Be dia be ny porofo ka aza mangataka andro intsony ....

1. niryna ( 16/05/2008 03:27)
Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. Jeremia 29:13
Indraindray dia toa sarotra ny mino fa misy Atra.Kanefa na izany aza dia maro ny porofo azoko tsapain-tanana .Nampisehoan'Atra ahy izany ary teny tokana no naverimberina tamin'ny fiainanako, izay taty aoariana vao fantatro fa ao anatin'ny baiboly izanyAza matahotra fa omba anao mandrankariva aho .Dia mitamberina indray ny mpianany izay tsy nanana finoana sy Tomasy izay tsy nino raha tsy nandray ny tanan'i kristy .

Rehefa nomen'Atra hery aho andinika ny baiboly ,dia fantatro fa misy tokoa i kristy ary azoko porofoina tamin'ny fiainako izany,ary ireo olo-maro izay nitady Azy sy nametraka ny fiainany Taminy ihany koa raha katsahinareo amin'ny fonareo Aho, hoy Izy dia ho hitanareo tokoa


Ny fitiavan'Atra dia tena marina.Tadiavo ary katsaho fa ho hitanao izany
Andriamanitra fitiavana,omeo hery izahay mba hanana finoana matanjaka.Ampahatsiahivo izahay ny hanan-kina ny fiainanay aminao hatrany .Ny fanahinao no efa miaraka aminay isan'andro,manazava ,manoro anay ary manitsy anay .Avy amin'iny Zanakao Kristy Tompo,izay Mpamonjy sy Mpanavotra anay no anaovako izany vavaka izany . Misaotra Ray o! Amena
Mbola mila porofo ihany ve hianao ?
(l) niryna
novalian'i niryna ny 11/06/2008 15:00
2. xxx ( 16/05/2008 06:02)
ampy izay ka
3. badboy ( 16/05/2008 11:21)
Ye, mbola mila olona tsy dogmatika.
4. xxx ( 16/05/2008 11:37)
avelao alou ny oul samy hahatsapa an'zany miandalana eny fa tsy ary hitovy daholo ny experience-ny oul e :wink:
5. fahamarinana ( 16/05/2008 14:56)
:arrow: niryna,misaotra nizara,tsy voatery mitady sy mila porofo fa samy manana ny andro hifohazany,samy manana ny antso manokana voarainy,misy tonga dia resy lahatra avy hatrany ,misy mila fotoana maro fa kosa une fois resy lahatra dia mino tanteraka.Misy olona manana tanteraka io fitiavan'Andriamanitra lazaindry io nefa tsy mpino na tsy fantany hoe avy aiza,sns sns e... (l)
6. bor2lais ( 16/05/2008 15:28)
fahamarinana > "Misy olona manana tanteraka io fitiavan'Andriamanitra lazaindry io nefa tsy mpino na tsy fantany hoe avy aiza,sns sns e... "

Tsy tokony hisy maha samihafa azy kosa ve ny fitiavana ananan'ny mpino sy ny fitiavana ananan'ny tsy mpino ?
7. fahamarinana ( 16/05/2008 15:51)
:arrow: ny tiako soritana dia ilay hoe mbola tsy fantany satria tsy fotoanany.
Aminao ry bor2lais :ahoana izany atao hoe fitiavana ananan'ny mpino sy fitiavana ananan'ny tsy mpino izany satria fandraisako ny valiteny napetrakao dia samihafa ireo.Aoka tsy hivaona fa resaka fitiavan'Andriamanitra no resahantsika eto fa tsy hafa.Dia misaotra mialoha mamaly azy. (l)
8. niryna ( 16/05/2008 21:19)
xxx:

ampy izay ka



:D :D ny fanompoana an'Atra tsy misy fetra toy isika nomeny fahasoavana isan'andro .
Toy ny mihinambary ihany koa,tsy misy manana ny ampy ry xxx a ,fenoy finoana an'i kristy ny fiainanao dia ho faly sy ho ravo ny fonao, ary irery ihany tokoa dia ampy
9. niryna ( 16/05/2008 21:22)
badboy:

Ye, mbola mila olona tsy dogmatika.



:D
10. niryna ( 16/05/2008 21:23)
xxx:

avelao alou ny oul samy hahatsapa an'zany miandalana eny fa tsy ary hitovy daholo ny experience-ny oul e :wink:



:D
11. niryna ( 16/05/2008 21:29)
fahamarinana:

:arrow: niryna,misaotra nizara,tsy voatery mitady sy mila porofo fa samy manana ny andro hifohazany,samy manana ny antso manokana voarainy,misy tonga dia resy lahatra avy hatrany ,misy mila fotoana maro fa kosa une fois resy lahatra dia mino tanteraka.Misy olona manana tanteraka io fitiavan'Andriamanitra lazaindry io nefa tsy mpino na tsy fantany hoe avy aiza,sns sns e... (l)

izay ilay hoe hafafazo ny voa fa efa fantatr'Atra ny olona hanaraka Azy ary efa fantan'ilay olona koa na hino iza na tsia,azy no safidy.

