Didy jadona

21. xxx ( 20/05/2008 17:47)
xxx:

"Tsy misy zavatra azo atao intsony ao dago?" Ridicule! Enao no tsy mahita atao sa ny olona? Rehefa miresaka resaka avo lenta ohatran'izao dia mila precis am zavatra tenenina. En plus, manomeza examples mazava sy mandresy lahatra fa tsy manao safobe mantsina. Aiza ny donnees hanaporofoinao an'zany? Ovina?

"...fa izay zavatra mandeha rehetra dia alainy ingahy RA8 avokoa": Encore, stupid! Aiza ny porofo, oviana, taiza??? Eto tsy misy miteny hoe marina na tsia ny teninao fa ny fomba fisainanao no tokony ahitsy ho scientifique kokoa fa tsy literaire be mantsina...

"zavatra nangalariny Ratsiraka nandritry ny 16t taona nalainy RA8 tao anatiny heritaona monja" Rehefa mamoaka hevitra lehibe ohatran'itony dia tokony hitandrina...iza no nangalatra? Ratsiraka hoy enao dia nangalarin'i Ravalo tao anatin'ny herintaona? Tsy misy logique akory ny resakao ka tsy tokony handaniana fotoana eto. Mieritrereta tsara sy manaova recherche vao miresaka fa zao le tsy mampandroso ny firenena e!

xxx hafa indray aho fa tsy io ambony...
Ny fahitàko azy dia tsy afaka hanome exemples ireo olona miteny izany satria tsy azony an-tsaina akory ireo zavatra azo atao sy mbola azo hatao dia rehefa iny Ra8 manao zavatra iray dia mamaky vilany hoe hay ve azo atao izany ! dia andeha haka tahaka angamba dia tsy mahay lay raha dia Ra8 no omena tsiny ! mino mihitsy aho fa ireny mpanenjika an-dRa8 ireny na manao yaourt ao antrano aza tsy hainy...
Tsy takatry ny sainy koa fa izay ataon-dRa8 dia mitondra asa daholo fa tsy resaka varobarotra fotsiny ! ao Madagasikara ihany no miodina ny volany ka tsy hitako izay mahasarotiny ny malagasy toa azy ! raha hividy château sns aty ampita angamba Ra8 vao hahafaly ny sasany !
22. patrick2002 ( 20/05/2008 18:20)
Ny ahy zalahy no mahagaga ahy amin'ity resaka politika ity dia hitako mitovy daholo ny hataony mpitondra rehefa tonga eo @ fitondrana ,ary mitovy daholo ny arguement ny olona manohana azy .
Mba anontanio anie ireo olona manohana anra 8 ireo raha tsy manakiana ireo ny nataon'ny Ratsiraka teo @ fitondrana hoe nanao izay nampana-karena ny fianakaviany eh! nanorona SONAVAM, sy DECAGON (pont flottant) ,hilaza ireo fa nangalatra Ratsiraka ,ary ny mpanohana ny Ratsiraka t@ izany hilaza hoe fitadiavana ny azy fa tsy halatra . :-D :-D
Zao indray ny mpanohana ny ra-8 milaza fa fitadiavana no hataony :roll: :roll: , Dia mba mety ve izany hoe ny TIKO ihany no manana agrement hanafatra huile alimentaire ,sy vary any ivelany ,marina fa tsy misy lalana manambara fa ny TIKO ihany no afaka manafatra ,fa ny fahazoan_dalana hanafatra an'izany dia i TIKO ihany no manana azy .
Ka anjaranao no mieritreritra inona no dikan'izany ,halatra sa fanararaotam-pahefana ,sa fisolokiana ,fa tsy haiko. :wink:
23. Koditra ( 20/05/2008 19:15)
Tsy misy zavatra azo atao intsony ao dago fa izay zavatra mandeha rehetra dia alainy ingahy RA8 avokoa, zavatra nangalariny Ratsiraka nandritry ny 16t taona nalainy RA8 tao anatiny heritaona monja

