Ilaina ve ny mpiandry?

21. fijo ( 20/05/2008 22:22)
efa mazava anie le fanontaniana e.

"aina ve ny mpiandry ohatran'itony?" raha ny toa izany dia tsy ilaina.fa misy mba manana toetra tsara koa
22. bor2lais ( 21/05/2008 09:55)
xxx:

Iza no manasitrana? Jesosy sa ny mpiandry? Raha marary ianao, iza no tokony atonina ny dokotera sa ny mpanera...Raha fantatrao fa misy blem, inona no tsy hanantonana directe ny Mpanasitrana dia Jesoa sa mila olona masimasina kokoa hanelanelana...Jesosy nefa miteny hoe: Izao no lalana sy fahamarinana ary fiainana...Izy no mpanelanelana tsy mila olona hafa. Tsy ilaina ny mpiandry ry Jeankely a!

Fa angaha kosa nisy nilaza fa ny mpiandry no manasitrana ! Tsy mpanera na masimasina kokoa na manasitrana ny mpiandry ! Kristiana toa anao ihany izy ireny saingy nanolo-tena hanao anton\'asa ny :
- fitoriana ny Filazantsara
- fanaovana asa sy fampaherezana ho an\'izay mila izany
Asa azon\'ny Kristiana tsirairay atao daholo ireo saingy ny an\'ny mpiandry dia anton\'asa.
Ho an\'izay mila izany satria misy dia misy tokoa ny marary izay mila mpitondra (ambulance ohatra) vao tonga any amin\'ny dokotera. Notsiahivinao ilay vehivavy narary 12 taona izay nahakasika ny akanjon\'i Jesoa. Fa nisy koa ilay marary nila nobataina ary nampidinina avy eny an-tafon-trano vao tonga teo anatrehany. \"Mpibata\" sy mpitondra ihany ny mpiandry fa marina ny anao : Jesoa irery ihany no Dokotera !

23. fijo ( 21/05/2008 20:21)
ka izay,arakarak'ilay olona io.misy anie niidtra tao mba ahitana asa fotsiny koa e.
24. cutie ( 22/05/2008 16:33)
fijo
ka mandray karama ny mpiandry :-D
25. ikaretsaka ( 22/05/2008 20:43)
fijo:

ka izay,arakarak'ilay olona io.misy anie niidtra tao mba ahitana asa fotsiny koa e.

marina...
cutie> tsy voatery hoe asa=karama...
fa le titre hoe inona ny asanao=mpiandry..
bobaka no manao an'io

26. fijo ( 22/05/2008 21:11)
sady hafaka manararaotra mibizn ingahy pasy avy eo anie e,de ny mpivavaka ihany no ampiasaina eny.
27. cutie ( 23/05/2008 00:36)
fa nga tsy tokony we in no titre-nao ao mpengonana=mpiandry
28. niryna ( 24/05/2008 03:46)
xxx:

Jeankely:

Rehefa sendra ny mafaitra dia tonga sy mitady ireo karazany rehetra ianao...Averiko fa tsy ilaina ny mizahozaho na matanjaka aza fa kely fotsiny dia tsy tompon'ny tenanao ianao ary mitady mpiandry ny havanao.


...raha kristiana ianao, inona moa no misakana anao tsy hangataka mivantana amin'i Jesoa hanasitrana. Fa maninona no tsy maintsy hitady mpiandry. Tahaka ilay vehivahy narary efa ho 12 taona ao amin'ny baiboly...tsy nitady mpiandry izy fa tonga dia nanatona an'i Jesoa. Izay manatona ahy hoy ny Tompo tsy mba laviko mihitsy...n'inon'inona hanantonanao Azy: na aretian, na olana, fahantrana, fitiavana, sns. ka mila fanampiana enao dia manampy foana Izy. Tsy mila miandry mpiandry zany bain a!...tsy ilaina ireny!


misy fahamarinana ny teninao fa saingy ilay hoe tsy ilaina no tsy azoko.Tsy ny olona anie no maimay ho mpiandry e,antso io toy ny olona mivavaka ny hafa na ny marary.Ilaina foana ny olon'Atra araka ny fotoana ilain'Atra ampiasany ilay olona na inona izany na inona fahasoavana nomeNy azy

29. bor2lais ( 24/05/2008 12:49)
niryna:

Tsy ny olona anie no maimay ho mpiandry e,antso io toy ny olona mivavaka ny hafa na ny marary.Ilaina foana ny olon\'Atra araka ny fotoana ilain\'Atra ampiasany ilay olona na inona izany na inona fahasoavana nomeNy azy

Marina tokoa izany fa tokony \"antso\" na vocation ny asan\'ny mpiandry (toy ny asam-piangonana rehetra). Ilay antso anefa amiko dia tokony arahina fiofanana na fampianarana maharitra sy mitohy (formation à vie) fa tsy mihanina @ izay azo talohan\'ny nanokanana azy fotsiny.
Io lafiny io angamba no heveriko fa mandringa matoa mitranga ny fanontaniana toa itony !
30. prime ( 26/05/2008 12:23)
Ny an'ny mpiandry dia fiofanana mandrapahafaty tokoa ary tsy mety tapitra io fa misy zava-baovao hatrany tsy maintsy iofanana, sy ianarana ary fantarina...

