Ilaina ve ny mpiandry?

1. david33 ( 18/05/2008 23:53)
Misy ramatoa iray izay mpiandry izy...tsy misy afa-tsy ny mifosa, mandainga, sady mampiady olona fotsiny no ataony nefa milaza ny tenany fa kristiana...Ilaina ve ny mpiandry ohatran'itony? Inona no fepetra tokony horaisin'ny fiangonana amin'ny toejavatra mampalahelo ohatran'izao?
novalian'i prime ny 27/06/2008 06:39
2. Jeankely ( 19/05/2008 00:37)
Izaho aloha tsy mpiandry fa olontsotra ary tsy masina. Sady mamaly ihany ianao satria voasoratrao hoe "Ilaina ve ny mpiandry ohatran'itony?".
Ny Mpiandry tena ilaina fa izy no tsy ara-dalana ary manimba ny asa masina.
Matetika ny fisian'ny olona maromaro tsy manaraka ny tokony ho izy no tsy dia hifantohan'ny sasany amin'ny vavaka. Raha ny marina kosa dia azy ny azy fa ny anao no jerenao. Tsy tokony hanafoanana ny fisian'ny mpiandry mihintsy ny olona sahala izany.
3. ainaheri ( 19/05/2008 05:01)
david telo ambitelo-polo> Misy manao ny asany tsara,fa misy kosa ny sasany te hisehoseho sy mba te hanao ny ataon'ny hafa,zany we,nanao mpiandry ketaka d mba niditra kou izy!!! Nefa kosa tsarovy fa isika d nateraka,ka mandainga izay tsy nanota na iza izy na iza!!! "Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy"
4. Jeankely ( 19/05/2008 05:09)
Resaka momban'ny torabato io aloha dia tsy ekeko mihintsy amin'ny fiainako. Raha tratranao manao ny tsy mety aho dia sazio ary vonoy ho faty mihintsy raha manao ny tena tsy valahara. Tsy miaro tena amin'ny "izay tsy nanota aoka hitorabato izany aho".
5. malalatinasoa ( 19/05/2008 05:40)
Ilaina daholo ny olombelona eto an-tany matoa tonga eto. Fa samy hotsaraina daholo kosa anefa rehefa any am-parany.
Ka samia manao izay mety aminy.
6. Jeankely ( 19/05/2008 07:11)
Tandremo kely tompoko fa misy fetra ilay hoe izay mety aminy. Raha tsy mikasika ny hafa ataoko fa tsisy hiditra amin'ny mety amin'ny hafa. Matao misy mifampiteniteny dia satria misy zavatra hiarahana na hiraisana voakasika. Havao tsara izay fa manjary lasa bontolo raha hoe samy manao izay mety aminy fotsiny.
Ny ao antsain'ny mpangalatra dia mety aminy ny mitsofoka ny tranonao ary tsy mila mifoha na manenjika azy ianao fa manaiky izay ataony na zavatra farany tsy tokony resahana ato amin'ny sehatra fivavahana aza no ataony aminao dia mety aminy hoy izy.
Raha ohatra kosa ka ny iray kristianina, ny iray Silamo, ny iray boudhist, ny iray Hindou sy ny hafa "Free thinkers" tsy hitako ny hifampitsabahana rehefa samy maka ho azy.
izany nefa tsy hisy koa fa mifampitsabaka anaty vilanin'ny haf hatrany. Izay ni hisian'ny lalana sy fifehezana.
7. bor2lais ( 19/05/2008 09:03)
Tsy misy hafa @ hoe : ilaina ve ny mpitoriteny ? Ilaina ve ny Pasitera ? Ilaina ve ny Mompera ? ...
Izany hoe mpiasa iray ve no manao ny ataony dia ny asa iray manontolo no maloto ?
Fifampitaizana ny ao am-piangonana : raha hitanao fa latsaka ny iray dia anjaranao ny manarina azy (@ fomban'ny zanak'Andriamanitra fa tsy @ fomban'izao tontolo izao). Amiko dia diso ny fiheverana fa misy ny antokon'olona mpitaiza ary misy kosa ny tezaina ao am-piangonana !
8. Jeankely ( 19/05/2008 10:05)
Izaho tsy mpivavaka mahafatrapo saingy mahatsapa aho fa ilaina ny mpitory satria tsy mitovy amindreo ny fahalalanao. Na hianatra aza ianao samy manana ny hainy tsara. Ka mazava ho azy fa raha samy Pastora ve mos tsy mitovy @ samy dokotera ihany. Tsy afaka mandidy ny tenanao ianao fa mila ny hafa rehefa torana.
9. xxx ( 19/05/2008 11:03)
fa nga moa reny mpiandry reny tsy nahazo tsindrimandry avy @ Atra vo afaka manao mpiandry? dikan'zany eto tsy ilaina zany mpiandry mampiady olona zany. Mety ny devoly no naniraka azy ngamba.
10. bor2lais ( 19/05/2008 11:16)
Miala tsiny fa mety tsy mazava angamba ny nosoratako.
Ny tiako lazaina dia ilaina ny mpiandry, tahaka ny ilàna ny mpitoriteny, Pasitera, Mompera, ...
Tsy hoe nisy mompera \"pédophile\" ohatra dia ny asa maha mompera no tsy ilaina!
Ny amin\'ny hoe fifampitaizana indray dia izao no tiako lazaina : ekena fa efa misy ny anjara nankinina @ mpitoriteny, ny Pasitera, sns. Saingy izany tsy milaza akory fa tsy tokony ho tezaina koa izy ireny ary eo dia ny Fiangonana no mpitaiza azy.
Koa raha misy mpanompon\'Atra lavo dia ny Fiangonana no tokony hanarina azy am-pitiavana.
11. danni ( 19/05/2008 13:13)
...ny hoe ilaina sy tsy ilaina angamba tsy dia any loatra no fototry ny olana eto. Ilaina ny olona tsirairay. Ny kristiana tsi-1 dia momba ny tenan'ny Tompo fa misy ny maningana. Eto dia io Ramatoa io no manimba ny image-ny kristiana mpiandry. Raha marina fa mpifosafosa sy mpampiady olona izy dia tokony handray fepetra ny foibe ka hampiato azy tsy ho mpiandry na ny toerana raisiny ao ampiangonana. Tokony hanarina izy ka raha tsy miova dia esorina amin'ny andraikiny tanteraka. Ny malagasy dia olona mahafinaritra fa ny sasany amintsika dia tsy afaka amin'io fosafosa sy fanaratsiana indrindra amin'io mampiady olona io. Ka raha izany no toetran'ity mpiandry iray ity dia tsy mendrika ny toerany izy. Ny mpiandry dia tokony hanana degre aram-panahy ambony noho ny hafa. Tsy hoe misy ambany sy ambony fa kosa tahaka ny mpitandrina sy ny mpitarika ny fiangonana dia efa tokony ho modely izy. Ka raha izao no ataony dia tokony mbola mila fihofanana lavalava kokoa fa tsy maika amin'ny asan'ny Tompo satria dia lasa mahamenatra sy manala-baraka.
12. todisoa2 ( 19/05/2008 13:32)
david33:

Misy ramatoa iray izay mpiandry izy...tsy misy afa-tsy ny mifosa, mandainga, sady mampiady olona fotsiny no ataony nefa milaza ny tenany fa kristiana...Ilaina ve ny mpiandry ohatran'itony? Inona no fepetra tokony horaisin'ny fiangonana amin'ny toejavatra mampalahelo ohatran'izao?



io lauy alohan'ny asa, dia mivavaka foana lay mpiandry hoe:'' olona ihany izahay, ka mamela ny helkay Jesosy. Koa dia mangataka aminao izahay mba hahatongavanao handriaka ny devoly izay mipetraka ato anatinay. Anao ny asa Jesosy fa tsy anay''. Eto izany dia mazava tsara fa izay teneniny no ataovy fa tsy izay ataony. Ny toetra mahaolombelona efa mila ho raiki-tapisaka ry sakaiza. Mila mibebaka e
13. ikaretsaka ( 19/05/2008 17:08)
arakaraky ny finoanao no ilaina na tsy ilavana azy...

tsy misy hafa @ heo ilaina ve ny dadarabe sns.. io

raha hitanao @ asany sy finoanao izy dia hoy ianao heo ilaina...

raha tsy mbola nahita ny asany sy tsy mino ianao dia hoy ianao heo tsy ilaina..

