Ampanaraho ahy ny volako rehetra

1. niryna ( 27/05/2008 04:08)
Mpanan-karena be ilay ramatoa ary dia nametraka hafatra t@ vadiny izy hoe rehefa hatrizay ka maty aho dia ampanaraho ahy ny volako rehetra.
Tonga tokoa ny fotoana nahafatesany ary alohan'ny hanidina ny vatam-paty dia nametraka boatina kiraro feno vola sy vola madinika rangahy.Hoy ny fianakaviana hoe:tena notanterahanao tokoa ve ny hafatry ny maty?Ary dia nalainao daholo izany ny vola tany amin'ny banky?
Hoy ilay rangahy vadiny hoe: ie,efa nanaiky aho ary dia notanterahako ny hafatry ny maty rehetra ary efa nanoratako cheque amin'ny anarany iray manontolo koa izy ao anatin'ilay boaty ao!!!
=)) =)) =))
mahita tantara mitovitovy an'izany ve hianao?
novalian'i niryna ny 30/05/2008 22:31
2. ainaheri ( 27/05/2008 04:57)
Ny henoko kou vao haingana le ramatoa kou maty, millionnaire d tsy manambady fa manana alika nefa izy manana fianakaviana fa ny alika wa no nandova ny fananany,tsy mamely!!
D tsy haiko re ny mahatonga ny oul manao otr'zany fa tena maheno sy mamaky enao d tonga saina we misy tsy misakafo sy mijaly any ho any,na eo @ fianakaviany fotsiny aza,zao le alika manaotra nohon'ny prezida fa ambenana sao misy mangalatra lol
3. Koditra ( 27/05/2008 08:12)
Mahaliana daolo le tantara. Ampio iany alo ra mbola misy fa za mbola tsy maita otantaraina. :lol: :lol:
4. kiadi ( 27/05/2008 10:02)
blague sa tena iz ny an'i niryna? :-D
5. mmmhh ( 27/05/2008 11:25)
koa rah iny ndray hono le mpiambina mintsy no mamono an'le alika?
6. niryna ( 27/05/2008 17:12)
ainaheri:

Ny henoko kou vao haingana le ramatoa kou maty, millionnaire d tsy manambady fa manana alika nefa izy manana fianakaviana fa ny alika wa no nandova ny fananany,tsy mamely!!
D tsy haiko re ny mahatonga ny oul manao otr'zany fa tena maheno sy mamaky enao d tonga saina we misy tsy misakafo sy mijaly any ho any,na eo @ fianakaviany fotsiny aza,zao le alika manaotra nohon'ny prezida fa ambenana sao misy mangalatra lol

toa nisy tantara hoe tsy nisy nisy niraharaha hono izy fony mahantra ka izany no nahatonga azy nanao an'io
:cry: mba farafaharatsiny omeny ny mahantra e
7. niryna ( 27/05/2008 17:17)
Koditra:

Mahaliana daolo le tantara. Ampio iany alo ra mbola misy fa za mbola tsy maita otantaraina. :lol: :lol:



:D :D ity koa ary misy iray.Efa nandalo ny toerana manavaratra iny i koditra?
Ankadikely no anaran'ilay tanana dia mandeha kely toa sahabo eo amin'ny 200 m eo angambafa ilay misy ny fasana tsy fantatro ny anarany.Tonga dia tazana ilay fasana misy fiara efa maity be sy efa arafesina.Tsy tian'ny vinantony hono ilay rangahy ka rehefa maty izy dia tsy nomeny ny fiarany ny
zanany fa nasiany niara nalevina taminy :oops:
8. niryna ( 27/05/2008 17:18)
kiadi:

blague sa tena iz ny an'i niryna? :-D

tena nisy io ka,jereo koa ilay tantara ao amin'ny fivavahana vao nomeko (sary hosodoko tsy misy vidiny)
9. niryna ( 27/05/2008 17:21)
mmmhh:

koa rah iny ndray hono le mpiambina mintsy no mamono an'le alika?

angaha mpiambina ilay izy ,toerana fikarakarana alika mihitsy,miborosy ny nifiny,mampilalao ny alika,manosotra shampoo rehefa mampandro azy,dia manamaina ny volony amin'ny fanamaizam-bolon'ny olona,mampanao regime an'ilay alika,mitondra azy mitsangatsanga sns ..

10. yonikafopl ( 27/05/2008 20:10)
nena njay de ezahako taperina anaovako fiainana dieny mbola velona ny volako hihihihihih, de apetrako any am banky ny sasany hitsinjovako ny fahanterako any am tranon'ny be antitra aty aminay, de ny ambiny tsy laniko eo anaovako didimpananana we omena hikarakarana ny zaza voan'ny cancer , mbola hijery io fikambanana io za any Dago, de zaraina any dago sy aty aminay :wink:
11. ainaheri ( 27/05/2008 20:33)
nyrina> Hay v zany izy iny ee,tsy henoko tsara ny fandehany,na izany aza nama aa d alika v no andova kle tsss,!!

