Pretra lasa mpanao mazia

1. deric ( 02/06/2008 07:20)
Sendra nihaino resak'olona aho fa tamin'ny feon-gazety hono no nahenoany fa misy Pretra Gasy lasa mpanao mazia indray. Tsy dia didiny loatra io Gazety io fa tamin'iny herin'andro iny ilay izy, asa raha mba misy afaka hanamarina izany.
Dia ahoana indray koa ary izany?
Misaotra e! (l) (l) (l)
2. badboy ( 02/06/2008 12:00)
De nataony nivadika volamena hono ny orana!!! :-D :-D :-D :-D :^) :^) :^)
3. ikaretsaka ( 02/06/2008 15:02)
hanasoavany ny fiaraha monina ilay izy dia entiny maneho ny asan'Atra sa entiny mirehareha sy hizestiavany?

eo no tsara fakatakaina

raha ilay voalohany dia tsy hitako loatra ny olana... fa raha ilay faharoa dia sadasada manantsoratra
4. rebeccaF ( 02/06/2008 20:01)

Misy ny antsoina hoe: hakingan-tanana, fanova-maso, ary fampiasana hery miafina. Samy mazia daholo ireo. Ka iza amin'ireo no izy?

5. nenina ( 02/06/2008 20:08)
Italic textHevitra roa no hitako: 1-rehefa tsy nialany ny maha-mpisoron'ny avo indrindra azy dia tsy mampaninona izany. 2- rehefa mahasoa vahoak indrindra fa kristianina le mazia ataony dia masaka izany sa ???
6. Koditra ( 02/06/2008 21:41)
Ka tsy hita intsony ny nalehan'ny deric hamaly ny fanontanian' ikaretsaka sy rebeccaF nefa za ko saika mba hanampy kestion ko.

Nanao mazia ko ngamba lery :lol: :lol:
7. jusain ( 03/06/2008 08:42)
Izaho aloha mbola vahiny eto fa kosa hanambara ny hevotro aho zavatra roa samy hafa izany hafa ny resam-pivavahana dia ny mha pretra azy izany ary hafa ihany koa ny herin'ny maizina dia ny mazia izany, ka iza no arahany @ireo eo no hijerevana azy sy hitsarana azy :?: :!: :!: :!: :!:
8. hery ( 03/06/2008 08:49)
ka tsy hay tsara marina hoe mazia inona ilay izy...

Misy ange mazia efa ianarana e, hakingan-tanana fotsiny.

Fa na izany na tsy izany toa mpanao mazia daholo ihany ny olona rehetra :-)
9. fijo ( 03/06/2008 20:18)
izay le hevitra voaray diso.
efa nampidirina tao an tsaintsika fa ny "magie"dia asan devoly.ka na hakingan tanana hamalifaliana ankizy aza dia efa maha sadaikatra raha pretra no manao azy,satria raisina ho asan devoly.
10. ikaretsaka ( 03/06/2008 22:02)
io dia gravy mihitsy letsy ry fijo.
le tsy mijery tsara ny tena fotony fa maika hi condamn
11. ari.malala ( 04/06/2008 06:35)
de miverina eto le fanontaniako ary ambadika ary we fa in tsara le atao hoe devoly ary otran'ny aona izany asan'devoly zany? ireo be famaritra hoe asan'devoly ireo no iriako hamaly voalohany raha azo atao!
12. fijo ( 04/06/2008 20:35)
miandry ny valiny isika raha misy ilay valiny.

ka izay anie e,efa nampianarih ahankahala fotsiny,de vao misy hetsika ataon'ny iray dia asandevoly izany.na dia mety hetsika ahasoa aza.
13. majesty ( 05/06/2008 05:44)
Hoy fijo:
izay le hevitra voaray diso.
efa nampidirina tao an tsaintsika fa ny "magie"dia asan devoly.ka na hakingan tanana hamalifaliana ankizy aza dia efa maha sadaikatra raha pretra no manao azy,satria raisina ho asan devoly.


Marina io voalazan'isé io fa ny mahatonga ny olona hiteny an'io dia noho ny tsy fahalalany ,satria aminy rehefa manao mazia dia hoe matory any anaty fasana hono,manao fifanarahana amin'ny devoly hono....sns ka na olona manao hakingan-tanana fotsiny aza dia heverin'ny sasany ho toy izany foana.

Fa na inn na inn ataon'ilay Pretra,dia afaka manao izay tiany izy satria ny olona rehetra dia manana fahafahana ny hisafidy izay zavatra ataony .
14. ari.malala ( 05/06/2008 06:47)
miandry ilay valiny ry zareo mahalala ny atao hoe devoly a! za alou tsy mahay e! :^)
15. deric ( 05/06/2008 08:46)
Misaotra anareo samy nanome ny valin-teny sy naneho hevitra.
Ny nanahirana ahy tamin' le izy dia heveriko fa izany mpanao mazia izany dia tsy maintsy vita fifampiraharahana amin'ny demony, nefa izy pretra indray ve no hanao izany fifampiraharahana amin'ny demony izany. Angamba tsy diso ny fiheverako fa ny demony dia fahavalon'ny kristiana, ka tsy fahavalon'ny pretra koa fa izy raha izany?
Misaotra!
16. manidina ( 05/06/2008 12:41)
te hampiseho fahagagana angambany lery,satria anisan'ny mahavoafitaka olona betsaka manko ity fanaovana fahagagana ity ,miraaaaaaaaaaacle mon amiiiiiiiiiiiiii!!
ny dia tsy mpivavaka aza aho dia haiko fa tsy @ alalan'ny fanaovana mazia no hampisehoana ny voninahitr'A/tra, na kosa we entina hanaovana asa soa, indrindra raha oh ka ekena fa asan'ny devoly marina ny mazia, satria raha mandeha mangaropaosy ianao,na mamaky tranon'olona ..sns...mba ahazoanao vola hanaovanao asa soa tsy midika izany tsy higadrana anao raha tratra ianao,olona meloka hatrany no anaranao fa aza manao fivavahana sadasada!
17. fijo ( 05/06/2008 20:35)
ka izay ra deric an,fantaro daholo aloh aizay zavatra misy,fa ny fampianarana nomena antsika fony kely ani emaro no somary nibirioka e.
ari an,;manahy aho ,fa sao hiandry maina eto isika
18. ikaretsaka ( 05/06/2008 21:35)
fa fanampim-panontaniana tohin'ny an'i Ari
ahoana ny ahalalana hoe magie io de hoe miracle io?
19. fijo ( 06/06/2008 19:42)
hi hi ih misy le atao de misy le andrasana fotsiny ka
20. deric ( 09/06/2008 07:44)
Fa inona kay ry fijo ilay fampianarana atsika fony kely fa toa hadinoko lay izy, sao dia mbola mibirioka manaraka an'io aho. Misaotra fijo

Sao ka mba tsy io ihany no pretra mpanao mazia eto amintsika, fa araka ny fitantaran'i Bakajika efa be mpahalala eto dia misy pretra maro any amin-dry zareo any no miondana mazia, mankany am-pasana mihintsy ka manao izay ifampiraharahana amin'ingahy losifera hono, ary manabe kilonga ho amin'ny fifandraisana koa amin'io losifera io.
aza hitako re aza mahita ahy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082