14. Jeankely ( 20/05/2008 02:09)
Rehefa sendra ny mafaitra dia tonga sy mitady ireo karazany rehetra ianao. Rehefa salama finaritra dia mizahozaho indraindray ary tsy mahalala ny fisian'ny hery miafina.
Ireo manana zanaka, Raiamandreny manana aretina tsy hay sitranina dia tsy maintsy mitotototo havia sy havanana ary izay atoron'ny olona dia aleha nohon'ny fitiavana ny ahita ny fianakaviana ho sitrana. Averiko fa tsy ilaina ny mizahozaho na matanjaka aza fa kely fotsiny dia tsy tompon'ny tenanao ianao ary mitady mpiandry ny havanao.
15. cutie ( 20/05/2008 12:26)
ilaina ny mpiandry fa raha ohtran'io mpinadry voalaza etsy embony io de tsy misy ilaivana azy :-D
16. bor2lais ( 20/05/2008 13:40)
cutie:

ilaina ny mpiandry fa raha ohtran\'io mpinadry voalaza etsy embony io de tsy misy ilaivana azy :-D

Ilay toetrany no ario fa tsy izy !

17. cutie ( 20/05/2008 13:42)
tsy tokony ho mijanona mpiandry mitsy zany alou fa mila mihevi-tena :-D
18. xxx ( 20/05/2008 16:31)
Jeankely:

Rehefa sendra ny mafaitra dia tonga sy mitady ireo karazany rehetra ianao...Averiko fa tsy ilaina ny mizahozaho na matanjaka aza fa kely fotsiny dia tsy tompon'ny tenanao ianao ary mitady mpiandry ny havanao.


...raha kristiana ianao, inona moa no misakana anao tsy hangataka mivantana amin'i Jesoa hanasitrana. Fa maninona no tsy maintsy hitady mpiandry. Tahaka ilay vehivahy narary efa ho 12 taona ao amin'ny baiboly...tsy nitady mpiandry izy fa tonga dia nanatona an'i Jesoa. Izay manatona ahy hoy ny Tompo tsy mba laviko mihitsy...n'inon'inona hanantonanao Azy: na aretian, na olana, fahantrana, fitiavana, sns. ka mila fanampiana enao dia manampy foana Izy. Tsy mila miandry mpiandry zany bain a!...tsy ilaina ireny!
19. xxx ( 20/05/2008 16:36)
Jeankely:

...Tsy tokony hanafoanana ny fisian'ny mpiandry mihintsy ny olona sahala izany.


Iza no manasitrana? Jesosy sa ny mpiandry? Raha marary ianao, iza no tokony atonina ny dokotera sa ny mpanera...Raha fantatrao fa misy blem, inona no tsy hanantonana directe ny Mpanasitrana dia Jesoa sa mila olona masimasina kokoa hanelanelana...Jesosy nefa miteny hoe: Izao no lalana sy fahamarinana ary fiainana...Izy no mpanelanelana tsy mila olona hafa. Tsy ilaina ny mpiandry ry Jeankely a!
20. xxx ( 20/05/2008 18:42)
cutie:

ilaina ny mpiandry fa raha ohtran'io mpinadry voalaza etsy embony io de tsy misy ilaivana azy :-D



marina ny an'i cutie...tsy hitako izay ilaivana an'io ramatoa io...zao le hoe mibahana ny varavaram-piangonana izy ka misakana ny hafa hiditra ao! Tokony ajanona @ asany izy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077