Na ny an'ny Loterana na ny an'ny FJKM dia mitohy "à vie" tokoa io fa tsy rehefa voatokana dia mitsahatra...
31. prime ( 26/05/2008 12:30)
Ny an'ny mpiandry dia fiofanana mandrapahafaty tokoa ary tsy mety tapitra io fa misy zava-baovao hatrany tsy maintsy iofanana, sy ianarana ary fantarina...

Na ny an'ny Loterana na ny an'ny FJKM dia mitohy "à vie" tokoa io fa tsy rehefa voatokana dia mitsahatra...
32. ikaretsaka ( 27/05/2008 03:27)
amiko io aloha arakaraky ny finoana no ilaina na tsy ilavana azy..
amiko manokana.(.amiko manokana HOA) aloha dia na misy na tsy misy izy ireny dia mitovy ihany!

fa ilay hoe a vie kosa dia raha tena efa hita mamoafady be ve le toetrany ohatra de hoe satria a vie de ihafiana eny ihany?...
izay le tsy mety
33. nefertiti3 ( 27/05/2008 11:35)


...raha kristiana ianao, inona moa no misakana anao tsy hangataka mivantana amin'i Jesoa hanasitrana. Fa maninona no tsy maintsy hitady mpiandry. Tahaka ilay vehivahy narary efa ho 12 taona ao amin'ny baiboly...tsy nitady mpiandry izy fa tonga dia nanatona an'i Jesoa. Izay manatona ahy hoy ny Tompo tsy mba laviko mihitsy...n'inon'inona hanantonanao Azy: na aretian, na olana, fahantrana, fitiavana, sns. ka mila fanampiana enao dia manampy foana Izy. Tsy mila miandry mpiandry zany bain a!...tsy ilaina ireny!

[/quote]


marina ZANY : izaho koa tsy mahita zay ilavana an'ireny sady araka ny hitako dia ao no tena fototry ny fihatsaram-belatsihy ; sady izaho koa tsy mba dakoro amin'ity resaka devoly lava tsy misy farany ty, zao rehetra zao dia lazaina fa hoe misy devoly misy devoly. Resaka intercession indray, ny olona rehetra dia afaka miantso direct an'Atra.
34. ikaretsaka ( 27/05/2008 16:31)
.raha kristiana ianao, inona moa no misakana anao tsy hangataka mivantana amin'i Jesoa hanasitrana.


misy mahamarina azy..misy koa anefa mahadiso azy!
le hoe mangataka mivantana no hafahafa amiko kely satria na i Jesoa aza ange ka nila apostoly (ary nataony fanahy iniana ny naka mpiasa: raha ny fanoharana nataony no jerena i.e: mangataha @ tompon'ny vokatra ... ianareo no sampany, fanasin'ny tany sns...) fa tsy vitany irery ny "tanimbolin-Drainy e"

fa le resaka devoly devoly lava dia izaho kao tsy d'accord.. lasa ohatran'ny fomba fitadiavana kil io ankehitriny, tsy analyser-na tsara malgre an'ny teknolojia sns ..hahafahana manao izany fa vaomainka aza rehefa misy tranga tsy mifanaraka @ le eritreretina ka somary vinaninany dia devoly e devoly! herin'ny maizina e herin'ny maizina!

35. manidina ( 27/05/2008 17:46)
ka le mpiandry otran'itony angeh idiran'ny devoly roasiny e! izy indray no ifindran'ny le devoly roasiny!
tsara raha mpahatsiahivina izy! mety iza no mahalala raha ohatra ka resaka antony hafa no anaovany mpiandry?
satria inn moa no dikan'ny mpiandry raha ohatra ka tsy miandry ny tenany izy????? sy izay andrasany???? inn no atao hoe fiandrasana???
36. prime ( 28/05/2008 10:22)
ika> ilay fiofanana sy fianarana ary fanovozam-pahalalàna no "à vie" fa tsy ilay ambaranao io... ny fiainan'ny mpiandry dia misy sata sy lalàna mifehy azy koa ka mitombina mihitsy ilay fanamarihana ao ambony ao... misy ambaratonga ny fanajanonana olona tsy ho mpiandry fa ny faratampony dia ny fampiatoana azy amin'ny alalan'ny "fametrahana akanjo"...

nefer> ny asan'Andriamanitra dia maro tsy tambo isaina ary ny fanomezam-pahasoavana avy Aminy dia miasa avokoa eo amin'ny asam-pamonjena... ny antso ho an'ny mpiandry dia hafa mihitsy fa tsy mitovy loatra amin'ny antso ho amin'ny asa hafa... ekena tokoa fa efa eo ny mpitandrina, pastora, pretra, eveka sns, fa misy asa manokana hafa ihany koa izay tena ilàn'Andriamanitra ny fifohazana, indrindra fa ny mpiandry... ary ny tena misiona lehibe tena anirahana ny mpiandry, ankoatry ny fitoriana filazantsara, dia ilay asa mivantana eny amin'ny isam-batan'olona amin'ny famonjena ny fanahy...