Lay oe 16 sy heritaona alo dia sarotra amiko ny hanao kajikajy fa ny zavatra tsapa alo dia mangalatra @ vahoaka ny fitondrana, mety oe Ra8 io, mety koa ny olony.
Tsy voatery oe refa misy zvtra very ihany vao atao oe misy halatra fa maro ny fomba fitrangan'ny halatra @ vahoaka.
Bahanana daolo @ alalan'ny fahefana ananany ny sehatra maro isan-karazany, amidiny @ vidiny mihoampanana sy izay itiavany azy, mangalatra @vahoaka mpividy izy zay. Zay fomba ratsy zay anefa dia efa ikoizan'ny mpandraharaha maro isan-karazany sy mampikaikaika ny vahoaka mpanjifa. (menaka, simenitra, sns...)

Ohatrinona ny vola mioampanana tsy hita popoka tao @ kaominina antananarivo renivohitra, volam-bahoaka ireny, mangalatra @ vahoaka ny mpitondra. Mbola tsy fantatra zay halatra misy any @ sehatra afa any fa io alo no tratra satri tsy nampoizina ny nahalanian TGV.

Mba tsy ahalava ny fanazavako, ahirato ny maso, sokafy ny sofina, jereo ny zava-misy, vahoaka efa mahantra fadiranovana nefa mbola angalarana.
24. Jeankely ( 20/05/2008 23:18)
Ny dikan'ny koditra moa dia matohotra no fahalalako azy. Samy manana ny fijeriny io ry "koditra" ary tsy mitovy ny fomba fanadihadihana zavatra. Raha ny tsirairay no jerena, Mahantra noho ny ezako tsy ampy. Tsy mba miadana noho ianao aho satria tsy manao sahala anao. kely vola aho fa tsy nangalarinao akory ny volako fa avy amiko ny fahantrako.
Ny resaka TGV indray dia tsara rehefa manao ny mety izy ary ny fanaovan'ny fanjakana tsy mety raha misy izany dia famonoany tena ka ainona no mampalahelo anao fa aleo izy hanoy ary hiala ho azy avy eo.
Ny resaka resahinao kosa dia tsy azo resahina tsotra fotsiny fa asiana tarehimarika. Mpisolelaka ve ny mpandraharaha no tsy miteny fa ny "koditra" no miseho miteny ny olana sa mpitondra ny teniny ianao. Avohay izay maha-pitondra tenin'ny mpandraharaha anao izay. Ny tsy mandeha indray dia satria maro no variana amin'ny fampanantenana fa tsy mihevitra ny ezaka miandry. Raha izaho aloha dia tsy mba mijery fotsiny izay fampanantenana aho fa ny ezako no hinanako. Tsy manana zo hanantena ny vola any ampaosinao aho.
25. Koditra ( 21/05/2008 13:59)
Io ndray jeankely fa vao mahita ny anarako dia koditra. Zay sy jeankely nge ryzalah ka raha tsy miady tsy mifankatia eh! :-D :-D :-D
Tsy anome tsiny anao a ra tsy mafantatra nininona enao any lavitrabe any, za ko tsy iteny oe modia malaky fa aza zatra fiadanana sy ny fiainana mora any @zé misy anao any. Averiko fotsiny ny voalazako etsy ambony :
... ahirato ny maso, sokafy ny sofina, jereo ny zava-misy ...

26. natiora ( 21/05/2008 14:00)
xxx:

xxx:

"Tsy misy zavatra azo atao intsony ao dago?" Ridicule! Enao no tsy mahita atao sa ny olona? Rehefa miresaka resaka avo lenta ohatran'izao dia mila precis am zavatra tenenina. En plus, manomeza examples mazava sy mandresy lahatra fa tsy manao safobe mantsina. Aiza ny donnees hanaporofoinao an'zany? Ovina?

"...fa izay zavatra mandeha rehetra dia alainy ingahy RA8 avokoa": Encore, stupid! Aiza ny porofo, oviana, taiza??? Eto tsy misy miteny hoe marina na tsia ny teninao fa ny fomba fisainanao no tokony ahitsy ho scientifique kokoa fa tsy literaire be mantsina...

