Tsy misy lalàna manohitra izany.

1. niryna ( 05/05/2008 17:38)
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.1 Jaona 1:9
Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo. Matio 7:7
Andramo ary fa izay mitady an'i kristy dia omeny ny fanahy masiny ,ary raha mangataka aminy ny hanova ny toetra tsy mendrika eo anatrehany isika dia ampiany tokoa satria .....
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. Gal 5: 22-23
Tsy misy lalàna akafa manohitra an'ireo.Tsy mora kanefa rehefa tena mino azy isika, miaiky ny fahotantsika,dia manadio antsika izy ary ho foana sy tsy ho tadidiny intsony izany fahotana rehetra izany ka tsy hisy na iray ihany koa aza afaka hitsara antsika intsony.
Mahereza daholo ataovy ny fanandramana raha misy toetra ratsy tsy tianao ho atao intsony satria efa olom-baovao eo amin'ilay tompo kristy hianao.

Hitahy antsika hatrany anie ilay Atra be famindrampo,ny fanahy masina anie hiaro antsika,hitari-dalana antsika ary ampianatra antsika andeha amin'ny fahamarinana.Amin'ny alalan'ilay Kristy mahery no anaovako izany vavaka izany .Amena

(l) niryna
novalian'i niryna ny 17/05/2008 00:21
2. ikaretsaka ( 05/05/2008 18:10)
Ekena saingy izao:

le miaiky foana hoe manota ange isika efa diska goaka averimberina foana e... io efa samy mahalala an'io aby na ry zareo tsy mpino na mpinio taloha no niala aza!


fa le maka fotoana mijery akaiky ny hoe "inona avy ny fahotana" mba hahafahana maka ilay resolution tsy hanao iny intsony
no ilaina ilay hoe "mandinin-tena" sy examining yourself lazaiko eto foana......


Raha miteny ianao hoe "eny ary fa diso aho fa tsy hanao intsony " nefa tsy fantatrao akory ilay hoe t@ lafiny inona ianao no diso... de @ fomba ahoana no hahafahanao "tsy hanao intsony??"

Mba eritrereto ihany!

3. todisoa2 ( 06/05/2008 13:46)
mizara roa mazava tsara, ara-teolojika ny fahotana. Eo ilay fahotana nolovana ara-baiboly (SiN), ilay Adama ela le izy io. Eo kou ireo fahotana izay vokatr'ilay Adama ela ato anatintsika, izay ataon'ny devoly fitaovana andresena antsika matetika (Sins).

Fanamarihana ihany
4. rijadolly ( 06/05/2008 16:23)
Misaotra betsaka Niryna a!

Ikaretsaka>>>> Misaotra betsaka @ le fandinihan-tena izay tsy maintsy atao,fanampiny kely fotsiny an dia tokony ho fantatsika koa fa misy ota tsy tsaroana izay heveritsika ho tsara nefa fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra dia eo no miainga ilay lazan'sé oe disc gôka
ika:
le miaiky foana hoe manota ange isika efa diska goaka averimberina foana e... io efa samy mahalala an'io aby na ry zareo tsy mpino na mpinio taloha no niala aza!
Dia mazava ho azy fa tsy gôka io fangataham-pamelana ny fahotana io an!Satria mantsy manjary ho mpanamaritena indray isika amin'izay raha hita tsika hoe tsy nisy ota nataon-tsika androany(tao anatin'fandinian-tena nataontsika):-*

5. majesty ( 06/05/2008 16:25)
:D :D :D
6. ikaretsaka ( 06/05/2008 16:41)
fa jereon'i RD amin'ny fo tsy miangatra ... fa na i fijo aza ange tsy mila ampatsiahivina fa kopy izy hoe manota e.. kopy izy hoe nisy zavatra sasany tsy nety t@ nataony

marina fa betsaka ny ota natao no tsy tadidy... izya no mahatonga ilay famporisihana hoe manaova examen de conscience isan'andro... mba hitadidiana izany indrindra

ny tsy fahalalana ny ota natao ange na avela injato aza ny heloka dia vao mainka ataonao foana raha tsy fantatrao e

