Fanekena atao any am-piangonana

21. pissoa ( 28/05/2008 18:13)
:-D :-D :-D :-D :-D
22. yonikafopl ( 28/05/2008 18:33)
ravakamalala, za io no fahalemeko, za tena olona faran ze tia sy miantra , tia manampy raha misy ny eo antanako. Fa raha araraotina amin'io fahatsorako io aho de tena mankahala, ary mankahala mandrapahafatiko :( . Ny zavatra tsy hihavanako amin'olona faharoa koa dia raha ny vadiko no anaovana resaka sy batibatiana dia halako kou izay manao izany
Tsy afaka ny hiova ho tsara fanahy mihintsy aho raha ireo roa ireo no atao amiko, fa raha ny ankoatra ireo dia haiko tsara ny mamela rehefa mitsotra ny fahadisoany ilay olona. Za kou rehefa misy zavatra tsy mety hataoko ka fantatro fa diso aho dia haiko ny mitsotra. Fa raha za no manana ny marina ary ananako porofo ny fahamarinako dia hijoroako foana io ary tsy manaiky lembenana aho.
Azo lazaina fa ratsy toetra ve za?????
Lasa HS be za :wink:
23. naritsimba ( 29/05/2008 05:57)
« Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa fa anio alina, raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. » (Matio 26:34)
« Ary Petera nahatsiaro ny tenin'i Jesosy, izay nolazainy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno, dia handà Ahy intelo ianao. Ary rehefa nivoaka teny ivelany izy, dia nitomany fatratra. » (Matio 26:75)


Moa va tsy fadavana io nataon'ny Petera io?

Izany anefa dia dia mampiseho fa mila ezaka avy amintsika tsirairay izay manao fanekena ny manao ENY na TSIA.

Mila fandinihan-tena lalina ny fanaovana fanekena, na dia @ samy olombelona ihany aza, maika fa avy amin'Andriamanitra.
24. xxx ( 29/05/2008 06:40)
amiko aloha , samy manana ny fisainany io , fa ny matetika manatsatso sy manaratsy ny fomba, ny fivavaka dia ireo miaina ao @ tsy fahamarina ka mahana amin'ny ataony dia heveriny fa ny rehetra no manao sy misaina ohatra ny ataony . Hita taratra madinidinika eto zao ny toetran'ny tsirairay avy
25. nefertiti3 ( 29/05/2008 07:29)
Amiko io dia tsotra ny valiny : fatahorana an'Atra. Raha olona matahotra an'Atra tsy manadino ny voady nataony mihintsy fa vao mamindra izy dia mangovitra sao tsy mifanaraka amin'ny voady nataony ny fihetsiny.
26. bor2lais ( 29/05/2008 09:49)
ravakamalala:

tsara ny miaiky ny fahalemena, ny olombelona rahateo tsy tonga lafatra, nefa koa tsy tokony hionona amin izay fotsiny isika hoe olombelona feno fahalemena, olombelona be fanadinoana, olombelona mafy fo, tsy mahay mamela heloka,.... fa tokony hiezaka foana isan \\\'andro, isan\\\'andro mba hihatsara, mba hiala amin izay toetra tsy mety izay.

Eto koa anie tsisy miresaka hoe hitsara an ilay olona fa ny lohahevitra dia hoe : inona ny fepetra tokony horaisina mba tsy anadinoina ny fanekena izay atao eo anatrehan \\\' Andriamanitra?

... mety ho hevitra mahomby ilay atao andoham-pandriana an!


Misaotra anao mampatsiahy ny lohahevitra !


27. bor2lais ( 29/05/2008 09:55)
prime >
Hoy ianao hoe : \"mandray roa eo ny asan\'ny fiangonana, sady vavolombelona izy no nanaovana fanekena ihany koa ka tompon\'andraikitra ihany koa amin\'ny zava-misy rehetra\"
-> Izay indrindra no tokony hitenenana ny olana misy (isika eto ilay fiangonana lazainao raha ekenao) fa tsy hiandry ny fanadinan\'Atra an\'ilay olona ihany akory : mariky ny fifankatiavana koa izany (tsy mijery arina an-tava hoy ny fitenenana) ary ao anatin\'ny fifampitaizana

Hoy ianao hoe : \"Ny vahaolana tsara indrindra dia tsy misy afatsy ny fifikirana amin\'ilay Jesosy Kristy ary miray sy mihaino Azy mandrakariva ...\"
-> Marina ny voalazanao ary io lazainao io ange no tanjona e !

Izao no fanazavana kely tiako atao :
Ity lohahevitra ity dia niainga @ fahitana ny lohahevitra maro niposaka tato ho ato eto @ ity forum ity : \"ilaina ve ny mpiandry\", \"ny lhl ve mbola lohan\'ny tokantrano raha tsy miasa aza ?\", sns. Araka ny fahatsapako azy dia mety ho (biriky iray) isan\'ny vahaolana @ireo lohahevitra voatanisa ireo ny fahatsiarovana ny fanekena natao tany am-piangonana.

