraka vita izany ve ny rehetra satria tsy mety ny kiraron'i Beminahy?
27. Koditra ( 03/06/2008 18:47)
Annie2006: Ny fitondrana ve d iteny aminao oe bois de rose 4 tonnes sy volamena 100kg sy safira x kg d omeo tany x m² zay hanaovanay investissement ... ohatra no hotakalony? Izay no nanaovako hoe haute politique zany, tsy natao hotakatry ronaldo09 sy ... fa nenazy refa hoe hatao fotsiny ny seranana d mionona sy faly.
28. Koditra ( 03/06/2008 19:15)
ronaldo09:
...ny fahitan'ny mpamatsy vola ny asa fotsiny dia hanintona azy hamafa ny trosa ary hanosika azy tsy hila tambiny !!!

fanga dadatoan'ny mpitondra ny mpamatsy vola ka oe ho vitavita mora sy tsotsotra ôtran'ny filazanao azy ity vola be 1056 miliara Ariary ?
Efa mba nanao kajy2 ve ronaldo09 hoe @fomba aôna no andoavana an'io trosabe io raha tsy iresaka ny trosa efa nisy teo aloha sy ny trosa vaovao marobe mbola ho avy?
Tsy aleo ve niaina t@ zava-nisy aloha?
29. patrick2002 ( 03/06/2008 20:23)
Tsy fantatro mihintsy anie no mahatonga an'ireto olona mpanohana an'i Ra 8 ireto mbola manohana azy, nefa dia tena arguement ny AREMA ihany no hoentina eto,
fony AREMA nanjaka nievo-tena ho zavatra nilaza fa vita ny université manerana ny faritany ,mahay ny malagasy ,na dia betsaka ny tsy an'asa milaza ny AREMA fa aleo manana chomeur intellectuel to izay chomeur donto :-D
Zao mirehereha ny TIM fa betsaka ny zava-bita ,ny lalana vita ,rehefa anontaniana izy @ fahantrany madagasikara ,tsy miemotra fa vao maika miha-maro ny mahantra ,ny PIB miha mihemotra noho ny t@ 2002 , ny mahantra tsy misy mihena ny statistique dia mamaly izy reo fa ny vahoaka malagasy no tsy mahay mandray zavatra . :cry: :cry:
30. Jeankely ( 04/06/2008 01:34)
Izay TIM milaza fa betsaka ny zava-bita aloha dia azy izany fa tsy ao anatin'izany kosa izahay raha mandrisika ny olona hifofotra ary mitana izay vita sy mampitombo tsikelikely ny fampandrosoana.
Firenena no resahana noho izany hifangaroan'ny olona tia tanindrazana sy ny olona tia tena ka sarotra ny hisosany mora any amin'ny fampandrosoana. Raha mpivady na fianakaviana na orin'asa iray dia mazava fa na miaraka mandroso nohon'ny ezaka atao na miaraka midaboka satria variana ary mandeha amin'ny lalana tsy izy.
Ny olona manampahaizana sy ireo mipetraka andafy tokony ho fitaratra ary ahitana fampandrosoana saingy ny an'ny Malagasy ireo manampahaizana sasany na lasa andafy saika mpanaradrenirano ary olana indray aza no abosesiny hanimbana toe-tsaina.
Toe-tsaina miandry fotsiny no volena ao antsain'olona. Hany ka ny hanantena izay mpitondra tonga hanavotra azy na milaza diso fanantenana avy eo. Aleo miasa izay miasa saingy tongava izay mihevitra mahay hampandrosoana an'i Madagasikara kokoa raha misy. Sa manadala fotsiny?
31. badboy ( 04/06/2008 04:44)
patrick2002 >> Tsy ifanomezatsiny ilay hoe manohana. Tsy zavabaovao io satria na t@ andron'izay teo aloha teo aza dia na tsy mety aza ny ataony dia tsy maintsy manohana ny mpanoahana satria izay no asany sy ilana azy. Io samy miaro ny ramboy tsy ho tapaka. Ahoana kosa no andeha hanozongozonana ny manampahefana ihanteherana? mamono tena zany.

32. Jeankely ( 04/06/2008 06:24)
Any amin'izay miaro ny rambony tsy ho tapaka izany no mitombona. Eto impiry aho no mahazo fa mpanohana anjambany avy eo vao maneho ny zava-misy dia lazaina indray fa mpanenjika. Tsisy olona tsotra afaka manao fanadihadihana izany fa mizara roa ? Na mpanohana na mpanenjika.
