Fanorenana trano any dago.

1. xxx ( 27/05/2008 05:17)
Hitako otran'ny voa mafy ihany ilay manorina trano any dago mba hialokalofana rahatrizay antitra misotro ronono, ho an'ny olona mila ravinahitra miasa aty ivelany no tiako lazaina...
toa maromaro ihany no fantako nanorina nisasatra nanangana trano any antanindrazana nandritra ny fiainany, nandritra ny fahatanoràny ny fotoana niasàny, rehefa nisotro ronono hitodi-doha hiaina any dago dia na maty alohan'ny hahatongavany any na tsy manararaotra ilay trano nandaniana hasasarana akory dia maty....otran'ny tsy dia mampazoto ilay hevitra io, tsy manararaotra firy ilay tranonao akory dia dangy ....olon-kafa indray no hanararaotra azy avy eo.....
répondu par xxx le 17/06/2008 09:45
2. tslem ( 27/05/2008 07:54)
Diso hevitra enao, ilaina fôna zany na dia oe hivantanana refa vacances aza,sa hanofa hotely na hivantana aman-kavana fôna?
3. RATOVOARY ( 27/05/2008 14:35)
xxx:

Hitako otran'ny voa mafy ihany ilay manorina trano any dago mba hialokalofana rahatrizay antitra misotro ronono, ho an'ny olona mila ravinahitra miasa aty ivelany no tiako lazaina...
toa maromaro ihany no fantako nanorina nisasatra nanangana trano any antanindrazana nandritra ny fiainany, nandritra ny fahatanoràny ny fotoana niasàny, rehefa nisotro ronono hitodi-doha hiaina any dago dia na maty alohan'ny hahatongavany any na tsy manararaotra ilay trano nandaniana hasasarana akory dia maty....otran'ny tsy dia mampazoto ilay hevitra io, tsy manararaotra firy ilay tranonao akory dia dangy ....olon-kafa indray no hanararaotra azy avy eo.....

1°Tsy mahafaty antoka anao io. Gasikara tanindrazanao tsy hanenenanao ny fahavitanao izany fa ianao anie tsy maintsy handalo matetika aty de inona ary no mba hivantananao eo.
2° Ianao manan-taranaka , na de ho reharehan'ny taranakao ihany aza ny "HARI-TANANAO " fony fahavelomanao de efa zavadehibe. Mahamenatra zany ho mila ravinahitra nefa na singa-tapakazo aza tsy tonga an-tanàna: "NAMANGA TSY NAHAZO" hoy le fitenim-paritra sady hira izay

4. Samoana ( 27/05/2008 15:06)
Miombon-kevitra @ Ratovoary. Lalanam-piainan-dRaolombelona ny miasa sy mamokatra hatrany raha mbola misy hery sy harena ahafahana manao izany. Fitsinjovana ny taranaka sy fitiavana avokoa no antony hanaovana izany. Raha ela velona moa dia arahaba soa mba afaka mampiasa izay naorina. Raha sendra ka lasana aloha indray dia akory atao fa izay no lahatra sy anjara, tsy misy hanenenana fa eny @ habakabaka ny fanahy mifaly mitazana sy miambina ny vita :wink:
5. xxx ( 27/05/2008 15:29)
tslem:

Diso hevitra enao, ilaina fôna zany na dia oe hivantanana refa vacances aza,sa hanofa hotely na hivantana aman-kavana fôna?

raha izaho manokana tsy diso hevitra ka!
izaho tsy mpandeha vacs isan-taoana any dago fa mba mandeha an-tany hafa koa , indray mande isan-taoana ny vacance dia hararaotina hijerena tany hafa, hitako tsy mety amiko aloha satria hatsangana ny trano dia tsy ho hararaotina maximum akory raha tsy rehefa antitra efa hadiva hody any andanitra.....aty aho raha managana trano na mividy trano hieptrahako ilay izy ko!
tsy manelingelina ahy koa anefa ny manofa trano na maka hotel rehefa mandeha dago, tsy ary hoe hijanona un an any akory, fa cas itako matetika io ka! rehefa hitodi-doh hody lay olona de tonga kely any dia maty, olona fantako akaiky ahy mitsy.

