Didy jadona

41. Jeankely ( 31/05/2008 12:06)
tsarabe kah. Sady adala no mitapimaso ry kentrina a. Avadiho ary amin'ilay resaka hendry ary ambadika manontany hoe efa voa ny aoriana aloha. Tena hendry an. Atsoy daholo ny rehetra raha hanampy an'i kiady fa tsy ankitsoaka io. :-P :-P :-P :-P .
42. natiora ( 01/06/2008 09:46)
Jeankely:

tsarabe kah. Sady adala no mitapimaso ry kentrina a. Avadiho ary amin'ilay resaka hendry ary ambadika manontany hoe efa voa ny aoriana aloha. Tena hendry an. Atsoy daholo ny rehetra raha hanampy an'i kiady fa tsy ankitsoaka io. :-P :-P :-P :-P .

Manahirana be no miresaka @ ngah fa tsy mahazo resaka mihintsy
43. Jeankely ( 01/06/2008 09:52)
Ny asa nataonao ho an'i Madagasikara no jereo ary manontania tena. Izaho tsy hety hanakatra ny hevitra faly hanaratsy Mpitondra nefa tsy misy vitanao akory. Hita mazava fa izay mahavita no zahavin'ny olona fa tsy ny fampiresahana. Ny olona noana mitady sakafo. Ny ratsy lalana mitady lalana vaovao. Ny tsy manana asa mila asa fa tsy mitady fampiresahana tsy mitondra mankaiza fa vao mainka mampitombo ny hanoanana sy fahavizanana. :-D :-D :-D
44. natiora ( 02/06/2008 10:30)

jereo aloha ny asa vitanao vao miteny ny hafa ianao
45. Annie2006 ( 02/06/2008 11:00)
Zavatra dimy farafaharatsiny no tsaroan'ny taranaka malagasy amin'ny fitondran-dravalomanana:
1- Mpangalatra gaigy lahy
2- mpanavakavaka ratsy laza
3- Mpivarotra tanindrazana
4- Mpandainga sefo deba
5- Mpitrosa ikoizana
46. Jeankely ( 02/06/2008 13:13)
Ampio 5 dia lasa didy folo. Ohatrinona isan-taona no hetra haloanao ho an'i Madagasikara miampy ny fianakavianao sy ny orin'asanao. Omeo ny tarehimarika. Raha ampy anaovana fotodrafitrasa ho an'i Madagasikara dia lazao fa maika ny vahoaka hanaraka anao. Ankoatr'izay tsy tia ahalala izay taranaka mandimby any ny olona lazainao efa noana tsy manankohanina fa ny mahamaika azy no ataony. Raha avotra ny olona miaina ankehitriny afaka manomana ny taranany mandimby rehetra. raha tsy hivoatra izy dia hilentika koa ny taranaka. noho izany aleo miasa mafy ihany. Okay. Didy jadona tsara satria tsy mety ny mifamingana andalana. :-D
47. Annie2006 ( 02/06/2008 13:44)
Dimy ihany dia efa ampy hitadidian'ny taranaka malagasy azy fa tsy mila ampiana.
Orin'asa 300 ihany no mandoa ny 90% n'ny hetra ao madagasikara ao.Aiza ny bonne gouvernance? Indrindra fa ny orin'asa izay tsy tononiko dia nanao amnistie fiscale sy detaxation ho azy irery ary nanao subvention.....