Ekeko fa tsy misy ny tonga lafatra raha mbola eto amin\'ity tany misy antsika ity : misy ny maha-solafaka, tsy ho manga foana akory ny lanitra ao an-tokantrano, ... nefa (ny fahatsiarovana) ireny fanekena natao ireny (raha heverintsika fa misy lanjany izany) dia mety fitaovana iray hanovozana hery hanohitra ilay ratsy, izany hoe ahazoana mitodika be be kokoa @ Atra.
28. prime ( 29/05/2008 10:44)
bor2lais,ravakamalala> Itoviako hevitra tanteraka... ny nambarako dia nanitatra kely fotsiny nanao hoe, alohan'ny itenenana ny hafa, hananarana ny hafa, hampianarana ny hafa, itaizana ny hafa dia mitodika amin'ny tena avokoa aloha ny tenin'Andriamanitra sy ny tiana atao ampitaina amin'ny hafa rehetra vao mitodika aminy...

Sarotra ny itenenana ny hafa (fiangonana hafa ankoatry ny tena) raha ny tena, ny vady andefimandry, ny zanaka ao an-trano, ny Ray aman-dReny, ny rahalahy sy anabavy mpiray tampo... ny ankohonana sy ny fianakaviana aza (izany hoe ny tena sy ny iray rà akaiky amin'ny tena) aza mbola ao anatiny ihany koa tsy tena mankato ny sitrapon'Andriamanitra ary tsy resy lahatra...

Eo no tiana ahatongavana satria raha misy olona tsy mahatàna ny fanekena nataony dia misy fomba maro fampahalalàna azy izany fa tsy dia fanao loatra ilay miteny mivantana satria na izaho na ianao izay miteny dia manam-pahalemena ihany koa...

Raha fitadidiana ny voady nataon'ny tena tokoa no tiana ahatongavana dia tsara ny mametraka an-tsoratra azy amin'ny toerana faleha matetika, isany iray izay, mety ihany koa ny famerenana am-peo ireny dia atao fihaino tsindraindray arindra eny anelanelan-kira tiana sy mandresy lahatra eny ohatra...
29. bor2lais ( 29/05/2008 13:40)
prime > misaotra indrindra @ fanazavana sy ny soso-kevitra.

Hoy ianao hoe : \"Eo no tiana ahatongavana satria raha misy olona tsy mahatàna ny fanekena nataony dia misy fomba maro fampahalalàna azy izany fa tsy dia fanao loatra ilay miteny mivantana satria na izaho na ianao izay miteny dia manam-pahalemena ihany koa...\"

-> Marina tokoa izany satria samy manana ny mora mahatohina azy ny tsi11 !
Ny Soratra Masina ihany koa dia mampianatra antsika ny @ izany.

Dia manararaotra ihany koa mizara izay kely fantatra ho antsika rehetra.

Mat. 18 : 15-17 \"Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao. Fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoany teny rehetra amin\'ny teny vavolombelona roa na telo. Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin\'ny fiangonana ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra\"

Ny voalohany azo raisina eo @ ireo andininy vitsivitsy ireo dia ny hoe : andraikitry ny Kristiana ny milaza ny tsy mety ataon\'ny \"rahalahiny\", sady ataoko fa tsy mahatsara rahateo, na dia ara-pahasalamana ihany aza ny mitàna izany ao am-po.

Faharoa manaraka izany dia tsy fanao ny mifanala baraka : na dia andraikitra aza ny miteny dia misy \"étapes\" arahina (tenenina mitokana aloha) fa tsy avy hatrany dia eo imason\'ny maro no hanaovana izany (sao lasa mifanohitra @ tadiavina indray no hitranga).

Rehefa vita ny alanenina rehetra dia voalaza fa ataovy toy ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy : inona no azo andraisantsika izany ?

Lio 6 : 27-28 \"Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino : Tiava ny fahavalonareo, manaova soa amin\'izay mankahala anareo; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an\'izay manisy ratsy anareo.\"

Vahaolana 4 no omen\'ny Tompo antsika eto :
- voalohany, \"tiavo\" izy fa mety izay no hampiova azy. Toa hitako ery ny valitenintsika \"Inona tsara hoe ? Andraso eo Pôly !\". Manolotra vahaolana faharoa Izy
- \"manaova soa\" aminy fa angamba izay no mety hahazoanao ny fony : \"Ianao ve ahoana e? Jamais !\" Manolotra vahaolana fahatelo ho antsika ihany Izy
- \"misaora\" azy fa mety ho tonga saina angamba izy : \"olona nanao ratsy ahy ve dia hisaorako ? Mbola sarotra izany !\" Ity ny vahaolana fahaefatra omeNY antsika
- \"MIVAVAHA\" ho azy : ouf! io kosa angamba mba vitantsika ô !