6. xxx ( 27/05/2008 15:34)
RATOVOARY:

1°Tsy mahafaty antoka anao io. Gasikara tanindrazanao tsy hanenenanao ny fahavitanao izany fa ianao anie tsy maintsy handalo matetika aty de inona ary no mba hivantananao eo.
2° Ianao manan-taranaka , na de ho reharehan'ny taranakao ihany aza ny "HARI-TANANAO " fony fahavelomanao de efa zavadehibe. Mahamenatra zany ho mila ravinahitra nefa na singa-tapakazo aza tsy tonga an-tanàna: "NAMANGA TSY NAHAZO" hoy le fitenim-paritra sady hira izay

ratovohary: efa novaliko io ny valinteninao n°1 tsy mpandeha vacs isan-taoana any dago aho na maka hotel na manofa trano tsy olana amiko mandritra ny vakansy....

2°: tsy ataoko mahamenatra aloh ny tsy fananana trano any kosa e! izaho manana ny ahy aty ivelany raha hody aho afaka hamidy ny aty hividianana any, atao inona trano tsy misy mipetraka ho simban'ny bobongolo eo....
tsy midika akory hoe tsy tia tanindrazana fa ny voto-aton-kevitra tiko hasongadina dia hoe moa ve tena ilaina ilay fanorenana any raha aty ivelany no miaina sy mivelona mandra-pà-hantitra.....?????

7. niryna ( 27/05/2008 17:31)
xxx:

Hitako otran'ny voa mafy ihany ilay manorina trano any dago mba hialokalofana rahatrizay antitra misotro ronono, ho an'ny olona mila ravinahitra miasa aty ivelany no tiako lazaina...
toa maromaro ihany no fantako nanorina nisasatra nanangana trano any antanindrazana nandritra ny fiainany, nandritra ny fahatanoràny ny fotoana niasàny, rehefa nisotro ronono hitodi-doha hiaina any dago dia na maty alohan'ny hahatongavany any na tsy manararaotra ilay trano nandaniana hasasarana akory dia maty....otran'ny tsy dia mampazoto ilay hevitra io, tsy manararaotra firy ilay tranonao akory dia dangy ....olon-kafa indray no hanararaotra azy avy eo.....

:D raha tsy nanao indray anefa hianao dia tsy manana izany
Na ny fahatsiarovan'ny olona anao fotsiny ihany aza dia efa tena zava-dehibe.
Matetika ny olona tsy manao dia tsy mahavita,ny fahafatesana no atao ambety teny fa tsy ny fahavelomana.Mbola tsy itanao izany hoe fahantrana tsy manana na inona na inona izany.
Mbola tsy fantatry ny sasany koa izany hoe olona mitebiteby aty an-tanin'olona tsy manana na inona na inona
Fehiny:ataovy izay zavatra mety ho vitanao fa ny nenina tsy ao aloha hanananatra fa aoriana handatsa ka aza manao tondrak'anio manjara,tsy mitsinjo ny vodiandro-merika,tsy misy tany hialofana.
nody ventiny ny rano natsakaina tsy misy fireharehana fa na mijery ny zava-bita dia efa mahafaly e
koa mamafaza voa foana fa aza mba malaina fa tsy ho fantatra izay ho vanona
8. ikaretsaka ( 27/05/2008 18:19)
andramo foana aloha... afaka amidy foana iny rehefa avy eo...
trano foana ny anaran'iny na haolo aza :wink:
9. Papoose ( 27/05/2008 19:21)
misy mahatsiaro ho voa mafy dia misy tsy voa mafy. Io arakaraky ny tinao hatao rehefa antitra, hoe hody sa tsia, dia mitovy @ zany koa raha tinao sy fantatrao fa hanao vacances matetika any enao dia tsy voa mafy mihitsy, na hoe hipetrahan'ny zanakao na ho lovan-janakao!
Miodina ny tany ee, sao de ohatra enao no any an-dafy ary mety ho any foana fa ny zanaka mety hila an'le trano any aoriana, tsy fantatra zany!