ho fantany miandala ihany rehefa tonga ny torony hisy hitory ilay kristy fitiavana izy ka,
12. niryna ( 16/05/2008 21:32)
bor2lais:

fahamarinana > "Misy olona manana tanteraka io fitiavan'Andriamanitra lazaindry io nefa tsy mpino na tsy fantany hoe avy aiza,sns sns e... "

Tsy tokony hisy maha samihafa azy kosa ve ny fitiavana ananan'ny mpino sy ny fitiavana ananan'ny tsy mpino ?

asa aloha izay hevin'i fahamarinana fa amiko dia fitiavana Izy ary tiany daholo isika ka izany no mbola omeny chance antsika hibebaka sy hifona aminy fa rehefa tonga kosa i kristy dia vita toy ny teniny teo ambony hazofijaliana ,alainy ny olony

13. fahamarinana ( 17/05/2008 14:16)
:arrow: niryna :ka miandry lay fanazavany koa aho fa tsy dia azoko loatra fa toa samihafa hoy izy,sa za no diso fandray.Tsy itovizako ilay heviny na za koa no tsy mahazo ny resany fa dia aleo izy ho avy eo .. (l)
14. niryna ( 18/05/2008 22:16)
bor2lais:

fahamarinana > "Misy olona manana tanteraka io fitiavan'Andriamanitra lazaindry io nefa tsy mpino na tsy fantany hoe avy aiza,sns sns e... "

Tsy tokony hisy maha samihafa azy kosa ve ny fitiavana ananan'ny mpino sy ny fitiavana ananan'ny tsy mpino ?

ahoana tokoa re izany fitiavana hananan'ny mpino sy ny tsy mpino izany e.
Rehefa fitiavana angamba dia mitovy avokoa na mpino izy na tsy fa ny mahasamihafa ny iray mino an'Atra dia ny hoe raha misy fahavalonao dia mila mivavaka an'iny hianao ary mila mamela ny helony,asa mety manao an'izany koa ve ny tsy mpino eny angamba.
Ny tsy hitovizana ? dia ny finoana an'ilay Atra izay nahary ny mpino sy ny tsy mpino kanefa ny mpino ihany no mino ny fisiany sy manaiky azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra azy.

Ny fanantenana hananan'ny mpino fa rehefa hatrizay ka miala ety ny tena kristiana na ny mpino an'i kristy dia tsy matahotra intsony ny hiatrika ny fiainana faharoa izay any no tena lavvabe,satria fiainana ho mandrakizay io aorian'ny fahafatesana ,noho ny finoana fa efa voavelan'i kristy ny helony,efa voasasa ny fahotany,tsy andalo fitsarana toy ny tsy mpino azy rehetra izy satria efa nino azy ho tompo sy mpamonjy azy.(no condemnation)
Io moa dia finoana ao anaty ka Atra irery ihany no mahafantatra ny olony.


15. ikaretsaka ( 21/05/2008 13:38)
tsy voatery hoe mpino ange vao afaka mitia e
ary tandremo fa misy tsy mpino tia ny fahavalony an
16. bor2lais ( 21/05/2008 14:15)
Marina tokoa fa na Kristiana na tsia dia afaka mitia daholo. Saingy ny tiako tsindrina dia izao :

- ny Kristiana dia ny finoany no manesika azy hanao soa. Ny famonjena maimaim-poana noraisiny no (tokony) mahatonga azy hitia (maimaim-poana ihany koa). Tsy (tokony ho) kivy ny Kristiana fa manana fanantenana hatrany. Ary ny zavatra rehetra ataony dia apetrany eo am-pelatànaNY sy ho voninahitr\'Ilay Tia azy hatrany. Fitiavana tsy (tokony) mila takalo ny an\'ny Kristiana

- ny an\'ny tsy Kristiana kosa dia miainga amin\'ny zavatra hitan\'ny masony vao manapa-kevitra izy na hanao na tsia. Raha sendra olana izy dia matetika mora kivy, satria ny herin-tsainy na ny herin\'ny tenany no hianteherany (mora déçu). Mety miandry takalo ihany koa angamba izy ! Ny lozikan\'izao tontolo izao no mitondra ny fiainany

Izany hoe ny fanahy (esprit) hitondrana na hanaovana ilay asa no tsy mitovy.

Asa na mazava na tsia ny tiako hambara !
17. cutie ( 21/05/2008 14:18)
ny Kristiana dia ny finoany no manesika azy hanao soa. Ny famonjena maimaim-poana noraisiny no (tokony) mahatonga azy hitia (maimaim-poana ihany koa). Tsy (tokony ho) kivy ny Kristiana fa manana fanantenana hatrany. Ary ny zavatra rehetra ataony dia apetrany eo am-pelatànaNY sy ho voninahitr'Ilay Tia azy hatrany. Fitiavana tsy (tokony) mila takalo ny an'ny Kristiana