Mazava ho azy fa ho sarotra amintsika ny manatanteraka ireo voalaza rehetra ireo raha miantehatra amin\'ny herintsika manokana isika : Izy irery ihany no anankinana izay rehetra atao ! Dia hanjaka ao am-pontsika tsi11 avy anie ny Fiadanany !!
30. niryna ( 31/05/2008 00:04)
nefertiti3:

Amiko io dia tsotra ny valiny : fatahorana an'Atra. Raha olona matahotra an'Atra tsy manadino ny voady nataony mihintsy fa vao mamindra izy dia mangovitra sao tsy mifanaraka amin'ny voady nataony ny fihetsiny.


marina izany
31. kantokoely ( 31/05/2008 13:34)
io dia arakaraka ianao sy ny finoanao talohan'ny nanaovanao ilay voady hoe efa masaka tsara v sa .... fa za vao avy noraisina mpandray tam pantekoty teo an fa refa tsy mahavita mamaky baiboly aho alohan'ny hatory dia MENATRA BE an'andriamanitra aho hoe ty zà dia nivoady tery amin'ny alitara anefa raha mba ny zavatra angatahako koa moa no mba anaovan'andriamanitra kinanga ohatran'izao

fa misy kou ndraindray manaonao foana tsy masaka tsara dia tsy tadidy tsoun lay we hijanona aminao irery mandrapiala ny fofon'aiko
32. prime ( 03/06/2008 12:09)
kantokoely> Tsy dia hoe manaonao foana loatra fa rehefa entin'ilay fitiavana izay dia sahy mihitsy eny fa na ho any amin'ny fahafatesana aza dia ekena avokoa ary ivoadiana mihitsy... fa eo indrindra no iorenan'ny fanamasinana ao amin'Andriamanitra ho tena zava-masina ka na inona ivoadiana na inona dia Izy mihitsy no mifanaiky amin'iny... misy tenin'Andriamanitra aza mampianatra mikasika ny hoe raha azo atao aleo tsy manao voady raha tsy efa tena lalim-paka ka resy lahatra noho i Andriamanitra fa tsy noho ny fahatokisan-tena (na aleo tsy manao voady mihitsy)...
33. fijo ( 03/06/2008 20:44)
ka fomba fotsiny io ko.
za tsy hanana vady hafa tsy ianao.ie tena tanteraka io,fa ny sipa kosa tsy voalaza teo ka azo atao. :-D :-D :-D :-D
34. prime ( 04/06/2008 08:46)
fijo> ekena, fomba tokoa ho an'ny olona fa Andriamanitra indray tsy manao an'iny ho fomba fa d anjaranan'ny tsirairay sisa... Andriamanitra tsy mba manao vazivazy ary tsy azo vazivazina rahateo...

Azo atao tsara anie ny tsy manamasina fanambadiana any am-piangonana e, misy aza vita vodiondry na fangatahana fotsiny d "go"... na ihany koa vita soratra ara-panjakàna raha te-hiditra lalina kokoa... efa mpivady sahady izany... fa ny an'ny mpino dingana hafa mihitsy ny fanamasinana eo amin'Andriamanitra... fa rehefa entina eo Aminy kosa d izay no izy fa tsy hoe mba nanaraka ny fanao sy fomba fotsiny...
35. ikaretsaka ( 05/06/2008 03:06)
misy anie ry prime ilay hoe "miditra am-piangonana" tena lasa fomba fotsiny na heo le 1 no miteny hoe nena mba teako atao mariazy ampengonana de betsaka ny manaiky tsy sazoka e
36. prime ( 05/06/2008 08:59)
ika> eo indrindra no mahazavadehibe ny fandalovana dinika mialoha ny tena fanamasinana (Dinika @ pretra, pasitera, mpitandrina, révérend)... mandalo an'io avokoa raha mbola fanambadiana kristiana... ary rehefa tena hanao voady aza dia mbola misy fanekena indray atao mialoha ny voady...

Ka marina ilay fanamarihanao, fa ny fanamarihana ataon'ny namana maro ireo ambony ireo dia mikasika mihitsy ilay fiainam-pinoana... satria Andriamanitra foana no anaovana voady sy fanekena eo na atao fomba io na lamaody na inona...
37. ikaretsaka ( 05/06/2008 19:10)
le izy koa matetika misy tsy resaka fivavahana intsony fa resaka fiaraha monina.. ilay hoe "vita mariazy am-pengonana"
38. yonikafopl ( 05/06/2008 20:08)
tsy resaka fiarahamonina kou fa resaka fisehosehoana, fitadiavamboninahitra, toa mahamenatra ny sasany manko zany we tsy natao mariazy makotrokotroka tany ampiangonana akory.
39. ikaretsaka ( 05/06/2008 20:11)
yonikafopl:

tsy resaka fiarahamonina kou fa resaka fisehosehoana, fitadiavamboninahitra, toa mahamenatra ny sasany manko zany we tsy natao mariazy makotrokotroka tany ampiangonana akory.

izay ko 1.


40. prime ( 06/06/2008 09:53)
Mampametram-panontaniana amin'ny fiangonana izany ambaranareo izany hoe hatraiza ihany koa no zavatra tsy vitan'ny fiangonana mikasika ny fampianarana maro mifandraika amin'ny andavanandron'ny olona manoloana ny voady sy ny fanekena atao ao am-piangonana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.355