10. Papoose ( 27/05/2008 19:33)

11. xxx ( 27/05/2008 20:19)
izaho indray ry ireto dia izay misy ahy ihany ah!
aty ivelany aho dia aty daholo ny fanana azoko hararaotina mandritra ny androm-piainiko aloha , raha manan-janaka aho ka maty dia ny fananako aty no azy, fa tsy votery hoe tsy maintsy hanorina any madagasikara rehefa hoe malagasy aho :P
raha tapa-kevitra ny hody tampoka any aho dia izay fananako aty no hamidiko hividianako ny ho any indray...fa ilay manorina trano any anefa tsy hipetrahana akory fa hoe hatao fivan-tanana vakansy isaky ny roa taona, aleoko hanaovana zavatra hafa ny vola.
12. rastafarai ( 28/05/2008 01:46)
xxx: :lol: Manam-bola hividianana trano any ivelany v nareo d tsy hanana hividianana any Dago?? sa daka penn v???
:-D
13. bilakarenjy ( 28/05/2008 07:13)
raha ohatra aloha ka tsy manana havana sy zanaka ianao dia aza manorina trano aty dago ,fa rehefa tena hody vao manamboatra ho anao manokana ,@ izay afaka manararaotra ny nahavitanao trano sy maka tsirony ianao .
Fa @ izao aloha dia mividiana trano any an-dafy dia hakao tsirony tsara ,de avy eo amidy indray .
14. xxx ( 28/05/2008 10:14)
rastafarai:

xxx: :lol: Manam-bola hividianana trano any ivelany v nareo d tsy hanana hividianana any Dago?? sa daka penn v???
:-D

ka aty ivelany no miaina sy mivelona kou! tsy lojika sy normal ve izany aloha

:wink:
15. xxx ( 28/05/2008 10:16)
bilakarenjy:

raha ohatra aloha ka tsy manana havana sy zanaka ianao dia aza manorina trano aty dago ,fa rehefa tena hody vao manamboatra ho anao manokana ,@ izay afaka manararaotra ny nahavitanao trano sy maka tsirony ianao .
Fa @ izao aloha dia mividiana trano any an-dafy dia hakao tsirony tsara ,de avy eo amidy indray .

ka io volazanao io mihitsy ilay cas-ko aloha e! aleo tsorina....
ny havana aty daholo ary manana ny azy daholo aty ivelany koa ry zareo...misy havana ihany tavela any dago fa manana ny azy dool ihany koa ry zareo, dia hanorina trano ho lanin''ny andro , alina orana sy ny rivotra ve?????? ka izay no tikoa lazaina am'in'ilay dinika, maro no diso fitetika rehefa mahazo ny taona misotro ronono vao hanantena hanararaotra ny trano nandaniana hery nandritra ny hatanoràna anefa , tsy maharitra akory avy eo fa malady lasana.....heri^po very maina fotsiny no fahitako azy

16. yonikafopl ( 28/05/2008 10:40)
za kou de mitovy fisainana am xxx, aty amin'ny misy ahy aho no manararaotra ny fiainana, ny any Dago tsy voatery tsy maintsy hoe manana trano, misy ny hotely, misy kou reny villa azo hofaina mandritra ny fotoana handalovana any. Ny ahy aza tena hafa mihintsy satria za raha maty na aiza na aiza tsy mitady izany hoe avereno any antanindrazana zany, izay tian'ny oll hanaovana ny fatiko tsy olana amiko zany fa inn tsony mou za refa maty :-P .
Ny ahy dia araraotiko zao mbola velona zao ny fiainako, manao soa aho raha afaka manao soa, miaina sy manao izay mahafinaritra ahy aho, de zay :wink:
17. rastafarai ( 28/05/2008 12:13)
yonikafopl: :) Ny vidina fasana koa ngeh mbola grave e! :-D
18. yonikafopl ( 28/05/2008 14:14)
rastafarai , misy anreny fasana poblika reny ka, lavaka be de alatsaka ao ny faty, tsy mampaninn ana mintsy zany :wink:
19. xxx ( 28/05/2008 15:44)
rastafarai: izany rehetra izany, ny gasy dia tena mandany vola be amin'ity faznamboarana fasana ity, indrindra fa amin'izao toa otran'ny fifaninanana lay izy! efa saika otran'ny chalet kely mitsy ny an'i sasany, ho an'ny olona maty fotsiny anefa ny velona tsy manana hialokalofana ny sasany :P

yonika: tena mitovy mihitsy izany itsika roa.....ny ahy ny fiainanko araraotiko ny anio sy ampitso, safidiko ny hiaina aty ivelany noho izany dia aty aho no manao izay mety, io dago mijanona ho dago eo ihany, afaka vangiana matetika
otrani'zay ihany koa rehefa maty dia maty, tsy voatery halefa hiverina any antanindrazana ny faty, ny ahy aza aleoko dorana mba tsy hanahirana ny olona efa vita ny amiko ko!
20. yonikafopl ( 28/05/2008 16:09)
zay mintsy ry xxx, ataovy izay mahasoa sy mahafinaritra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082