raha tratra nipipi tamin'ny toerana tsy azo hipipizana ohatra ny olona iray fa hatramin'izao tsy kobony hoe tsy azi hipipizana io ka tonga ny polisy nisambotra a dia tsy nanazava ny antony akory na tsy kopy akory ny antony nisamborana azy ilay olona nipipi fa tsolotsolotra dia mifona de afaka
tena mi garantir anao aho fa afaka kelikely indray izy dia hipipi eo !
7. rijadolly ( 06/05/2008 17:30)
Izany hoe tsy maintsy mangataka famelak'eloka aloha zany,izay no atao voalohany,faharoa mangataka Fahazavana avy amin'ilay Fanahy Fahazavana mba ahafantaranao ny elokao, zay vao mahafantatra ilay fahadisoanao ianao ô!
8. ikaretsaka ( 06/05/2008 17:34)
mangataka fanazavana aloha hahalala hoe inona ny mety sy tsy mety.... izay vao mangataka famelana ka..

io ilay hoe azafady aloha ve izany vao manitsaka (lojikanao) ..sa avy manitsaka vao manao azafady ?
http://ikaretsaka.skyrock.com/ ny sopapa fanaovana azy tsotsotra
9. rijadolly ( 06/05/2008 18:35)
raha tiako atao Ialahy izy eto raah izay no maha confortable ahy dia ataoko.
=)) =)) =)) =)) =)) =)) fafao io a!fafao wa!
6) Farany, miezaka aho mba hiaro ilay fanahiko ho feno fankasitrahana sy fisaorana sy mangataka aminy mba hanala izay zavatra manasaraka sy manembatsembana ny fifandraisanay, miezaka mba hanova ny toetrako, hanala ny tahotro sy ny ahiahiko (mangataka aminy koa mba hanampy ahy) dia manamboatra ny fanahiko sy manolotra ny vatako sy ny tenako manontolo hanaiky izay sitrapony amiko!
Ao anatin'izany ilay ota tsy tsarona izay mbola tsy fantatra tao anatin'ilay fandinihan-tena
10. ikaretsaka ( 06/05/2008 18:56)
za manao ialahy raha izay no mahatsotra ilay firesahana amiko...sy mahatafavoaka ny ao am-poko kokoa.
ohatran'ireo Zafindraony sy ny betsileo manao Rajesoa sy Razozefa sy Ramaria sy Randriananahary ihany io..
sy ny vazaha mi Tutoyer an'ny "seigneur"
11. rijadolly ( 07/05/2008 16:03)
dé efa nanao ela an4andriamanitra na Jesoa ve ika? Sa ny olkafa no apidiran'Andro?
12. ikaretsaka ( 07/05/2008 16:07)
nga nisy lalana ao @ baiboly hoe tsy azo atao ialahy andriamanitra?
13. prime ( 08/05/2008 10:45)
Ikaretsaka> Mba miambena ihany Ra-ika fa mitady ho tonga amin'ny fetran'ny faniratsiràna a...

Aoka tsy adino fa Kristy na olombelona feno aza dia Andriamanitra koa... ary na ny anarany aza dia Andrianan'ny fiadanana, Mpanjakan'ny Mpanjaka, Tompon'ny Tompo ka sao lahy tafahoatra ilay "familiarité" ka ilay fifandraisana akaiky lasa toy ny faniratsiràna...

Ny Kardinaly sy ny Papa aza tsy atao ialahy rehefa mihaona amin'y i Ika ka i Kristy ve sahin'i Ika atao ialahy??? aoka kosa e...

Raha mi-"tutoyer" ny vahiny dia midika avy hatrany ve izany hoe "ialahy"??? ny teny Malagasy mbola mametraka tsara ihany koa ny fampiasàna ny hoe "ianao" sy ny "ise", sady akaikin'ny fo nefa am-panajàna tsara...
14. cutie ( 08/05/2008 20:49)
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.1 Jaona 1:9

mba tiako kosa zany :)
15. ikaretsaka ( 08/05/2008 21:07)
primesy ny hateren'ny sainy: ..ko tsy ny frantsay sy ny sisa no very @ katesizy raha izany le? ireny koa izao mi tutoyer an Ándriamanitra...
(aaoka aloha hazava fa ny manao ialahy akory tsy midika hoe manompa na maniratsira an)
ary ao anaty baiboly koa aza anie ka mi tutoyer ry zareo rehefa miresaka e..
rehefa raisina point de vue hoe namanao akaiky Atra.
Tadidio fa ny Papa joany paoly 2 t@ JMJ tany paris dia nataon'ny ankizy hoe 'tés le meilleur Jean Paul
ary t@ papa Benoit XVI taty dia jereo ao @ tahirintsary ao fa misy mitondra pancarte dia manao hoe we love B16
16. pissoa ( 08/05/2008 22:10)
Toa somary niala tamin'ilay dinika voalohany izy izany :-D

Mety tsy i Prime no tery saina fa i Ika no mety tsy namaky tsara.
Raha mi-"tutoyer" ny vahiny dia midika avy hatrany ve izany hoe "ialahy"?