Hatramin'izao aloha ny gasy kely mahantra no mameno ny fidiram-bolampanjakana avy amin'ny alalan'ny TVA.
Ny trosa azo dia nitambesatra amin'ny volan'ny gasy kely mahantra: 0,40 dolara isan'andro indray no nesorina, na dia efa fantatra fa 80% n'ny malagasy dia miaina amin'ny moins de 2 dolara isan'andro.
Io indray fa rehefa lany ny vola nanovana lalàna na dia tsy zarizary aza ny zava-bita indrindra fa ny vola nahodikodina, dia lasa any amin'ny japs indray mitrosa, hitrosa ary hitrosa ihany. cofidis, mediatis, sonfinco...bobokin'ny trosa ny vahoaka malagasy ka mbola lafo ihany ny menaka, ny vary, ny siramamy.
125 g (Big Mac roa) sisa ny hena voavidin'ny fianakaviana iray (olona 6). Ary tsy azombola isan'andro koa izany. Ny menaka 4.000 ariary, dia mbola ilay orin'asa mpivarotra indray no nahazo ny subvention...detaxation sy amnistie fiscale...
halatra, fivarotantenan'ny ankizy vavy, vono olona, izay sisa ny vokatrin'ny trosa sy trosa, ary 4x4, avion, vacances any japs, zamerika, soisa, sy ny sisa ary air force ouanina no an'ingahy rainy.
48. natiora ( 02/06/2008 15:20)
Mariana daholo ny voalazany Annie ireo somary ampiako fely fotsiny
-Mpihatsara velatsihy
-Mpanenjika ny olona mpifanina aminy @ lafiny ekonomika
-Mpanagadra olona tsy mitovy firehana aminy
-Manafina toetra @ fivavahana
-Be lazao
49. Jeankely ( 02/06/2008 17:48)
Tapina folo izany sa mbola ampiana. Iza amin'ireo no hinankanina izany ? Sa tanisaina dia voky aho ? Raha izaho dia hoe ataovy mafimafy daholo ireo fa tsy ampy. :-D :-D :-D
50. natiora ( 03/06/2008 06:15)
aminy zao tsy misy ambara intsony ingahy
51. Jeankely ( 03/06/2008 09:33)
Dia nampitombo vary ao ankibon'ny mahantra ve ireo ary ? valio. izaho manokana izay tsy ho mpitondra mihintsy dia milaza fa tokony hatao didijadona ary izay moka manaikitra mitondra tazo pehana. Izay tsiparifary manimba ny vary ongotana hatramin'ny fakany. ireo biby mihinana ny voly haripaka. :-D :-D :-D .
52. Annie2006 ( 03/06/2008 11:45)
Jeankely:

Dia nampitombo vary ao ankibon'ny mahantra ve ireo ary ? valio. izaho manokana izay tsy ho mpitondra mihintsy dia milaza fa tokony hatao didijadona ary izay moka manaikitra mitondra tazo pehana. Izay tsiparifary manimba ny vary ongotana hatramin'ny fakany. ireo biby mihinana ny voly haripaka. :-D :-D :-D .

Ny fanafoanana an'io didy jadona io no ahafahana mampitombo ny vary ao ankibon'ny malagasy satria foana ny halatra ataon'ny mpitondra, ary afaka mamokatra aradalàna ny vahoaka.
Nomena fahefana ity rangahy Ravalomanana ity mba hanompo firenena fa tsy hanabotry azy. Raha tsy zakany io fahefana io ary koa tsy hainy ny asany, dia iangaviana izy, raha manaja tena, mba hiala ka hanao zavatra hafa fa tsy faly manabotry vahoaka fotsiny.

53. natiora ( 03/06/2008 15:07)
Annie2006:

Mariny ny anao ry Annie ny fahefany Ravalomanana entiny hampitombo ny harenany raha mbola Ravalo no eo mety ho lasany Madagascar ray manontolo

54. patrick2002 ( 03/06/2008 15:54)
Ny ahy no mahafinaritra ahy na dia mpanohana mahafatra-po an'i Ra-8 aza i ra jeankely ,mbola asainy mitady vola an'ny @ tany silamo ihany ,mi-deprime ka eto sisa no manala vokona :-D
55. Jeankely ( 03/06/2008 17:12)
Tsy manana iraka @'ny tany Silamo angamba izy. Tsisy toerampanjakana ny misy ahy ary tsisy fifandraisany. Tsy hainy akory aho ary tsy mila adala tokoa izy. Fa ireto misy saina manao hevitra taingina. Aiza no hisy olona hiala ho azy eo. Izany ve dia mba resaka hinanankanina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1461