misy koa ny xtiana fopla fa tandremo
18. fahamarinana ( 21/05/2008 15:31)
:arrow: mitovy hevitra amin'ny cutie koa aho,misy milaza ho Xna nefa tsy dia mamely,ary misy koa tsy Xna nefa tsy ambaka ny tena Xna manam-pinoana tanteraka.Tsy mila takalo ihany koa .
Ny tiako tenenina hoe na fony mbola tsy Xna aza dia efa nahatsapa fa manana izany fitiavana ny hafa,ny namana,eny ny fahavalo aza.Nony lasa tena Xna mpino tanteraka any Kristy,manaraka ny lalany sy miezaka miaina toa azy (na tsy mety tonga lafatra aza!!!) dia nahay kosa mamela heloka ary mahavita mitondra am-bavaka na dia ny fahavalo aza.
Hoy i bor2lais tery ambony hoe ny fanahy itondrana na anaovana ilay asa no tsy mitovy
Amiko ndray dia tsy misy olona afaka mamantatra sahady na Fanahy avy amin'ny Kristy no miasa ao anatin'ilay olona na avy amin'ny inona,mety ho fanahy avy amin'Andriamanitra fa noho ny tsy fahafantarana dia nadika ho zavatra hafa .Fanahy tsara no lazaiko eto an fa tsy Fanahy ratsy akory.
Ny tiako ambara dia misy olona tsy mitonona ho Xna nefa dia miaina araka ireo voalazanao ireo ry bor2lais.Zay no tena tiako lazaina fa toa lasa lava be ndray,ialako tsiny e.
(l)
19. niryna ( 24/05/2008 03:30)
fahamarinana:

:arrow: mitovy hevitra amin'ny cutie koa aho,misy milaza ho Xna nefa tsy dia mamely,ary misy koa tsy Xna nefa tsy ambaka ny tena Xna manam-pinoana tanteraka.Tsy mila takalo ihany koa .
Ny tiako tenenina hoe na fony mbola tsy Xna aza dia efa nahatsapa fa manana izany fitiavana ny hafa,ny namana,eny ny fahavalo aza.Nony lasa tena Xna mpino tanteraka any Kristy,manaraka ny lalany sy miezaka miaina toa azy (na tsy mety tonga lafatra aza!!!) dia nahay kosa mamela heloka ary mahavita mitondra am-bavaka na dia ny fahavalo aza.

misaotra anao nizara

Hoy i bor2lais tery ambony hoe ny fanahy itondrana na anaovana ilay asa no tsy mitovy
Amiko ndray dia tsy misy olona afaka mamantatra sahady na Fanahy avy amin'ny Kristy no miasa ao anatin'ilay olona na avy amin'ny inona,mety ho fanahy avy amin'Andriamanitra fa noho ny tsy fahafantarana dia nadika ho zavatra hafa .
ilay fanahy miasa ao amin'ny olona dia mety ho sarotra ho azy tokoa no ahalala azy,saingy raha ohatra kosa ka tena mino fa i kristy no miasa ao aminy,kristy no lalana tokana mankany amin'ny ray,nino Azy izy fa maty noho ny fahotany,ary mino Azy ihany koa fa mbola hitsara ny velona sy ny maty Izy,ary farany mino Azy fa Atra i Kristy ka manaiky azy ho Tompo sy Mpamonjy Azy izy dia mazava ho azy fa ho voavonjy ny fanahiny ary amin'izay fotoana izay dia ny fanahin'i kristy no ho tonga ao aminy ka raha nisy fanahy maloto tao dia hiala tao iny.Fantany eo izany fa ny fanahy madio no ao aminy ary azony tsampain-tanana izany avy eo,fifaliana,fanaovana ny marina,mahatohitra fankam-panahy na sigara lazaina fa tsy afaka aza dia ho afaka,na ny toaka izay fahavalo dia ho afaka na ny toetra ratsy izay lazaina fa tsy mety ho afaka dia hiova tokoa satria tsy izy no miasa manao izany toetra ratsy izany fa ilay fanahy masina izay niriny ho tonga ao aminy no miady sy manohitra an'ireo ratsy.

Ny tiako ambara dia misy olona tsy mitonona ho Xna nefa dia miaina araka ireo voalazanao ireo ry bor2lais.Zay no tena tiako lazaina fa toa lasa lava be ndray,ialako tsiny e.
(l)

dia tsara izany ary isaorana Atra nanome hery azy,toy ny olona rehetra ihany io fa ny an'ny kristiana sy ny tokony ho kristiana dia ny hoe torio ny tenin'Atra,aza mitsara mba tsy ho tsaraina,izay hafafy no ho jinjaina ,moa ve aho nizara ny fahasoavako tamin'ny mpiara-belona ahy satria mbola ho adinina ahy io na tsy ho voaheloka intsony aza aho(no condamnation for the believers) ary farany dia ny hoe ahoana ny fiainana mety hiainako aorian'ny fahafatesana,hiaraka an'i kristy ve aho raha mino Azy aho dia eny,tsy hiaraka Azy ve,io tsy misy manontany satria tsy te halala ny tsy mpino.INa ny sasany dia hoe samy ho any an-danitra avokoa isika,izay no tsy hitovizany .
Asa aloha ny eritreritry ny hafa

20. ikaretsaka ( 27/05/2008 17:03)
fa miverina any @ le lohateny aho: voatery ho mila porofo bedebe foana ve?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0633