Ny vazaha rehefa mi-tutoyer dia tsy voatery midika hoe "ialahy" izay.

Anywayz ... ny "Ialahy", amin'ny teny Malagasy, dia mety mampiseho zavatra roa : ny iray fifankazoahoana be moa ny iray tsy fanomezan-danja. Raha ny tokony ho izy dia ny olona mitovy laharana no mifanao ialahy, na ny lehibe no manao ialahy ny kely. Rehefa ny kely no manao ialahy ny lehibe dia mihena ny fanajana.

Anjaran'ny tsirairay ny mandinika hoe rahoviana no "mendrika" hifampiantso tahaka izany Aminy. Rahoviana isika no tsy mendrika ? Personnelle ny fifandraisana amin'i Jesoa Andriamanitra ka anjaran'ny tsirairay ny mitandrina mba tsy hivadika tsy fanajana io firahalahiana na fifankazahoana Aminy io ... Mora be ny hahatongavan'io.

Etsy andanin'izay, mila tandremana koa ny fanajana ... fa sao mivadika tahotra (fa tsy fitiavana intsony) !

:-D :-D :-D :-D :-D
17. prime ( 09/05/2008 12:06)
ika> mba mamakia tsara aloha alohan\'ny itsaratsaràna hoe tery saina na tsy haiko... tu # ialahy... raha ni-tutoyer ny Papa Joany Paoly II ny ankizy tsy manao ialahy velively ny Papa...

Mitombina tanteraka ny fanazavàna fanampiny nomen\'i Pissoa fa asa raha tsy azonao tsara na ahoana... ny tutoyer dia azo atao am-panajàna tanteraka satria na ny teny gasy aza dia tu = ianao... fa tsy ialahy velively...

Ny olona mitovy laharana sy ambany laharana no azo atao ialahy (indramiko kely ilay famaritan\'i pissoa, fa miala tsiny)... ka mitovy laharana sa ambony noho Andriamanitra i ika no sahy hanao ialahy Azy???

pissoa> miala tsiny fa nivily tokoa tamin\'ny lohahevitra satria misy fahasahiana tafahoatra mila tandreman\'i ika dia tsy maintsy nanisy tsindrim-peo kely teo amin\'ilay hoe Andriamanitra azo atao ialahy...

Misaotra amin\'ilay fandinihana lalina kokoa hoe hatraiza ny fetran\'ny fanajàna mba tsy ho lasa tahotra... fa na izany aza Andriamanitra dia Andriamanitra foana na namana akaiky aza Izy, ka tsy hoe rehefa lasa tsara fifandraisana Aminy dia azo antsoina amin\'izay mahamety anao Izy...
18. ikaretsaka ( 09/05/2008 13:39)
arakarak'ilay culture io ry prime an.. amiko ny olona akaiky ny foko no ataoko hoe ialahy

mandehana ange i Prime mankatsy ambositra dia jereo fa ny ao rehefa miresaka baibolysy anaran'olomasina dia manao kao hoe 'Rajesoa', "rakristy" 'Rajosefa' 'Ramaria', Ramoizy, Randriananahary sns... (raha tsy mbola nahita sy tsy te handeha any dia mihainoa Vetson'i Fianara..
"Misaotra Randriananahary eee nanome agnay reo ray amandreny" (hain'i Pissoa io )

ary ny mompera sy ny frera any ataony heo "ramompera" sy "Rafrera" satria dia raisiny ohatran'ny fianakaviana. Fa tsy ho any mihitsy ianao no hanao hoe Mr.Prime fa dia eo ny tranonao
19. Ilo ( 09/05/2008 14:17)
Arakarak'ilay toerana misy koa io e!
Raha izaho manokana aloha na dadanay aza tsy sahiko atao ialahy zany kosa ko! :wink:
20. pissoa ( 10/05/2008 13:25)
:-D :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.402