"zavatra nangalariny Ratsiraka nandritry ny 16t taona nalainy RA8 tao anatiny heritaona monja" Rehefa mamoaka hevitra lehibe ohatran'itony dia tokony hitandrina...iza no nangalatra? Ratsiraka hoy enao dia nangalarin'i Ravalo tao anatin'ny herintaona? Tsy misy logique akory ny resakao ka tsy tokony handaniana fotoana eto. Mieritrereta tsara sy manaova recherche vao miresaka fa zao le tsy mampandroso ny firenena e!

xxx hafa indray aho fa tsy io ambony...
Ny fahitàko azy dia tsy afaka hanome exemples ireo olona miteny izany satria tsy azony an-tsaina akory ireo zavatra azo atao sy mbola azo hatao dia rehefa iny Ra8 manao zavatra iray dia mamaky vilany hoe hay ve azo atao izany ! dia andeha haka tahaka angamba dia tsy mahay lay raha dia Ra8 no omena tsiny ! mino mihitsy aho fa ireny mpanenjika an-dRa8 ireny na manao yaourt ao antrano aza tsy hainy...
Tsy takatry ny sainy koa fa izay ataon-dRa8 dia mitondra asa daholo fa tsy resaka varobarotra fotsiny ! ao Madagasikara ihany no miodina ny volany ka tsy hitako izay mahasarotiny ny malagasy toa azy ! raha hividy château sns aty ampita angamba Ra8 vao hahafaly ny sasany !

ny fampiasainy ny volany tsy dia olana loatra fa ilay fitiavantena no betsaka mitady ohatra ianao ny menaka tsy misy afatsy izy irery nomanao potehina zay nifaninana t@ teo aloha nongadraina mihintsy aza, ny farine ko teo aloha teo natao zay nanimbany groupe PREY fa tsy nahavita,ny nahazo ny transporteur mamy zay nalaina fontsiny ny taniny, ny resaka ady tany calumet zay lasa magro ankehitriny nefa rlitige be mihintsy izy io, ny fanambakana tantsaha any ambato zay vidiana morany vary nefa tsy avela miditra ny mpandraharahasasany

27. natiora ( 21/05/2008 14:02)
Jeankely:

Miarahaba anao Ravaka ooo. Aleo ilay malala ho mba hoan'i leiry. Fa miaiky anie izany ry zalahy fa faratampony ilay olona matao mahavita mandrombaka izany rehetra izany.
Fa raha mivarotra mora aho na hivarotra lafo raha tsy ilainao ny entako afaka hanery ano aho ve hividy ? Mazava ho azy fa simba izy rehefa tsisy mpaka. Ny filazana fa i Dadatoa daholo no manao izao rehetra izao dia mitory fahadondronana amiko satria midika izany fa tsisy intsony ny hafa.
Ny mahagaga anefa dia mbola afaka miteny sy milay ihany ireo milaza azy ho dadany.
Raha ny didi jadona kosa dia tena mety io amiko :-D :-D :-D

zay maniry hanao zavatra de somparana daholo na enjehina

28. Jeankely ( 21/05/2008 14:34)
Enjehina any antsaha ve sa any ampandriana ? :-D :-D :-D :-D :-P :-P :-P
29. patrick2002 ( 21/05/2008 18:42)
koditra : ra jeankely olona mi-deprime fa tsy nomeny ra-8 anisany tikogirl kou ,io izy mialokaloka any @ tany silamo io .
asa manomana attaque 11 septembre ato @ serasera angamba. :-D :-D
30. Jeankely ( 21/05/2008 20:27)
Mba ampiasao tsara ny loha fa olona ao Canada ve dia bontolo sahala anao. Manalabaraka ilay tany. patrick200dondrona.
31. patrick2002 ( 21/05/2008 20:49)
aty izay anky fa tsy tongan'i toi aty ah! :wink:
32. Jeankely ( 22/05/2008 05:21)
Izy aloha dia tena marina tsy tongako any saingy tsy ianao mihintsy no Canadian jerena raha ho any. Tsy ilaina dododo
33. Annie2006 ( 26/05/2008 14:44)
Ny zavatra tsy maintsy hiseho dia ny hamerendravalomanana ny halatra izay nataony amin'ny fanjakana malagasy. Tsy azony andosirana mihitsy io tranganjavatra io.
Fanamby io: Na ingahy Ravalomanana manohy tsy ampiheverana ny halatra ataony ka mihezaka mijanona eo amin'ny fitondrana mandrapahafatiny, Na efa miomana sahady izy fa tsy maintsy ahazo kapoka mafy dia mafy ka ny taranaka mandimby dia ahatsiaro daholo fa ratsy ny mangoronkarena sy mangalatra vahoaka.
34. Jeankely ( 27/05/2008 00:49)
Fa ianao ngah moa tsy taranaky ny avy nagorona no be resaka eo.
35. Annie2006 ( 27/05/2008 07:57)
Jeankely:

Fa ianao ngah moa tsy taranaky ny avy nagorona no be resaka eo.

Tsia! tsy taranak'ireo zay voalazanao aho. Enao angamba no tao ka tsy te hiala ka mifikitra indray amin'ity anankiray ity.

36. Jeankely ( 27/05/2008 11:27)
Ireo avy nitsetsitra no tena mampiresaka. Raiso ny fitondrana raha mahavita fa tsy hampiresahana fotsiny ny olona. Fanasamasamahana saimbahoaka fotsiny izany. Mila anao mahay izahay fa tongava malaky. :-D :-D :-D
37. Annie2006 ( 29/05/2008 19:45)
Azon-dravalomanana raisina izay raisiny. Tsy olana io. Ary azon'izay te hanohana azy sy mankasitraka an'izany ny miaramangalatra aminy. Tsy olana koa io. Manao didy jadona izy. Tsy maninona koa satria io no hany mba hainy. Gadrainy izay tsy mitovy hevitra aminy. Mbola tsy olana ihany koa. Lazaina fa mahery sy mafy be lery. Tsrara ho azy izay, ary tsy olana amintsika mihitsy. Amidiny lery amin'ny vahiny daholo ny tanindrazana, tena tsy olana koa izany. Tadidio fotsiny fa tsy mihena fa mitombo ny olona tsy tia azy ary tonga saina fa tsy maintsy hofaizina izy indray andro any sy ireo mpidera azy sy ny halatra ataony.
Raha olona mantsaina ity filoha ity dia tokony mihevitena fa tena sahirantsaina izy amin'izao hetraketraka ataony izao.
Zony ny mihevitra fa hijanona eo mandraphafataniny izy; zony ny mihevitra fa izy no tena sefo deba amin'ny tanana; zony ny mihevitena fa mazana ambonin'ny mazana izy; zony ny miaingitrai,ngitra ka mamono vahoaka, mandainga sy manabotry vahoaka. zony daholo izany!!!!
Samy ho ela velona daholo isika ahita ny hiafarany marina: na Tsara na Ratsy!
38. Jeankely ( 29/05/2008 23:58)
Tsisy Malagasy iray mihevitra fa hijanona eo mandrapahafatiny ny Filoha ankehitriny. Fifidianana no nahalany azy ary fifidianana no hiakaran'ny hafa manaraka. Tsy fitondrana Miaramila sy didijadona fahita no ao Madagasikara fa ny fampiresahana no betsaka. FAHALALAHANA DISO TAFAHOATRA AZA. Didy jadona ve afaka anoratanao sahala izao rehetra izao. Ny olana dia ny tsy nahavita inoninona no milaza zavatra betsaka. Omeo ary asehoy izay mba sangan'asanao fa hifidy anao ho filoha manaraka ny vahoaka. RAHA TOA KA MBOLA RESAKA TSY ANINONA TSY ANINONA DIA TSARA MANGIANA HIZAHAVANA IZAY MAHAVAHA OLANA. Ny zavatra hiainan'ny Malagasy tsy ianao no mampianatra azy fa izay izy efa hiainany izay. Annie2006 omeo izay mba vitanao ho an'i Madagasikara hoe jerena.
39. natiora ( 31/05/2008 08:28)

marina daholo ny voalany Annie fa nareo angamba mitampina ny masonareo
40. kiadi ( 31/05/2008 08:38)
tsy oe mitapina masony fa adala io ry natiora an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1255