33. paris10 ( 04/06/2008 07:31)
fa iza ny firenena nampiana ka tsy nisy takalony io fanampiana io?dia isika ve mihevitra fa omena fotsiny kosa zao rehetra izao?tsy ilaina ny mahafantatra hoe in na in no takalony , lojika fa tsy maintsy misy io ary tsy maintsy averina ny vola ampahany,fandrosoana ho any madagasikara ny hanamboarana ny seranana rehetra misy,ka aza dia masiaka isika, isaorana ny Avo misy hanampy antsika!
34. Jeankely ( 04/06/2008 11:21)
"Atero ka alao ny fiainana". Na fanambadiana , na namana, na fifandraisana ara-barotra, na fifandraisana iraisam-pirenena, na findramana vola dia misy hatrany io. Fa ireto olona andafy sasany ao Frantsa ireto anie tsy fantantra mihintsy no tena tiany hanehoana ny fahaizany. Ampianarina izany ny olona hoe ireto ny vola ho anareo fotsiny tsisy takalony. Fa na haka vady aza mitombona io fa tsisy hiditra amin'ny tsisy raisina na ara-batana na ara-talenta, na ara-karena. Lainga tototra izany miditra fotsiny izany raha tsy olona mitapy angaha. Raha vehivavy dia ny mofo lany tsisy takalony ve :-D :-D :-D
35. Koditra ( 04/06/2008 14:33)
Ito tenin'ny badboy ito no indramiko
Ary ataoko angamba fa misy ny "piorité" kokoa noho io fanamboarana io.

Tsotra be io seranatsika Ivato io, na ivoaka ianao na vao tonga, tsy mbola nisy touriste niomenomenona hoe manahirana ny fidirana sy fivoahana eto @ io seranatsika io, vao maika tsy mahavery azy aza.
Ny fahavitan'io fanavaozana io ve hampitombo ny mpizahantanitsika sy ny hafa mpampiasa azy? Ka raha raisina @ io fizahantany io fotsiny aza, tsy ny fikarakarana sy fampitomboana ireo toerana sy faritra mahasarika vahiny aza ve no priorié kokoa? Ohatra io noraisiko io fa mbola betsaka ny mahamaika lavitra noho io fanamboarana seranana io.
Tsy mino aho hoe tsy takatry Ra8 sy ny mpanolotsainany izany fa ny marina dia ilay takalo no zava-dehibe sy nahadodona azy, Efa miahoaho sy miandry mahazo koa ny mpanodinkodim-bola rehetra??? Otran'ny volabe tsy ita nankaiza tao @ Kaominina Antananaruvo Renivohitra. Vola be io ko.
36. Jeankely ( 04/06/2008 14:44)
Ny rehetra dia "priorités" daholoary hita erantany izany. Raha mitady mpampiasa vola ivelany hitobaka ianao dia toerana tsisy seranana ara-dalana ve no hiasany. Izaho tsy mitovy hevitra aminareo aloha. Ilaina io saingy tsy midika izany fa ambaninjavatra ny hafa. Raha mahazo famatsiam-bola hanaovana Sekoly ianao tsisy milaza fa azo avadikao trano figadrana indray no ampiasana azy satria tery ny gadra.
Efa zatra loatra amin'ity volabe sy halatra ity ka dia io foana no ambetin-dresaka. Efa lo tanteraka mihintsy izany ny sain'ny Malagasy.
Fa iza no milaza aminao fa resaka touriste ihany no hanamboaran'ireo tany rehetra misy fandrosoana Seranampiaramanidina ?
Fa inona ary ity ? Tokony hanamboarana sahala izay daholo aza ny 22 Faritra (Régions).
37. patrick2002 ( 04/06/2008 14:45)
Ka tsy haiko aloha fa filoham-pirenena sy ny voan-dalana avy any Japon izay ny loha-hevitra toa midika izany fa tsy misy ,takalony ilay projet fa dia voan-dalana am-pitiavana tokoa nomen'i japoney (l)
Fa tsy hany no tena olana ny ahy dia apetetrako ny fanontaniana hitondra inona @ toe-karena malagasy ny fisiany seranana lehibe ,efa nisy etude preliminaire natao ve mijery ny impact economique ,social, envirronemental ,energetique mialoha ny projet , izay aloha ny anay aty andafy rehefa manao grand projet hoatry ny izao ,tsy haiko ny norme any madagasikara na any @ tany silamo misy an'i jeankely
:P mazava loatra fa ngeza be ilay projet satria dia 800 000 000 $US ,izany hoe vola trosaina ary haveriny vahoaka malagasy ,
Manaiky izaho raha ohatra ka hampiroborobo ny touriste izay tsy miankina fotsiny @ aeroport no fahatongavany ,hampiroborobo ny air madagascar izay tsy mety mahita fiaramanidina hofaina amin'izao fotoana izao satria ,compangie sous la loi de la faillite , hampitombo ny conference international hatao an'i madagasikara izay tsy misy afa-tsy hotel 5 etoile anakiray dia i hilton .