Yonika>< ary ny anjarako aiza ? Sa any @ didy miafina :-D:-D:-D
12. milaibe ( 27/05/2008 21:16)
ainaheri> zay voan`ny cancer ihany anie oz i yonika ,nyrina>le ramatoa iny mintsy no efa mafy tanàna dia nilaozan`ny fianakaviany zay ndray no henoko t@ iny ko
13. milaibe ( 27/05/2008 21:17)
ainaheri> zay voan`ny cancer ihany anie oz i yonika ,nyrina>le ramatoa iny mintsy no efa mafy tanàna dia nilaozan`ny fianakaviany zay ndray no henoko t@ iny ko
14. yonikafopl ( 28/05/2008 10:14)
ainaheri io efa novalian'i milaibe io hihihihihih
15. Koditra ( 28/05/2008 14:43)
niryna:
ity koa ary misy iray.Efa nandalo ny toerana manavaratra iny i koditra?
Ankadikely no anaran'ilay tanana dia mandeha kely toa sahabo eo amin'ny 200 m eo angambafa ilay misy ny fasana tsy fantatro ny anarany.Tonga dia tazana ilay fasana misy fiara efa maity be sy efa arafesina.Tsy tian'ny vinantony hono ilay rangahy ka rehefa maty izy dia tsy nomeny ny fiarany ny
zanany fa nasiany niara nalevina taminy


Ankadikely Ilafy ve alo zany eh? Nisy fotoana nandalovako matetika t@ iny làlana iny, fa tsy mbola nis olona nitantara ana anzany, mazava oazy ny tsy fahitako anlé fiara. Ary tsy ho amelako zany ra tsy itako :lol: :lol:
Msôtra an niryna nitantara.
16. niryna ( 29/05/2008 04:28)
yonikafopl:

nena njay de ezahako taperina anaovako fiainana dieny mbola velona ny volako hihihihihih, de apetrako any am banky ny sasany hitsinjovako ny fahanterako any am tranon'ny be antitra aty aminay, de ny ambiny tsy laniko eo anaovako didimpananana we omena hikarakarana ny zaza voan'ny cancer , mbola hijery io fikambanana io za any Dago, de zaraina any dago sy aty aminay :wink:

tsy ratsy izany,ilay manome ny havana mahantra no tena mahafinaritra ahy,misy koa lisitra marobe ary karazana fikambanana marobe mitady fanampiana ,ireny koa tsara,ny manome fanampiana ny fiangonana toy aty aminay izao misy fandaharana mizara sakafo ny fiangonana indray mandeha na in-droa isan-kerinandro dia mahafinaritra ny manolo-tena manao an'ireny ary raha misy moa ny omeny mbola mihoatra lavitra noho izany ny fifaliana mizara. Ilay mandeha any ambanivohitra lavitra be any dago koa tsara dia mizara fitaovana fianarana na vatomamy fotsiny aza .

(l) (l) (l) maha
17. niryna ( 29/05/2008 04:31)
ainaheri:

nyrina> Hay v zany izy iny ee,tsy henoko tsara ny fandehany,na izany aza nama aa d alika v no andova kle tsss,!!

Yonika>< ary ny anjarako aiza ? Sa any @ didy miafina :-D:-D:-D

rehefa mafy fo anie manaonao foana e,misy tena tsy ahitana ravin'avaratra mihitsy ny olona ary dia milofotra miasa,miasa foana kanefa rehefa tonga ny fotoana tsy azo hanoharana dia tsy afa manoatra ,lasan'ny olona fotsiny ny kely izay niareny

18. niryna ( 29/05/2008 04:36)
milaibe:

ainaheri> zay voan`ny cancer ihany anie oz i yonika ,nyrina>le ramatoa iny mintsy no efa mafy tanàna dia nilaozan`ny fianakaviany zay ndray no henoko t@ iny ko

ka ilay tantara anie rehefa miampitapita dia miova e.
Feno mihitsy ny olona mpanan-karena ka ny olana dia ataon'ny olona havana na raha misy patsa,ary ao koa ny mafy tanana na mandraitra atody vaky na mamaky akotry ohatra,saingy misy koa ny mafy tanana mba hitsinjo ny ho avy.
Ny fantatra koa aloha raha manana ny olona dia manana namana maro koa izy,raha tsy manana dia tsy misy mijery
ao ihany koa ireny olona lasa manan-karena ireny dia tonga daholo ny mpanolontsaina rehetra mampiditra hevitra an'ilay mpanana .
19. niryna ( 29/05/2008 04:39)
Koditra:

niryna:
ity koa ary misy iray.Efa nandalo ny toerana manavaratra iny i koditra?
Ankadikely no anaran'ilay tanana dia mandeha kely toa sahabo eo amin'ny 200 m eo angambafa ilay misy ny fasana tsy fantatro ny anarany.Tonga dia tazana ilay fasana misy fiara efa maity be sy efa arafesina.Tsy tian'ny vinantony hono ilay rangahy ka rehefa maty izy dia tsy nomeny ny fiarany ny
zanany fa nasiany niara nalevina taminy


Ankadikely Ilafy ve alo zany eh? Nisy fotoana nandalovako matetika t@ iny làlana iny, fa tsy mbola nis olona nitantara ana anzany, mazava oazy ny tsy fahitako anlé fiara. Ary tsy ho amelako zany ra tsy itako :lol: :lol:
Msôtra an niryna nitantara.

yap,mbola ao ilay fiara tamin'izaho farany nandeha tany,efa arafesina be mihitsy ilay izy,tantara no henoko ary dia nojereko tokoa ilay izy,efa feno mpivarobarotra toa ratsy be ilay lalana amin'izao fotoana izao kanefa afaka manontany olona hianao ,mihoatra ny fianarana Ankadikely na ny birao ,raha manontany

20. niryna ( 29/05/2008 04:44)
tohiny ,raha manontany olona i Koditra dia tsy maintsy misy mahalala ,Ra-Jean-Pierre angamba no anaran'ilay rangahy raha tsy diso aho,aiza ho aiza eto hoe no misy ny fasan'i Ra-Jean-Pierre ? Rehefa mandeha kelikely ny tanana hianao. (eo Ankadikely Ilafy io a,mandalo an'ny Bodofotsy dia arret manaraka raha tsy diso ny fitadidiako azy. :D
* Bodofotsy :D ilay toerana fanaovana bodofotsy an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079