Mikasika ny ady amin'ny devoly dia lalana tsy maintsy diavina izany eo amin'ny fianam-pinoana raha tena mpanara-dia an'i Kristy... marina tokoa fa misy ny "dérives" indray2 ka na antony tsotra sy azo porofoina aza dia raisin'ny mpiandry sasany ho asan-devoly... izany nefa tsy manafoana mihitsy ny fisian'ny devoly no sady rahateo tsy manadiso ny tenin'Andriamanitra mikasika ny fanjakàn'i satàna tsy maintsy iadiana raha feno ny fanahy masin'Andriamanitra tokoa ny mpino...
37. ikaretsaka ( 30/05/2008 17:22)
ka "iofana" foana ve fa tsy "hiandry' sy tsy hanao "asa" intsony?
le asa no lazaiko ange ry prime e.

38. niryna ( 31/05/2008 01:59)
bor2lais:

niryna:

Tsy ny olona anie no maimay ho mpiandry e,antso io toy ny olona mivavaka ny hafa na ny marary.Ilaina foana ny olon\'Atra araka ny fotoana ilain\'Atra ampiasany ilay olona na inona izany na inona fahasoavana nomeNy azy

Marina tokoa izany fa tokony \"antso\" na vocation ny asan\'ny mpiandry (toy ny asam-piangonana rehetra). Ilay antso anefa amiko dia tokony arahina fiofanana na fampianarana maharitra sy mitohy (formation à vie) fa tsy mihanina @ izay azo talohan\'ny nanokanana azy fotsiny.
Io lafiny io angamba no heveriko fa mandringa matoa mitranga ny fanontaniana toa itony !

efa nofaninana nandritra ny taona maromaro ny mpiandry ary rehefa tsy sitrapon'Atra no ahatanteraka an'izany dia tsy ho tonga amin'izany izy,antso io hoy aho ary dia mbola misy pasitera maro ihany koa mandray azy tanana rehefa hisarona ny akanjo fanamiana izy.toy ny miaramila izany ary dia fantan'i satana koa izany,ny fanahy masina no miaro azo azy, ny fanahy masina no manampy azy amin'ny fanasitranana ,fanalana devoly,fanaovana ranombavaka sns,io aza olona tsotra dia afaka mivavaka ary sitrana sy mamaly Atra ka maika fa olona efa notsongoina,tsy misy ataony very ny ondirny ary dia mipetraka tokoa ny hoe Aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho


39. bor2lais ( 31/05/2008 13:04)
Niryna >
[/quote] efa nofaninana nandritra ny taona maromaro ny mpiandry ary rehefa tsy sitrapon\'Atra no ahatanteraka an\'izany dia tsy ho tonga amin\'izany izy,antso io hoy aho ary dia mbola misy pasitera maro ihany koa mandray azy tanana rehefa hisarona ny akanjo fanamiana izy.toy ny miaramila izany ary dia fantan\'i satana koa izany,ny fanahy masina no miaro azo azy, ny fanahy masina no manampy azy amin\'ny fanasitranana ,fanalana devoly,fanaovana ranombavaka sns,io aza olona tsotra dia afaka mivavaka ary sitrana sy mamaly Atra ka maika fa olona efa notsongoina,tsy misy ataony very ny ondirny ary dia mipetraka tokoa ny hoe Aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho
[/quote]

-> Voalazanao fa \"fantatry Satana izany ary ny Fanahy Masina no miaro azy\" : eo indrindra no mampifandray ny resaka \"formation à vie\". Ao anatin\'ny fiambenana izany mba tsy ho lavo, ka ho tonga fanafintohinana ho an\'ny sasany izany fahalavoana izany ! Mety ho an\'ny vahoakan\'Atra rehetra koa io voalaza io fa tsy voatery ho an\'ny mpiandry irery ihany (satria samy notsongoina araka ny voalazanao saingy ny anjara fanomezam-pahasoavana no samihafa).

(Ny fahatafintohinana dia endrika fahalavoana ihany koa : noho izany na ny tafintohina na ny lavo dia samy tokony hiambina daholo.)

Ny Fanahy Masina tokoa no miaro saingy mila mihaino sy manaiky ho tarihin\'izany Fanahy Masina izany (raha nanaiky ho tarihiNY tokoa mantsy dia tsy nisy ny fahalavoana). Fomba iray fikolokoloana sy/na hahatongavana amin\'izany fihainoana Azy izany ny \"fiofanana mandra-maty\".
40. prime ( 03/06/2008 12:55)
ika> ny fiofanana dia mandrapahafaty, ny asa koa mandrapahafaty ka mifameno ireo... fa tsy hoe vita fiofanana 3 taona dia ampy izay fa hiasa foana amin'izay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082