Fanekena atao any am-piangonana

41. Gie ( 06/06/2008 10:06)
prime:

Mampametram-panontaniana amin'ny fiangonana izany ambaranareo izany hoe hatraiza ihany koa no zavatra tsy vitan'ny fiangonana mikasika ny fampianarana maro mifandraika amin'ny andavanandron'ny olona manoloana ny voady sy ny fanekena atao ao am-piangonana...
ny fiangonana ve no andrasanao hamaly an'io ?

tsy ny tsirairsy sy miankina am finoany ve io ? tsy enao zay nanao sy nihomana hivoady eo anatrehan'Andriamanitra ve no tokony ho tonga saina am-zany ?
rehefa tsy vonona hivoady eo hanatrehan'Andriamanitra de tsy manao an'io !


42. fahamarinana ( 06/06/2008 10:09)
:arrow: marina mihintsy ny voalazan'ny prime hoa mampametra-panontaniana tokoa.Ary marina koa ny voalazan'ny yonika,ika ,fijo hoe tena misy tokoa lasa fahazaran-dratsy hoe oe fomba amam-panao satria ny 1 oh Xna ,misy moa dia lamaody tsotra izao,sns sns...Asa na ny aty alavitra ihany na toy izany koa ny any dago fa raha ny hitako eo anivon'ny Fiangonana misy ahy aloha dia tena tsapa fa tsy dia araka io voalazan' ny prime io intsony no zava-misy.Nisy zao tato ho ato mariage 2 nisesy dia nampidirina teto am-piangonana ,tsy nisy dinika satria tsy nanana fotoana ny Mpitandrina (Izy rahateo mipetraka alavitra ),nangataka ihany ireto mpifamofo fa tsy nahazo rdv dia naroso moa ny mariage tao am-piangonana.
Mila averina indray angamba ny tena fototry ny mariage amin'ny ankapobeny raha resaka Finoana no jerena. (l)
43. prime ( 06/06/2008 10:59)
Gie> Ekena fa ny tsirairay no manao ny voady na fanekena eo imason'Andriamanitra ary samy tompon'andraikitra avokoa... fa ny tiako ambara dia hoe, misy anjara asa tsy vitan'ny fiangonana (fampianarana, fananarana, fitaizàna, fitoriana filazantsaza...) ihany koa ao na dia ampahany kely monja aza matoa ny olona iray miroso eo amin'Andriamanitra nefa
tsy mahafantatra tsara ny ataony...

fahamarinana> Io ambaranao io indrindra izao dia ohatra mivaingana amin'ilay voambarako hoe misy anjara asan'ny fiangonana...

Misaotra nizara...
44. fahamarinana ( 06/06/2008 11:11)
:arrow: tena misy tanteraka mihintsy anjaran'asa tsy vitan'ny ny Fiangonana aloha raha ny aty aminay,mampalahelo nefa izay no zava-mitranga. (l)
45. bor2lais ( 06/06/2008 11:13)
Miombon-kevitra tanteraka @ voalazan\'i \"prime\" !
46. booboo ( 11/06/2008 08:42)
mbola tsisy novakiako ny valin-tenin'ny tsirairay fa hamaliako lé fanontan'i Bor2lais tany an-dreniny : ho anà manokana dia tsy tadidy aby ny bla bla natao t@ zany :°) :°) :°) ...ankoatra ilay hoe " ny herin'Atra no iankinako hanantaterahako izany "
47. prime ( 11/06/2008 10:08)
booboo> Io indrindra no anontanian'i Bor2lais hoe inona ny atao hitadidiana ireny voady sy fanekena ireny...
48. bor2lais ( 11/06/2008 17:11)
prime:

booboo> Io indrindra no anontanian\'i Bor2lais hoe inona ny atao hitadidiana ireny voady sy fanekena ireny...


Raha mba atao talaky maso tokoa ireny certificat mariazy tany am-piangonana ireny ohatra dia mety ho lasa tandrifin-drahona fotsiny angamba izay tafiotra na cyclone mananontanina ao an-tokantrano ao ...

49. prime ( 12/06/2008 12:34)
bor2lais> izany an... :-D
50. bor2lais ( 16/06/2008 07:36)
prime:

bor2lais> izany an... :-D

-> \"Angamba\" hoy aho an ...

51. prime ( 19/06/2008 08:58)
bor2lais> Mitombina ny ambaranao fa mba manatsafa aho... :)
52. bor2lais ( 19/06/2008 09:53)
prime:

bor2lais> Mitombina ny ambaranao fa mba manatsafa aho... :)


-> Tsy misy olana fa azoko tsara ka ...

Tenin\'ilay Pasiteranay izay mantsy izy io rehefa manolotra ireny certificat ireny izy : \"Tsy ho manga foana akory ny lanitra ao an-tokantrano ao ka aza atao tsara pirina any @ \"archives\" izy ity fa ataovy anaty \"cadre\" tsara ho talaky maso.\"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2705