38. Jeankely ( 04/06/2008 15:01)
Sao diso aho na ianao angamba. F'angaha moa Tetibolan'ny Air Mad izany ? Fa an'ny Air Mad moa ny Air Port izany ? Tsy haiko koa miala tsiny fa efa nahare aho fa samihafa ary manofa ny Air Mad.
Fa patrick2002 ve dia afaka milaza fa resaka touriste ihany no hanaovana seram-piaramanidina. Ny "Business" rehetra tsy ankanavaka mifandray amin'io. Mpikambana @'ny SADC, COMESA, WTO, sns Madagsikara dia midika fa touriste ihany no kendrena.
Fa dondrona sy pahana daholo izany ireo Ministra sy Mpanolontsaina ireo ka tsisy etudes araka ny teninao. Ary ny manao etudes ve amin'izao fotoana izao anjaran'ny Ministra sy Mpanolontsaina fa tsy mandray ny vokatry ny etudes fotsiny izy.
Sao ilaozan'ny toetr'andro nefa olona any amin'ny tany lasa alavitra. Fa nareo ve mpanolontsainan'ny fitondrana ao Canada na Frantsa fa tena tianay ho fantatra ? Sao mba mpivarotr'anana any manko. :-D :-D :-D
39. patrick2002 ( 04/06/2008 15:09)
raha resaka zava-bita angamba mba tsy ni TIM irery no nahavita fa mba nisy koa ny vitany AREMA , universite isaky ny faritany ,EPP isaky ny fokontany ,lalana tamatave tana sns ,sns tsy voatan'isa fa saingy :cry: :cry: nitondra fandrosoana an'i madagasikara ve ireny ,mbola mitana ny rambony madagasikara hatramin'izao eo @ PIB ,DHD (developpement humain durable)no resahina midika izany amiko fa tsy nandeha araky ny tokony ho izy ilay zava-bita .
Oh université isaky ny faritany ,tsy noeritreretina fa hampitombo ny chommeur diplomé anie ireny ,ary hamono ny JIRAMA ny fatana resistence nampiasainy mpianatry gratos tamin'ireny fotoana ireny ,25 ans aty aoriana io fa mitranga ny delestage ,io fa mifanondro molotra ny AREMA sy ny TIM hoe andraikitry ny AREMA io ,ianareo TIM no tsy manao ny andraikitrareo hoy ny AREMA fa izahay teo tsy nisy delestage .
Izay no maha-pessimiste ahy amin'ity seranana lehibe ity ho isy vol long courrier 25 par jour ve ao dago :roll: :roll: ,ary raha hisy mba manao ahoana ny polution ao Tana amin'izany izay efa higagana tokoa amin'izao fotoana izao satria vitsy no mividy essence sans plomb ao dago ,ary ny gas-oil dia betsaka ny taux de souffre ao @, gas-oil tsy fampiasa @ auto fa @ navire no hamidy ao Dago
40. patrick2002 ( 04/06/2008 15:27)
io ndray fa mihetsika ny hadalany jeankely lety ah!
fa nisy niteny ve teo hoe an'i Air mad ny aeroport lety ah!
Ny tiako ho lazaina dia tsy ny Aeroport(fa tsy air port) mihintsy no sakana tsy mampandroso an'i Air mad amin'izao fa zavatra afa: tsy misy compagnie mety hampanofa boeing an'i Air mad satria compagnie protegé sous la loi de la faillite i air mad io ny olana ,
ny business dia tsy tonga ny investisseur satria mbola pays a haut risque @ investissement i Madagasikara ,taux de pression fiscale 11 % fotsiny ,ny taux d'inflation 16 % raha tokony ho 6% izany normalement .ny delestage aza tsy voavaha ny olana
Raha resaka touriste indray mbola lafo i madagasikara par-rapport ny ile de l'ocean indien ohatra Reunion ,seychelle, maurice ,
eo @ conference international indray dia hotel 5 etoile anankiray no mba misy ao Dago ,ka na manana aeroport mirenty aza ianao dia tsy hoavy any ny olona hivory satria tsy misy hotel hatoriany ,na ho tratry ny embouteillage izy eny andalana. :o :o
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1362